Seminera
Apokalypsy 2–3, Fizarana 1


Apokalypsy 2–3, Fizarana 1

“Fantatro ny asanao”

Sary
Sary hosodokon’i Kristy mandondòna varavarana iray nataon’i Greg Olson

Mahafantatra antsika tsirairay avy i Jesoa Kristy. Fantany ny zavatra tsara izay ataontsika, ary fantany ihany koa ny zavatra izay azontsika hatsaraina mba hahatongavana ho tahaka Azy kokoa. Tao anatin’ny hafatra samihafa ho an’ny fiangonana fito tany Azia, dia noraketin’i Jaona an-tsoratra ny feon’i Jesoa Kristy izay niaiky ny asa tsara nataon’ny Olomasina ary nampitandrina azy ireo ny amin’ny zavatra izay tokony hovain’izy ireo. Ity lesona ity dia afaka mamporisika anao handre ny feon’ny Mpamonjy izay manaiky ny asa tsara ataonao sy manome anao ny fanitsiana ilaina atao.

Mifantoha amin’ny fanampiana ireo mpianatra. Mandritra ny fanomanana ny lesona, dia mifantoha amin’ireo mpianatra fa tsy amin’ny fitaovana enti-mampianatra fotsiny ihany. Anontanio hoe “Inona no zavatra hataon’ireo mpianatra ao an-dakilasy anio?” na “Ahoana no fomba ahafahan’ireo mpianatra mahita fahamarinana izay hanan-danja amin’izy ireo?”

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hamantatra hoe inona eo amin’ny lafim-piainany no tsapany fa mahafaly ny Mpamonjy. Ao anatin’io fanasana io, dia afaka mivavaka sy mangataka amin’ny Ray any An-danitra ireo mpianatra mba hanampy azy ireo hahatakatra ny zavatra tsara izay ataony. Afaka mangataka amin’ny ray aman-dreniny ihany koa izy ireo mba hanampy azy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Mariho fa ny hafatr’i Jaona dia ahitana ihany koa ireo fampanantenana izay nataon’ny Mpamonjy ho an’ireo izay mandresy ny fitsapana sy olana miseho eo amin’ny fiainana eto an-tany. Horesahina amin’ny antsipiriany kokoa izany ao amin’ny lesona manaraka.

Henoy ny feon’ny Mpamonjy

Asehoy ny sarin’i Jesoa mandondona eo amin’ny varavarana anankiray rehefa mandinika ity fanontaniana manaraka ity ireo mpianatra.

Sary
I Jesoa Kristy aseho eo am-pandondonana varavarana anankiray. I Jesoa dia aseho amin’ny alalan’ny fanaovana akanjo lava mena sy akanjo lava fotsy. Ilay sary hosodoko dia maneho ilay foto-kevitra hoe i Kristy “mandondona varavarana,” araka ny voafaritra ao amin’ny soratra masina. Tsy misy sarina famoham-baravarana eo amin’ilay sary hosodoko izay maneho fa tsy maintsy sokafana avy any anatiny ilay varavarana.
  • Inona avy ireo fahatsapana mety anananareo raha nahare olona nandonòna tao amin’ny varavaran’ny tranonareo ianareo ka nahita fa ny Mpamonjy no tao? Nahoana?

Tao amin’ny hafatra izay napetrany ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Laodikia (izay niorenan’ny anankiray tamin’ireo fiangonana fito izay nanoratan’i Jaona tany Azia; jereo ny Apokalypsy 1:11), dia nofaranan’i Jaona tamin’ny fanasana avy tamin’i Jesoa Kristy izany.

Vakio ny Apokalypsy 3:20 ary fantaro ny fanasana izay nomen’ny Mpamonjy.

Makà fotoana mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny sariohatra manehoan’i Jesoa mijoro eo am-baravarana sy mandondòna. Mifanakaloza hevitra momba ny dikan’ny hoe mandondòna Izy sy manatona mba hiara-hisakafo amintsika amin’izao androntsika ankehitriny izao. Ohatra, rehefa manasa ny Mpamonjy ho eo amin’ny fiainantsika isika dia afaka manome hery, sy famelomana, ary fampiononana ho an’ny fanahintsika Izy.

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ilay sariohatra hita ao amin’ny Apokalypsy 3:20?

  • Nahoana araka ny hevitrao no mandondòna eo am-baravarana ny Mpamonjy fa tsy tonga dia miditra avy hatrany?

