Seminera
Apokalypsy 14


Apokalypsy 14

“Ary hitako fa indro nisy anjely iray koa …, nanana filazantsara mandrakizay”

Sary
Ny anjely Môrônia eo amin’ny Tempolin’i Melbourne Australie.

Saintsaino ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Ahoana ny fomba hanampian’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany anao hahatakatra sy hiomana ny amin’izany? Ny Apôstôly Jaona dia naminany ny amin’ireo zava-mitranga mialoha ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany feno fandresena, anisan’izany ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonany sy ny fanasarahana ny olo-marina amin’ny ratsy fanahy. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatakatra ny fomba hanampian’ny Mpamonjy sy ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny an’izao tontolo izao—anisan’izany ianao—hiomana amin’ny Fiaviany Fanindroany.

Mampianatra amin’ny alalan’ny tenin’ Andriamanitra. Amin’ny fotoana rehetra ahafahana manao izany dia entano ny mpianatra hijery ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany mba hahazoana fitarihana sy valiny amin’ireo fanontaniana ary fanohanana. Rehefa manao izany ny mpianatra, dia “hilaza amin’izy [ireo] ny zava-drehetra izay tokony hataony ny tenin’i Kristy” (2 Nefia 32:3).

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanao lisitra iray ahitana ny zavatra tsapan’izy ireo fa zavatra telo na efatra amin’ireo tanjona manan-danja indrindra ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny Tanjon’ny Fiangonana

Ity sahanasa manaraka ity dia azo atao seho an-tsehatra, ho an’ny kilasy iray manontolo na ho an’ny vondrona kely.

Alaivo sary an-tsaina hoe ao an-dakilasy any an-tsekoly ianao no tonga ny lohahevitra momba ny nanorenana ny antokom-pivavahana. Naneho hevitra ny mpiara-mianatra iray fa miha-vitsy ny olona manatrika fotoam-piangonana satria mahatsapa izy ireo fa tsy tena misy ilaina azy ny fiangonana. Io fanehoan-kevitra io dia nahatonga anao hieritreritra momba ny tanjona rehetra ilàna ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

  • Inona avy ireo zavatra tsapanao fa tokony ho takatry ny hafa momba ny antony nanorenan’i Jesoa Kristy ny Fiangonany?

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manana tanjona manan-danja maro izay mety ho tonga ao an-tsainao. Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny iray amin’ireo tanjona manan-danja maro an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany:

Sary
Sarin’ny Loholona D. Todd Christofferson. Nalaina tamin’ny martsa 2020.

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no hany manana ny fahefana sy voairaka hanatanteraka ireo fanomanana ilaina ho amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany. Azo antoka fa naverina tamin’ny laoniny noho izany tanjona izany ny Fiangonana.

(D. Todd Christofferson, “Miomana ho amin’ny fiverenan’ny Tompo,” Liahona, mey 2019, 82)

  • Inona no mety ho fiantraikan’ny fahatakarana io tanjona io amin’ny fomba fijerinao sy ny hafa amin’ny fandraisana anjara ao amin’ny Fiangonana?

Makà fotoana hisaintsainana ireo fitahian’ny Fiangonan’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny teo amin’ny fiainanao. Rehefa mandalina ianao dia henoy ireo bitsika sy fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hampiasa ireo fitahiana ireo ka hiomanana bebe kokoa amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

Nahita fahitana momba ny Famerenana amin’ny laoniny amin’izao andro farany izao i Jaona

Ao anatin’ny fahitany voarakitra ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy dia nanatri-maso ny zava-nitranga manan-danja maro izay hitranga alohan’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany i Jaona. Nahita mpisorona avo mahatoky niisa 144.000 avy amin’ny fokon’i Isiraely rehetra izy notendrena hitantana ny filazantsara sy hitondra olona ho ao amin’ny Fiangonana (jereo ny Apokalypsy 7:4–8; 14:1–5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:11). Nanatri-maso ireo anjely maro niasa hanomana izao tontolo izao ho amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy ihany koa izy (jereo ny Apokalypsy 14:6–20).

Hevero ny haneho ny sarin’ny sarivongan’ny anjely Môrônia rehefa misaintsaina ity fanontaniana manaraka ity ny mpianatra.

Sary
Ny anjely Môronia eo amin’ny Tempolin’i Meridian Idaho mandritra ny ririnina amin’ny fiposahan’ny masoandro.
  • Efa nanontany tena ve ianao hoe nahoana ny ankamaroan’ny tempolintsika no manana sarivongan’i Môrônia eo ambony?

Ireo sarivongana ireo dia maneho ny fitoriana ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny manerana an’izao tontolo izao. Nitana andraikitra lehibe teo amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ireo iraka avy any an-danitra, anisan’izany i Môrônia. Ao amin’ny Apokalypsy 14, i Jaona dia niresaka momba ny anjara asa manan-danja izay hotanterahin’i Môrônia sy ireo anjely hafa amin’ny fanampiana amin’ny fanomanana an’izao tontolo izao amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy.

Vakio ny Apokalypsy 14:6, ary tadiavo ny zavatra nianaranao avy amin’ny famariparitan’i Jaona izay mampahatsiahy anao an’i Môrônia sy ny asa nanirahana azy.

  • Inona no hitanao? (Raha te hianatra bebe kokoa momba ny anjara asan’i Môrônia ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ianao dia jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:29–54.)

Ankoatra an’i Môrônia, ilay anjely resahina ao amin’ny Apokalypsy 14:6 dia mety maneho ihany koa ireo iraka avy any an-danitra maro izay nanampy tamin’ny famerenana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny. Vakio ireto manaraka ireto mba hahitana anjely hafa izay nandray anjara tamin’ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara:

Avelao hiasa tsiroaroa na anaty vondrona kely ny mpianatra mba hamerina hijery ireo andinin-tsoratra masina ireo ka hitady ireo anjely hafa izay nandray anjara tamin’ny Famerenana amin’ny Laoniny.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13, sasin-tenin’ny fizarana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11–16

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:20–21

Vakio ny Apokalypsy 14:7 ary tadiavo ny zavatra izay nolazain’ilay anjely.

Ny andian-teny hoe “fa tonga ny andro fitsarany” dia ilazana ny fotoana izay hitsaran’ny Mpamonjy ny olona rehetra eto ambonin’ny tany. Ny fitsaràny dia sady hitranga amin’ny Fiaviany Fanindroany (jereo ny Malakia 3:1–5) no hitranga amin’ny Fitsarana Farany (jereo ny 2 Nefia 9:15). Niaraka tamin’ny fanampian’ireo iraka avy any an-danitra dia, Naverin’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny ny filazantsarany mba hanampiana an’izao tontolo izao hiomana amin’ny Fiaviany Fanindroany.

  • Inona avy ireo fomba sasany hanampian’ny filazantsaran’ny Tompo naverina amin’ny laoniny sy ny Fiangonany hanomana izao tontolo izao amin’ny Fiaviany Fanindroany? Hazavao ny valinteninao.

Raha mila fanampiana amin’ny famaliana ilay fanontaniana teo aloha ireo mpianatra dia tariho hankany amin’ny vitsivitsy amin’ireto andininy manaraka ireto izy ireo: Malakia 3:23–24; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–22; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87:8; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:5–6; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:8–11.

  • Inona no ampianarin’ny ezaka ataon’ny Tompo hanomanana antsika amin’ny Fiaviany Fanindroany momba Azy sy ny faniriany ho anao?

Ny anjara asantsika eo amin’ny fanomanana izao tontolo izao amin’ny Fiaviana Fanindroany

Namarana io ampahan’ny asa sorany io i Jaona tamin’ny alalan’ny filazalazana ny fahitana iray hitany momba ilay “tahaka ny Zanak’olona” (Apokalypsy 14:14). Vakio ny Apokalypsy 14:14–15, ary tadiavo ny zavatra hitan’i Jaona.

Ireo andinin-tsoratra masina ireo dia azo ampiasaina mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny mahamaika sy ny maha-zava-dehibe ny fandraisana anjara miaraka amin’ny Tompo amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Mety hanampy ny mampiseho sarina antsim-bilona na manao ny sarin’izany eny amin’ny solaitrabe mandritra ny fanazavana ny dikan’ny antsim-bilona eny an-tanan’ny Mpamonjy (andininy 14).

Sary
Sarina antsim-bilona.

Ny antsim-bilona dia lelan’antsy maranitra miolaka ampiasaina hanapahana sy fijinjana (na fijinjana) ny voly nambolena. Rehefa nampianatra ny fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary i Jesoa (jereo ny Matio 13:24–30, 36–43), dia nilaza Izy fa ny vary (olona marin-toetra) dia hisaraka amin’ny tsimparifary (olona tsy marin-toetra) “amin’ny fahataperan’izao tontolo izao” (Matio 13:40). Tao amin’ny fahitany i Jaona dia nahita ny fanangonana ny olo-marina avy amin’ny ratsy fanahy ho fanomanana ny fandringanana ny ratsy fanahy (jereo ny Apokalypsy 14:16–20). Ny andian-teny hoe “Arosoy ny fijinjanao, ka mijinjà” ao amin’ny Apokalypsy 14:15 dia mety hidika hoe manangona fanahy ho ao amin’i Jesoa Kristy.

Manasa antsika i Jesoa Kristy handray anjara amin’ny fanangonana fanahy ho eo Aminy ho fanomanana ny Fiaviany Fanindroany. Antsoina matetika hoe fanangonana ny Isiraely izany.

Makà fotoana handinihana ireo fampianarana vao haingana nataon’ireo mpaminanin’ny Tompo sy ireo apostoly mifandray amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Mba hanaovana izany dia azonao atao ny mikaroka ny lohahevitra hoe “Fanangonana” ao amin’ny lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana farany teo ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org na ao amin’ny application Médiathèque de l’Evangile. Ho solon’izany dia azonao atao ny mamerina mijery ny iray na maromaro amin’ireto hafatra manaraka ireto avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson sy Rahavavy Wendy W. Nelson. Eo am-pandalinanao dia tadiavo ireo fanambarana izay mamaritra ny anjara andraikitsika amin’ny fanampiana amin’ny fanangonana an’i Isiraely sy hanomanana izao tontolo izao amin’ny Fiaviana Fanindroany.

