Seminera
Apokalypsy 8–11


Apokalypsy 8–11

Ny fisokafan’ny tombokase fahafito

Sary
Ankizivavy/Zatovovavy mandry eo am-pandriana mamaky soratra masina.

Ny soratra masina dia manome fahafahana maro hianarana lesona manan-danja avy amin’ireo izay niaina tany amin’ny lasa. Mampianatra antsika ny amin’ireo trangan-javatra voalazan’ny faminaniana izay hitranga amin’ny hoavy ihany koa izy ireo. Ao amin’ny Apokalypsy 8–11, i Jaona dia nandrakitra an-tsoratra ny faminaniana momba ireo zavatra manan-danja sy manahirana izay hitranga alohan’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatsapa ny herin’ny Tompo sy ny fahaizany miaro antsika amin’ny loza sy ny faharatsian’ny andro farany.

Misoroka ny fanombatombanana. Na dia nanome antsika faminaniana manan-danja maro momba ny Fiaviany Fanindroany aza ny Tompo, dia mbola misy antsipiriany maro tsy nambarany. Fadio ny manombatombana ny antsipiriany izay tsy mbola fantatra.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hizara ny teny izay nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson tany am-piandohan’ity lesona ity ary asao ireo mpianatra mba handalina mikasika ireo asa lehibe vitsivitsy izay hotanterahin’ny Tompo alohan’ny Fiaviany Fanindroany. Azo ampiasaina tsara ho loharanom-pahalalana amin’izany ireo lahatsoratra ao amin’ny “Andro farany ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (hita ao amin’ny scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Sahanasa fianarana azo atao

Ireo trangan-javatra mahagaga amin’ny andro farany

Hevero ny hanasa ireo mpianatra mba hizara ny valin-teniny amin’ity fanontaniana manaraka ity alohan’ny hamakiana ny fanambarana nataon’ny Filoha Russell M. Nelson.

  • Inona avy ireo asa lehibe sasany izay nataon’ny Tompo tamin’ny lasa, na izany ho an’ny hafa na teo amin’ny fiainanao manokana?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nizara hevi-baovao manan-danja iray mikasika ireo zavatra izay hitranga alohan’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany:

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Russell M. Nelson nalaina tamin’ny janoary 2018

I Jesoa Kristy, Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, dia hanatanteraka ny sasany amin’ireo asany lehibe indrindra eo anelanelan’izao fotoana izao sy ny fotoana hiverenany indray. Hahita famantarana mahagaga isika fa Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zananilahy dia mitantana ity Fiangonana ity amin’ny fahamboniana sy amim-boninahitra.

(Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona Mey 2018, 96) 

  • Inona no eritreritra na fahatsapana nanananao rehefa namaky io fanambarana io?

  • Inona avy ireo asa lehibe vitsivitsy fantatrao fa hotanterahin’ny Tompo alohan’ny Fiaviany Fanindroany?

Avy amin’ny fanambarana nataon’ny Filoha Nelson no ianarantsika fa ny Tompo dia hanao ny sasany amin’ireo asany mahery indrindra alohan’ny hiverenany indray. Ato amin’ity lesona ity dia handalina momba ny sasany amin’ireo asa lehibe ireo ianao. Jereo tsara ny zavatra izay nianaranao momba an’ Andriamanitra sy ny heriny ary ny fitiavany antsika rehefa mandalina.

Nahita ny fisokafan’ny tombokase fahafito i Jaona

Mety ho tadidinao fa nahita boky nisy tombokase fito i Jaona tao amin’ny fahitany izay voarakitra ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. Ny tombokase tsirairay dia maneho fe-potoana 1000 taona teto an-tany (jereo ny Apokalypsy 5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:6–7). Ity sary manaraka ity dia afaka manampy anao haka sary an-tsaina ny fanantitranterana napetrak’i Jaona tamin’ireo vanim-potoana tsirairay ireo.

Hevero ny hanome ny mpianatra dika mitovin’ity sary manaraka ity na asehoy ao an-dakilasy izany.

Sary
Kisarin’ny fahitan’i Jaona an’ireo tombokase miisa 7 ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy ary tafiditra ao anatin’izany ny andinin-tsoratra masina
  • Nahoana no mety hanampy anao ny mahafantatra fa i Jaona dia nampifantoka ny ankamaroan’ny asa sorany tamin’ireo trangan-javatra mifandray amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany, fa tsy tamin’ireo trangan-javatra izay mifandray amin’ireo tombokase teo aloha?

Ao amin’ny Apokalypsy 11 dia hitan’i Jaona mialoha ny fotoana iray izay hiezahan’ny tafika mahery ahitana “olona sy foko sy fiteny ary firenena” maro (Apokalypsy 11:9) handrava an’i Jerosalema (jereo koa ny Ezekiela 38:4–6, 14–16; Joela 2:1–9; Apokalypsy 9:16–17; 11:2). Saingy ny asa soratr’i Jaona dia manondro fa hisy vavolombelona roa hirahin’ Andriamanitra hanakana an’io tafika io tsy hanatanteraka ny tanjony mandritra ny 42 volana (jereo ny Apokalypsy 11:2–3).

