Seminera
Apokalypsy 6–14


Apokalypsy 6–14

Topimaso ankapobeny

Tao anatin’ny fanambarana izay nataony, dia nahita fahitana momba ny Zanak’ondrin’ Andriamanitra izay nanokatra ny tombo-kase enina voalohany tao amin’ny boky voaisy tombo-kase i Jaona. Noraketiny an-tsoratra ny faminaniana momba ireo toe-javatra manan-danja sy manahirana izay hitranga alohan’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Nizara ny antsipirian’ny fiainantsika talohan’ny nahaterahantsika izy, ary anisan’izany ny “ady tany an-danitra” (Apokalypsy 12:7) sy ny fanoheran’i Satana ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy teto an-tany. Naminany momba ny Famerenana ny Fiangonan’ny Mpamonjy amin’ny laoniny sy ny fanasarahana ny olo-marina amin’ny ratsy fanahy koa izy.

Miomàna hampianatra

Ireto fampahalalana manaraka ireto dia manoro hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Apokalypsy 6–7

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa ny maha zava-dehibe ny fianteherana amin’i Jesoa Kristy mba ho madio sy hijanona ho mahatoky mandritra ny fampahorian’ny andro farany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hamaky ny fanontaniana izay hita ao amin’ny Apokalypsy 6:17 ary ho tonga hivonona hizara ny zavatra izay heveriny fa ilaina mba hanoherana ny fampahorian’ny andro farany.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Rehefa avy mandalina na mahita soratra masina izay mampianatra ny fomba hanaovana ny “akanjontsika … ho fotsy … ao amin’ny ran’ny Zanak’ondry” ireo mpianatra ( Apokalypsy 7:14), dia hevero ny hanasa mpianatra vitsivitsy hizara ny efijerin’izy ireo sy hampiseho ny soratra masina izay hitany tao amin’ny application Médiathèque de l’Evangile. Raha nanisy marika ny ampahany tamin’ireo soratra masina ireo ny mpianatra dia anontanio ny antony nanaovan’izy ireo izany.

Apokalypsy 8–11

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny herin’ny Tompo sy ny fahafahany miaro antsika amin’ny loza sy ny faharatsian’ny andro farany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Hevero ny hizara ny teny izay nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson tany am-piandohan’ity lesona ity ary asao ireo mpianatra mba handalina mikasika ireo asa lehibe vitsivitsy izay hotanterahin’ny Tompo alohan’ny Fiaviany Fanindroany. Azo ampiasaina tsara ho loharanom-pahalalana amin’izany ireo lahatsoratra toy ny “ Andro farany ” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (izay hita ao amin’ny scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

  • Sary: Ny sary maneho ny zava-nitranga tamin’ny tombo-kase fito; sarin’ny Tendrombohitra Oliva, toy ny Sary maneho ny ara-Baiboly, laharana. 11, “Tendrombohitra Oliva” (Hevero ny hanampy ireo mpianatra mba hahitany ity sary ity ao amin’ny soratra masiny.)

Apokalypsy 12

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampy amin’ny fampitomboana ny fanoloran-tenan’ny mpianatra hanaraka an’i Jesoa Kristy, amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo hahatakatra ny fanapahan-keviny hisafidy ny Mpamonjy sy handà an’i Satana, talohan’ny nahaterahany.

  • Fiomanan’ny Mpianatra: Andro vitsy mialoha ity lesona ity, dia asao ireo mpianatra mba handinika ny fomba fahitan’izy ireo an’i Satana miady amin’i Jesoa Kristy sy ireo mpanara-dia Azy. Amporisiho izy ireo hiomana hizara ohatra manokana momba ny zavatra tsikariny.

  • .

  • Sary: Ny sarin’ilay vehivavy sy ilay dragona

  • Tabilao: Ny tabilao izay manazava ireo fanoharana hita ao amin’ny Apokalypsy 12:1–3

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Rehefa miomana ny hizara ny teny nambaran’ny Rahavavy Wendy W. Nelson dia fantaro raha tsara kokoa ny mizara ilay horonan-tsary. Raha ilay lahatsoratra no zaraina, dia hevero ny hizara ny andiam-pehezan-teny tsirairay mifandimby, ary avelao ny mpianatra hifanakalo hevitra mikasika ny zavatra tsapany momba ilay fanambarana, ny mety ho endriky ny fiainany talohan’ny nahaterahany, ary ny mety ho tsapan’izy ireo rehefa mahita izany.

Apokalypsy 14

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy sy ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny manampy an’izao tontolo izao—anisan’izany koa izy ireo—hiomana amin’ny Fiaviany Fanindroany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanao lisitra ireo zavatra tsapan’izy ireo fa telo na efatra amin’ireo tanjona manan-danja indrindra ato amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

  • Sary: Sarivongan’ny anjely Môrônia eo amin’ny tempoly; sarin’ny fijinjana

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Dika mitovin’ireto loharanom-pahalalana manaraka ireto raha tsy afaka miditra en ligne ny mpianatra: Russell M. Nelson sy Wendy W. Nelson, “Fanantenan’i Isiraely” (fampaherezam-panahy ho an’ny zatovo maneran-tany, 3 jona 2018), fanampin’ny New Era sy Ensign, ChurchofJesusChrist.org; Russell M. Nelson, “Fandraisan’anjaran’ireo Rahavavy amin’ny fanangonana an’i Isiraely,” Ensign na Liahona, Nôv. 2018, 68–70; Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Ensign na Liahona, Nôv. 2020, 92–95

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hanomboka ny fampianarana amin’ny fampahafantarana ny rafi-tantara ary avy eo dia apetraho ao anaty zana-bondrona ny mpianatra mba hilalao an-tsehatra izany ary hifanakalo hevitra momba ny fanehoan-kevitra na ny valinteny mety hataon’izy ireo momba izany. Afaka miara-miasa ihany koa ireo mpianatra mba hanao lisitra ny zavatra tsapany fa manan-danja indrindra tokony ho takatra mikasika ny antony nanorenan’i Jesoa Kristy ny Fiangonany.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 25

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanome fahafahana ireo mpianatra mba hampitombo ny fahatakarany sy hampihatra ireo fahamarinana hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 13 ao amin’ny tapany faharoa amin’ny Testamenta Vaovao.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Hevero ny hanome ny mpianatra ny dika mitovin’ny taratasy zaraina izay hita ato amin’ity lesona ity. Asao izy ireo hamerina hijery ireo andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ary handinika ireo toe-javatra izay mety hanampy ny fahatakarana ireo andinin-tsoratra masina ireo.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Raha toa ka mamorona sary fanehoana ny iray na maromaro amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ny mpianatra dia avelao izy ireo hampiasa programa na application nomerika hanaovany izany. Omeo fahafahana hizara ny sariny amin’ny iray kilasy izy ireo rehefa nahavita.

Hamoaka printy