Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Famerenana fitsapam-pahaizana 2


Fifehezana fotopampianarana: Famerenana fitsapam-pahaizana 2

1 Korintiana 6:19–20 hatramin’ny Apokalypsy 20:12

Ity famerenana fitsapam-pahaizana momba ny fifehezana fotopampianarana ity dia natao ho traikefa fianarana mba hanampiana ireo mpianatra hamerina hijery ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 13 izay hita ao amin’ny 1 Korintiana ka hatramin’ny Apokalypsy. Izany dia hanampy ihany koa ireo mpianatra amin’ny fiomanana ho amin’ny fitsapam-pahaizana ho avy (“Fifehezana Fotopampianarana: Fitsapam-pahaizana 2”) ary hamela azy ireo haneho ny fahatakarany sy ny fampiharany an’ireo andinin-tsoratra masina ireo.

Ity lesona famerenana ity dia natao hampiasaina ho traikefa fianarana manokana na ho fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence.

Ampiasao ity famerenana ity ary ataovy ny fitsapam-pahaizana momba ny fifehezana fotopampianarana rehefa avy nampianarina avokoa ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra manomboka ao amin’ny 1 Korintiana ka hatramin’ny Apokalypsy. Mety ilaina ny mampianatra ny sasany amin’ireo lesona fifehezana fotopampianarana alohan’ny hisehoan’izany araka ny filaharany ao amin’ny soratra masina mba hahafahana manao ny fitsapam-pahaizana mialoha ny faran’ny fotoam-pianarana.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny fifehezana fotopampianarana eo amin’ny fiainanao

Hevero ny hamantatra ireo zavatra izay ilain’ny mpianatra, ary misafidiana ampahany amin’ity famerenana ity izay hanampy azy ireo hiomana tsara amin’ny “Fifehezana fotopampianarana: Fitsapam-pahaizana 2.” Mandritra ity famerenana ity dia asao ireo mpianatra hanamarika ireo andalan-tsoratra masina izay tsy hainy ary hanao drafitra ny handalina sy hanao famerenana ireo andinin-tsoratra masina ireo mba ho fiomanana ho amin’ny fitsapam-pahaizana.

Angataho ireo mpianatra hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Ahoana no nitahiana anao tamin’ny alalan’ny fandalinana ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny 1 Korintiana ka hatramin’ny Apokalypsy?

  • Oviana no afaka nampiasa izay zavatra nianaranao avy amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo teo amin’ny fiainanao ianao?

Ireo andiam-panontaniana ao amin’ny sahanasa famerenana 1 sy 2 etsy ambany dia natao hanampiana ireo mpianatra hamerina hijery ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Azo atao ihany koa ny mampiasa sahanasa samihafa mba hanampiana ny famerenana ireo toko sy andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina araka ny zavatra ilain’ny mpianatra.

Sahanasa famerenana 1: Fantaro ireo toko sy andininy sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Asehoy ity andiam-panontaniana manaraka ity, na omeo tahadikan’izany ireo mpianatra.

Ho solon’ny fampisehoana ilay andiam-panontaniana na ny fanomezana ny dika mitovin’izany ho an’ny mpianatra, dia soraty amin’ny taratasy kely mitokana ny andinin-tsoratra masina tsirairay ary apetraho ao anaty vilia baolina anankiray izany. Avy eo dia soraty amin’ny taratasy kely misaraka ny andian-teny manan-danja tsirairay, ary apetraho ao anaty vilia baolina iray hafa ireo. Manasà mpianatra iray hanao ankitsapaka taratasy iray avy amin’ny vilia baolina iray ary hamaky izany amin’ny iray kilasy. Anontanio ny mpianatra raha fantatr’izy ireo hoe inona no andinin-tsoratra masina na andian-teny manan-danja mifandray amin’izany. Avy eo dia manasà mpianatra hafa iray indray hanao ankitsapaka taratasy iray avy amin’ilay vilia baolina faharoa. Ho fanampiana azy ireo handray anjara, dia lazao amin’ny mpianatra fa raha tsara vintana izy ireo ka mahasafidy ny toko sy andinin-tsoratra masina na ny andian-teny manan-danja mifanaraka amin’izany dia hahazo fanomezana kely. Raha toa ka tsy nahazo ilay mifandray izy ireo dia anontanio ny iray kilasy hoe inona ilay toko sy andinin-tsoratra masina na andian-teny manan-danja tokony ho izy. Tohizo amin’ny mpianatra samihafa ity fomba fiasa ity ka haka taratasy iray avy amin’ilay vilia baolina tsirairay izy ireo mandra-pahalany ireo tapa-taratasy ao anatin’ireo vilia baolina roa.

