Seminera
Apokalypsy 1


Apokalypsy 1

“Ny fanambaran’i Jesoa Kristy”

Sary
Mpilalao an-tsehatra mampiseho an’i Jesoa Kristy mijoro eo amin’ny havoana iray eo am-piposahan’ny masoandro eny amin’ny faravodilanitra.

Mety ho hafahafa na mampisafotofoto ny bokin’ny Apokalypsy indraindray noho ny fampiasany fanoharana. Tena marina fa feno fanoharana tokoa ny bokin’ny Apokalypsy ka mahatonga ny ampahany sasany ho sarotra takarina. Kanefa na izany aza, dia maro ireo hafatra ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy no fahamarinana tsotra momba ireo zavatra toy ny anjara toeran’i Jesoa Kristy, ireo fisehoan-javatra manodidina ny Fiaviana Fanindroany, ary ny fandresena faratampon’ny tsara amin’ny ratsy. Nosoratan’ny Apôstôly Jaona io boky io ary natao ho an’ny rantsan’ny Fiangonana fito any Azia Minora (na Turquie ankehitriny). Tahaka ny ankamaroan’ny olona ankehitriny, dia nijaly noho ny finoany an’i Jesoa Kristy ary nahazo fampiononana tamin’ireo hafatra sy sary izay nosoratan’i Jaona ireo mpanara-dia mahatoky an’i Jesoa Kristy ireo. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatakatra ireo ampahany amin’ireo fanoharana ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy sy ny zavatra azon’izany ampianarina momba an’i Jesoa Kristy. 

Fahatakarana ny fanoharana. Matetika dia ampiasaina ao amin’ny soratra masina ireo sariohatra mba hampianarana fahamarinana ara-panahy manan-danja. Makà fotoana mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra fomba samihafa amin’ny fisintonana ny hevitr’ireo fanoharana ireo. Ny fanaovana izany dia hanampy azy ireo hahatakatra bebe kokoa ny bokin’ny Apokalypsy iray manontolo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hamaky ny “Fahitan’i Jaona ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, izay hita ao amin’ny scriptures.ChurchofJesusChrist.org, ary mba ho tonga vonona hizara ny zavatra izay mahaliana azy ireo hianarana sy ny anton’izany.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny fahitan’i Jaona

Asehoy ity sary manaraka ity ary asao ireo mpianatra mba hifanakalo hevitra momba ny zavatra izay hitany ao sy ny fanontaniana rehetra izay ananany momba izany.

Raha tsy izany, dia hevero ny hanomboka ny lesona toy izao manaraka izao: Alohan’ny fotoam-pianarana, dia asio zavatra eo amin’ny latabatra na seza eo anoloan’ny kilasy. Sarony ilay zavatra mba tsy hahafantaran’ireo mpianatra hoe inona ilay izy. Rehefa manomboka ny fotoam-pianarana dia asao ireo mpianatra hamantatra hoe inona ilay zavatra. Aorian’ny vinavina maromaro, dia manasà mpianatra anankiray ho eny aloha mba hanainga ny ampahany amin’ilay sarony izay nanaronana azy ka mba ho izy irery ihany no afaka mahita ilay zavatra. Angataho ilay mpianatra mba hamariparitra ilay zavatra amin’ny iray kilasy fa tsy milaza hoe inona ilay izy. Asaivo miverina mipetraka ilay mpianatra. Apetraho ity fanontaniana manaraka ity:

Mety ho amin’ny fomba ahoana no hanehoan’ilay mpianatra nanoritsoritra ilay zavatra ny anjara asa iray sahanin’ireo mpaminany sy apôstôly?

Sary
Bokin’ny Apokalypsy amin’ny endrika mangarahara

Amin’ny maha-“fanambaran’i Jesoa Kristy” azy (Apokalypsy 1:1), ity boky ity dia antsoina hoe “Apokalypsy,” izay midika amin’ny teny Grika hoe “fanambarana na fanehoana” .

Ity boky ity dia manambara an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny fahefany, ny heriny ary ny anjara asany tena lehibe ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray. Ny boky ihany koa dia manambara fampahalalana manan-danja momba ireo zavatra hitranga izay hitondra ho any amin’ny Fiaviana Fanindroany sy ny Arivotaona.

I Jaona Apôstôly, ilay mpianatra lalain’i Jesoa Kristy, no mpanoratra ity boky ity. Tao amin’ny nosy Patmo, tamin’ny fotoana izay niatrehan’ny Kristianina fampianaran-diso, tsy firaharahiana, ary fanenjehana mafy no nanoratan’i Jaona ilay boky (jereo ny Apokalypsy 1:9; 2:4, 10, 14–15; 3:166:9).

