Seminera
Apokalypsy 15–22


Apokalypsy 15–22

Topimaso ankapobeny

Jaona ilay Mpanambara dia nanao kisarisary mazava tsara ny amin’ny fandringanana sy ny faharatsiana izay hameno izao tontolo izao mandritra ny andro farany nambara mialoha. Tao amin’ireo seho farany tamin’ny fanambarana lehibe nataony dia nahita “lanitra vaovao sy tany vaovao” ary tanàna masina iray nidina avy tany an-danitra izy (jereo ny Apokalypsy 21:1–2). Nijoro ho vavolombelona izy fa “hitoetra eo amin’ny” mponina ao amin’io tanàna io Andriamanitra, “ary ireo ho olony” ( Apokalypsy 21:3).

Miomàna hampianatra

Ireto fampahalalana manaraka ireto dia manoro hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Apokalypsy 15–19

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hiantehitra amin’i Jesoa Kristy amim-pahatokiana kokoa rehefa miatrika ireo olana amin’ny andro farany izy ireo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina ny zavatra fantany momba ny fizahan-toetran’ny andro farany sy ny antony ilazana fa afaka miantehitra amin’i Jesoa Kristy izy ireo. 

  • Taratasy zaraina: “Anjely sy loza,” “faharatsiana sy herin’ny Mpamonjy,” ary “Fanambadian’ny Zanak’ondry”

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’alalan’ny visio-conférence: Azo avela hisafidy ny safidiny ireo mpianatra, na azo atambatra amin’ny fomba kisendrasendra ihany koa. Tsidiho matetika ny zana-bondrona tsirairay mba hijerena ny zavatra resahin’ny mpianatra sy hanampiana raha ilaina izany. Rehefa tapitra ny zana-bondrona dia mety hanampy ny mizara amin’ny kilasy manontolo ny sasany amin’ireo hevi-baovao noresahan’ny vondrona tsirairay.

Apokalypsy 20:11–15

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny Fitsarana Farany sy hiomana hanana traikefa mahafinaritra rehefa hijoro eo anoloan’i Jesoa Kristy amin’io andro io.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hamaky ny Apokalypsy 20:12 ary ho tonga vonona ao an-dakilasy miaraka amin’ireo fanontaniana ananany momba ny Fitsarana Farany.

  • Sary aseho: Ny sarin’ny Fitsarana Farany hita eny ambony indrindra amin’ny lesona

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Ny dika mitovy amin’ireo fanambarana ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” izay mety hanampy

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Amporisiho ireo mpianatra hampiasa ny fitaovana chat mba hizarana ny fanontaniany momba ny Fitsarana Farany. Izany dia ahafahan’ny mpianatra hafa mijery ny fanontanian’ireo mpiara-mianatra aminy rehefa misaintsaina izay fanontaniana tian’izy ireo hatao fikarohana bebe kokoa.

Fifehezana fotopampianarana: Apokalypsy 20:12

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Apokalypsy 20:12 , sy hanazava ny fotopampianarana, ary hampihatra ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hamerina hijery ny Apokalypsy 20:12 ary hiomana hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nianarany momba ny Fitsarana Farany sy ny fomba ahafahantsika miomana amin’izany. 

  • Votoatiny aseho: Ireo fanontaniana dimy izay hanampy ireo mpianatra hanazava ny fotopampianarana

  • Fampisehoan’ny mpianatra: Hevero ny hangataka mpianatra telo alohan’ny fotoam-pianarana mba hamerina hijery ny iray amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy hiomana hizara famintinana fohy momba izany fitsipika izany ao anatin’ny lesona.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hampiasa tabilao fotsy mba ahafahan’ireo mpianatra manoratra ny zavatra izay ianarany momba ny Fitsarana Farany ao anatiny. Avy eo dia mangataha mpianatra maromaro hiresaka amin’ny iray kilasy momba ny zavatra nosoratany.

Apokalypsy 21–22

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hahatakatra fa mendrika ny ezaka rehetra ataon’izy ireo ny fahafahana hiara-hiaina amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ao amin’ny fanjakana selestialy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina hoe mety ho tahaka ny ahoana izany fanjakana selestialy izany ary nahoana izy ireo no te handova izany.

  • Taratasy zaraina: “Nahoana no mendrika ny ezaka tsara indrindra izay ataontsika ny fiezahana hahazo ny fanjakana selestialy”

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Zarao ny efijerinao mba hampisehoana ilay taratasy zaraina hoe “Nahoana ny fiezahana ho amin’ny fanjakana selestialy no mendrika ny ezaka tsara indrindra ataontsika” mba hahafahan’ny mpianatra mandalina samirery ireo loharano tafiditra ao. Omeo torolalana ny mpianatra mba hanoratra ny valinteniny amin’ilay rafi-tantara ao amin’ny chat fa tsy mbola hanolotra izany. manasà mpianatra anakiray izay vonona hanolotra ny valinteniny, ary angataho ireo mpianatra hafa hamerina hijery sy hifanakalo hevitra momba ny valinteny. Azo averina indray mandeha na indroa izany. Ho solon’izany dia afaka mandefa ny valinteniny amin’ny fotoana iray ihany ny mpianatra rehetra, ary afaka misafidy izay tiany ny mpianatra ary mizara ny antony.

Tombano ny fianaranao 12

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hanao tombatombana ny tanjona napetrany sy ny fivoaran’ny tena manokana izay niainan’izy ireo nandritra ny fianarana ny Testamenta Vaovao.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Rehefa mamita ny fandalinany ny Testamenta Vaovao ny mpianatra dia asao izy ireo mba hanao ny lisitr’ireo andinin-tsoratra masina telo hatramin’ny dimy tena manan-danja izay nianarany tamin’ity taona ity.

  • Votoatiny aseho: Ny torolalana amin’ny sahanasa A sy B

  • Sary aseho: Ny sarin’i Paoly nijoro ho vavolombelona teo anatrehan’ny Mpanjaka Agripa

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Rehefa manomboka manoratra epistily ny mpianatra dia mety ho fahendrena ny manasa azy ireo mba hitazona ny fakantsarin’izy ireo. Izany dia ahafahana mijery ny fihetsik’izy ireo sy mahatsikaritra rehefa akaiky ny famitan’izy ireo ilay asa.

Hamoaka printy