Apokalypsy 5
“Mendrika Ilay Zanakondry”
Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe mitsaoka ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy? Nahoana araka ny hevitrao no mitsaoka Azy Ireo isika? Hitan’i Jaona ny seza fiandrianan’ Andriamanitra sy ireo zava-boary be voninahitra samihafa izay nidera sy nitsaoka Azy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao mba hampitombo ny fanirianao hitsaoka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amim-pitiavana sy amin-kitsimpo bebe kokoa.
Ny seza fiandrianan’ Andriamanitra
Mitadiava hira anankiray izay mampahatsiahy anao ny voninahitr’ Andriamanitra, sy ny heriny, ary ny fitiavany. Ahoana no hanehoan’ity hira ity ny fitiavanao manokana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
-
Inona no zavatra mba fantatrao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izay manetsika ny fonao mba hanana faniriana marina ny hitsaoka Azy Ireo?
Rehefa mitsaoka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika, dia manome Azy Ireo ny fitiavana, sy fanajana, ary ny asa fanompoana izay ataontsika (jereo ny Gospel Topics, “Worship,” topics.ChurchofJesusChrist.org). Ny fitsaohana ny Ray Any an-danitra sy i Jesoa Kristy dia mety hisy fiantraikany lehibe eo amin’ny fiainantsika ary manampy antsika hahatsapa ho akaiky Azy Ireo kokoa.
-
Inona avy ireo fomba sasantsasany izay ahafahanao mitsaoka ny Ray sy ny Zanaka?
Makà fotoana mba hieritreretana hoe impiry ianao no mba mitsaoka amin-kitsimpo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Saintsaino ny mety ho fiovan’ny fiainanao raha mivavaka amin’ Izy Ireo matetika sy amin’ny fomba manan-danja kokoa ianao. Katsaho ny fitaoman’ny Fanahy Masina rehefa mandalina ny Apokalypsy 5 ianao mba hahafantaranao ny fomba izay ahafahanao mitsaoka amin-kitsimpo kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Mendrika ilay Zanakondry
Tao amin’ny fahitany, dia nahita ny seza fiandrianan’ Andriamanitra tao amin’ny fanjakana selestialy i Jaona. Nanodidina ny seza fiandrianana dia nisy zavamananaina sy biby isan-karazany nomem-boninahitra nidera sy nitsaoka an’ Andriamanitra (jereo ny Apokalypsy 4:1–11). Nahita ny Ray any An-danitra nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany Izy, nihazona boky voaisy tombokase fito (jereo ny Apokalypsy 5:1). Ilay boky dia mirakitra ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny zava-miafina ary ny asany mandritra ny 7.000 taonan’ny tany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:6–7).
Vakio ny Apokalypsy 5:2–4 , ary tadiavo ny fihetsik’i Jaona.
-
Inona avy ireo zavatra izay tsikaritrao?
-
Koa satria maneho ny tantaran’ny eto an-tany ilay boky misy tombokase, dia mety nanahy i Jaona fa raha tsy misy olona mendrika hanokatra izany, dia tsy ho tanteraka ny fikasan’ Andriamanitra tamin’ny famoronana ny tany. Inona no mety hitranga amin’ny zanaky ny Ray any An-danitra raha toa ka tsy afaka tanterahina ny drafiny ho an’ny famonjena azy ireo?
Vakio ny Apokalypsy 5:5–7 , ary tadiavo ny antony nitenenana an’i Jaona mba tsy hitomany. Mariho fa ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny andininy 6 , dia novaina ho roa ambin’ny folo ny isa fito.
Jereo ny fomba izay namariparitan’i Jaona ny Mpamonjy. Tsarovy fa nampianatra tamin’ny alalan’ny sariohatra i Jaona. Jereo eo amin’ny fanamarihana eny ambanin’ny pejy na ao amin’ny fizarana “Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?” raha mila fanazavana fanampiny momba ireo sariohatra ireo.
Vakio ny Apokalypsy 5:8–14 , ary tadiavo ny fihetsik’ireo olona isan-karazany feno voninahitra rehefa afaka naka ilay boky teo an-tanan’ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy. Azonao atao ihany koa ny mamaky ny fomba namariparitan’i Joseph Smith ireo olona manodidina ny seza fiandrianan’ Andriamanitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:20–21 .
