Seminera
Apokalypsy 1


Apokalypsy 1

“Ny fanambaran’i Jesoa Kristy”

Sary
Actor portraying Jesus Christ is standing on a hillside as the sun rises over the horizon.

Mety ho hafahafa na mampisafotofoto ny bokin’ny Apokalypsy indraindray noho ny fampiasany fanoharana. Tena marina fa feno fanoharana tokoa ny bokin’ny Apokalypsy ka mahatonga ny ampahany sasany ho sarotra takarina. Kanefa na izany aza, dia maro ireo hafatra ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy no fahamarinana tsotra momba ireo zavatra toy ny anjara asan’i Jesoa Kristy, ireo fisehoan-javatra manodidina ny Fiaviana Fanindroany, ary ny fandresena faratampon’ny tsara amin’ny ratsy. Nosoratan’ny Apôstôly Jaona io boky io ary natao ho an’ny rantsan’ny Fiangonana fito any Azia Minora (na Turquie ankehitriny). Tahaka ny ankamaroan’ny olona ankehitriny, dia nijaly noho ny finoany an’i Jesoa Kristy ary nahazo fampiononana tamin’ireo hafatra sy sary izay nosoratan’i Jaona ireo mpanara-dia mahatoky an’i Jesoa Kristy ireo. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatakatra ireo ampahany amin’ireo fanoharana ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy sy ny zavatra azon’izany ampianarina momba an’i Jesoa Kristy. 

Ny fahitan’i Jaona

Sary
Book of Revelation Transparencies
  • Inona no zava-mitranga izay hitanao amin’ity sary ity?

  • Inona avy ireo fanontaniana anananao momba izany?

Amin’ny maha “fanambaran’i Jesoa Kristy” azy ( Apokalypsy 1:1), indraindray ity boky ity dia antsoina hoe “Apokalypsy,” izay midika amin’ny teny Grika hoe “fanambarana na fanehoana” (jereo ny Bible Dictionary, “ Revelation of John ”).

Ity boky ity dia manambara an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny fahefany, ny heriny ary ny anjara asany tena lehibe ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray. Ny boky ihany koa dia manambara fampahalalana manan-danja momba ireo zavatra hitranga izay hitondra ho any amin’ny Fiaviana Fanindroany sy ny Arivotaona.

I Jaona Apôstôly, ilay mpianatra lalain’i Jesoa Kristy, no mpanoratra ity boky ity. Tao amin’ny nosy Patmo, tamin’ny fotoana izay niatrehan’ny Kristianina fampianaran-diso, tsy firaharahiana, ary fanenjehana mafy no nanoratan’i Jaona ilay boky (jereo ny Apokalypsy 1:9 ;  2:4, 10, 14–15 ;  3:16 ;  6:9).

Ny Bokin’i Môrmôna dia manamafy fa i Jaona dia efa voatendry mialoha mba hanoratra ireo zavatra izay voarakitra ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy (jereo ny 1 Nefia 14:18–27 ; Etera 4:16).

Vakio ny Apokalypsy 1:1–3 ary jereo ny zavatra nampianarin’i Jaona momba ny fanambarana izay azony. (Marihina fa ny Dikantenin’i Joseph Smith dia milaza hoe, “Sambatra izay mamaky sy izay mihaino ka mahatakatra ny tenin’ity faminaniana ity.”)

  • Inona no zavatra nisongadina taminao tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

  • Inona no lazain’i Jaona fa tsy maintsy ataon’ny olona iray mba ho voatahin’ ny votoatin’ny bokin’ny Apokalypsy?

Vakio ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Apokalypsy 1:4–8 ary tadiavo ny zavatra tian’i Jaona ho fantatr’ireo Olomasina sy tsapan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy.

Jereo ny fizarana “Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?” mba hahazoana fanazavana momba ny “mpanjaka sy ny mpisorona” ary ny “Alfa sy Omega.”

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no zavatra hitanao tao amin’ny Apokalypsy 1:4–8 mikasika ny zavatra izay tian’i Jaona ho fantatr’ireo Olomasina sy tsapan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy?

  • Inona amin’ireo fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy ireo no mety hanampy ireo Olomasina izay niaritra fanenjehana?

  • Ahoana no fomba mety hanampian’ireo fahamarinana ireo anao rehefa miatrika olana eo amin’ny fiainana ianao?