Ny Bokin’i Môrmôna dia manamafy fa i Jaona dia efa voatendry mialoha mba hanoratra ireo zavatra izay voarakitra ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy (jereo ny 1 Nefia 14:18–27; Etera 4:16).

Mety ho fotoana tsara hanasana ireo mpianatra mba hizara ny eritreriny avy amin’ny sahanasa fanomanana ny mpianatra izany.

Vakio ny Apokalypsy 1:1–3 ary jereo ny zavatra nampianarin’i Jaona momba ny fanambarana izay azony. (Marihina fa ny Dikantenin’i Joseph Smith dia milaza hoe, “Sambatra izay mamaky sy izay mihaino ka mahatakatra ny tenin’ity faminaniana ity.”)

  • Inona no zavatra nisongadina taminao tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

  • Inona no lazain’i Jaona fa tsy maintsy ataon’ny olona iray mba ho voatahin’ny votoatin’ny bokin’ny Apokalypsy?

Vakio ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Apokalypsy 1:4–8 ary tadiavo ny zavatra tian’i Jaona ho fantatr’ireo Olomasina sy tsapan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy.

Jereo ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” mba hahazoana fanazavana momba ny “mpanjaka sy mpisorona” ary ny “Alfa sy Omega.”

  • Inona no zavatra hitanao tao amin’ny Apokalypsy 1:4–8 mikasika ny zavatra izay tian’i Jaona ho fantatr’ireo Olomasina sy tsapan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy?

  • Inona amin’ireo fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy ireo no mety hanampy ireo Olomasina izay niaritra fanenjehana?

Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo fahamarinana izay hitan’ireo mpianatra.

  • Ahoana no fomba mety hanampian’ireo fahamarinana ireo anao rehefa miatrika olana eo amin’ny fiainana ianao?

Fahitana ara-panoharana hitan’i Jaona

Tao amin’ny fahitany, dia nandre ny feon’i Kristy i Jaona (jereo ny Apokalypsy 1:10–11). Rehefa nitodika tany amin’ny feon’ny Mpamonjy izy dia nahita sary sy tandindona mitovy tsy misy valaka amin’ilay sary izay naseho tany am-piandohan’ny lesona.

Manerana ny soratra masina, dia nampiasa fanoharana ireo mpaminany mba hanamafisana ny fahatakarana momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ny fampiasana tandindona dia mety ho fitaovana enti-mampianatra mahomby satria na olona samy hafa fiteny aza, na samy hafa kolontsaina na taranaka samy hafa dia samy afaka mahatakatra izany avokoa. Afaka mampita hafatra maro samy hafa ihany koa ny tandindona. Fanampin’izany, dia afaka mampitombo ny fahatakarana amin’ny alalan’ny hevitra sy fihetseham-po mankahery izay sarotra ampitaina amin’ny alalan’ny teny fotsiny ihany koa ny fampiasana tandindona.

  • Manao ahoana ny fahatokisan-tenanao amin’ny fahaizanao mahatakatra ny dikan’ireo tandindona izay hita ao amin’ny soratra masina?

  • Eritrereto ny sasany amin’ireo tandindona izay nampiasaina mba hamaritana an’i Jesoa Kristy ao amin’ny Testamenta Vaovao (toy ny hoe zanak’ondry, mofo, rano, vatolampy, ary mpiandry ondry). Ahoana no fomba ahafahan’ireo sariohatra ireo manampy anao hahatakatra bebe kokoa ny momba Azy?

Vakio ny Apokalypsy 1:12–18 ary tadiavo ireo antsipiriany sy tandindona fanampiny momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ny fahitan’i Jaona.

Ao amin’ity tabilao manaraka ity dia hahita ny sasany amin’ireo tandindona izay voalaza ao amin’ny fahitan’i Jaona ianao. Fomba iray tsy azo tsinontsinoavina hahatakarana ny hevitr’ireo sariohatra ao amin’ny soratra masina ny fampiasana soratra masina hafa.

Hevero ny hanao dika mitovy an’io taratasy zaraina io ho an’ny mpianatra tsirairay. Asao izy ireo hamaky ilay soratra masina sy hanoratra izay mety ho dikan’ireo tandindona ireo. Mety hanampy ireo mpianatra ny miasa mandeha tsiroaroa, na ao anatin’ny vondrona kely, na miaraka amin’ny iray kilasy amin’ilay taratasy zaraina.

Ny fanazavana fanampiny momba ireo tandindona izay tsy hita ao amin’ilay tabilao dia azo jerena ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho”.