  • Ahoana no fomba ahafahanao manokatra ny varavarana ho an’i Jesoa Kristy sy mikatsaka ny hihaino tsaratsara kokoa ny feony?

  • Inona no zavatra nataonao tato ho ato mba handrenesana ny feony sy hanokafana ilay varavarana?

Na dia i Jaona aza no nitondra ny hafatra, dia i Jesoa kosa no feon’ny hafatra ho an’ireo fiangonana fito. Rehefa mandalina ireo hafatra ao amin’ny Apokalypsy 2–3 ianao, dia henoy ny feon’i Jesoa Kristy ao aminao. Hevero ny hamantatra ireo fomba izay ahafahanao manokatra ny varavarana mba hamela ny Mpamonjy hiaraka aminao sy hampatanjaka anao.Na dia miavaka avokoa ny tsirairay amin’ireo hafatra anankifito ireo, dia misy ihany koa ny zavatra izay itovizany.

Hanana fotoana ahafahana handalina ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny antsipiriany kokoa ny mpianatra aorinan’ny lesona. Ho an’ity sahanasa ity, dia asao fotsiny izy ireo hamantatra sy hifanakalo hevitra momba ny dikan’ilay andian-teny miverimberina hoe “Fantatro ny asanao.”

Tadiavo ary asio marika ilay andian-teny miverimberina hoe “Fantatro ny asanao” ao amin’ny Apokalypsy 2:2, 9, 13, 19; 3:1, 8, 15. Ao amin’ireo andininy ireo dia noraketin’i Jaona ny feon’i Jesoa Kristy, izay maneho ihany koa ny sitrapon’ny Ray any An-danitra.

  • Nahoana no mety ho zava-dehibe ny mahatakatra fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia “mahafantatra ny asa[nao]”?

Fahamarinana anankiray ho hitantsika ao amin’ny Apokalypsy 2–3 dia ny hoe satria mahafantatra antsika tsirairay ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, dia afaka manaiky ny asa tsara ataontsika Izy Ireo ary mampitandrina antsika amin’ny fiovana ilaina. Mitadiava porofon’izany fahamarinana izany rehefa mandalina ny torohevitra ho an’ireo fiangonana fito ianao.

Torohevitra ho an’ireo fiangonana fito

Asehoy ity sarin-tany sy ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto. Hevero ny handalina ny anankiray amin’ireo fiangonana fito miaraka amin’ny iray kilasy mba hatao maodely amin’ny fomba tokony hamaliana ireto fanontaniana izay apetraka aorian’ny andinin-tsoratra masina ireto. Ny fiangonana ambiny dia azo zaraina amin’iray kilasy. Asao ireo mpianatra mba handalina ireo andinin-tsoratra masina ireo ary samy hamaly manokana ireo fanontaniana ireo na ao anatin’ny vondrona kely. Tsidiho ireo mpianatra rehefa mandalina ary omeo fanampiana raha toa ka ilaina.

Afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ireo teny sy andian-teny sarotra ireo fampahalalana ao amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto sy ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho”.

Sary
Sarintanin’ny Mediteraneana

Jereo ny sarin’ireo fiangonana fito ary misafidiana fiangonana anankiroa farafahakeliny hohalalinina. Tadiavo ny asa tsara izay eken’i Jesoa Kristy ao amin’ireo fiangonana sasany sy ny fanitsiana izay omeny ny fiangonana tsirairay avy.

  1. Efesosy (Apokalypsy 2:1–7): Ny Nikolaita dia antokom-pivavahana izay nilaza fa afaka manao firaisana ara-nofo tsy misy sazy izy ireo satria ny fahasoavan’ Andriamanitra no hamonjy azy ireo.

  2. Smyrna (Apokalypsy 2:8–11)

  3. Pergamosy (Apokalypsy 2:12–17): Ny fampianaran’i Balama dia manondro ny fandikana ny didin’ Andriamanitra mba hanomezana fahafaham-po ireo filana araka izao tontolo izao na hikatsahana ny voninahitry ny olombelona (jereo ny 2 Petera 2:15). Diniho ny famaritana ny Nikolaita etsy ambony.

