Seminera
Romana 12–15 


Romana 12–15

Firaisan-kina amin’ny alalan’i Jesoa Kristy

Sary
Zatovolahy sy zatovovavy mamakivaky ny Crystal Gardens ao amin’ny Navy Pier ao Chicago. Misy hazo rofia sy zavamaniry hafa ao aoriana.

Efa nisy fotoana ve ianao nahatsapa fahasarotana tamin’ny fifandraisanao tamin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana? Ireo Olomasina tao Roma izay niaina tamin’ny andron’i Paoly dia samy hafa fiaviana sy samy nanana ny kolontsainy avokoa. Nisy fotoana izy ireo tsy nifanaraka sy nifanditra. Ho setrin’izany, dia namporisika azy ireo i Paoly mba “hiray saina amin’ny namany avy” (Romana 12:16). Ity lesona ity dia hanampy anao hahita ny fomba ahafahana miray hina bebe kokoa amin’ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy. 

Afaka miray hina avokoa isika

Telo taona lasa izay no nanaovana batisa an’i Mika sy ny fianakaviany. Naharitra elaela ny fianakavian’i Mika vao zatra ny fomba fiaina vaovao amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy ireo, kanefa nahazo fanohanana ara-tsosialy matanjaka sy fanekena avy amin’ireo mpikamban’ny sampana izay misy azy ireo izy ireo. Vao tsy ela akory izay, dia nahita asa vaovao ny rain’i Mika, ary nifindra any amin’ny faritra hafa ny fianakaviany. Nanatrika fiaraha-mientan’ny Fiangonana sy ny zatovo tao amin’ilay paroasy vaovao izay nisy azy nandritra ny herinandro vitsivitsy i Mika, saingy nahatsiaro sahirana izy tamin’ny fomba fandraisana azy ireo tao. Toa mahafinaritra ihany ireo zatovo tao, saingy efa mpikambana tao amin’ny Fiangonana efa hatry ny ela ny ankamaroan’izy ireo, ka nanontany tena i Mika fa sao hitsara azy izy ireo noho ny tsy fahalavorariany sy ny tsy fananany traikefa tao amin’ny Fiangonana.

  • Inona no mety ho torohevitra homenao an’i Mika mba hanampiana azy amin’izany toe-javatra izany?

  • Inona no mety ho torohevitra homenao an’ireo zatovo ao amin’ilay paroasy vaovao izay misy an’i Mika?

Nandritra ny fotoana niarahan’ireo mpikambana tao amin’ny Fiangonana, izay samy hafa foto-pinoana sy kolontsaina nefa niara-nivavaka no nanoratan’i Paoly ny epistiliny ho an’ireo Romana. Nisy fotoana tsy nifanaraka ireo Olomasina ireo na nitsara tsy ara-drariny ireo mpikambana hafa tao amin’ny Fiangonana izay tsy nitovy safidy tamin’izy ireo. Iray amin’ireo lesona izay azontsika tsoahina avy amin’ny fampianaran’i Paoly ao amin’ny Romana 12–15 ny hoe na dia manana ny maha-samy hafa azy aza isika rehetra dia afaka miezaka ny hiray hina avokoa amin’ny alalan’ny fampianaran’i Jesoa Kristy ny mpikambana ao amin’ny Fiangonana.

  • Inona no mety mampananosarotra ny fahatsapana firaisan-kina amin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe amin’ny Tompo ny firaisan-kinan’ny mpikambana ao amin’ny Fiangonany?

Eritrereto hoe hatraiza ny fifandraisanao amin’ny olona ao amin’ny paroasy na sampana izay misy anao, na ireo mpiara-mianatra aminao ao amin’ny seminera, na koa ireo mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana. Mandritra ity lesona ity dia eritrereto ny fomba ahafahanao miray hina bebe kokoa amin’ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy.

