Seminera
Tombano ny fianaranao 12


Tombano ny fianaranao 12

Apokalypsy 1–22

Sary
Zatovovavy iray mamaky sy mandalina ny soratra masina. Manana ny Bokin’i Môrmôna amin’ny teny espaniôla sy anglisy ary ny Baiboly izy eo ambonin’ny latabatra.

Ity lesona ity dia natao mba hanampiana anao hanombantombana ireo tanjona izay napetrakao sy ny fivoarana izay niainanao nandritra ny fandalinanao ny Testamenta Vaovao.

Manampy ireo mpianatra hanombana ny fianarana izay nataony. Omeo fotoana ireo mpianatra mba hanombanany ny fianarana izay ataon’izy ireo. Fomba iray anaovana izany ny fanasana azy ireo hizara ny fomba nivoarany na nitomboany ho vokatry ny fianarany sy ny finoany.

Fanomanana ny mpianatra: Rehefa mamita ny fandalinany ny Testamenta Vaovao ny mpianatra dia asao izy ireo hanao lisitra ahitana ireo andinin-tsoratra masina telo hatramin’ny dimy tena manan-danja izay nianarany tamin’ity taona ity.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hanombantombana ny fahaizany manazava ireo fampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao sy ireo tanjona napetrak’izy ireo, na ny fiovan’ny toetrany sy ny faniriany ary ny fahafahany miaina ny filazantsara. Raha nisy fahamarinana samihafa nohamafisina tao an-dakilasy dia azo asiam-panamboarana amin’ny fampidirana ireo fampianarana ireo ireto sahanasa manaraka ireto.

Atomboy amin’ny fijoroana ho vavolombelona manokana momba ny fitomboana sy ny fifaliana niainana tamin’ny alalan’ny fandalinana sy fampianarana ny Testamenta Vaovao ny fotoam-pianarana.

Ny fivoaran’ny tenanao manokana

Amin’ity lesona ity ianao dia hanana fahafahana hanombantombana ny fianarana izay nataonao sy ny fomba nampiharanao ireo fitsipika nampianarina tao amin’ny Apokalypsy 1–22. Hamerimberina sy hanombantombana ny fivoaranao nandritra ny volana vitsivitsy lasa ihany koa ianao rehefa nandalina ny Asan’ny Apostoly–Apokalypsy. Ireto sahanasa fianarana manaraka ireto dia afaka manampy anao hahita ny fitomboan’ny fitiavanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny fomba hahatongavanao hitovy kokoa amin’ Izy Ireo.

Ny bokin’ny Apokalypsy

Afaka mamerina mijery amin’ny alalan’ny fizarana amin’ny namana na manoratra eny amin’ny solaitrabe ny fahamarinana izay hitany fa manan-danja ny mpianatra. Afaka miodina mandeha eran’ny efitrano ihany koa ny mpianatra mba hizara amin’ny mpiara-mianatra aminy samihafa.

Makà minitra vitsivitsy hamerenana ireo andinin-tsoratra masina izay mety ho nasianao marika, na fanamarihana ao amin’ny soratra masina, na ireo lahatsoratra ao amin’ny diary izay nataonao tao anatin’ny fandalinanao ny bokin’ny Apokalypsy.

  • Inona avy ireo zavatra tadidinao fa nianaranao na tsapanao rehefa nandalina ny bokin’ny Apokalypsy ianao?

  • Inona no nianaranao momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy anao avy ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy?

  • Inona avy ireo fahamarinana sasantsasany izay tsapanao nanentanan’ny Fanahy anao mba hatao ao anatin’ny fandalinanao?

Ataovy pirinty na asehoy ireto sahanasa manaraka ireto ary avelao ny mpianatra hisafidy hoe iza no tian’izy ireo hatao manokana na miaraka amin’ny mpiara-miasa.

Ny mpianatra sasany dia mety ho sahirana amin’ny fanombanana na fizarana ny fahatsapana manokana momba ny fitsaohana sy ny fijoroana ho vavolombelona. Omeo fahafahana hizara ny mpianatra, kanefa ataovy azo antoka fa voahaja ny fahafahan’izy ireo misafidy.

Rehefa mahavita ny mpianatra dia asao izay terem-panahy hizara ny sasany amin’ireo eritreritra sy fahatsapana nananany rehefa namaly ireo fanontaniana izy ireo. Makà antoka ny hamporisihana ireo mpianatra hanohy hanao asa mahakasika ny halalin’ny fitsahoana sy ny fampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelon’izy ireo manokana momba an’i Jesoa Kristy. Hevero ny hijoro ho vavolombelonao manokana momba ny antony maha-zava-dehibe ny fitsaohana sy ny fijoroana ho vavolombelona manokana eo amin’ny fivoarantsika ara-panahy.

Sahanasa A: Mitsaoka sy manara-dia an’ Andriamanitra amin-kitsi-po

Ao amin’ny Apokalypsy 45, dia mety ho nandalina ny ampahany tamin’ny fahitan’i Jaona izay nahitany ny seza fiandrianan’ Andriamanitra niaraka tamin’ny zava-mananaina samihafa sy bibidia ara-panoharana nitsaoka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ianao. Mety nasaina ianao hisaintsaina ny fomba hideranao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary handinika ireo fomba ahafahanao manatsara ny fitsaohanao manokana.

  • Inona no nianaranao na tsapanao vao haingana momba ny Ray any An-danitra na i Jesoa Kristy izay manosika anao haniry hitsaoka Azy Ireo?