Vakio ny Apokalypsy 11:3–6 ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:15, ka tadiavo ny antsipiriany momba ireo vavolombelona roa ireo.

  • Inona no nianaranao momba ireo vavolombelona roa ireo?

  • Inona no porofo hitanao izay manambara fa hiaraka amin’izy ireo ny herin’ Andriamanitra?

Vakio ny Apokalypsy 11:7–10, ka tadiavo ny faminanian’i Jaona momba ny zavatra hitranga amin’ireo mpaminany roa ireo rehefa tapitra ny asa fanompoany teo anivon’ny Jiosy.

  • Inona no ambaran’ireo andininy ireo momba ny toe-piainana ara-panahin’ny olona maro izay hiaina eto an-tany amin’izany fotoana izany?

Ambaran’ny soratra masina fa mandritra ny “telo andro sy tapany” (Apokalypsy 11:9) rehefa hiampatrampatra eny an-dalambe ny fatin’ireo mpaminany ireo, dia hitodika any amin’ny fikasana hambabo an’i Jerosalema indray ilay tafika mahery (jereo ny Zakaria 14:2).

Mampisehoa sarin’ny Tendrombohitra Oliva iray, na asao ny mpianatra mba hitady ny sary ao amin’ny sarin’ny toerana voalaza ao amin’ny Baiboly faha-11, “Tendrombohitra Oliva ao amin’ny soratra masin’izy ireo na ao amin’ny scriptures.ChurchofJesusChrist.org.

Sary
Sarin’ny Tendrombohitra Oliva

Sarin’ny Tendrombohitra Oliva any Jerosalema ity. Nijaly tao amin’ny Sahan’i Getsemane, teo amin’io tendrombohitra io ny Mpamonjy mba ho ampahany amin’ny Sorompanavotany (jereo ny Lioka 22:39–44). Eo amin’io tendrombohitra Oliva io ihany koa ny Mpamonjy no “handeha, ary hiady amin’ireo firenena” (Zakaria 14:3–4) izay mitady ny handrava ny Jiosy, alohan’ny hisehoany amin’izao tontolo izao manontolo.

Hevero ny hizara ny mpianatra ho vondrona kely maromaro. Afaka mandalina ny iray amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ny vondrona tsirairay ary mamintina ny zavatra nianarany amin’ny iray kilasy.

Vakio ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto, ka tadiavo ny antsipirian’ireo asa lehibe izay hataon’ny Tompo ao Jerosalema sy eo amin’ny Tendrombohitra Oliva alohan’ny Fiaviany Fanindroany.

Apokalypsy 11:11–13

Zakaria 14:3–5

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:48–53

  • Inona no mety ho fiantraikan’ireo trangan-javatra voarakitra ao amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo eo amin’ireo olona miaina izany?

  • Ahoana no anampian’ireo trangan-javatra nambara mialoha ireo anao hahatakatra na hahatsapa momba ny Mpamonjy?

  • Nahoana no zava-dehibe aminao ny mahatakatra sy mahatsapa ireo zavatra momba ny Mpamonjy ireo amin’izao fotoana eo amin’ny fiainanao izao?

Fiarovana ho an’ireo Olomasin’ Andriamanitra

Na dia hialohavan’ny faharatsiana sy ny ady ary ny fandringanana aza ny Fiaviana Fanindroany dia zava-dehibe ihany koa ny mahatsiaro fa ny Tompo dia nampanantena fanampiana sy fiarovana ara-panahy ho an’ireo izay misafidy ny hanaraka Azy (jereo ny Apokalypsy 17:14; 1 Nefia 22:16–17). Toerana anankiray hahitana fiadanana sy fialofana ary fiarovana i Ziona, ilay Jerosalema Vaovao, izay ho hita ao amin’ny kaontinanta Amerikana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:66; Fanekem-pinoana 1:10). Tsy mbola nanambara antsipiriany betsaka momba ity tanàna ho avy ity ny Tompo, fa nampianatra kosa ny fiarovana izay ho azo ao.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:66–71, ka tadiavo ao ny fomba namariparitan’ny Tompo ny tanànan’i Ziona.

Raha manana fanontaniana fanampiny momba an’i Ziona ireo mpianatra dia ampiasao ny “Inona no atao hoe Ziona?” ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” amin’ity lesona ity.

  • Inona avy ireo teny na andian-teny izay hitanao fa manan-danja avy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

  • Avy aiza no hiavian’ny olo-marina ao Ziona?

  • Inona no ataon’ny Tompo ankehitriny mba hanomanany antsika amin’io fotoana ho avy io sy mba hiarovany antsika amin’ny faharatsiana sy ny loza amin’izao androntsika izao?

