Seminera
Matio 5; Lioka 6


Matio 5; Lioka 6

Topimaso ankapobeny

Raha hanomboka ny Toriteny teo an-Tendrombohitra ny Mpamonjy, dia nampianatra ny olona mikasika ny fomba ahafahana mahazo fahasambarana. Nampianatra Izy fa ny ohatra tsara omentsika dia afaka mitahy ny hafa. Nanome toromarika ireo mpianany Izy mba ho ohatra ho an’ny hafa amin’ny fanarahana Azy. Nampianatra ny fomba nahatongavany hahatanteraka ny lalàn’i Mosesy Izy, ary nampahafantatra ny lalàna ambony kokoa amin’ny filazantsara. Nanasa ny olona rehetra Izy mba ho tonga tanteraka tahaka ny Ray any An-danitra.

Matio 5:1–12

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hamantatra ireo toetra tahaka ny an’i Kristy sy hametraka drafitra mba hahafahan’izy ireo manana azy ireo eo am-pikatsahan’izy ireo fahasambarana sy fahalavorariana.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Entano ireo mpianatra hisafidy ny iray amin’ireo toetra voalaza ao amin’ny Matio 5:1–12 izay tian’izy ireo hofantarina kokoa. Anontanio azy ireo ny hevitr’izany ary entano izy ireo hisaintsaina ny fomba ahafahan’izany toetra izany hitondra fahasambarana.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Ireo rindrambaiko sasany ampiasaina amin’ny visio-conférence dia ahafahana mampiasa solaitrabe fotsy izay azon’ireo mpianatra ampiasaina mba hanoratana. Raha misy izany, dia entano ireo mpianatra hikaroka ireo Fahasambarana ao amin’ny Matio 5:1–12 ary hanoratra ireo zavatra hitany eo amin’ilay solaitrabe fotsy. Avy eo dia afaka manampy famaritana ireo teny rehefa mahita izany izy ireo.

Matio 5:13–16

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hanombantombana ireo zavatra izay ataony sy ny toe-pony mba hizarana tsaratsara kokoa ny fahazavan’i Jesoa Kristy amin’ny hafa.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Entano ireo mpianatra hieritreritra ireto fanontaniana manaraka ireto: Iza eo amin’ny fiainanao no filamatra amin’ny fiainana tahaka an’iKristy eo amin’ny teny sy ny zavatra atao? Inona no ataon’izy ireo mba hanehoana ny fahazavana sy ny fitiavan’ Andriamanitra? Inona no fiantraikan’ny zavatra ataon’izy ireo eoaminao sy amin’ny hafa?

  • Fitaovana: Sira sy sakafo izay azo asiana sira; fitaratra sy marikera azo fafana maina

Fifehezana fotopampianarana: Matio 5:14–16

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampiasa ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba ho tonga ohatra ho an’ny hafa sy hanakaiky kokoa ny Mpamonjy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Entano ireo mpianatra hieritreritra olona iray eo amin’ny fiainany izay ohatra tsara ho azy ireo. Rehefa vita izay dia asaivo mihevitra ny hiantso an’io olona io na hanoratra taratasy kely fanehoana fisaorana izy ireo.

  • Fitaovana: Fitaovana ho an’ ireo mpianatra hahafahan’izy ireo mamorona fanoharana an-tsary (taratasy, pensilihazo miloko, crayons à cire, sns)

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Miomàna hampiseho ireo zavatra hilain’ny mpianatra hiverenana any aoriana, ohatra, ireo fitsipika telo momba ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ilay toe-javatra mety hitranga. Ampiasao ny fizarana efijery, na asehoy ao amin’ny groupe de discussion ireo fitaovana ireo.

Matio 5:17–47

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hiaina ny lalàna ambony an’i Kristy mba hitovizan’izy ireo kokoa amin’ny Ray any an-danitra.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hivavaka mba hampianaran’ny Fanahy azy ireo mandritra ny seminera. Azo atao ihany koa ny manasa ireo mpianatra mba hivavaka ho an’ireo mpampianatra sy ireo mpiara-mianatra aminy.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Raha toa ka mangina loatra na toa matahotahotra ny mpianatra hamaly ireo fanontaniana na hizara ny heviny, dia azonao atao ny manasa azy ireo hampiasa ny groupe de discussion.

Matio 5:48

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahatakatra ny didin’ny Mpamonjy ny mba “ho tanteraka … toy ny fahatanterahan’ny Rain[tsika] Izay any an-danitra” ( Matio 5:48).

  • Fiomanan’ny mpianatra:Asao ireo mpianatra hitondra ao an-dakilasy ny sarin’izy ireo fony mbola kely. Mety hahomby kokoa ny fanaovana izany farafahakeliny herinandro mialoha miaraka amin’ny fanampian’ireo ray aman-dreny.

  • Votoatin-kevitra tokony haseho:Ireo teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson, ny Loholona Jeffrey R. Holland, ary ny Loholona Gerrit W. Gong mba ho alalinin’ireo mpianatra vitsivitsy mitambatambatra

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Azonao asaina ireo mpianatra hivondrona anaty zana-bondrona samy hafa mba hifanakalo hevitra momba ireo tenin’ny mpaminany izay nampidirina ao anatin’ny lesona. Alaivo antoka ny hanendrena olona iray hitarika ny vondrona ary manomeza torolalana mazava mialoha mba hahafahan’ireo mpianatra manomboka avy hatrany ny fifanakalozan-kevitra.

Hamoaka printy