-
Nahoana araka ny hevitrao no toy izany ny fihetsik’ireo olona feno voninahitra ireo?
-
Alaivo sary an-tsaina hoe teo ianao. Ahoana araka ny hevitrao no mety ho fahatsapana nisy tao aminao? Inona no zavatra hataonao?
-
Inona no zavatra azontsika ianarana avy tamin’ny fomba nitsaohan’ireo olona feno voninahitra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
Fitsaohana
Ny Eveka Dean M. Davies (1951–2021) ao amin’ny Episkôpà Mpiahy dia nampianatra momba ny fitsaohana. Azonao atao ny mamaky ilay fanambarana etsy ambany na mijery ny “Ireo fitahiana entin’ny fitsaohana” (manomboka avy amin’ny mari-potoana faha 3:34 ka hatramin’ny 4:45 sy 8:54 ka hatramin’ny 11:14), azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
Rehefa mitsaoka an’ Andriamanitra isika dia manatona Azy amin’ny fitiavana sy fanetrentena ary fiderana feno fanehoam-panajana. Miaiky isika ary manaiky Azy ho Mpanjakantsika mahefa, ilay Mpahary an’izao rehetra izao, Raintsika malala ary feno fitiavana tsy manam-petra.
Hajaintsika sy omentsika voninahitra Izy.
Mampanoa ny tenantsika Aminy isika.
Manandratra ny fontsika isika amin’ny vavaka feno hafanam-po, mankamamy ny teniny, mifaly amin’ny fahasoavany, ary manolo-tena hanara-dia Azy omban’ny fahatokiana tanteraka. …
Rehefa mitsaoka isika, dia mitodika amim-piderana amin’ilay Andriamanitra malalantsika ny fontsika, na maraina, na antoandro, na hariva.
Manamasina sy manome voninahitra Azy tsy tapaka isika, any amin’ny trano fiangonantsika, sy tokantranontsika, sy tempolintsika ary amin’ny asa rehetra ataontsika.
Rehefa mitsaoka isika dia manokatra ny fontsika ho amin’ny hery manasitran’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.
Ny fiainantsika no lasa mariky ny fanehoantsika ny fitsaohantsika.
(Dean M. Davies, “Ireo fitahiana entin’ny fitsaohana,” Liahona, Nôv. 2016, 94–95)
-
Inona no zavatra nianaranao mikasika ny fitsaohana avy tamin’io fanambarana io?
Saintsaino ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Eritrereto ny zavatra izay nataon’ Izy Ireo ho anao ka manentana anao hidera sy hitsaoka Azy Ireo.
1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny telo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Ahoana araka ny hevitrao no fomba ahafahan’ny fitsaohana amin-kitsimpo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy hitahy ny fiainanao?
-
Tamin’ny oviana ianao no nahatsapa fa akaiky ny Ray any An-danitra na i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny fitsaohana amin-kitsimpo?
-
Ahoana no ahafahan’ny fitsaohanao maneho tsaratsara kokoa ny fahatsapana izay anananao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
-
Misafidiana anankiray na maromaro amin’ireto zavatra atao manaraka ireto, ary saintsaino ny fomba izay ahafahan’ny fitsaohana amin-kitsimpo manampy ireo zavatra ireo mba ho manan-danja kokoa: vavaka, fandalinana soratra masina, fandraisana ny fanasan’ny Tompo, fanajana ny Sabata, fifadian-kanina, fandehanana any amin’ny tempoly.
-
Inona no zavatra tsapanao fa mila ovaina na hatsaraina momba ny fomba fitsaohanao?
Iza moa ilay “Liona avy amin’ny fokon’i Joda” sy ny “Fakan’i Davida”?
Ireo andian-teny anankiroa ireo dia anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy avokoa. “Ny liona avy amin’ny fokon’i Joda” dia anarana fiantsoana mety tsara satria ny liona dia vaventy sy mahery ary satria teraka avy tamin’ny taranak’i Joda ny Mpamonjy (jereo ny Genesisy 49:8–10 ; Matio 1:3 ; Hebreo 7:14). Ny anaram-boninahitra hoe “Lionan’i Joda” dia mifanohitra tanteraka amin’ilay Zanak’ondry malemy fanahy sy natao sorona izay resahin’ny Apokalypsy 5:6 . Ireo sary anankiroa ireo dia manambara fa i Kristy dia sady manana ny fiandrianana no manana ihany koa ny fahalemem-panahy.