Ireo tandindona tao anatin’ny fahitan’i Jaona

Tandindona

Mety ho heviny

1. Fanaovan-jiro volamena fito (Apokalypsy 1:12)

1. Jereo ny Apokalypsy 1:20; 3 Nefia 18:24

2. Ny tanana ankavanan’ny Mpamonjy (Apokalypsy 1:16–17)

2. Jereo ny Eksodosy 15:16; Isaia 41:10

3. Kintana fito (Apokalypsy 1:16)

3. Jereo ny Apokalypsy 1:20

4. Sabatra maranitra roa lela (Apokalypsy 1:16)

4. Jereo ny Hebreo 4:12; Helamàna 3:29–30

5. Ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny helo (Apokalypsy 1:18)

5. Jereo ny 2 Nefia 9:10–13

Sary
New Testament Seminary Teacher Manaul - 2023

Avelao ireo mpianatra mba hizara ny zavatra izay hitany sy ny fanontaniana mety hananany.

Rehefa mieritreritra ny voninahitr’i Jesoa sy ny mety ho dikan’ireo sariohatra tao amin’ny fahitan’i Jaona, dia jereo ny sary izay naseho tany am-piandohan’ny lesona.

  • Ahoana no mety hanazavanao ny zavatra izay asehon’io sary io?

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana momba ny fifandraisan’i Jesoa Kristy sy ireo mpanara-dia mahatoky Azy?

Fahamarinana anankiray azontsika ianarana avy tamin’ireo sariohatra ireo ny hoe i Jesoa Kristy dia miahy sy mikarakara ireo mpanara-dia mahatoky Azy

  • Ahoana no maha fitahiana ho an’ireo Olomasin’ny fiangonana fito ity fahamarinana ity sy ireo tandindona ireo?

  • Amin’ny toe-javatra manao ahoana no mety ho lasa loharanom-pankaherezana ho an’ny zatovo anankiray amin’izao fotoana izao io fahamarinana na io sary fanehoana an’i Jesoa Kristy io?

  • Ahoana no fomba nanampian’ny fampiasana tandindona ao amin’ity toko ity anao mba hahatakaranao kokoa ny hoe iza ny Mpamonjy ary tahaka ny ahoana Izy?

  • Inona no zavatra nianaranao momba ny tandindona izay afaka manampy anao rehefa manohy mandalina ny bokin’ny Apokalypsy ianao?

Hevero ny hizara fijoroana ho vavolombelona momba ireo zavatra izay tsapanao momba an’i Jesoa Kristy sy ny fomba niahiany sy nikarakarany ireo mpanara-dia mahatoky Azy. Azo asaina manao toy izany ihany koa ireo mpianatra.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Apokalypsy 1:6. Inona no zavatra tian’i Jaona hambara raha niteny izy hoe nataon’i Jesoa ho “mpanjaka sy mpisorona” isika?

Ny Filoha Joseph F. Smith (1838–1918) dia nampianatra fa hoe:

Sary
Sarin’i Joseph F. Smith

Ny antom-pisiantsika eto an-tany dia ny hahazoantsika ny fahafenoan’ny fifaliana, ary ny hahatonga antsika ho zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra, amin’ny hevin-teny feno, mba ho mpandova an’ Andriamanitra sy mpiara-mandova amin’i Jesoa Kristy [jereo ny Romana 8:14–17], mba ho mpanjaka sy mpisorona ho an’ Andriamanitra, handova voninahitra, fanapahana, fisandratana, seza fiandrianana ary hery sy toetra izay nampitomboan’ny Raintsika any An-danitra sy nananany. Izany no antom-pisiantsika eto amin’ity tany ity. Mba hahatongavana amin’izany toerana avo dia avo izany dia ilaina ny miaina ireo zavatra iainana eto an-tany, na ireo fizahan-toetra, izay ahafahantsika manaporofo fa mendrika izany ny tenantsika, amin’ny alalan’ny fanampian’i Jesoa zokintsika.

(Teachings of Presidents of the Church: Joseph F. Smith [1998], 150)

Nampianatra ny Filoha Joseph Fielding Smith (1876–1972) hoe:

Sary
Sarin’ny Filoha Joseph Fielding Smith mipetraka eo amin’ny seza hoditra miloko mainty eo anoloan’ny talantalana fitoeram-boky iray. Mitazona soratra masina izy eny an-tanany.

[Ny mahatoky] dia nampanantenaina fa ho tonga zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra izy ireo, miray lova amin’i Jesoa Kristy, ary raha toa ka mahatoky amin’ny didy sy fanekempihavanana izay nomen’ny Tompo antsika, ho mpanjaka sy mpanjakavavy ary mpisorona, manana ny fahafenoan’ny fitahian’ny fanjakana selestialy.