Fahitana ara-panoharana hitan’i Jaona

Tao amin’ny fahitany, dia nandre ny feon’i Kristy i Jaona (jereo ny Apokalypsy 1:10–11). Rehefa nitodika tany amin’ny feon’ny Mpamonjy izy dia nahita sary sy tandindona mitovy tsy misy valaka amin’ilay sary izay naseho tany am-piandohan’ny lesona.

Manerana ny soratra masina, dia nampiasa fanoharana ireo mpaminany mba hanamafisana ny fahatakarana momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ny fampiasana tandindona dia mety ho fitaovana enti-mampianatra mahomby satria na olona samy hafa fiteny aza, na samy hafa kolontsaina na taranaka samy hafa dia samy afaka mahazo izany avokoa. Afaka mampita hafatra maro samy hafa ihany koa ny tandindona. Fanampin’izany, dia afaka mampitombo ny fahatakarana amin’ny alalan’ny hevitra sy fihetseham-po mankahery izay sarotra ampitaina amin’ny alalan’ny teny fotsiny ihany koa ny fampiasana tandindona.

  • Manao ahoana ny fahatokisan-tenanao amin’ny fahaizanao mahatakatra ny dikan’ireo tandindona izay hita ao amin’ny soratra masina?

  • Eritrereto ny sasany amin’ireo tandindona izay nampiasaina mba hamaritana an’i Jesoa Kristy ao amin’ny Testamenta Vaovao (toy ny hoe zanak’ondry, mofo, rano, vatolampy, ary mpiandry ondry). Ahoana no fomba ahafahan’ireo sariohatra ireo manampy anao hahatakatra bebe kokoa ny momba Azy?

Vakio ny Apokalypsy 1:12–18 ary tadiavo ireo antsipiriany sy tandindona fanampiny momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ny fahitan’i Jaona.

Ao amin’ity tabilao manaraka ity dia hahita ny sasany amin’ireo tandindona izay voalaza ao amin’ny fahitan’i Jaona ianao. Fomba iray tsy azo tsinontsinoavina hahatakarana ny hevitr’ireo sariohatra ao amin’ny soratra masina ny fampiasana soratra masina hafa.

Avereno adika ao amin’ny diary fandalinanao ilay tabilao (aza manahy amin’ny fanoratana ny soratra masina). Avy eo, dia vakio ny soratra masina eo amin’ny ilany havanana amin’ilay tabilao ary soraty ny mety ho dikan’ireo tandindona izay hitanao ao.

Ireo tandindona tao anatin’ny Fahitan’i Jaona

Tandindona

Mety ho heviny

1. Fanaovan-jiro volamena fito ( Apokalypsy 1:12)

1. Jereo ny Apokalypsy 1:20 ; 3 Nefia 18:24

2. Ny tanana ankavanan’ny Mpamonjy ( Apokalypsy 1:16–17)

2. Jereo ny Eksodosy 15:16 ; Isaia 41:10

3. Kintana fito ( Apokalypsy 1:16)

3. Jereo ny Apokalypsy 1:20 ; Dikantenin’i Joseph Smith, Apokalypsy 1:20 (ao amin’ny  Apokalypsy 1:20 , Torolalana ho an’ny Soratra Masina)

4. Sabatra maranitra roa lela ( Apokalypsy 1:16)

4. Jereo ny Hebreo 4:12 ; Helamàna 3:29–30

5. Ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny helo ( Apokalypsy 1:18)

5. Jereo ny 2 Nefia 9:10–13

Rehefa mieritreritra ny voninahitr’i Jesoa sy ny mety ho dikan’ireo sariohatra tao amin’ny fahitan’i Jaona, dia jereo ny sary izay naseho tany am-piandohan’ny lesona.

  • Ahoana no mety hanazavanao ny zavatra izay asehon’io sary io?

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana momba ny fifandraisan’i Jesoa Kristy sy ireo mpanaradia mahatoky Azy?

Apokalypsy 1:6 . Inona no zavatra tian’i Jaona hambara raha niteny izy hoe nataon’i Jesoa ho “mpanjaka sy mpisorona” isika?

Ny Filoha Joseph F. Smith (1838–1918) dia nampianatra fa hoe:

Sary
Portrait of Joseph F. Smith

Ny antom-pisiantsika eto an-tany dia ny hahazoantsika ny fahafenoan’ny fifaliana, ary ny hahatonga antsika ho zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra, amin’ny hevin-teny feno, ho mpandova an’ Andriamanitra sy mpiara-mandova amin’i Jesoa Kristy [jereo ny Romana 8:14–17 ], mba ho mpanjaka sy mpisorona ho an’ Andriamanitra, handova voninahitra, fanapahana, fisandratana, seza fiandrianana ary hery sy toetra izay nampitomboan’ny Raintsika any An-danitra sy nananany. Izany no antom-pisiantsika eto amin’ity tany ity. Mba hahatongavana amin’izany toerana avo dia avo izany dia ilaina ny miaina ireo zavatra iainana eto an-tany, na ireo fizahan-toetra, izay ahafahantsika manaporofo fa mendrika izany ny tenantsika, amin’ny alalan’ny fanampian’i Jesoa zokintsika.

