Seminera
Apokalypsy 12


Apokalypsy 12

“Ady tany an-danitra”

Sary
fanehoana an-tsary ny tany hita avy eny amin’ny habakabaka

Avy aiza ianao talohan’ny nahaterahanao teto an-tany? Ahoana no mety ho fiantraikan’ny fahalalana izany eo amin’ny fiainanao? Raha namariparitra ny fahitany ny “zavatra tsy maintsy ho avy rahatrizay” (Apokalypsy 4:1) mikasika ny andro farany sy ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany i Jaona dia nizara ny antsipiriany ny amin’ny fisiantsika talohan’ny nahaterahana koa izy, anisan’izany ny “ady tany an-danitra” (Apokalypsy 12:7) sy ny fanoheran’i Satana ny mpanara-dia an’i Jesoa Kristy eto amin’ny fiainana an-tany. Ity lesona ity dia natao hanampy amin’ny fampitomboana ny fanolorantenanao hanaraka an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanampiana anao hahatakatra ny safidy nataonao talohan’ny nahaterahana mba hanaraka ny Mpamonjy sy handà an’i Satana.

Omeo fotoana ireo mpianatra mba hisaintsainana. Omeo fotoana ahafahana misaintsaina ny zavatra fantany sy inoany ary tsapany momba ny zavatra nianarany ireo mpianatra. Ny fanaovana izany dia afaka mampitombo ny fahafahan’izy ireo mba hampianarin’ny Fanahy. Afaka manampy azy ireo hamantatra ny fivoarany ara-panahy amin’izao fotoana izao izany sy ny zavatra mety mila hataony mba hiova sy hivoatra.

Fanomanana ny mpianatra: Andro vitsy mialoha ity lesona ity, dia asao ireo mpianatra mba handinika ny fomba fahitan’izy ireo an’i Satana miady amin’i Jesoa Kristy sy ireo mpanara-dia Azy. Amporisiho izy ireo hiomana hizara ohatra manokana momba ny zavatra tsikariny.

Sahanasa fianarana azo atao

Inona no mety ho vokatr’izany?

Nandritra ny fampaherezam-panahy naneran-tany ho an’ny zatovo, dia nizara izao teny nambara manaraka izao ny Rahavavy Wendy W. Nelson, vadin’ny Filoha Russell M. Nelson. Andramo alaina sary an-tsaina hoe inona no zavatra asainy hojerenao sy ho tsapanao. Azonao atao ny mijery ny “Fanantenana ho an’i Isiraely” (1:01:34), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny mari-potoana 20:52–21:37, na mamaky izao teny nambara manaraka izao.

Azonao zaraina ireto andiam-pehezan-teny manaraka ireto ary avelao ireo mpianatra hifanakalo hevitra momba ny teny nambaran’ny Rahavavy Nelson. Afaka misaintsaina ny mety ho endriky ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana izy ireo ary ny hoe mety ho toy ny ahoana ny niaina ilay zavatra noresahin’ny Rahavavy Nelson.

Sary
Sarin’ny Rahavavy Wendy W. Nelson, vadin’ny Filoha Russell M. Nelson Desambra 2016.

Mba tiako ery raha mba afaka nijery horonan-tsary maharitra 10 minitra amin’ny YouTube momba ny fiainanareo talohan’ny nahaterahana ianareo.

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa raha afaka nahita ny ao an-danitra nandritra ny dimy minitra ianao dia hahafantatra kokoa momba ny lohahevitra iray noho ny fandalinanao azy mandritra ny fiainanao manontolo. Koa alaivo sary an-tsaina anie raha afaka mahita mandritra ny 10 minitra ny fiainanao talohan’ny nahaterahana ianao e!

Mazava ho azy, hitantsika fa tao amin’ny fahendreny ny Tompo dia nanisy voaly fanadinoana tamin’ireo fahatsiarovana ireo. Saingy alaivo sary an-tsaina vetivety anie ny vokatra hiseho eo amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izao raha toa ka navela hijery 10 minitra amin’ny fiainanao talohan’ny nahaterahana ianao.

(Wendy W. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona, 2018], tovana ao amin’ny New Era sy Ensign, 4–5, ChurchofJesusChrist.org)

  • Raha toa ianao ka afaka mahita ny tenanao amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, inona no zavatra manokana antenainao ho hita, hianarana, ho tsapanao, na ho takatrao amin’ny fananana izany traikefa izany?

