Seminera
Romana 8:18–39 


Romana 8:18–39

“Ny fitiavan’ Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy” 

Sary
vehivavy iray mipetraka irery

Efa avy nalaim-panahy hanontany tena ve ianao nandritra ny toe-javatra anankiray izay nampatahotra, na tsy ara-drariny, na sarotra raha tena miahy anao marina Andriamanitra? Ny taratasy nosoratan’i Paoly ho an’ireo olomasina tao Roma, izay nisy sasany tamin’izy ireo tena niaritra fitsapana mahatsiravina, dia ahitana hafatra mifono fankaherezana ho an’ireo izay mijaly. Ity lesona ity dia hanampy anao hahatsapa fanantenana sy fiadanana amin’ny alalan’ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa miatrika fitsapana sy fisalasalana ianao. 

Inona ny zavatra hatolotrao?

Eritrereto ny mety ho sosokevitry ny mpitsabo mba hanampiany amin’ireto toe-javatra manaraka ireto:

  • Aretin-kibo

  • Tapa-tongotra

  • Marary andoha

  • Sery

Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no torohevitra manokana azo omena ho an’ireo trangan’aretina tsirairay ireo?

  • Inona no torohevitra ankapobeny mety hanampy amin’ny fitsaboana ireo trangan’aretina ireo?

Mazava ho azy, fa tsy izay fitsapana rehetra akory dia tonga dia ara-batana. Maro ny olona mijaly noho ny olana ara-tsaina, sy ara-pihetseham-po, ary ara-panahy. Ny Mpamonjintsika dia mahafantatra ny fomba hanampiana sy hampaherezana antsika tsirairay avy, na inona na inona ady atrehantsika. Na dia tsy mitovy aza ny fitsapana izay iainan’ny olona tsirairay, dia nampianatra fahamarinana mandrakizay amintsika Andriamanitra izay afaka manampy sy mampahery antsika amin’ny toe-javatra-tsarotra rehetra. Ataovy lisitra fohy, ao anatin’ny diary fandalinanao ireo fitsapana izay ilanao fanampiana na ny an’ireo olon-tianao.

  • Inona ny zavatra efa fantatrao momba ny Ray any An-danitra sy momba an’i Jesoa Kristy, ary ny drafitry ny famonjena izay manampy anao amin’ireo fitsapana ireo? Ahoana no fomba nanampian’izany fahalalana izany anao?

Na dia tsy manamaivana ny maha-tena misy, na ny fanaintainana, na ny fahasarotan’ny fitsapana mahazo anao sy ireo olona akaikin’ny fonao aza ny fijoroanao ho vavolombelona anananao, dia afaka manome fanantenana, fampiononana, ary fomba fijery mandrakizay mandritra ireo fitsapana ireo izany.

Taona vitsivitsy monja taorian’ny nandefasan’i Paoly ny epistiliny ho an’ireo Romana, dia niharan’ny fanenjehana mahatsiravina ireo Olomasina tany Roma. Vakio ny Romana 8:18, 24–25, 28, 31–39, ary asio marika ny andian-teny tsirairay izay inoanao fa afaka manampy na mampahery olona, na inona na inona fahoriana manokana izay mianjady aminy.

1. Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao ity manaraka ity:

  • Raketo ny andian-teny izay nanaitra anao tamin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Nahoana no nisafidy an’io andian-teny io ianao?

  • Raketo ny fomba ahafahan’ireo fahamarinana izay ampianarina ao amin’io andian-teny io manampy anao sy ireo olona akaikin’ny fonao amin’ny fahoriana manokana sasantsasany izay atrehanareo.

  • Ataovy tsianjery ilay andian-teny izay nosafidinao. Azonao atao ihany koa ny mamorona fampahatsiahivana isan’andro an’io andian-teny io amin’ny alalan’ny fitaovana elektrônika na manoratra sy mametraka izany amin’ny toerana mora ahitanao izany isan’andro mandritra ny andro maromaro manaraka.

Ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy

Ny iray amin’ireo andian-teny izay mety nasianao marika tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia mampianatra ny fahamarinana hoe “[tsy misy] hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’ Andriamanitra” (Romana 8:39).

Tian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho fantatrao fa tiany ianao. Nasehon’izy ireo tamin’ny asa sy ny teny izany fitiavana izany.

  • Araka ny Romana 8:32, inona ny zavatra izay nataon’ny Ray any An-danitra ka nanehoany fa tiany ianao?

Vakio ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay hita ao amin’ny Jaona 3:16, ary mariho ny zavatra izay nampianarin’ny Mpamonjy momba ny antony nandefasan’ny Ray any An-danitra ny Zanany tety an-tany. Azonao atao ny mampifandray na mampifandrohy io andinin-tsoratra masina io amin’ny Romana 8:32.

Ny fanolorantenan’ny Mpamonjy hanonitra ny fahotantsika ihany koa dia porofon’ny fitiavany antsika (jereo ny Romana 8:34–35; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 34:1–3).

  • Oviana no nahatsapanao ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy anao teo amin’ny fiainanao? Ahoana ny fomba nanampian’ny fitiavan’izy ireo anao manoloana ny fahoriana izay atrehanao?

