Seminera
Famerenana Fifehezana Fotopampianarana 24


Famerenana Fifehezana Fotopampianarana 24

Fampiharana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Sary
Vondrona zatovo kely eo amin’ny lalana iray. Mamaky boky ho an’ny ambiny ny iray amin’izy ireo.

Iray amin’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampy anao hianatra ny fomba hampiharana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana eo amin’ny fiainanao manokana. Ity lesona ity dia hanome fahafahana anao hampihatra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sasany amin’ny toe-javatra maro isan-karazany izay tena misy.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hampiasa ny application Maitrise de la Doctrine na fomba hafa mba hanaovany fanazaran-tena eo amin’ny fitadidiana ireo toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Angataho izy ireo mba ho tonga ao an-dakilasy vonona hizara andinin-tsoratra anankiray izay efa niainany sy nanaovany fampiharana.

Sahanasa fianarana azo atao

Mampihatra ireo fitsipiky ny filazantsara

Azo ampianarina eo amin’ny toeran’ity lesona famerenana ity ny lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiray. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na ny faritra mba hahazoana antoka fa hampianarina avokoa ireo lesona momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny fotoana ampianarana seminera.

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany, dia nanazava ny maha zava-dehibe ny fampiharana fitsipiky ny filazantsara. Jereo ny horonan-tsary “Ny amin’ny hoe tsisy fitaka,” manomboka avy amin’ny mari-potoana 11:24 ka hatramin’ny 12:02, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, na vakio ity fanambarana manaraka ity.

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2006. Nantsoina ho Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, 3 febroary 2008. Nanao ny sary tapaka ôfisialy tamin’ny 2008 ho solon’ilay sary tapaka nalaina tamin’ny 2004.

Ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ianareo dia afaka ny ho tonga matotra ara-panahy ka manatona kokoa ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fampiharana ny fitsipiky ny filazantsara isan’andro isan’andro.

Raha manana faharetana sy fikirizana dia afaka ho lasa afo miredareda eo amin’ny fiainana feno fanolorantena ny asa faran’izay bitika indrindra ataon’ny mpianatra na ny finoana faran’izay kely. Raha ny marina dia toy izany no fiandohan’ny ankamaroan’ny afo miredareda—pitik’afo kely.

(Dieter F. Uchtdorf, “Ny amin’ny hoe tsisy fitaka,” Liahona, Mey 2015, 82)

Mieritrereta fahamarinana vitsivitsy ao amin’ny filazantsara izay nampiharinao vao tsy ela teo amin’ny fiainanao.

  • Ahoana no namolavolan’ny fahalalana ireo fahamarinana ireo ny safidy izay nataonao?

Amin’ity lesona ity dia hanana fahafahana handray anjara amin’ny sahanasa izay afaka manampy anao hampihatra fitsipiky ny filazantsara isan’andro isan’andro ianao.

Avereno jerena ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Ny famerenana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja dia tokony haka ampahany kely fotsiny amin’ny fotoam-pampianarana. Ity ampahany amin’ny sahanasa ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hahatsiaro ireo andalan-tsoratra masina sy hamantatra haingana ireo fahamarinana izay efa nianaran’izy ireo.

Jereo vetivety ireto andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manaraka ireto ary eritrereto ny zavatra izay nataonao mba hiainana izany.

Asehoy ity tabilao manaraka ity mba hataon’ireo mpianatra maodely mandritra ny lesona.

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao: 1 Korintiana–Apokalypsy

1 Korintiana 6:19–20

“Tempolin’ny Fanahy Masina ny vatanao.”

1 Korintiana 11:11

“Kanefa ao amin’ny Tompo, tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.”

1 Korintiana 15:20–22

“Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.”

1 Korintiana 15:40–42

Amin’ny Fitsanganana amin’ny maty, dia misy ambaratongam-boninahitra telo.

Efesiana 1:10

“Amin’ny fotoampitantanan’ny fahafenoam-pahasoavana no hanangonany indray ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy.”

Efesiana 2:19–20

Ny Fiangonana dia “natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apôstôly sy ny mpaminany, ary Jesoa Kristy no fehizoro indrindra.”

2 Tesaloniana 2:1–3

“Ny [fiavian’i Kristy] … [dia] tsy ho avy […] raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana.”

2 Timoty 3:15–17

“Ny soratra masina … izay mampahendry anareo ho amin’ny famonjena.”

Hebreo 12:9

Ny Ray any An-danitra dia “Rain’ny fanahintsika.”

Jakoba 1:5–6

“Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra.”

Jakoba 2:17–18

“Ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.”

1 Petera 4:6

“Fa noho izao no [ni]toriana ny filazantsara tamin’ireo izay maty.”

Apokalypsy 20:12

“Ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky … araka ny asany.”