(Joseph Fielding Smith, Answers to Gospel Questions, comp. Joseph Fielding Smith Jr. [1963], 4:61)

Apokalypsy 1:8. Inona no zavatra azontsika ianarana avy amin’ilay anaram-boninahitr’i Jesoa Kristy hoe “Tsitoha”?

Ny anarana fiantsoana hoe “Tsitoha” dia ny fandikana amin’ny teny Anglisy ny teny Grika hoe Pantokrator, manondro olona anankiray izay manapaka sy mandrindra ny zava-drehetra. Lohahevitra iray ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy ny hoe na dia miatrika fanenjehana sy fahasahiranana aza ny vahoakan’ Andriamanitra amin’ny taona rehetra, dia Andriamanitra tokoa no mitantana ny zava-drehetra ary indray andro any dia hitsahatra amin’ny alalany ny ratsy rehetra. Sary maromaro avy amin’ireo toko voalohany ao amin’ny Apokalypsy no manamafy ny anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny maha-“ilay Tsitoha” Azy (Apokalypsy 1:8): Aseho ho toy ny “sabatra maranitra roa lela” ny teniny (Apokalypsy 1:16), Izy no mihazona “ny fanalahidin’ny helo sy ny fahafatesana” (Apokalypsy 1:18), ary fantany avokoa ny asan’ny olona (jereo ny Apokalypsy 2:2, 9, 13, 19).

Apokalypsy 1:8. Inona no dikan’ny hoe i Jesoa no “Alfa sy Omega”?

Nampianatra ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–1985) ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Sarin’ny Loholona Bruce R. McConkie hatreo amin’ny soroka.

Ireo teny ireo, izay litera voalohany sy farany ao amin’ny abidia grika, dia ampiasaina mba hampianarana an-kolaka ny tsy maha-tsy voafetran’ny fotoana fisian’ny Tompo sy ilay toetra mandrakizain’ny fisian’ny Tompo, izany hoe “hatramin’izay ka ho mandrakizay dia tsy miova Izy, ary tsy miova koa ny taonany” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:4].

(Doctrinal New Testament Commentary [1973], 3:439)

Inona no dikan’ireo fanaovan-jiro hita tao amin’ny fahitan’i Jaona?

Nampianatra ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–1985) ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Sarin’ny Loholona Bruce R. McConkie hatreo amin’ny soroka.

Ny fanaovan-jiro dia mitondra fahazavana fa tsy mamorona izany. Ny asan’izy ireny dia ny manao izay ahafahana mampiasa izany fa tsy manao izay hisian’izany. Ka amin’ny alalan’ny fampiasana fanaovan-jiro fito mba hanehoana ireo fiangonana fito izay nomen’i Jaona torohevitra tamin’izany fotoana izany dia asehon’ny Tompo fa ireo fiangonany eto an-tany dia tokony hitondra ny fahazavany eo amin’izao tontolo izao. I Kristy no Fahazavan’izao tontolo izao (Jaona 8:12). “Aingao ambony ny fahazavanareo mba hamirapiratany eo amin’izao tontolo izao. Indro, Izaho no fahazavana izay haingainareo ambony—izay efa hitanareo fa nataoko” [3 Nefia 18:24; Matio 5:14–16].

(Doctrinal New Testament Commentary [1990], 3:442)

Sahanasa fianarana fanampiny

Ny sahan-kevitry ny bokin’ny Apokalypsy

Mba hampahafantarana ny sahan-kevitra ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy, dia hevero ny hamorona andiam-panontaniana iray izay manontany hoe ho an’iza io boky io no nosoratana, avy aiza, ary nahoana no nanoratana izany. Afaka mamaky ny Apokalypsy 1:4, 9 ireo mpianatra mba hahitana valiny.

Ny fahitan’i Jaona sy ny Bokin’i Môrmôna

Ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto dia azo ampiasaina mba hanehoana fa ny fahitan’i Jaona dia tena manan-danja tokoa, hany ka dia nampianarin’ireo mpaminany tao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Asao ireo mpianatra hamaky ny 1 Nefia 14:18–29 ary hitady ny zavatra izay hitan’i Nefia sy ny antony tsy nanoratany ny ampahany sasany tamin’ny fahitany. Afaka mamaky ny Etera 4:16 ihany koa ireo mpianatra mba hitady ny zavatra nolazain’ny Tompo momba ny fahatanterahan’ny fahitan’i Jaona.

Hamoaka printy