Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Matio 5:14–16


Fifehezana fotopampianarana: Matio 5:14–16

“Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo”

Sary
A young adult Asian woman looking forward and upward.

Nanome torolalana ny mpianany ny Mpamonjy mba ho ohatra ho an’ny hafa amin’ny fanarahana Azy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hampiasa ireo fitsipika momba ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba ho ohatra ho an’ny hafa ary hanakaiky kokoa ny Mpamonjy.

Mamerina mijery ireo fitsipika momba ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Avereno jerena tsy tapaka miaraka amin’ireo mpianatra ireo fitsipika telo momba ny fahazoana fahalalana ara-panahy: manao asa amim-pinoana, mamakafaka foto-kevitra sy fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ary mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra. Amin’ity lesona ity, ny famerenana ireo fitsipika ireo dia hanome fahafahana ny mpianatra hampihatra azy ireo mandritra ny fanaovana fampiharana.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra olona iray amin’ny fiainany izay ohatra tsara ho azy ireo. Avy eo dia asaivo miantso io olona io izy ireo na manoratra any amin’ilay olona mba hanehoan’izy ireo ny fankasitrahany.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Tadidio sy hazavao

Omeo fotoana ny mpianatra hanao tsianjery ilay andalan-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ara-tsoratra masina. Ohatra iray amin’ny fomba hanaovana izany ity manaraka ity.

Vakio ny Matio 5:14–16 .

Manaova sary fanoharana iray momba ilay andian-teny manan-danja ara-tsoratra masina hoe “Aoka hazava eo imason’ ny olona toy izany koa ny fahazavanareo” sy ny andinin-teny mifandray amin’izany, Matio 5:14–16 . Rehefa manao sary ianao dia eritrereto ireo fomba hampidirana ilay andinin-teny mifandray amin’izany mba hanampy anao hitadidy izany.

Eo am-pijerena ilay sary dia avereno imbetsaka ilay andalan-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ara-tsoratra masina. Avy eo dia mijereva fomba hafa, ary miezaha mamerina tsianjery ilay andalan-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ara-tsoratra masina.

Ho an’ity sahanasa manaraka ity dia amporisiho ny mpianatra hampiasa ny sarin’izy ireo hanazavana ny fahamarinana ao amin’ilay andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana fa tsy hiresaka momba ilay sary fotsiny.

Zarao amin’ny mpiara-mianatra aminao ny sary nataonao ary hazavao ny fomba anehoany ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andalan-tsoratra masina.

Raha azo atao dia ahantony manodidina ny efitrano fianarana ny sary maromaro mba ahafahan’ny mpampianatra sy ny mpianatra mamerina mijery azy ireo amin’ny lesona manaraka na mamerina mijery ny asa ampanaovina.

Fizàrana mampihatra

Amin’ity fampiharana ity dia hampiasa ireo fitsipika momba ny fahazoana fahalalana ara-panahy ianao hamaritana ny fomba ahatongavana ho ohatra ho an’ny hafa sy ny hanasana azy ireo hanakaiky kokoa ny Mpamonjy.

Avereno jerena ny andiam-pehezanteny 5–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana. (2022).

Vakio ity rafi-tantara manaraka ity dia hevero izay mety ho fomba famalianao raha ianao no teo amin’ny toeran’i Raul.

I Raul, mpisorona vao notendrena, dia miaraka amin’ny namana maromaro rehefa manomboka miresaka vazivazy maloto ny sasany amin’izy ireo ary miresaka ratsy momba ny olona iray fantatr’i Raul. Dia tsy mahazo aina i Raul ary fantany fa tsy mety ny ataon’izy ireo. Rehefa manontany tena ny amin’izay hatao izy dia nitodika tany amin’i Raul ny namany antsoina hoe Jesse, izay mpikambana amin’ny fivavahana hafa ary tena tian’i Raul, ary nilaza hoe: “Fa maninona ianao no matotra be?”

Diniho ny fitsipika momba ny fahazoana fahalalana ara-panahy tsirairay hanampy anao hahita valiny.

Asao ny mpianatra hiasa miaraka amin’ny mpiara-mianatra aminy na amin’ny vondrona kely. Mety hanampy ny fampisehoana ireto torolàlana manaraka ireto ho an’ny mpianatra.

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

Misafidy iray amin’ireo olona amin’ilay rafi-tantara (Jesse na ilay olona ihomehezana).

  • Ahoana araka ny eritreritrao no fahatsapan’ny Tompo momba ilay olona nofidinao?

  • Ahoana no mety ho fiantraikan’ny fahitana an’ity olona ity tahaka ny fahitan’ny Tompo azy ireo amin’ny fomba hamalian’i Raul ny fanontanian’i Jesse?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  • Ahoana no mety hanampian’ny fitadidiana sy ny fampiharana ireo fitsipika ao amin’ny Matio 5:14–16 an’i Raul?

  • Inona avy araka ny eritreritrao ireo loharanom-pahalalana hafa nofidin’ Andriamanitra izay afaka manampy an’i Raul?

Manao asa amim-pinoana

  • Nahoana no mety ho sarotra ho an’i Raul ny manao asa amim-pinoana amin’ity toe-javatra ity?

  • Inona no asainao ataon’i Raul mba hiasany amim-pinoana?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny valinteniny. Fantaro ary omeo fankasitrahana ireo mpianatra amin’ny fitsipika momba ny fahazoana fahalalana ara-panahy lazain’izy ireo.

Mieritrereta toe-javatra iray mitovy amin’ny an’i Raul izay atrehanao ankehitriny na mety hatrehinao amin’ny hoavy.

  • Ahoana no ahafahan’ny zavatra ianaranao androany manampy anao mba ho ohatra ho an’ny hafa?

Famerenana

Ampio ny mpianatra hamerina hijery ilay andalan-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ara-tsoratra masina ho an’ny Matio 5:14–16 amin’ny lesona manaraka. Ohatra iray amin’izany ity manaraka ity.

Jereo ilay sary nataonao ho an’ny Matio 5:14–16 . Rehefa mijery izany ianao dia avereno imbetsaka ilay andalan-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ara-tsoratra masina. Miezaha mamerina tsianjery.

Sahanasa fianarana fanampiny

Fomba hafa hanazavana ny sahanasa amin’ny fifehezana fotopampianarana

Sary
A camp fire.
Sary
A young woman standing in a dark room holding a light bulb.
Sary
Hand holding objects

Asehoy ny sarin’ireo loharanom-pitaovana misy hazavana maromaro, toy ny afo, jiro, jiro fitsilo, sns. Asao ny mpianatra hisafidy fitaovana iray ary hampiasa izany hanazavana fahamarinana iray hita ao amin’ny Matio 5:14–16 .

Asao ny mpianatra hampiasa ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanomanana ny fanazavany.

  • Inona no hazavana tokony hamirapiratantsika?

  • Ahoana no ahafahantsika mampamirapiratra izany hazavana izany?

Sary
Hand holding objects

Hamoaka printy