  • Inona araka ny hevitrao no fiatraikan’izany eo amin’ny fiainanao?

Ao amin’ny Apokalypsy 12, dia nanoratra momba ny ady tany an-danitra talohan’ny nahaterahana i Jaona. Rehefa mandalina ianao dia tadiavo ny antsipirian’ny fifandraisanao tamin’i Jesoa Kristy talohan’ny nahaterahana. Eritrereto ny mety ho fiantraikan’ny fahatakarana io fifandraisana io amin’ny fahafahanao manaraka Azy sy handresy an’i Satana eo amin’ny fiainanao ankehitriny.

Ny ady any an-danitra talohan’ny nahaterahana

Ity votoatin-desona manaraka ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ireo tandindona sy sary avy amin’ny fahitan’i Jaona mba hahafahan’izy ireo mahatakatra ny Ady tany an-danitra any aoriany any amin’ny lesona. Asivo fetrany ny fotoana lanian’ny mpianatra amin’ireo andininy ireo mba hanomezana fotoana ampy hanaovana an’ireo sahanasa any aoriana ay amin’ny lesona.

Mba hanampiana anao hiomana handalina ny fampianaran’i Jaona momba ny Ady tany an-danitra dia mety hanampy anao ny mandalina ny Apokalypsy 12:1–5 ary avy eo mijery ilay sary etsy ambany izay maneho ny sasany amin’ireo sariohatra ao amin’ireo andininy ireo. Ampiasao ity tabilao manaraka ity mba hanampiana anao hahatakatra ny zavatra asehon’ireo sariohatra ireo.

Sary
Bokin’ny Apokalypsy amin’ny endrika mangarahara

Asehoy ireo mpianatra ity fampahalalana manaraka ity.

Sariohatra

Inona no asehon’izany

Vehivavy anankiray (Apokalypsy 12:1)

“Ny fiangonan’ Andriamanitra” (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Apokalypsy 12:7 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina])

Zanak’ilay vehivavy (Apokalypsy 12:2)

“Ny fanjakan’ Andriamanitsika sy ny Kristiny” (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Apokalypsy 12:7 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina])

Dragona (Apokalypsy 12:3)

Satana (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Apokalypsy 12:8 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina])

Mba hianarana momba ny ady tany an-danitra dia manaova tabilao toy izao manaraka izao ao anatin’ny diary fandalinanao. Vakio ny Dikantenin’i Joseph Smith, Apokalypsy 12:7–11 (ao Torolalana ho an’ny Soratra Masina). Marihina fa i “Mikaela sy ny anjeliny” (Apokalypsy 12:7) dia i Adama sy ireo fanahy hafa marin-toetra zanak’ Andriamanitra.

Azonao atao eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity mba ho ataon’ny mpianatra ao amin’ny diary fandalinany. Ho fanampin’ny famitana ilay tabilao ao anatin’ny diary fandalinany dia afaka manoratra valinteny tsy momba ny tenany manokana loatra amin’ny taratasy kely ireo mpianatra ary mametraka izany eny amin’ny solaitrabe eo akaikin’ny toromarika mifanaraka amin’izany.

Ny ady tany an-danitra

Dikantenin’i Joseph Smith, Apokalypsy 12:7–11 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina)

Nianatra aho fa i Satana …

Nianatra aho fa i Jesoa Kristy …

Nianatra aho fa izaho …

Saintsaino ny zavatra izay novakianao sy izay nosoratanao tao amin’ilay tabilao.

  • Inona no zavatra manaitra anao? Inona avy ireo fanontanianao?

  • Inona no manampy anao andininy 11 hahatakatra hoe nanao ahoana ianao tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahanao? Inona no anjara asan’ny Mpamonjy tamin’ny fanampiana anao handresy an’i Satana?

Tamin’ny fampianarana momba ny fiainana talohan’ny nahaterahana sy ny asa nataontsika tany dia nanamafy izao manaraka izao ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Dallin H. Oaks nalaina tamin’ny martsa 2018.

Nandritra ny Filankevitra tany An-danitra dia nampahafantarina an’ireo fanahy rehetra zanak’ Andriamanitra ilay drafitry ny Ray, tafiditra ao anatin’izany ireo vokany sy ireo fitsapana entiny ety an-tany, ireo fanampiana avy any an-danitra ho azo avy amin’izany ary ilay anjara feno voninahitra hoentin’izany. Hitantsika tany am-piandohana ny fiafarany. Ireo olombelona rehetra maro sesehena izay efa teraka teto amin’ity tany ity dia nisafidy ny drafitry ny Ray ary niady ho an’izany nandritra ilay ady tany an-danitra taorian’izany.

