Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 25


Famerenana fifehezana fotopampianarana 25

Takaro ary ampiharo

Sary
Vehivavy iray mipetraka miankina eo amin’ny hazo iray mamaky soratra masina. Tsara ny andro, mibaliaka ny masoandro miaraka amin’ny rahona eny amin’ny lanitra. Misy voninkazo iray eo amin’ny volony.

Iray amin’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampy anao hahatakatra sy hampihatra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ireo toe-javatra izay iainanao manokana na rehefa manampy olona hafa ianao. Ity lesona ity dia hanome fahafahana anao hampitombo ny fahatakarana sy ny fampiharanao ireo fahamarinana hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 13 ao amin’ny tapany faharoa amin’ny Testamenta Vaovao.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanome ny mpianatra ny tahadikan’ny taratasy zaraina izay hita ato amin’ity lesona ity. Asao izy ireo hamerina hijery ireo andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ary handinika ireo toe-javatra izay mety hanampy ny fahatakarana ireo andinin-tsoratra masina ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Azo ampianarina eo amin’ny toeran’ity lesona famerenana ity ny lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiray. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na ny faritra mba hahazoana antoka fa hampianarina avokoa ireo lesona momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny fotoana ampianarana seminera.

Mahazo hery avy amin’ny fahamarinan’ny filazantsara

Ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifololahy dia nilaza indray mandeha fa ny iray amin’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana dia ny hifantohana amin’ny “fanorenana sy fanamafisana orina ny finoan[tsika] an’i Jesoa Kristy ary ny fanamafisana [antsika] amin’ny fahafahana mitombo sy mampihatra ny filazantsara eo amin’ny fiainantsika” (“The Opportunities and Responsibilities of CES Teachers in the 21st Century” [takariva niarahana tamin’ny Manampahefana Ambony, 26 febroary 2016], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org). Raha lazaina amin’ny teny hafa, ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia natao hampatanjaka kokoa ny finoanao!

Alaivo sary an-tsaina hoe indray andro, taorian’ny seminera dia nisy namanao nilaza taminao hoe mahatsapa izy ireo fa fandaniam-potoana fotsiny ny fifehezana fotopampianarana. Mahatsapa izy ireo fa tsy manampy akory ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ary tsy hitan’izy ireo izay fomba anampian’izany azy ireo eo amin’ny fiainana.

Amin’ny alalan’ny fampiasana ilay tabilao efa nomena, dia eritrereto ireo andinin-tsoratra masina nohalalininao nandritra ity antsasaky ny Testamenta Vaovao ity. Saintsaino hoe inona amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo no fitahiana na fanampiana ho anao.

Asehoy ireto andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina manaraka ireto, na omeo ny mpianatra ilay taratasy zaraina.

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao: 1 Korintiana–Apokalypsy

Andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

1 Korintiana 6:19–20

“Tempolin’ny Fanahy Masina ny vatanao.”  

1 Korintiana 11:11

“Kanefa ao amin’ny Tompo, tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.”  

1 Korintiana 15:20–22

“Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.”  

1 Korintiana 15:40–42

Amin’ny Fitsanganana amin’ny maty, dia misy ambaratongam-boninahitra telo.  

Efesiana 1:10

“Amin’ny fotoampitantanan’ny fahafenoam-pahasoavana no hanangonany indray ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy.”  

Efesiana 2:19–20 

Ny Fiangonana dia “natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apôstôly sy ny mpaminany, ary Jesoa Kristy no fehizoro indrindra.”  

2 Tesaloniana 2:1–3

“[Ny fiavian’i Kristy] … [dia] tsy ho avy raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana.”  

2 Timoty 3:15–17

“Ny soratra masina … izay mampahendry anareo ho amin’ny famonjena.”  

Hebreo 12:9

Ny Ray any An-danitra dia “Rain’ny fanahintsika.”   

Jakoba 1:5–6

“Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra.”  

Jakoba 2:17–18

“Ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.”  

1 Petera 4:6

“Fa noho izao no [ni]toriana ny filazantsara tamin’ireo izay maty.”  

Apokalypsy 20:12

“Ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky … araka ny asany.”  

Sary
Fifehezana fotopampianarana
  • Ahoana no nitahiana anao, na nampaherezana anao, na nahazoanao hery avy amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay nianaranao tamin’ity taona ity?

Mba hanasana ny Mpamonjy hanorina sy hanome hery ary hampatanjaka antsika amin’ny alalan’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia tsy maintsy mampitombo ny fahatakarantsika sy ny fahafahantsika mampihatra ireo fahamarinana hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo isika. Ity sahanasa manaraka ity dia natao hanampy anao hanao izany.

Fahatakarana sy fitadidiana ireo fahamarinan’ny filazantsara

Fomba iray hahatakarana sy hitadidiana kokoa ireo fahamarinana hita ao amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ny fampitahana izany amin’ny zavatra sy toe-javatra amin’ny andavanandro.

Misafidiana roa amin’ireo andalan-tsoratra masina izay tianao ho takarina bebe kokoa, ary avereno jerena ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina mifandray amin’izy ireo.

