Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Fitsapam-pahaizana 1


Fifehezana fotopampianarana: Fitsapam-pahaizana 1

Matio 5:14–16 hatramin’ny Jaona 17:3

Nandritra ny tapany voalohany tamin’ity fandaharam-pianarana ity, dia nandalina ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 11 izay hita ao amin’ny Matio, Lioka, ary Jaona ireo mpianatra. Ity fitsapam-pahaizana ity dia natao hanombanana ny fahafahan’ny mpianatra mahita ny toerana misy ireo andalan-tsoratra masina ireo ary mampiasa azy ireo amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana. Izany koa dia mba hanombanana ny fahatakarany ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

Ataovy ity fitsapam-pahaizana momba ny fifehezana fotopampianarana ity amin’izay fotoana rehetra aorian’ny nampianarana ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra ao amin’ny Matio, Lioka, ary Jaona. Mety ilaina ny mampianatra ny sasany amin’ireo lesona fifehezana fotopampianarana alohan’ny hisehoan’izany araka ny filaharany ao amin’ny soratra masina mba hahafahana manao ny fitsapam-pahaizana mialoha ny faran’ny taom-pianarana.

Raha azo atao, dia ataovy ifanatrehana mivantana ity fitsapam-pahaizana ity mba hahafahan’ireo mpianatra manao fanitsiana miaraka amin’ny iray kilasy avy hatrany aorian’ny nahavitan’izy ireo izany.

Ankoatra ny fanaovana tombana ny fahalalan’ireo mpianatra amin’izao fotoana izao, ny fanaovana sy fanitsiana ny fitsapam-pahaizana dia natao ho zavatra manan-danja sy mampiorim-paka ny fijoroana ho vavolombelona ho an’ireo mpianatra. Eo am-panaovana ny fanitsiana ny fanontaniana 7–12, dia asao ireo mpianatra hilaza ny antony nisafidianany ny valin-teny izay narosony ary hanazava ny fomba ahafahan’ilay andalan-tsoratra masina nosafidiny manampy amin’ireo toe-javatra voalazalaza ao amin’ny fitsapam-pahaizana ireo. Ampio ireo mpianatra hahatakatra ireo fanontaniana izay mety tsy voavaliny araka ny tokony ho izy. Makà fotoana hamaliana ireo fanontaniana fanampiny izay mety manitikitika ny mpianatra.

Sary
New Testament Seminary Teacher Manual - 2023

Fifehezana fotopampianarana ho an’ny Testamenta Vaovao: fitsapam-pahaizana 1

Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Ho an’ny fanontaniana 1–3, dia soraty ilay taratasy mifandraika amin’ny toko sy andininy eo amin’ny banga akaikin’ilay andian-teny tsirairay. Iangaviana ianao tsy hampiasa ny soratra masinao amin’ity ampahany amin’ny fitsapam-pahaizana ity.

1. ____ “Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’ Andriamanitra izy.”

a. Matio 11:28–30

2. ____ Nandidy i Jesoa Kristy ny handraisana ny fanasan’ny Tompo “ho fahatsiarovana ahy.”

b. Lioka 2:10–12

3. ____ “Mankanesa aty amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.”

d. Lioka 22:19–20

e. Jaona 3:5

f. Jaona 3:16

Andian-teny manan-danja ao anaty soratra masina

Ho an’ny fanontaniana 4–6, fenoy ny banga ao amin’ireo andian-teny manan-danja ao anaty soratra masina fifehezana fotopampianarana. Iangaviana ianao tsy hampiasa ny soratra masinao amin’ity ampahany amin’ny fitsapam-pahaizana ity.

4. Hoy Jesoa, “Homeko __________ ny __________ ny __________ lanitra” ( Matio 16:15–19).5. “Fa __________ ho anareo __________ anio ao an-tananan’i Davida, dia Kristy __________” ( Lioka 2:10–12).6. “Fa ny __________ tsy manana __________ sy __________, tahaka izao ahitanareo Ahy izao” ( Lioka 24:36–39).

Azonao atao ny mampiasa ny soratra masinao amin’ny ambin’ny fitsapam-pahaizana.

Ho an’ny fanontaniana 7–9, dia mitadiava andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray na maromaro izay afaka manampy olona iray ao anatin’ireto toe-java-misy manaraka ireto.

7. Niaraka tamin’ireo misiônera ianao ka sendra nisy olona nanontany raha tena mila atao batisa tokoa izy na hoe manaiky an’i Jesoa Kristy ao am-pony fotsiny dia ampy.

8. Ao amin’ny Sekoly Alahady, dia nanontany ny mpikambana iray ao amin’ny paroasinao hoe ahoana no ahafahan’izy ireo mahafantatra fa avy amin’ Andriamanitra marina ny fotopampianarana izay ampianarina ao amin’ny Fiangonana.