(Dallin H. Oaks, “Ilay drafitra lehibe,” Liahona, Mey 2020, 93)

  • Inona no zavatra nianaranao ka afaka manorina ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy manampy anao hanaraka Azy?

Ny fahamarinana iray izay mety hianaranao avy amin’ny fandalinanao dia ny hoe nandresy an’i Satana ianao tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ary tamin’ny fijanonana ho mahatoky amin’ny fijoroanao ho vavolombelona.

  • Ahoana no mahatonga ny fahatakaranao an’io fahamarinana io hisy fiantraikany amin’ny fomba fahitanao ny tenanao sy ny hafa?

  • Inona no anampian’io fahamarinana io anao amin’ny fahatakarana ny herin’ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany?

Tsarovy fa taorian’ny fikomiana nataon’i Satana, dia “nazera teny ambonin’ny tany” izy sy ny mpanara-dia azy (Apokalypsy 12:9). Vakio ny Apokalypsy 12:12, 17, ary tadiavo hoe iza no niady tamin’i Satana taorian’ny nandroahana azy avy tany an-danitra. Ampio amin’ny hevi-baovaonao ilay tabilao noforoninao.

Alohan’ny hametrahana ny fanontaniana manaraka dia ampahatsiahivo ny mpianatra ny fanasana avy amin’ny sahanasa fanomanana ny mpianatra.

  • Ahoana no fahitanao ny ady natombok’i Satana tamin’ireo mpanara-dia an’i Kristy izay mbola mitohy ankehitriny?

  • Ahoana ny fomba ahafahan’ny fahalalana ireo fahamarinana nianaranao momba ny Ady tany an-danitra talohan’ny nahaterahana manampy anao amin’ity ady amin’i Satana ankehitriny ity?

Avereno jerena ny zavatra notanisainao tao amin’ny diary fandalinanao, ary saintsaino sy mivavaha mangina momba ny finoanao manokana mikasika ny fiainanao talohan’ny nahaterahana sy ny zava-misy marina momba ny ady misy eo amin’i Satana sy ireo izay manaraka an’i Jesoa Kristy. Ahoana no fomba ahafahan’ny zavatra nianaranao androany manampy anao hahatakatra kokoa ny momba ny fahatokianao sy ny fianteheranao tamin’i Jesoa Kristy talohan’ny nahaterahana. Ahoana no ahafahanao matoky sy miantehitra kokoa Aminy eto amin’ny fiainanao eto an-tany? Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ny eritreritrao sy ny fahatsapanao.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ahoana no nandreseko an’i Satana tamin’ny ady tany an-danitra talohan’ny nahaterahako?

Nizara an’izao manaraka izao ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Henry B. Eyring nalaina tamin’ny martsa 2018.

Tsarovy ny zavatra fantatsika momba ny tontolon’ny fanahy talohan’ny nahaterahantsika. Nanolotra drafitra ho an’ireo zanany ny Raintsika any An-danitra. Nanatrika teo isika. … I Losifera, ilay fanahy rahalahintsika dia nanohitra ilay drafitra izay hahafahantsika hanana ny fahafahana misafidy. I Jehovah, ilay Zanakalahy Malalan’ny Ray any An-danitra dia nanohana ilay drafitra. Nitarika fikomiana i Losifera. Nandresy ny fanohanan’i Jehovah ary dia nanolo-tena Izy mba ho Mpamonjy antsika.

Noho ianareo tonga eto amin’ny fiainana an-tany dia manana antoka isika fa nanohana ny Ray sy ny Mpamonjy ianareo. Nitaky finoana an’i Jesoa Kristy ny fanohanana ilay drafitry ny fahasambarana sy ny toeran’i Jesoa Kristy ao anatin’izany kanefa bitika ihany no mba fantatrareo ny amin’ny olana izay ho atrehanareo ao amin’ny fiainana an-tany.

(Henry B. Eyring, “Ny herin’ny fanohanana entanim-pinoana,” Liahona, Mey 2019, 58)

Ny Rahalahy Ahmad S. Corbitt, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy Maneran-tany, dia nizara izao manaraka izao:

Sary
Sary ôfisialin’i Ahmad Corbitt.