Afaka misafidy andinin-tsoratra masina mihoatra ny roa ho an’ity sahanasa ity ny mpianatra arakaraka ny zavatra ilainy sy ny fotoana ananana.

a) Manaova sary na makà sarina zavatra iray izay tsapanao fa mifandray amin’ireo andian-teny manan-danja ao amin’ilay andinin-tsoratra masina. (Ohatra, ho an’ny Jakoba 1:5–6 dia azonao atao ny manao sarina olona iray mivavaka. Ho an’ny 1 Korintiana 15:40–42 dia azonao atao ny manao sary na maka sarin’ny masoandro, na volana, na kintana.)

b) Manorata fanazavana fohy momba ny ifandraisan’ilay sary amin’ny fahamarinana izay ampianarina ao amin’ilay andinin-tsoratra masina.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara amin’ny mpiara-mianatra na amin’ny vondrona kely iray ny sary nataony na nalainy miaraka amin’ny fanazavany. Mety hahasoa koa ny manasa mpianatra vitsivitsy hizara ny sariny sy ny fanazavany amin’ny iray kilasy.

Mampihatra ireo fahamarinan’ny filazantsara

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fahamarinana iray izay afaka manampy antsika hahatakatra sy hampihatra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Nampianatra izy fa ny fitsipiky ny filazantsara dia manolotra “ilay fomba fijery sarobidy an’ilay fahamarinana mandrakizay rehefa mamakivaky ireo toe-javatra iainana, ireo olana sy ireo fanapahan-kevitra ary ireo zavatra iainana mandritra ny fiainana an-tany isika” (“Ireo fitsipiky ny filazantsarako,” Liahona, mey 2021, 123–24). Ireo fitsipika hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia afaka manampy antsika amin’ny toe-javatra maro eo amin’ny fiainantsika.

Misafidiana andalan-tsoratra masina roa misy fitsipika izay tianao ho fantatra ny fomba hampiharana azy eo amin’ny fiainanao. Mety ho ireo andalana efa nosafidianao teo aloha izany, na mety ho hafa.

Afaka misafidy andinin-tsoratra masina mihoatra ny roa ho an’ity sahanasa ity ny mpianatra arakaraka ny zavatra ilainy sy ny fotoana ananana.

Isaky ny andalana, dia milazà toe-javatra iray izay ahafahan’ny olona iray mampihatra ny fahamarinana izay ampianarina ao amin’ilay andinin-tsoratra masina. Ohatra, ny tanora iray dia mety haharisika kokoa handray anjara amin’ny asa atao mikasika ny tantaram-pianakaviana amin’ny alalan’ny fampitomboana ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny fotopampianaran’ny famonjena ho an’ny maty izay ampianarina ao amin’ny 1 Petera 4:6.

Hazavao ny fomba ahafahan’ny fampiharana ny fahamarinana izay ampianarina ao amin’ny andalana tsirairay nofidianao manampy ilay olona handray ny fanampian’ny Mpamonjy.

Hevero ny hanome karatra na taratasy kely ny mpianatra tsirairay ary angataho izy ireo hanoratra ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny toe-javatra ary ny fanazavana mikasika ny fomba mety hanampian’ny fahamarinana izay ampianarina ao amin’ilay andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Mety hahasarika sy hanampy amin’ny fampianarana ny manangona ireo karatra na taratasy sy mamaky ireo toe-javatra ireo, ary ny manasa ny iray kilasy mba hamantatra hoe inona no andinin-tsoratra masina mety hanampy indrindra amin’ny toe-javatra tsirairay ary hanazava ny antony. Raha mahita andinin-tsoratra masina hafa noho ilay voasoratra eo amin’ny taratasy ny mpianatra iray, dia asao izy hanazava ny fomba hahafahan’izany andinin-tsoratra masina izany manampy.

Afaka maminavina miaraka ny iray kilasy, na mandeha tsiroaroa na vondrona kely, na mandeha tsirairay.

Sahanasa fianarana fanampiny

Ataovy tsianjery

Raha toa ka afaka manao fampiharana bebe kokoa amin’ny fanaovana tsianjery ireo andian-teny manan-danja sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ireo mpianatra, dia hevero ny hanao ny sasany na ny rehetra amin’ireto sahanasa manaraka ireto:

  • Asehoy amin’ny filaharana mikorontana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Asao ireo mpianatra hijery hoe toko sy andininy sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina firy no azon’izy ireo ampifandraisina araka ny tokony ho izy. Avy eo dia asao ny mpianatra mba hanamarina ny asany amin’ny alalan’ny fampiasana ireo soratra masiny.

  • Ny ampahany fotsiny amin’ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina no asehoy ary asao ny mpianatra mba hameno izany sy hanome ireo toko sy andininy.

  • Atombohy vakiana tsikelikely ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina, teny iray isaky ny mandeha. Rehefa mieritreritra ny mpianatra fa fantatr’izy ireo hoe inona amin’ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina no novakiana, dia afaka manokatra izany andinin-tsoratra masina izany ao amin’ny soratra masiny izy ireo.

  • Raha azo tao, dia asao ny mpianatra hampiasa ny application Maitrise de la doctrine mba hizarana amin’ny fanaovana tsianjery.

Filalaovana an-tsehatra

Rahavavy Joy D. Jones, Filohan’ny Kilonga maneran-tany teo aloha, dia nilaza fa ny filalaovana an-tsehatra “dia afaka manamafy ireo zanaka ho vonona hiatrika toe-javatra sarotra.” (“Fifanakalozan-kevitra manan-danja,” Liahona, mey 2021, 13). Azo asaina ireo mpianatra hamantatra toe-javatra iray izay ahafahan’ny fahamarinana iray avy amin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray manampy. Avy eo dia azon’izy ireo atao ny milalao an-tsehatra ny fomba iatrehana ilay toe-javatra amin’ny alalan’ny fampiasana ilay fahamarinana avy ao amin’ilay andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

Hamoaka printy