Ny fampianaran’i Paoly momba ny firaisan-kina

Halalino ny fampianaran’i Paoly momba ny firaisan-kina avy amin’ny roa amin’ireto andian-tsoratra masina manaraka ireto farafahakeliny. Rehefa mandalina ianao, dia mitadiava fampianarana izay afaka manampy anao hahatakatra sy hanohana bebe kokoa ny mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana. Mety hanampy ihany koa ny famoronana fanehoana an-tsary ny iray na maromaro amin’ireo fampianarana izay nataon’i Paoly ao amin’ireo andinin-tsoratra masina izay halalininao.

  • Inona ny zavatra izay nianaranao avy tamin’ireo andinin-tsoratra masina izay nohalalininao ka afaka manampy anao hiray hina kokoa amin’ny hafa?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fanaovana ezaka mba hiray hina amin’ny hafa manampy antsika ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa?

  • Inona avy ireo zavatra izay efa niainanao teo amin’ny fiainana na teo amin’ny fiainan’ny hafa ka nampiseho anao ny maha-zava-dehibe ny firaisan-kina amin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana?

Hevero ny hijery ilay horonan-tsary “A Friend to All” (4:01), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Ao amin’ity horonan-tsary ity, ny Loholona Ulisses Soares avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia manoritsoritra ny sasany amin’ireo zavatra izay niainan’ny fianakaviany fony izy ireo mbola mpikambana vaovao tao amin’ny Fiangonana. Rehefa mijery ianao, dia eritrereto ny fomba ahafahanao manohana sy minamana tsara kokoa amin’ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonana.

  • Inona ny zavatra mba nanaitra anao indrindra tamin’ny tenin’ny Loholona Soares? Nahoana?

Mampihatra ny zavatra izay nianaranao

1. Ataovy ity sahanasa manaraka ity:

Eritrereto ny zavatra izay efa nianaranao sy tsapanao momba ny firaisan-kina nandritra ny fianarana izay natao androany. Makà fotoana kely hanaovana drafitra ny fomba hampidiranao ireo fampianarana ireo eo amin’ny fiainanao. Manorata tanjona anankiray momba ny fomba hiezahanao hananana firaisan-kina amin’ny iray na maromaro amin’ireto toe-javatra manaraka ireto:

  • Miaraka amin’ireo mpikambana ao amin’ny kilasin’ny Zatovovavy na kôlejin’ny fisoronana

  • Miaraka amin’ny mpikambana ao amin’ny kilasin’ny seminera izay misy anao

  • Miaraka amin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny paroasy na sampana izay misy anao

Mety hanampy koa ny fanoratana ireo sakana rehetra izay atrehanao amin’ny fanatratrarana ny tanjona izay napetrakao. Ahoana ny fomba ahafahanao mandresy ireo olana ireo? Ahoana ny fomba ahafahan’ny Tompo manampy anao?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Inona ny zavatra azontsika tsoahina avy tamin’ireo fanamby izay natrehan’ny Fiangonana tany Roma tamin’ny andron’i Paoly?

Ny Loholona Quentin L. Cook avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Quentin L. Cook. Nantsoina ho ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny 06 ôktôbra 2007.

Ny kolontsaintsika ato amin’ny Fiangonana dia avy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Mifono hevi-dalina ny Epistilin’ny Apôstôly Paoly ho an’ny Romana. …

… Nanafatra ny Jiosy sy ny Jentilisa i Paoly mba hitandrina ny didy, hifankatia, ary hanamafy fa ny fahamarinana dia mitondra mankany amin’ny famonjena.

Ny kolontsain’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia tsy kolontsaina Jentilisa na kolontsaina Joda. Tsy voafaritry ny lokom-bolon-koditry ny olona izany na ny toerana onenan’ny olona. Na dia mifaly amin’ny fisian’ny kolontsaina miavaka aza isika dia tokony hamela ny lafin-javatra amin’ireo kolontsaina ireo izay mifanohitra amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

(Quentin L. Cook, “Fo mifamihina ao amin’ny fahamarinana,” Liahona,, nôv. 2020, 20–21)

Inona ny zavatra izay mety hitranga rehefa manao ezaka isika mba ho mpikamban’ny Fiangonan’ny Mpamonjy miray hina?