9. Misy olona iraymanomana lesona ho an’ny takarivan’ny mpianakavy mikasika ny fomba ahafahantsika ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy tsara kokoa.

Ao amin’ny fanontaniana 10–11, asehoy ny fahalalanao sy ny fahaizanao mampiasa ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

10. Ahoana no hanazavanao ireto fitsipika momba ny fahazoana fahalalana ara-panahy telo manaraka ireto amin’ny olona iray izay mbola tsy mahalala firy ny momba izany?

  • Manao asa amim-pinoana.

  • Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

  • Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.

11. Manana namana iray ianao izay manana olana amin’ny finoana fa tia azy ary maniry ny hifandray aminy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no zavatra voafaritra tsara iray hanasanao azy mba hataony asa am-pinoana?

  • Ahoana no fomba hanampianao azy mba hahita ny toe-javatra misy azy amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

  • Ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia ohatra amin’ireo loharanom-pahalalana nosafidian’ Andriamanitra. Inona no mety ho andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana hozarainao aminy? Nahoana?

12. Amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miisa 11 nohalalininao hatreto, iza amin’ireo no nisy fiantraikany indrindra taminao, dia nahoana izany? Inona no ampianarin’io andalan-tsoratra masina io anao mikasika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Omeo fotoana ampy ny mpianatra hamitana ny fitsapam-pahaizana. Rehefa vitan’ny mpianatra izany dia iaraho dinihana amin’ny iray kilasy izany. Amin’ny maha mpampianatra anao, dia manapaha hevitra hoe hanampy ny mpianatra kokoa ve ny hanitsian’izy ireo ihany ny zavatra nataony sa omena mpiara-mianatra hafa izany hanitsiany azy.

Valiny

1. e. Jaona 3:5

2. d. Lioka 22:19–20

3. a. Matio 11:28–30

4. omena; fanalahidy; fanjakana

5. teraka; Mpamonjy; Tompo

6. fanahy; nofo; taolana

7. Valiny iray azo aroso ny Jaona 3:5 , saingy azo omena naoty tsara ireo mpianatra rehefa mampiasa izay mety ho andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manampy azy ireo hanazava ny antony ilana ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fahefam-pisoronana araka ny tokony ho izy.

8. Valiny iray azo aroso ny Jaona 7:17 , saingy azo omena naoty tsara ny mpianatra rehefa mampiasa izay mety ho andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba hanazavana ny fomba hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny fotopampianarana marina.

9. Andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana maro no afaka manampy ireo mpianatra hanazava ny fomba hahatongavana ho mpianatr’i Jesoa Kristy tsaratsara kokoa. Ireo andalan-tsoratra masina sasany izay mety nampidirin’ireo mpianatra Matio 5:14–16 ; Matio 22:36–39 ; Lioka 22:19–20 ; ary ny Jaona 17:3 .

10. Tokony ho afaka hanazava fohy ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ireo mpianatra. Hevero ny hanasa azy ireo hampitaha ny valin-teniny amin’ireo andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao anatin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022).

11. Ny mpianatra dia tokony ho afaka hanazava ireo zavatra izay mifandray amin’ny fanaovana asa amim-pinoana sy ny famakafakana ireo hevitra sy fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay. Tokony hahita andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ihany koa izy ireo izay afaka manampy antsika mba hahatakatra ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny faniriany ho antsika mba hanana fifandraisana manokana Aminy. Ireo andalan-tsoratra masina sasany izay mety nampidirin’ireo mpianatra Matio 11:28–30 ; Jaona 3:16 ; ary ny Jaona 17:3 .

12. Rehefa mbola mamaly an’ity fanontaniana ity amin-kitsim-po sy manontolo ireo mpianatra dia tokony homena naoty tsara. Izy io dia fanontaniana manana valiny malalaka ka tokony an’izy ireo ihany izany.

Mba hanampiana ireo mpianatra hanazava, sy hizara, ary hijoro ho vavolombelona, dia asao izy ireo hifanakalo hevitra momba ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay nosafidiany ho an’ny fanontaniana faha 12 sy ny antony nisafidianany izany. Mety hahomby ny fananana mpianatra betsaka araka izay azo atao mizara zavatra mandritra ny fotoana sisa tavela. Asao izy ireo hizara ny zavatra ampianarin’ilay andalan-tsoratra masina nosafidiany momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Amin’ny maha mpampianatra anao, dia hevero ny hizara andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manan-danja aminao ihany koa.

Farano ny fitsapam-pahaizana amin’ny fizarana fijoroana ho vavolombelona momba ny herin’ny fahafantarana ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy araka ny hita ao amin’ny soratra masiny sy ny hoe vonona ny hampihatra ny fampianarany amina toe-javatra izay tena misy eo amin’ny fiainana.

Hamoaka printy