  • Inona no ezaka nataonao mba hanatsarana ny fitsaohanao? Ohatra, mety nikatsaka ny hampitombo ny fitsaohanao ianao tamin’ny alalan’ny vavaka, ny fandalinana ny soratra masina, ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo, ny fanajana ny andro Sabata, ny fifadian-kanina, ny fandehanana any amin’ny tempoly, na fomba hafa.

  • Inona no fiantraikan’ireo zavatra ireo amin’ny fifandraisanao tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Sahanasa B: Manohatra sy mandresy ny ratsy amin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy

Ity sahanasa manaraka ity dia azo ovaina mba hanombanana ny fivoarana eo amin’ny fandresena izao tontolo izao, izay nampianarina tao amin’ny lesona “Apokalypsy 2–3, Fizarana 2.”

Ao amin’ny Apokalypsy 1213, dia mety efa nianatra ianao fa tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana dia nampihatra ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika rehetra mba hanoherana an’i Satana. Mety nasaina ianao hisaintsaina ny finoanao an’ireo fampianarana ireo ary hieritreritra ny zavatra azonao atao hanohizana ny fametrahana ny fitokianao amin’i Jesoa Kristy rehefa miady amin’ny fahavalo eto amin’ny fiainana an-tany isika.

  • Inona no asa tsapanao fa tokony hataonao aorian’ny fandalinanao?

  • Inona avy ireo sakana na olana natrehanao tamin’ny fanaovana ireo asa ireo? Inona no fahombiazanao tamin’izany?

  • Ahoana no nanampian’ny fanaovana ireo dingana ireo anao hanatona kokoa an’i Jesoa Kristy na hahazo hery avy Aminy mba hanoherana an’i Satana?

Ny Testamenta Vaovao: Asan’ny Apostoly–Apokalypsy

Raha toa ka nampiasaina ny fiomanana ho an’ny mpianatra dia asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ireo andinin-tsoratra masina izay nofidiany sy hanazava ny antony nifidianany izany. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireo andinin-tsoratra masina zarainy mba hahafahan’ny hafa mampiasa izany amin’ity sahanasa manaraka ity.

Ity sary sy andalana manaraka ity dia mety hanampy amin’ny fampidirana ny asa fanoratana epistily.

Sary
I Paoly miresaka amin’ny Mpanjaka Agripa.

Mety ho tsaroanao fa rehefa avy nandre ny fijoroana vavolombelona nataon’i Paoly momba an’i Jesoa Kristy ny Mpanjaka Agripa dia nilaza hoe: “Ataonao fa mora toy izany no hampanekenao ahy ho Kristianina.” Namaly tamim-pahasahiana i Paoly hoe: “Mangataka amin’ Andriamanitra aho, fa na amin’ny mora, na amin’ny sarotra tsy hianao ihany fa izay rehetra mandre ahy anio [dia ho Kristianina] hitovy amiko” (Asan’ny Apostoly 26:28–29).

I Paoly sy ireo Apostoly sisa dia nanana faniriana lalina hitondra ny hafa ho eo amin’i Kristy amin’ny alalan’ny fampianaran’izy ireo sy ny fijoroany ho vavolombelona. Maro tamin’izy ireo no nanolotra ny ainy sy maty ho maritiora noho ny amin’i Kristy, ary namela ny fampianarany tao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly sy ireo Epistily. Antenaina fa efa nanasa ireo fijoroana ho vavolombelona ireo ho ao am-ponao ianao ary nampihatra ny fampianaran’izy ireo teo amin’ny fiainanao manokana. Anjaranao izao ny mampianatra sy mijoro ho vavolombelona.

Manorata epistily ataonao manokana ho an’iza n’iza safidinao. Ohatra, azonao atao ny miresaka izany amin’ny tenanao herin-taona lasa talohan’ny nandalinanao ny Testamenta Vaovao, na amin’ny namana iray izay tsy mahatakatra ny antony hanatrehanao seminera, na amin’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao izay afaka mandray soa avy amin’ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Mpamonjy.

Na inona na inona fidinao hiantsoana ny epistilinao dia ampidiro ny andininy iray na maromaro ao amin’ny Asan’ny Apostoly–Apokalypsy, miaraka amin’ny fomba nitahian’ireo fahamarinana avy amin’ireo andininy ireo ny fiainanao. Ireto fanontaniana manaraka ireto dia mety hanampy hitarika anao, saingy azonao atao ny misafidy manokana izay hosoratanao.

  • Ahoana no nanampian’ny zavatra nohalalininao anao hanatona an’i Kristy sy hahita fiadanana ao Aminy?

  • Ahoana no nanampian’ny zavatra nohalalininao anao hanohitra na handresy ny ratsy amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy?

  • Ahoana no nanampian’ny zavatra nianaranao anao hamaly fanontaniana iray na hamaha fanahiana na olana iray?

  • Inona koa no tianao ho fantatry ny olona iray mba hamporisihana azy ireo handalina ny Testamenta Vaovao sy hanatona an’i Kristy?

Rehefa vita ny fanoratan’ny mpianatra dia asao izay mazoto hamaky ny epistiliny amin’ny iray kilasy. Tandremo ny fomba hanehoan’izy ireo ny fankasitrahany sy ny fijoroany ho vavolombelona ao amin’ny epistiliny. Hisaory ny mpianatra noho ny zavatra nosoratany sy nozarainy. Asao izy ireo hizara ny epistiliny amin’ny olona ivelan’ny kilasy ary hanohy ny fandalinana ny tenin’ny mpaminany mandritra ny fiainany manontolo.

Mijoroa ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ny teniny ao amin’ny soratra masina ary ny asany amin’ny alalan’ireo mpanompo nofidiny.

Hamoaka printy