  4. Tyatira (Apokalypsy 2:18–29)

  5. Sardisy (Apokalypsy 3:1–6)

  6. Filadelfia (Apokalypsy 3:7–13): Io hafatra io dia manaiky ny asa tsara fotsiny.

  7. Laodikia (Apokalypsy 3:14–22: Io hafatra io dia manitsy ny asa tsy lavorary fotsiny. Marihina fa ny hoe matimaty dia midika fa hoe tsy manolo-tena tanteraka amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

  • Inona no asa tsara izay neken’i Jesoa Kristy? Ahoana no fomba nahitanao asa tsara mitovy amin’izany teo anivon’ny mpikamban’ny Fiangonana amin’izao androntsika ankehitriny izao?

  • Inona no fanitsiana na torohevitra izay nomen’i Jesoa ny fiangonana nosafidinao? Nahoana no tsara ho an’ny Fiangonana ankehitriny ihany koa izany torohevitra izany?

Rehefa avy nomena fotoana ampy tsara, dia asao ireo mpianatra mba hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra izay nianaran’izy ireo. Manaova lisitra momba ireo asa tsara sy fanitsiana ilaina hatao eny amin’ny solaitrabe. Rehefa avy niresaka momba ny fanontaniana manaraka, dia azo asaina mizara ny zavatra izay niainany avy tamin’ny sahanasa fanomanana ireo mpianatra.

  • Nahoana no i Jesoa Kristy mihitsy no tena mahalala amin’ny fomba miavaka ny asa tsara izay ataontsika sy ny zavatra azontsika hatsaraina?

Torohevitra ho an’ny fiainanao manokana

Ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) dia namporisika antsika hanokatra ny varavarana sy hamela ny Mpamonjy hiditra ao amin’ny fiainantsika. Vakio ity fanambarana manaraka ity na jereo ny horonan-tsary “Mrs. Patton—the Story Continues” manomboka avy amin’ny mari-potoana 15:08 ka hatramin’ny 15:56, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Thomas S. Monson, 2008.

Amin’ny herin’ny fanahiko rehetra dia mijoro ho vavolombelona aho fa ny Raintsika any An-danitra dia tia antsika tsirairay avy tokoa. Maheno ny vavaky ny fo manetry tena Izy; Maheno ny fitarainantsika Izy. … Miresaka amintsika tsirairay ny Zanany, ilay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika: “Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondona; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho.” [Apokalypsy 3:20].

Hihaino izany dondona izany ve isika? Handre izany feo izany ve isika? Hanokatra ny varavarava ho an’ny Tompo ve isika mba handray ny fanampiana izay efa nomaniny mba homena antsika? Mivavaka aho mba hanao izany isika.

(Thomas S. Monson, “Mrs. Patton—the Story Continues,” Ensign or Liahona, Nov. 2007, 24)

Jereo ny sarin’i Jesoa mandondona eo am-baravarana ary saintsaino ny zavatra izay nianaranao.

Hevero ny hanome fotoana ireo mpianatra mba hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto ary hamaly izany ao anatin’ny diary fandalinany.

  • Inona araka ny hevitrao no zavatra tian’ny Mpamonjy ho fantatrao hoe efa atanao tsara?

  • Inona no zavatra izay mety hamporisihan’ny Mpamonjy anao mba hovaina eo amin’ny fiainanao?

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Inona ilay “fitiavana voalohany” izay resahina ao amin’ny Apokalypsy 2:4?

Nofaizina ireo Olomasina tao Efesosy noho ny tsy firaharahany ny didy hitia an’ Andriamanitra (jereo ny Matio 22:37–38).

Apokalypsy 2:9. Ahoana no ahafahantsika miaina fahantrana raha nefa mbola manan-karena isika?

Nanaiky ny finoan’ireo Olomasina tao Smyrna ny Mpamonjy ary nanome toky azy ireo ny amin’ny harena mandrakizay izay nampanantenaina an’ireo izay mitandrina ny didiny (jereo ihany koa ny Jakoba 2:5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:7).

Apokalypsy 2:14. Iza moa i Balama?

“I Balama dia mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha, ary ny asany dia voarakitra ao amin’ny Nomery 22–24; 31:16. Hita toy ny nahatoky tamin’ny Tompo sy ny vahoakany izy tamin’ny voalohany, izay nandà hatrany ny fangatahan’i Balaka mba hanozona an’i Isiraely. Kanefa taty aoriana i Balama dia nanaiky ny fanoloran’i Balaka harena taminy ka nampianatra an’i Balaka ny fomba hahatonga ny miaramilan’i Isiraely hampaosa ny tenan’izy ireo amin’ny alalan’ny fahalotoam-pitondrantena sy ny fanompoan-tsampy (jereo ny Nomery 25:1–5; 31:13–16). Tafiditra tao anatin’ilay drafitra ny fangatahana ireo vehivavy Moabita haka fanahy ireo lehilahin’ny Isiraely hijangajanga ka handresy lahatra azy ireo hanolotra sorona ho an’ireo andriamanitry ny Jentilisa, ka araka izany dia nanimba azy ireo ara-panahy” (Testamenta Vaovao: Boky torolalana ho an’ny mpianatra [2014], 534).