Mieritreritra ny zavatra nianaranao

Jereo ny fanambaran’ny Filoha Nelson tany am-piandohan’ny lesona, ary eritrereto ny zavatra nohalalininao androany mikasika ireo asa lehibe izay hataon’ny Tompo.

Hevero ny hampiseho ireto fisarihana manaraka ireto ho lohatenin’ny faritra samihafa eo amin’ny solaitrabe ary manasà mpianatra maro hisafidy fisarihana iray hotanterahina. Azo asaina hizara ny antony nanoratany ny zavatra izay nataony ireo mpianatra avy eo.

Ny zavatra niavaka indrindra tamiko tamin’ny fianarako androany dia …

Nianatra na nahatsapa aho androany fa ny Tompo …

Noho ny zavatra nianarako na tsapako androany,izaho dia te …

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Inona no fantatsika momba ireo mpaminany roa izay ho tonga ao Jerosalema?

Ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome ireto hevi-baovao manaraka ireto:

Sary
Sarin’ny Loholona Bruce R. McConkie hatreo amin’ny soroka.

Mety ho iza ireo vavolombelona ireo? Tsy fantatsika, ankoatra ny hoe ho mpanara-dia an’i Joseph Smith izy ireo; hihazona ny Fisoronana Melkizedeka masina izy ireo; ho mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy ireo. Ara-drariny ny fiheverana, noho ny fahafantarana ny fomba nitondran’ny Tompo ny olony hatrany amin’ny vanim-potoana rehetra, fa ho mpikambana roa ao amin’ny Filankevitry ny Roambinifololahy na ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ao amin’ny Fiangonana izy ireo.

(Bruce R. McConkie, The Millennial Messiah: The Second Coming of the Son of Man [1982], 390)

Mba hahitana fampahalalana bebe kokoa momba ireo mpaminany roa ireo, dia jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:15.

Hanao ahoana rehefa ho avy indray i Jesoa Kristy?

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Russell M. Nelson nalaina tamin’ny janoary 2018

Hiverina any amin’ny Tanàna Masina [i Jesoa Kristy] (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:46–48). Any Jerosalema sy any amin’ny toeran-kafa dia “hiseho ny voninahitry ny Tompo, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany” (Isaia 40:5; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:23). “Ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny Mandrakizay, Andrian’ny Fiadanana” (Isaia 9:5). …

Amin’izany andro izany dia hitondra anarana vaovao maro Izy ary ho voahodidin’ Olomasina miavaka. Izy dia ho fantatra amin’ny anarana hoe “Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka …, ary … izay homba Azy, dia [ho ireo] olona voantso sy voafidy ary mahatoky” (Apokalypsy 17:14) noho ny fahatokiany eto amin’ny fiainana an-tany. Dia “hanjaka mandrakizay mandrakizay” Izy (Apokalypsy 11:15).

(Russell M. Nelson, “Ny hoavin’ny Fiangonana: Manomana izao tontolo izao amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany,” Apr. 2020, 16–17)

Inona no atao hoe Ziona?

Ny teny hoe  Ziona ao amin’ny soratra masina dia ampiasaina mba hilazana zavatra maro samihafa. Indraindray ilay teny dia entina ilazana ny vahoakan’i Ziona ary mamaritra azy ireo ho “ny madio am-po” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:21). Ziona dia afaka manondro ny Fiangonana manontolo sy ny tsatòkany manerana izao tontolo izao ihany koa (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:14). Ny teny hoe Ziona dia azo ilazana ireo toerana ara-jeôgrafika manokana ihany koa, toy ny tanànan’i Enoka (jereo ny Mosesy 7:18–21), Jerosalema fahiny (jereo ny 2 Samoela 5:7; 1 Mpanjaka 8:1), ary Jerosalema Vaovao amin’ny andro farany (jereo ny Fotopampianarana sy fanekempihavanana 45:66–67; 57:1–3; Fanekem-pinoana 1:10).

Sahanasa fianarana fanampiny

Apokalypsy 10. Ny iraka nampanaovina an’i Jaona

Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe Mamy sy Mangidy ary angataho avy eo ny mpianatra mba hieritreritra sy hizara zavatra iainana eo amin’ny fiainana izay azo raisina ho sady mamy no mangidy.

Asao ny mpianatra mba hamaky ny Apokalypsy 10:1–3, 8–11 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:14, ary hitady ny zavatra nomena an’i Jaona, ny zavatra nataony tamin’izany, ary izay nasehon’izany fihetsika izany. Mariho fa notsofin-drano tsy ho faty i Jaona mba hahafahany mitondra olona ho eo amin’ny Mpamonjy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 7:1–4).

  • Amin’ny fomba ahoana no hilazana fa sady mamy no mangidy ireo trangan-javatra amin’ny andro farany izay hitan’i Jaona mialoha ireo?

  • Inona no andraikitra mety homen’ny Tompo antsika izay mety hitarika ho amin’ny zavatra izay sady mamy no mangidy?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no avelan’ny Tompo hiaina an’izy roa isika?

Hamoaka printy