Valiny: 1-e, 2-h, 3-d, 4-i, 5-f, 6-l, 7-k, 8-a, 9-g, 10-b, 11-j, 12-n, 13-m

Ampifandraiso amin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana marina ao amin’ny tsanganana ankavanana ireto andian-teny manan-danja ao amin’ny tsanganana ankavia ireto.

1. ___ Ao amin’ny Fitsanganana amin’ny maty, dia misy ambaratongam-boninahitra telo.

a. 1 Korintiana 6:19–20

2. ___ “Tsy ho avy ny … andron’i Kristy, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana.”

b. 1 Korintiana 11:11

3. ___ “Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama, no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.”

d. 1 Korintiana 15:20–22

4. ___ “Ny Soratra Masina … mampahahendry anareo ho amin’ny famonjena.”

e. 1 Korintiana 15:40–42

5. ___ “Amin’ny fotoampitantanan’ny fahafenoam-pahasoavana hanangonany indray ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy.”

f. Efesiana 1:10

6. ___ “Ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.”

g. Efesiana 2:19–20

7. ___ “Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra.”

h. 2 Tesaloniana 2:1–3

8. ___ “Tempolin’ny Fanahy Masina ny tenanareo.”

i. 2 Timoty 3:15–17

9. ___ Ny Fiangonana dia “natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apôstôly sy ny mpaminany, ary Jesoa Kristy no fehizoro indrindra.”

j. Hebreo 12:9

10. ___ “Kanefa ao amin’ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.”

k. Jakoba 1:5–6

11. ___ Ny Ray any An-danitra dia “Rain’ny fanahintsika.”

l. Jakoba 2:17–18

12. ___ “Ary ny maty dia notsaraina … araka ny asany.”

m. 1 Petera 4:6

13.___ “Fa noho izao no [ni]toriana ny filazantsara tamin’izay maty aza.”

n. Apokalypsy 20:12

Sahanasa famerenana 2: Fantaro ireo toko sy andininy sy ireo andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina

Asehoy ity andiam-panontaniana manaraka ity, na omeo tahadikan’izany ireo mpianatra.

Ho solon’ny fampisehoana ilay andiam-panontaniana na fanomezana dika mitovin’izany ho an’ny mpianatra dia azonao omena andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana samihafa ny mpianatra tsirairay. Ampahafantaro azy ireo fa ny tanjona dia ny hampiasany teny faran’izay kely indrindra azo atao ho fanoroana hevitra mba hanampiana ny iray kilasy hamantatra ny andinin-tsoratra masina izay mifanaraka amin’izany. Manasà mpianatra iray hitsangana ary hizara teny vaovao iray avy amin’ny andian-teny fototra ao amin’ny soratra masina izay anjarany, isaky ny dimy segondra, mandra-pahitan’ny iray kilasy ilay toko sy andinin-tsoratra masina marina. Avy eo dia asao ny iray kilasy hiaraka hamerina hanonona ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina alohan’ny hitsanganan’ny mpianatra manaraka hizara ireo teny manan-danja avy amin’ny andalan-tsoratra masina nomena azy ireo. Mety hanampy ireo mpianatra ny mamerina mijery ireo andian-teny manan-danja 13 ao amin’ny soratra masina amin’ny alalan’izany fomba izany noho ny hoe ireto andinin-tsoratra masina izay nomena ireto ihany.