Apokalypsy 3:14 . Nahoana i Jesoa no antsoina hoe “ny Amena”?

“Amin’ny teny Hebreo sy Grika, ny teny hoe -amena- dia midika hoe marina, na azo antoka. Ao amin’ny Apokalypsy 3:14, ny fahatokiana sy ny fahamarinan’i Kristy amin’ny maha -Amena- lehibe Azy dia haseho ho toy ny zavatra mifanohitra amin’ny fihetsika tsy ampy fanoloran-tenan’ireo mponina tao Laodikia [jereo ihany koa ny Apokalypsy 3:15–16]” (Testamenta Vaovao: Boky torolalana ho an’ny mpianatra [2014], 536).

Ahoana no fomba ahafahako manasa an’ Andriamanitra hizara ny fankasitrahany sy ny fanitsiana amiko?

Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Henry B. Eyring nalaina tamin’ny martsa 2018.

Rehefa mandinika ny fiainanao ianao mandritra ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo, dia manantena aho fa tsy mifantoka fotsiny amin’ny zavatra tsy tomombana ny eritreritrao fa mifantoka ihany koa amin’ny zavatra vitanao tsara—izay fotoana nahatsapanao fa ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy dia faly taminao. Mety haka fotoana mihitsy aza ianao mandritra ny fanasan’ny Tompo hangatahana amin’ Andriamanitra ny hanampiany anao hahita izany zavatra izany. Raha manao izany ianao, dia mampanantena aho fa hahatsapa zavatra ianao. Hahatsapa fanantenana ianao.

(Henry B. Eyring, “Hahatsiaro Azy mandrakariva,” Liahona, feb. 2018,5)

Sahanasa fianarana fanampiny

Fampahafantarana momba an’i Jesoa Kristy

Ny tsirairay amin’ireo hafatra fito ireo dia manomboka amin’ny fampahafantarana an’i Jesoa Kristy avokoa. Ampahatsiahivo ireo mpianatra ilay sariohatra izay nianarany tao amin’ny Apokalypsy 1. Asao izy ireo mba handalina ny andininy voalohany amin’ny hafatra tsirairay izay nalefa ho an’ireo fiangonana fito tsirairay avy, ary hitady ny famaritana an’i Jesoa Kristy (jereo ny Apokalypsy 2:1, 8, 12, 18; 3:1, 7, 14). Avy eo dia asao ireo mpianatra mba hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra izay nianarany momba ny Mpamonjy avy tamin’ny famaritana tsirairay avy.

Manolo-tena tanteraka ho an’i Jesoa Kristy

Rehefa hitan’ireo mpianatra fa “matimaty” tokoa ireo Olomasina tao Laodikia (jereo ny Apokalypsy 3:15–16), dia asao izy ireo mba hieritreritra hoe mety ho toy ny ahoana tokoa izany hoe matimaty ao amin’ny filazantsara izany. Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto: Amin’ny maridrefy 1–10, firy ny isa mba hanombananao ny fanoloran-tenanao amin’i Jesoa Kristy? Mba hisorohana ny ho matimaty, dia inona no zavatra azonao atao mba hampifanaraka kokoa ny fanoloran-tenanao amin’ny Mpamonjy amin’ny fanoloran-tenany aminao?

Mba hanampiana ireo mpianatra hianatra kokoa momba ny fanoloran-tena feno, dia jereo ny horonan-tsary “Tena mpianatry ny Mpamonjy” manomboka avy amin’ny mari-potoana 2:22 ka hatramin’ny 4:37, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Hazavao fa any Aostralia ny andian-teny hoe “fair dinkum” dia midika hoe manolo-tena tanteraka na tsy isalasalana fa tena marina, mifanohitra amin’ny hoe matimaty. Angataho ireo mpianatra mba hitady ny fitoviana izay misy eo amin’ny tantaran’ny Loholona Vinson sy ny fanoloran-tena amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy