Filipiana 3
“[Efa niaritra] ny fatiantoka ny zavatra rehetra [aho] … mba hahazoako an’i Kristy”
Inona no zavatra tianao hafoy mba hanarahanao an’i Jesoa Kristy sy hahatonga anao ho mpianany? Ny Apôstôly Paoly dia nahafoy zavatra betsaka tokoa rehefa nisafidy ny hanaraka ny Mpamonjy, anisan’izany ny maha-Fariseo fanta-daza azy teo amin’ny fiarahamonina Jiosy (jereo ny Filipiana 3:5). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fahafoizan-tena mba hahafantarana an’i Jesoa Kristy.
Inona no zavatra izay mety homenao?
Vakio na jereo ity tantara manaraka notantarain’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity mikasika ny zatovolahy iray izay nizara tamin’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) ireo fahafoizan-tena nivononany mba hatao mba ho lasa mpikamban’ny Fiangonana.
Nandritra ny fihaonambe iray, taona maro lasa izay, no nandrenesantsika mikasika ny tovolahy iray izay nandray ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny rehefa nianatra taty Etazonia. Rehefa niomana ny hiverina any amin’ny tanindrazany ity lehilahy ity dia nanontanian’ny Filoha Gordon B. Hinckley ny mikasika izay hitranga aminy rehefa hiverina hody izy ka efa lasa Kristianina. “Ho diso fanantenana tanteraka amiko ny fianakaviako,” hoy ny navalin’ilay tovolahy. “Mety horoahin’izy ireo aho ary ho raisiny ho toy ny efa maty. Raha ny mikasika ny hoaviko sy ny asako dia mety hikatona amiko daholo ny varavarana rehetra.” “Moa ve ianao vonona ny hahafoy zavatra goavana toy izany noho ny filazantsara?” Hoy ny Filoha Hinckley nanontany.
(Dallin H. Oaks, “Ny sorona,” Liahona, mey 2012, 21)
-
Inona araka ny hevitrao no navalin’ilay zatovolahy? Nahoana?
-
Inona no mety hanosika ny olona iray hahafoy zavatra betsaka mba hanarahana an’i Jesoa Kristy?
Rehefa mandalina ny Filipiana 3 ianao dia diniho ny zavatra izay efa nafoinao ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny fomba nitahiana anao noho ny fanaovana izany. Etsy andaniny, foto-kevitra mety tsy dia mahazatra anao ny fanaovana fahafoizan-tena mba hanakaikezana bebe kokoa ny Mpamonjy. Na inona na inona zavatra iainanao, dia maniry mafy ny hanampy anao handroso ny Mpamonjy. Rehefa mandeha ny lesona, dia jereo tsara ireo hevitra na fahatsapana izay avy amin’ny Fanahy Masina ka mety hanampy anao hahatakatra ny anjara toeran’ny fahafoizan-tena eo amin’ny fiainanao.
Mendrika ny hanaovana ny fahafoizan-tena rehetra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy
Tsarovy fa talohan’ny niovan’i Paoly fo ho an’i Jesoa Kristy, teny an-dalana ho any Damaskosy (jereo ny Asan’ny Apostoly 9 dia Fariseo izy, olona ambony ara-pivavahana sy ara-piarahamonina teo amin’ny Jiosy (jereo ny Filipiana 3:5). Noho izy nisafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy sy nandany ny fiainany tamin’ny fitoriana ny filazantsara, dia niaina fanenjehana mafy, fahoriana, fijaliana ara-batana ary adin-tsaina i Paoly (jereo ny 2 Korintiana 11:23–28). Vakintsika ao amin’ny Filipiana 3:7–17ny fihetseham-pon’i Paoly tamin’ny nahafoizany ny fiainany taloha mba hanarahana an’i Jesosy Kristy sy ireo fitahiana azony vokatr’izany.
Vakio ny Filipiana 3:7–14ka tadiavo ny zavatra tian’i Paoly hafoy mba hahafantarana sy hanarahana an’i Jesoa Kristy. Marihina fa ny teny hoe mifanarakaao amin’ny andininy 10 dia midika hoe azo ekena, ny teny hoe “manaraka” ao amin’ny andininy 12 dia midika hoe mibosesika handroso, ary ny teny hoe mihazona ao amin’ny andininy 12 dia midika hoe mahazo.
Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Paoly ny hoe raha mahafoy izay rehetra takina amintsika isika mba hanarahana an’i Jesoa Kristy sy handrosoana amim-pinoana, dia afaka ny hahafantatra Azy sy hahazo ny fiainana mandrakizay. Hevero ny hanoratra ity fitsipika ity ao anatin’ny soratra masinao na ao anatin’ny diary fandalinanao.
Makà fotoana kely mba hisaintsainanao ny mety hifandraisan’io fitsipika io aminao.
-
Inona no eritreritra na fanontaniana na fahatsapana anananao?
Fahafoizan-tena ataon’ny tena manokana
Tsarovy ilay fanontaniana napetraky ny Filoha Hinckley tany am-piandohan’ny lesona mikasika ny fahavononan’ilay zatovolahy hahafoy zavatra tena betsaka ho an’ny filazantsara. Vakio ny ambin’ilay tantara nozarain’ny Filoha Dallin H. Oaks.
Tamin-dranomaso no namalian’ilay zatovolahy hoe: “Moa tsy marina ve izy ity, sa tsy izany?” Rehefa nekena izany dia namaly izy hoe: “Ka inona no zava-dehibe ankoatr’izany?” Izany no toe-tsaina amam-panahy vonona hanao sorona ananan’ny mpikambana vaovao maro eo anivontsika.
(Dallin H. Oaks, “Ny sorona,” Liahona, mey 2012, 21)
-
Inona ny zavatra nanaitra anao momba ity zatovolahy ity?
-
Amin’ny fomba ahoana ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny asa fanompoana ary ny Sorompanavotana izay nataony no ohatra faratampony amin’ny fahafoizan-tena?
-
Inona no eritreritra na fahatsapana anananao rehefa misaintsaina ny zavatra nafoin’i Jesoa Kristy ho anao ianao?
Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?
Filipiana 3:14. Inona no tian’i Paoly holazaina rehefa nilaza izy hoe “Miezaka hanatratra ny marika aho”?
Ny Loholona Edward Dube ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra izao manaraka izao.
Ny hoe miezaka hanatratra ny marika dia manohy amim-pahatokiana eo amin’ilay “lalana ety sy tery izay mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay” [2 Nefia 31:18] miaraka amin’ny Mpamonjy antsika sy ny Raintsika any An-danitra. I Paoly dia nahita fa ireo fahoriany dia “tsy tokony hoharina amin’ny voninahitra izay haseho amintsika” [Romana 8:18; jereo ihany koa ny 2 Korintiana 1:3–7]. Ny taratasin’i Paoly ho an’ny Filipiana, izay nosoratany tamin’izy voafatotra tany am-ponja, dia taratasy mifono fifaliana sy firavoravoana sesehena ary fankaherezana lehibe ho antsika rehetra, indrindra fa amin’izao fotoan-tsarotry ny fiahiahiana ny amin’ny hoavy izao. …
Mahaliana tokoa fa mamporisika antsika hibosesika handroso i Paoly no miantso antsika koa mba hanadino ny lasa—ireo tahotra tamin’ny lasa, ny zavatra nifantohana tamin’ny lasa, ny tsy fahombiazana tamin’ny lasa, ary ireo alahelo tamin’ny lasa.
(Edward Dube, “Miezaka hanatratra ny marika,” Liahona, mey 2021, 90, 91)
Ahoana no ahafantarako ny fahafoizan-tena izay tokony hataoko mba hanakaikezana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy?
Ny Loholona Larry R. Lawrence ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra fa ny fotoana tsara indrindra handinihana amim-panajana ny fahafoizan-tena azontsika atao ho an’ny Tompo dia mandritra ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo.
Mandritra izany fotoam-panajana lalina izany, rehefa mitodika mankany an-danitra ny eritreritsika, dia afaka milaza amin-katsaram-panahy amintsika izay tokony hataontsika manaraka ny Tompo. Nahazo hafatra maro avy tamin’ny Fanahy tahaka anareo koa aho nandritra ny taona maro izay nampiseho ahy ny fomba ahafahako mivoatra. …
Mety hiteny aminareo ny Fanahy hoe mila mamela ny heloky ny olona iray ianareo. Na mety hahazo hafatra mba hanivana bebe kokoa ireo horonan-tsary jerenareo na ny mozika henoinareo ianareo. Mety hibitsika aminareo ny Fanahy mba ho marin-toetra kokoa ianareo amin’ny fandraharahana ataonareo na hanome betsaka kokoa ianareo amin’ny fanatitry ny fifadian-kaniana ataonareo. Tsy misy fiafarany ireo zavatra azo atao.
(Larry R. Lawrence, “Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?” Liahona, nôv. 2015, 33–34)
Inona avy ireo fahafoizan-tena vitsivitsy izay ataon’ny mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany mba hanarahana ny Mpamonjy?
Ny Filoha Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nitanisa fahafoizan-tena maro izay nataon’ireo mpikamban’ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny. Azonao vakina ny lahateniny mitondra ny lohateny hoe “Ny sorona,” Liahona, mey 2012, 19–22, na jerena ilay horonan-tsary “Ny sorona” (16:30), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.