I Jesoa dia antsoina koa hoe “Fakan’i Davida.” Ny faka dia manome rano mamelona sy mampiaina ny zavamaniry anankiray—izany no asa nanirahana an’i Jesoa Kristy ho an’ireo rehetra izay manaiky Azy ho Mpamonjy sy Mpanavotra (jereo ny Jaona 15:1–8 ; jereo ihany koa ny Isaia 11:1 ; 53:2). Taty aoriana tao amin’ny fanambarana izay nataon’i Jaona, dia i Kristy mihitsy no nanambara hoe, “Izaho no Solofon’i Davida sy taranak’i Davida” ( Apokalypsy 22:16). Nanantitrantitra matetika ireo mpanoratra ny Filazantsara fa taranak’i Davida Mpanjaka i Jesoa (jereo ny Matio 1:1 ; Marka 10:47 ; Lioka 1:32 ; Jaona 7:42).
Inona no tian’ny maso sy ny tandroka ao amin’ny Apokalypsy 5:6 ambara?
Ao amin’ny soratra masina, ny tandroka dia matetika atao sariohatra maneho ny hery na fahefana, ary ny maso kosa dia afaka maneho ny fahazavana sy ny fahalalana. Ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith, dia novana ho roa ambin’ny folo ny isa fito (ao amin’ny Apokalypsy 5:6 . Ny isa roa ambin’ny folo dia afaka maneho ny fitondram-panjakana sy ny fandaminana masina, na ny fisoronana. Ny Dikantenin’i Joseph Smith ihany koa dia milaza fa ny tandroka sy maso roa ambin’ny folo dia “ireo mpanompon’ Andriamanitra roa ambin’ny folo,” izay afaka maneho ireo Apôstôly Roambinifolo an’i Jesoa Kristy.
Mitsaoka an’iza isika?
Nijoro ho vavolombelona ny Filoha Russell M. Nelson fa:
Nanova ny fiainantsika tsirairay ny sorona fanavotana sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Tiantsika Izy ary mitsaoka Azy sy ny Raintsika any An-danitra amim-pankasitrahana isika.
(Russell M. Nelson, “Nitsangana i Kristy; hamindra tendrombohitra ny finoana Azy,” Liahona, mey 2021, 101)
Nampianatra ny Loholona Gerrit W. Gong ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
Mitsaoka an’ Andriamanitra ilay Ray mandrakizay isika, sy i Jesoa Kristy Zanany, fa tsy ny Mpaminany Joseph Smith na izay mety ho lehilahy na vehivavy mety maty.
(Gerrit W. Gong, “Ny firenena sy ny foko ary ny samy hafa fiteny rehetra,” Liahona, Nôv. 2020, 39)
Ahoana no fomba ahafahan’ny fitsaohana manampy ahy ho tonga tahaka an’ Andriamanitra?
Nampianatra ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa hoe:
Avia hitsaoka ny Tompo! Ahoana no anaovana izany? Ny fakan-tahaka no fitsaohana tonga lafatra. Manome voninahitra an’izay alaintsika tahaka isika. Ny fomba fitsaohana tonga lafatra indrindra dia ny hoe masina tahaka ny fahamasinan’i Jehovah. Dia ny hoe tokony ho madio tahaka ny maha madio an’i Kristy. Izany dia ny fanaovana ireo zavatra mahatonga antsika ho tonga tahaka ny Ray. …
Ahoana no fomba hitsaohantsika ny Tompo? Manao izany isika amin’ny alalan’ny fandehanana avy amin’ny fahasoavana mankany amin’ny fahasoavana, mandra-pandraisantsika ny fahafenoan’ny Ray sy hankalazantsika ny fahazavana sy ny fahamarinana tahaka Ilay Maodely sy Ohatra antsika, ilay Mesia nampanantenaina.
(Bruce R. McConkie, The Promised Messiah: The First Coming of Christ [1978], 568–69)