Valiny: (1) tena[nareo]; tempoly; Fanahy Masina; (2) fototra; apôstôly; Kristy Jesoa; (3) avy; fihemorana; aloha; (4) [p]ahendrena; hanontany; Andriamanitra; (5) filazantsara; nitoriana; maty

Fenoy amin’ireo teny tsy nosoratana tao amin’ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ny banga.

  1. “Ny __________ dia __________ ’ny _________ ___________” (1 Korintiana 6:19–20).

  2. Ny Fiangonana dia “natsangana teo ambonin’ny __________’ny __________ sy ny mpaminany, ary __________ __________ no fehizoro indrindra” (Efesiana 2:19–20).

  3. “Ny [fiavian’i Kristy] … [dia] tsy ho __________, raha tsy efa __________ aloha ny __________” (2 Tesaloniana 2:1–3).

  4. “Raha misy hianareo tsy manam- __________, dia aoka izy __________ an’ __________” (Jakoba 1:5–6).

  5. “Fa noho izao no __________ ny __________ tamin’izay __________ aza” (1 Petera 4:6).

Sahanasa famerenana 3: Ampiharo ny fotopampianarana

Ity sahanasa manaraka ity dia hanampy ireo mpianatra haneho ny fahatakarany ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny alalan’ny famelana azy ireo hanazava ny fomba azo ampiharana izany amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana. Avelao ireo mpianatra hampiasa ny soratra masiny mba hanampiana azy ireo hisafidy andalan-tsoratra fifehezana fotompampianarana iray na maromaro izay tsapany fa afaka manampy ilay olona voalaza ao amin’ilay sahanasa. Asao izy ireo hanazava ny fomba ahafahan’ilay andinin-tsoratra masina nosafidiny manampy ilay olona. Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana maro no azo ampiharina amin’ireo rafi-tantara tsirairay.

Ity sahanasa ity dia azo atao anaty vondrona, mandeha tsirairay na miaraka amin’ny iray kilasy, na atao amin’ireo telo rehetra ireo. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mamorona ny rafi-tantaran’izy ireo manokana ho an’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

  1. Nodimandry vao haingana ny olona iray akaikin’ny fon’ny namanao. Manana fanontaniana maro momba ny zavatra mitranga amintsika aorian’ny fahafatesana ny namanao.

  2. Ohatran’ny hoe sahiran-tsaina izany ny rahalahinao ka manontany tena raha tena mahalala ny fisiany tokoa Andriamanitra.

  3. Mangataka anao ny mpitarika anankiray ao amin’ny Fiangonana mba hanome torohevitra ireo namanao mandritra ny lesona iray ho an’ny Sekoly Alahady manaraka momba ny fomba ahafahan’izy ireo mijanona ho mahatoky rehefa miatrika hevi-diso sy fakam-panahy.

Sahanasa famerenana 4: Ampiasao ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy

Hevero ny hampiasa ity rafi-tantara manaraka ity mba hanampiana ireo mpianatra hamerina hijery ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Mety hitondra tombontsoa ho an’ireo mpianatra ny fanaovana ity sahanasa ity mandeha tsiroaroa na anaty vondrona kely.

Manana namana anankiray eo am-pamitana ny fianarany any amin’ny lisea ianao ary mitebiteby izy amin’ny fanapahan-kevitra lehibe izay tsy maintsy horaisiny eo amin’ny fiainany mandritra ireo taona vitsivitsy ho avy.

Ampianaro ny namanao ireto fitsipika momba ny fahazoana fahalalana ara-panahy telo manaraka ireto sy ny fomba ahafahany mampiasa izany mba hahazoana ny fanampian’ny Ray any An-danitra amin’ny olany:

Manao asa amim-pinoana.