Soraty ao anaty diary fandalinanao ny zavatra izay nianaranao androany momba ny Ray any An-danitra sy momba an’i Jesoa Kristy izay tianao hotadidina. Azonao atao ihany koa ny manoratra taratasy ary manome izany ho an’ny olona ao amin’ny fianakaviana na namana izay mety mba hahazo tombontsoa avy amin’ny zavatra izay nianaranao na tsapanao androany.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Inona no dikan’ny hoe ny fahoriana izay lalovantsika ety an-tany dia “tsy tokony hoharina amin’ny voninahitra izay haseho amintsika”? (Romana 8:18)

Nampianatra ny Rahavavy Linda S. Reeves, Mpanolotsaina Faharoa teo aloha tao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany hoe:

Sary
Sary ôfisialin’i Linda S. Reeves, izay notohanana ho Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany tamin’ny ôktôbra 2012. Nisaorana nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2017.

Tsy fantatro ny antony mahatonga ireo fitsapana maro eo amintsika, saingy ny fahatsapako manokana ry rahavavy isany dia hoe, lehibe tokoa, mandrakizay sy tsy manam-petra mihitsy, ary tena mahafinaritra sy mihoatra noho ny fahatakarantsika ilay valisoa hany ka amin’io andro handraisana valisoa io dia hilaza amin’ny Raintsika feno famindram-po sy be fitiavana isika hoe, “Izay fotsiny ve ny zavatra notakina?” Mino aho fa raha afaka mahatsiaro sy mahatsapa isan’andro ny halalin’ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjintsika antsika isika, dia ho vonona ny hanao izay hangatahany amintsika isika mba hiverenana eo anatrehan’izy ireo indray. Inona moa izay fijaliantsika tety … raha toa ka amin’ny farany, ireo fitsapana ireo no tena hahatonga antsika ho mendrika ny hahazo ny fiainana mandrakizay sy ny fisandratana faratampony ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra miaraka amin’ny Raintsika sy ny Mpamonjy antsika?

(Linda S. Reeves, “Mendrika ireo fampanantenana nataontsika,” Liahona, nôv. 2015, 11)

Ahoana no hahatonga ireo fitsapana izay iainantsika ireo “ho soa ho [antsika]”? (Romana 8:28)

Nilaza ny Loholona James B. Martino avy ao amin’ny Fitopololahy hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona James B. Martino. Sary nalaina tamin’ny martsa 2017.

Ny Raintsika any An-danitra, izay tia antsika tanteraka sy amin’ny fitiavana tonga lafatra, dia mamela antsika hiaina toe-javatra izay ahafahantsika manana toetra sy toe-po izay ilaintsika mba ho lasa tahaka an’i Kristy kokoa hatrany hatrany. Miseho amin’ny fomba isan-karazany ireo fitsapana izay iainantsika, saingy izy ireny dia hamela antsika ho tahaka ny Mpamonjy kokoa rehefa mianatra ny tsara hatrany avy tamin’ireo zavatra izay niainantsika tsirairay isika. Rehefa takatsika izany fotopampianarana izany, dia manana fahatokiana lehibe kokoa isika momba ny fitiavan’ny Ray. Mety tsy ho takatsika amin’ity fiainana ity mihitsy ny antony iatrehantsika izany, saingy afaka matoky isika fa afaka mitombo amin’ny alalan’ny zavatra izay niainantsika isika.

(James B. Martino, “Ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa,” Liahona, mey 2010, 101)

Inona no dikan’ny hoe tsy misy afaka “hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’ Andriamanitra”? (Romana 8:39)

Nilaza ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Thomas S. Monson, 2008.

Tia anareo ny Rainareo any an-danitra—ianareo tsirairay avy. Tsy miova mihitsy izany fitiavany izany. Tsy misy fiantraikany amin’izany fitiavana izany ny endrikareo ivelany na ny fanananareo na ny habetsahan’ny vola napetrakareo any amin’ny banky. Tsy manova izany ny talentanareo sy ny fahaiza-manao anananareo. Eo fotsiny izany fitiavana izany. Eo izany ho anareo rehefa malahelo ianareo na faly, na kivy na feno fanantenana. Eo ny fitiavan’ Andriamanitra anareo na mahatsapa mendrika ny homena fitiavana ianareo na tsia. Eo foana fotsiny izany.

(Thomas S. Monson, “Tsy irery na oviana na oviana isika,” Liahona, nôv. 2013, 123–24)

Koa satria be fitiavana Andriamanitra, moa ve hamonjy ny olona rehetra Izy na inona na inona safidin’izy ireo?

Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra izao manaraka izao mikasika ny fitiavan’ Andriamanitra:

Sary
Sarin’ny Loholona D. Todd Christofferson. Nalaina tamin’ny martsa 2020.

Ny fitiavan’[Andriamanitra] dia voafaritra ao amin’ny soratra masina ho “fitiavana lehibe sy mahagaga,” “fitiavana tanteraka,” “fitiavana manavotra,” ary “fitiavana mandrakizay.” Ireo no teny tsara ampiasaina kokoa satria ilay teny hoe tsy misy fepetra dia mety mampita hevitra diso mikasika ny fitiavan’ Andriamanitra, tahaka ny hoe, tsy manome tsiny amin’ny zavatra rehetra ataontsika Andriamanitra satria tsy misy fepetra ny fitiavany, na hoe tsy mitaky na inona na inona amintsika Andriamanitra satria tsy misy fepetra ny fitiavany na koa hoe ny rehetra dia voavonjy ao amin’ny fanjakan’ny lanitr’ Andriamanitra satria tsy misy fepetra ny fitiavany. Ny fitiavan’ Andriamanitra dia tsy manam-petra ary haharitra mandrakizay, saingy ny dikan’izany ho antsika tsirairay dia miankina amin’ny fandraisantsika tsirairay izany fitiavany izany.

(D. Todd Christofferson, “Hitoetra ao amin’ny fitiavako,” Liahona, nôv. 2016, 48)

Hamoaka printy