(Teachings of Presidents of the Church: Joseph F. Smith [1998], 150)

Nampianatra ny Filoha Joseph Fielding Smith (1876–1972) hoe:

Sary
Portrait of President Joseph Fielding Smith sitting in a black leather chair in front of a book shelf. He is holding a copy of the scriptures in his hands.

[Ny mahatoky] dia nampanantenaina fa ho tonga zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra izy ireo, miray lova amin’i Jesoa Kristy, ary raha toa ka mahatoky amin’ny didy sy fanekempihavanana izay nomen’ny Tompo antsika, ho mpanjaka sy mpanjakavavy ary mpisorona, manana ny fahafenoan’ny fitahian’ny fanjakana selestialy.

(Joseph Fielding Smith, Answers to Gospel Questions natambatr’i Joseph Fielding Smith Jr. [1963], 4:61)

Apokalypsy 1:8 . Inona no zavatra azontsika ianarana avy amin’ilay anaram-boninahitr’i Jesoa Kristy hoe “Tsitoha”?

Ny anaram-boninahitra hoe “Tsitoha” dia ny fandikana amin’ny teny Anglisy ny teny Grika hoe Pantokrator, manondro olona anankiray izay manapaka sy mandrindra ny zava-drehetra. Lohahevitra iray ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy ny hoe na dia miatrika fanenjehana sy fahasahiranana aza ny vahoakan’ Andriamanitra amin’ny taona rehetra, dia Andriamanitra tokoa no mitantana ny zava-drehetra ary indray andro any dia hitsahatra amin’ny alalany ny ratsy rehetra. Sary maromaro avy amin’ireo toko voalohany ao amin’ny Apokalypsy no manamafy ny anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny maha “ilay Tsitoha” Azy ( Apokalypsy 1:8): Aseho ho toy ny “sabatra maranitra roa lela” ny teniny ( Apokalypsy 1:16), Izy no mihazona “ny fanalahidin’ny helo sy ny fahafatesana” ( Apokalypsy 1:18), ary fantany avokoa ny asan’ny olona (jereo ny Apokalypsy 2:2, 9, 13, 19).

Apokalypsy 1:8 . Inona no dikan’ny hoe i Jesoa no “Alfa sy Omega”?

Nampianatra ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–1985) ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Head and shoulders portrait of Elder Bruce R. McConkie.

Ireo teny ireo, izay litera voalohany sy farany amin’ny abidia grika, dia ampiasaina mba hampianarana an-kolaka ny fahatanterahan’ny faharetana sy ny fisiana mandrakizain’ny Tompontsika, izany hoe “hatramin’izay ka ho mandrakizay dia tsy miova Izy, ary tsy miova koa ny taonany” [ Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:4 ].

(Doctrinal New Testament Commentary [1973], 3:439)

Inona no dikan’ireo fanaovan-jiro hita tao amin’ny fahitan’i Jaona?

Nampianatra ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–1985) ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Head and shoulders portrait of Elder Bruce R. McConkie.

Ny fanaovan-jiro dia mitondra fahazavana fa tsy mamorona izany. Ny asan’izy ireny dia ny manao izay ahafahana mampiasa izany fa tsy manao izay hisian’izany. Ka amin’ny alalan’ny fampiasana fanaovan-jiro fito mba hanehoana ireo fiangonana fito izay nomen’i Jaona torohevitra tamin’izany fotoana izany dia asehon’ny Tompo fa ireo fiangonany eto an-tany dia tokony hitondra ny fahazavany eo amin’izao tontolo izao. I Kristy no Fahazavan’izao tontolo izao ( Jaona 8:12). “Aingao ambony ny fahazavanareo mba hamirapiratany eo amin’izao tontolo izao. Indro, Izaho no fahazavana izay haingainareo ambony—izay efa hitanareo fa nataoko” [ 3 Nefia 18:24 ; Matio 5:14–16 ].

(Doctrinal New Testament Commentary [1990], 3:442)

Hamoaka printy