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.

  • Inona amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana avy amin’ity antsasaky ny fandaharam-pianarana ity no mety hanampy ny namanao? Ahoana no hanampian’ireo andalan-tsoratra masina ireo azy?

  • Nahoana no hoe manampy ny fampiasana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy rehefa mikatsaka ny valin’ireo fanontaniantsika na ny ahiahintsika isika?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nampiasanao ireo fitsipika ireo mba hanampiana ny hafa na hamahana ny olanao manokana?

Sahanasa famerenana 5: Andalan-tsoratra masina manana toerana manokana eo amin’ny fiainanao

Asao ireo mpianatra hisaintsaina hoe inona amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana no tena nisy fiantraikany indrindra tamin’izy ireo ary nanampy azy ireo nampitombo ny fahatakarany na ny fitiavany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Hazavao fa hanana fahafahana hizara ny andalan-tsoratra masina izay nosafidiany izy ireo ao anatin’ny fitsapam-pahaizana.

Hevero ny hizara amin’ireo mpianatra ity taratasy zaraina manaraka ity mba hanampiana azy ireo hiomana amin’ny fitsapam-pahaizana (“Fifehezana fotopampianarana: Fitsapam-pahaizana 2”).

Sary
New Testament Seminary Teacher Manaul - 2023

Fifehezana fotopampianarana: Fitsapam-pahaizana 2—Tari-dalana ho an’ny fandalinana

Ianaro tsianjery ny toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Ataovy fantatra tsara ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Azonao atao ny misintona sy mampiasa ny application Maîtrise de la doctrine mba hanampiana anao amin’ny famerenana.

1 Korintiana 6:19–20

“Tempolin’ny Fanahy Masina ny vatanao.”   

1 Korintiana 11:11

“Kanefa ao amin’ny Tompo, tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.”   

1 Korintiana 15:20–22

“Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.”   

1 Korintiana 15:40–42   

Amin’ny Fitsanganana amin’ny maty, dia misy ambaratongam-boninahitra telo.   

Efesiana 1:10 

“Amin’ny fotoampitantanan’ny fahafenoam-pahasoavana hanangonany indray ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy.”   

Efesiana 2:19–20   

Ny Fiangonana dia “natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apôstôly sy ny mpaminany, ary Jesoa Kristy no fehizoro indrindra.”   

2 Tesaloniana 2:1–3

“Ny [fiavian’i Kristy] … [dia] tsy ho avy raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana.”   

2 Timoty 3:15–17

“Ny soratra masina … izay mampahendry anareo ho amin’ny famonjena.”   

Hebreo 12:9

Ny Ray any An-danitra dia “Rain’ny fanahintsika.”    

Jakoba 1:5–6

“Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra.”   

Jakoba 2:17–18

“Ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.”   

1 Petera 4:6

“Fa noho izao no [ni]toriana ny filazantsara tamin’ireo izay maty.”   

Apokalypsy 20:12

“Ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky, araka ny asany.”   

Ampiharo amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana ny fotopampianarana

  • Mampiasà anankiray na maromaro amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba hanampiana olona iray izay maniry ny hahazo fitarihana amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra manan-danja eo amin’ny fiainany.

  • Raha mampianatra olona anankiray momba ny zavatra izay mitranga ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny zanany aorian’ny fahafatesana ianao, dia ho inona avy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao azonao ampiasaina? Ahoana no fomba ahafahanao mampiasa ireo andinin-tsoratra masina ireo mba hanehoana ny fitiavan’ Andriamanitra antsika?

Miomàna hanazava hoe inona tamin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana no nisy fiantraikany indrindra teo aminao. Inona no ampianarin’izany andinin-tsoratra masina izany anao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy

Avereno jerena ireo andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022).

Hamoaka printy