Ny Loholona Jorge T. Becerra ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra hoe:

Sary
Loholona Jorge T. Becerra, sary ôfisialin’ny Kôlejin’ny Fitopololahy voalohany.

Mila ny olon-drehetra isika ao amin’ny paroasy sy sampana tsirairay—ireo izay mety ho matanjaka ary ireo izay mety ho misedra olana. Ilaina daholo ny rehetra amin’ny fanorenana manan-danja ny “tenan’i Kristy” manontolo. Matetika aho no misaintsaina hoe iza no tsy tonga amin’ireo mpiangona izay mety hanatanjaka sy hanasitrana antsika.

(Jorge T. Becerra, “Ireo Mahonena Kely,” Liahona, mey 2021, 40)

Ny Rahavavy Sharon Eubank ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany dia nizara ity tantara manaraka ity:

Sary
Sary ôfisialin’ny Rahavavy Sharon Eubank. Sary nalaina tamin’ny 2017.

Tamin’ny 1842, dia niasa mafy ireo Olomasina mba hananganana ny Tempolin’i Nauvoo. Taorian’ny nananganana ny Fikambanana Ifanampiana ny volana martsa, dia nanatrika matetika ny fivorian’izy ireo ny Mpaminany Joseph mba hanomanana azy ireo amin’ireo fanekempihavanana masina sy mampiray hina izay hataon’izy ireo tsy ho ela ao amin’ny tempoly.

Ny 9 jona ny Mpaminany dia “nilaza fa hitory momba ny famindram-po[.] Raha ohatra moa i Jesoa Kristy sy ny anjely ka tezitra amintsika amin’ny zavatra tsy misy dikany, dia inona no hiafarantsika? Tokony hamindra fo isika ary tsy hanisy lanja ireo zavatra kely.” Notohizan’ny Filoha Smith hoe, “Mampalahelo ahy ny tsy fisian’ny firaisan-kina feno kokoa—raha mijaly ny mpikambana iray dia tokony ho tsapan’ny rehetra izany—amin’ny fiombonam-pihetseham-po no ahazoantsika hery amin’ Andriamanitra” [“Minutes and Discourse, 9 June 1842,” 61, Taratasin’i Joseph Smith] .

Nanaitra ahy toy ny varatra io fehezan-teny kely io. Amin’ny alalan’ny fiombonam-pihetseham-po no ahazoantsika hery amin’ Andriamanitra. Tsy araka izay aniriako azy ity tontolo ity. Betsaka ny zavatra tiako hovaina sy hatsaraina kokoa. Ary tsoriko aloha fa be ny fanoherana ireo zavatra izay antenaiko, ary indraindray aza aho dia mahatsiaro ho tsy afa-manoatra. Tato ho ato aho, dia nametraka fanontaniana mampandini-tena tamin’ny tenako hoe: Ahoana no ahafahako mahatakatra ny zavatra izay tsapan’ny olona manodidina ahy? Ahoana no hamoronako izany “fiombonam-pihetseham-po” izany kanefa samy hafa tanteraka avokoa ny olona rehetra? Hery inona avy amin’ Andriamanitra no afaka ho azoko raha toa aho ka miray hina kokoa amin’ny hafa?

Jereo koa ny Sharon Eubank, “Amin’ny alalan’ny fiombonam-pihetseham-po no ahazoantsika hery amin’ Andriamanitra,” Liahona, nôv. 2020, 55)

Horonan-tsary momba ny maha-zava-dehibe ny firaisan-kina

  • “To Love Them All” (3:22), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Ny Loholona Patrick Kearon avy ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy dia miresaka momba ny fifangaroana sy finamanana ao amin’ny Fiangonana.

  • “Till We All Come in the Unity of the Faith” (2:21), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Ny Rahalahy Ahmad S. Corbitt avy ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany dia niresaka momba ny fitomboan’ny fahasamihafana izay misy ao amin’ny Fiangonana.

Hamoaka printy