Rehefa nampanantena i Jesoa Kristy [nandritra ny fiainana talohan’ny nahaterahana] fa ho tonga eto amin’ity fiainana an-tany ity ary hanolotra ny ainy ho fanangonana sy ho famonjena antsika, dia tsy nino Azy fotsiny ianareo. Ianareo “fanahy mendri-kaja” dia nanana “finoana lehibe tokoa” ka hitanareo fa azo antoka ny fampanantenany [Russell M. Nelson sy Wendy W. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely,” 8; Almà 13:3 ]. Tsy afaka ny handainga Izy, noho izany dia nahita Azy ianareo ho toy ny efa nandatsaka ny rany sahady ho anareo fotoana ela talohan’ny nahaterahany. …

… Talohan’ny nahaterahanareo dia nianatra nijery ireo fampanantenana nataon’i Kristy ho fampanantenana azo antoka ianareo, ary nanandrana ny famonjeny. Ny finoanareo lehibe dia mitovy amin’ny hozatra izay mihamafy sy mihangeza rehefa manazatra azy ianareo kanefa efa ao anatinareo izy ireo.

(Ahmad S. Corbitt, “Afaka manangona an’i Israely ianao!,” Liahona, Mey 2021, 62)

Aiza no hahafahako mianatra kokoa momba ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana?

Diniho ny sasany amin’ireto loharanon-kevitra manaraka ireto:

Mosesy 4:1–4

Gospel Topics, “War in Heaven,” topics.ChurchofJesusChrist.org

Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Ady tany an-danitra,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org

Kevin W. Pearson, “What You Knew in Premortal Life,” New Era, Sept. 2015, 36–38

Karazan’ady toy ny ahoana ny Ady tany an-danitra?

Nanazava ny ady niseho tany an-danitra ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–1985) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Sary
Sarin’ny Loholona Bruce R. McConkie hatreo amin’ny soroka.

Karazana ady toy ny ahoana? Ilay karazany mitovy amin’izay misy eto an-tany, ilay hany karazany azon’i Satana sy ireo fanahy irotsahana—ady amin’ny teny, ady hevitra, fifandirana amin’ny foto-kevitra, ady eo amin’ny fahamarinana sy ny fahadisoana, ny fahazavana sy ny haizina. … Ary mbola soritana ny tsipiky ny ady. Ety an-tany ankehitriny tahaka ny tany an-danitra izany; ny lehilahy tsirairay dia tsy maintsy misafidy izay jeneraly harahiny.

(Bruce R. McConkie, Doctrinal New Testament Commentary [1973], 3:518)

Sahanasa fianarana fanampiny

Fomba hafa hanombohana ny lesona

Ho solon’izay aroso any amin’ny fiandohan’ny lesona, dia mety hahazo tombony ny mpianatra amin’ny firesahana ny zavatra niainany tamin’ny fiainana ao anatin’ny fotoana izay nisian’ny ady manerana an’izao tontolo izao. Azon’izy ireo atao ny mifanakalo hevitra momba ny sasany amin’ireo ady tena misy fiantraikany amin’izao fotoana izao sy ny fiantraikan’ireo ady ireo alohan’ny hiresahana ady ara-panahy, na ady, ary ny vokatr’izany. Ho fanampin’izany, dia azo angatahina ireo mpianatra hamerina vetivety, hilalao tantara, na hizara ny zavatra fantany momba ny drafitry ny famonjena ary avy eo hieritreritra momba ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Afaka mifanakalo hevitra momba ny zavatra fantany, na inoany, na tiany ho fantatra momba ity ampahan’ny drafitra ity izy ireo.

Ilay vehivavy tany an-tany foana

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ilay “vehivavy” voalaza ao amin’ny Apokalypsy 12 dia maneho ny “fiangonan’ Andriamanitra” (Dikantenin’i Joseph Smith, Apokalypsy 12:7 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina]). Rehefa avy namaky momba ny Ady any an-danitra ao amin’ny Apokalypsy 12:7–11, dia mety hahasoa ny mamaky Apokalypsy 12:8–17, ary hitady izay tian’i Satana hataony amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fampianaran’i Jaona amin’ny alalan’ny fanoharana ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia mametraha fanontaniana toy izao manaraka izao: “Inona araka ny hevitrao no mety asehon’ilay vehivavy nanidina nankany an-tany foana rehefa avy nenjehin’ilay dragona?” (Jereo ny Apokalypsy 12:13–14; jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86:1–3.)

Hamoaka printy