Mampihatra ireo fahamarinana eo amin’ny fiainana

Mety hanampy ny mijery ny fomba ampiharan’ny hafa ireo fahamarinan’ny filazantsara. Raha azo atao, dia jereo ny horonan-tsary “Teachings of Thomas S. Monson: Rescuing those in need” (0:30 hatramin’ny 5:01), azo jerena ihany koa ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Tadiavo ny fomba niainan’ny olona tamin’ilay fahamarinana hoe “ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy” (Jakoba 2:17).

  • Ahoana no nampiharan’ny olona io fahamarinana io?

Eritrereto ny fomba nanampian’ny fahalalana sy ny fiainana ny fahamarinan’ny filazantsara anao taloha, sy anampiany anao ankehitriny ary ny mbola hanampiany anao amin’ny hoavy. Ataovy ity sahanasa manaraka ity mba hanampiana anao hampihatra ireo fahamarinana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay nohalalininao.

Fomba iray hampifanarahana io sahanasa io ny fanasana ny mpianatra tsirairay mba hanao ireto dingana manaraka ireto:

  1. Misafidiana andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray, ary soraty eo amin’ny taratasy iray ilay andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja. Ampio ny anaranao eo amin’ny taratasy.

  2. Ampifamadiho amin’ny mpianatra iray hafa ilay taratasy, ary araho ny toromarika voatanisa etsy ambany eo ambanin’ny lohateny hoe “Lasa.”

  3. Avereno ampifamadihana indray ny taratasy, ary araho ireo toromarika momba ny “Ankehitriny.”

  4. Ampifamadiho farany ny taratasy, ary araho ireo toromarika momba ny “Hoavy.”

  5. Avereno amin’ilay mpianatra tany am-boalohany ireo taratasy.

Rehefa vita ilay sahanasa, dia hevero ny hanasa ireo mpianatra mba hizara ny zavatra izay nosoratan’ny mpiara-mianatra iray ka tiany na nanaitra azy ireo.

Lasa

Mieritrereta fotoana iray izay nianteheranao tamin’ny iray amin’ireo fahamarinana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Raha tsy afaka mieritreritra fotoana manokana eo amin’ny fiainanao ianao, dia mieritrereta olona iray fantatrao na olona iray avy amin’ny tantara iray ao amin’ny soratra masina izay voatahy rehefa nanao zavatra mifanaraka amin’ny fahamarinana iray ao amin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

Raketo an-tsoratra ireo fitahiana azo avy amin’ny fiainana izany fahamarinana izany. Ataovy azo antoka ny hanazavana ny fomba nitomboana na mety hampitomboan’ny fahatokianao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Ankehitriny

Eritrereto ny zavatra ilainao sy ny toe-javatra misy anao ankehitriny. Avereno jerena ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana, ary mifidiana andalan-tsoratra masina iray izay tsapanao fa azonao arahina tsara kokoa eo amin’ny fiainanao. Raketo an-tsoratra ny zavatra izay azonao atao mba hanaovana asa amim-pinoana sy hampiharana ilay andinin-tsoratra masina.

Hoavy

Misafidiana andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray, ary manorata rafi-tantara iray izay mety hitranga aminao amin’ny hoavy izay ahafahan’ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ilay andinin-tsoratra masina manampy anao hanao asa amim-pinoana.

Mety hanampy ny mampahatsiahy ny mpianatra ny fampianaran’ny Loholona Uchtdorf tany am-piandohan’ny lesona. Ny fifanakalozan-kevitra momba ny fanontaniana tahaka izao manaraka izao dia afaka manampy ny mpianatra hisaintsaina ny maha zava-dehibe ny fampiharana ny fahamarinan’ny filazantsara eo amin’ny fiainany.

Saintsaino ny fiantraikan’ny fahalalana sy ny fampiharana ny fahamarinana eo amin’ny fiainanao sy ny fanapahan-kevitra raisinao.

  • Ahoana no nanampian’ny fiainana ny filazantsara hanamafy orina ny finoanao an’i Kristy?

  • Inona no azonao atao mba hahatsiarovanao kokoa ny fahamarinan’i Kristy rehefa manao safidy ianao amin’ny hoavy?

Sahanasa fianarana fanampiny

Milalao tantara

Hevero ny hizara ny mpianatra ho vondrona kely ary asao izy ireo mba hamorona sy hilalao rafi-tantara izay ahafahan’ireo fahamarinana avy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manampy azy ireo. Ireo mpianatra izay mijery ilay rafi-tantara dia afaka mieritreritra ireo fahamarinana avy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay afaka manampy ny olona iray ao anatin’ilay rafi-tantara hanao asa amim-pinoana. Ny fiovana iray hafa amin’ity asa atao ity dia ny fanasana vondrona hilalao rafi-tantara iray, ary ao anatin’izany ny zavatra atao amim-pahatokiana amin’ny toe-javatra izay nomena, amin’ny fampiasana ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ho tari-dalana azy ireo.

Hamoaka printy