Eritrereto ny hanomezana dika mitovy amin’ireto manaraka ireto ho an’ireo mpianatra izay mety tsy afaka miditra amin’izany amin’ny alalan’ny elektronika. Omeo fotoana handalinana ireo mpianatra ary avy eo hizara ireo fanambarana hitany avy tamin’ny fandalinany.

Fanantenana ho an’i Isiraely” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora miaraka amin’i Russell M. Nelson sy Wendy W. Nelson, 3 jona 2018), fanampin’ny New Era sy ny Ensign, ChurchofJesusChrist.org

Ny fandraisan’ireo rahavavy anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely,” Liahona, Nôv. 2018, 68–70

Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, Nôv. 2020, 92–95

  • Inona no fanambarana hitanao momba ny fanangonana an’i Isiraely izay tena manan-danja aminao? Nahoana?

  • Inona avy ireo zavatra manokana hataonao mba hiomananao sy ny hafa amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy? Ahoana no hanampian’ireo zavatra ireo anao ho vonona?

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Nahoana aho no manana anjara amin’ny fanomanana ny tany amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany?

Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Jeffrey R. Holland. Nalaina tamin’ny Janoary 2018.

Koa satria antsika ny fotoampitantanana farany sy lehibe indrindra amin’ny fotoampitantanana rehetra, satria ny zava-drehetra dia hiafara sy ho tanteraka amin’ny vanim-potoana misy antsika, noho izany, dia misy andraikitra manokana izay mihatra amintsika ato amin’ny Fiangonana ankehitriny izay tsy nitsahatra tanteraka toy izany koa eo an-tsorok’ireo mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny fotoana taloha. Tsy tahaka ny Fiangonana tamin’ny andron’i Abrahama na Mosesy, Isaia na Ezekiela, na tamin’ny andron’i Jakoba sy Jaona tao amin’ny Testamenta Vaovao, isika dia manana andraikitra hanomana ny Fiangonan’ny Zanak’ondrin’ Andriamanitra mba handray ny Zanak’ondrin’ Andriamanitra—amin’ny maha izy azy, amin’ny voninahitra feno fandresena, amin’ny anjara asany arivo taona amin’ny maha-Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka azy. Tsy nisy fotoampitantanana hafa nanana izany adidy izany.

… Isika … dia manana adidy amin’ny maha-Fiangonana sy amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana tsirairay antsika mba ho mendrika ny hanatonan’i Kristy antsika, mba ho mendrika ny hiarabany antsika, ary ny hanaiky Azy sy handray sy hamihina antsika. Ny fiainana atolotra Azy amin’io ora masina io dia tsy maintsy ho mendrika Azy!

(Jeffrey R. Holland, “Preparing for the Second Coming,” New Era, Dec. 2013, 4)

Nampianatra ny Loholona Neil L. Andersen avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo nanao hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, aogositra 2010.

Moa ve ianareo efa nieritreritra hoe inona no antony nandefasana anareo tety an-tany amin’izao fotoana manokana izao? Tsy teraka nandritra ny fotoan’i Adama sy Eva ianareo, na nandritra ny fotoana nanjakan’ireo farao tany Egypta, na nandritra ny fiankohonan’i Ming. Tonga teto an-tany tamin’izao fotoana izao ianareo, taonjato roapolo taorian’ny fiavian’i Kristy voalohany. Naverina tamin’ny laoniny teto an-tany ny fisoronan’ Andriamanitra, ary efa noraisin’ny Tompo eo An-tanany ny fanomanana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiaviany indray amim-boninahitra. Andro hisian’ny fahafahana manao zavatra sy andron’ny fihazonana andraikitra manan-danja lehibe izao. Andronareo izao.

Efa naneho ny finoanareo an’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny batisanareo ianareo. … Iray amin’ireo andraikitra manan-danja hazoninareo ny manampy amin’ny fanomanana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

(Neil L. Andersen, “Fanomanana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiaviana fanindroany,” Liahona, mey 2011, 49)

Sahanasa fianarana fanampiny

Apokalypsy 13

Raha te hahatakatra bebe kokoa ny ady izay ifanandrinan’i Satana amin’ireo eto an-tany ireo mpianatra dia asao izy ireo hamaky ny Apokalypsy 13, ka hitady ireo teny sy andian-teny izay mamaritra ny toetra sy ny fihetsiky ny bibidia. Inona no ampianarin’ireo teny na andian-teny ireo anao momba an’i Satana sy ny fomba fiasany, ary izay ezahany atao? Ahoana no hanampian’ny fahatakarana ireo antsipiriany ireo anao hamantatra sy hiady bebe kokoa amin’io fitaomana io?

Hamoaka printy