Nampianatra an’ilay vehivavy Samaritana teo am-patsakana mahakasika ny rano velona izay atolony i Jesoa. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatakatra bebe kokoa mahakasika ny rano velona izay atolotry ny Mpamonjy: hoe inona izany, nahoana ianao no mila izany, ary ahoana no fomba ahafahanao mandray izany.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Ny lalana mizotra mankany amin’ny fahasambarana sy ny fahavitana zavatra
Nampianatra ny Loholona Lawrence E. Corbridge ao amin’ny Fitopololahy hoe:
Lalana tokana ihany no mankany amin’ny fahasambarana sy ny fahavitana zavatra. [Jesoa Kristy] no Lalana. Ny lalana hafa rehetra, na izay mety ho lalana hafa, na lalana inona na lalana inona dia hadalana.
Nanolotra loharano velona Izy. Na isika hisotro dia tsy hangetaheta intsony, na tsy hisotro dia hangetaheta foana.
(Lawrence E. Corbridge, “The Way,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 34)
Inona no itodihan’ny olona indraindray mba hitadiavany fahasambarana sy mba hahavitany zavatra ka mahatonga azy ireny hahatsiaro ho mangetaheta sy tsy ho afa-po hatrany ara-panahy?
Inona araka ny eritreritrao no mahatonga ny olona hitodika amin’ireo zavatra tsy mitondra fahafam-po maharitra akory indraindray?
Inona ny zavatra izay nomen’i Jesoa Kristy ka afaka mitondra fahasambarana sy fahatanterahana zavatra maharitra?
Saintsaino ny ifandraisan’ireto fanontaniana ireto amin’ny fiainanao manokana. Misy zavatra itodihanao ve mba hahazoanao fahasambarana sy fahatanterahan-javatra izay tsy manome fahafam-po ireo faniriana ireo? Inona ireo zavatra izay efa niainanao rehefa nahatsapa fiadanana maharitra sy fahasambarana avy tamin’i Jesoa Kristy irery ihany ianao?
Rano velona
Tadidio tamin’ny fandalinanao ny Jaona 4 tao amin’ny lesona teo aloha fa nampianatra vehivavy Samaritana i Jesoa mikasika ny rano velona, izay “tandindon’ny Tompo Jesoa Kristy sy ny fampianarany.” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Rano Velona ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).
Alaivo sary an-tsaina hoe nangatahina hanomana lahateny amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo mikasika ny rano velona izay atolotr’i Jesoa Kristy ianao. Ankoatry ny lahateny izay hataonao, dia nasaina ihany koa ianao mba hamantatra (1) ny atao hoe rano velona, (2) sy ny antony ilantsika izany, ary (3) ny fomba hahafahantsika mandray izany avy amin’ny Mpamonjy. Amin’ny alalan’ny fampiasana ireto soratra masina sy fanambarana, ary fanontaniana manaraka ireto, miaraka amin’ny loharanom-panampiana fanampiny izay hitanao manokana, dia omano ireo hevitrao ary alamino ny lahateninao.
Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho
Nandritra ny naha Mpanolotsaina Faharoa azy tao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga Maneran-tany dia nampianatra ny rahavavy Cheryl A.Esplin hoe:
Azo sitranina sy havaozina ny fanahintsika izay maratra satria tsy mampahatsiahy antsika ny fanoloran’ny Mpamonjy ny vatany sy ny rany ho sorona fotsiny ihany ny mofo sy ny rano fa mampahatsiahy antsika koa ireo tandindona ireo fa ho “mofon’aina”[ Jaona 6:48 ] sy ho “rano velona”[ Jaona 4:10 ] ho antsika mandrakariva Izy.
Taorian’ny nanatanterahany ny fanasan’ny Tompo teo amin’ny Nefita dia hoy i Jesoa hoe:
“Izay mihinana ity mofo ity dia mihinana amin’ny vatako ho an’ny fanahiny; ary izay misotro amin’ity divay ity dia misotro amin’ny rako ho an’ny fanahiny; ary tsy ho noana na hangetaheta na oviana na oviana ny fanahiny, fa hovokisana kosa.
“Ankehitriny, rehefa avy nihinana sy nisotro avokoa ny valalabemandry, dia indro, heniky ny Fanahy izy ireo” [ 3 Nefia 20:8–9 ].
Mampianatra antsika i Kristy amin’ireo teny ireo fa ny Fanahy dia manasitrana sy manavao ny fanahintsika. Ny fitahiana ampanantenain’ny fanasan’ny Tompo dia ny “hananan[tsika] mandrakariva ny Fanahiny miaraka amin[tsika].”[ Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77 ].
Ahoana no ahafahan’ny rano velona izay atolotry ny Mpamonjy hanampy ahy handresy ny fitaoman-dratsy izay eto amin’izao tontolo izao?
Nampianatra ny Filoha James E. Faust (1920–2007) tao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:
Ny ankabeazan’ireo fahalotoana ara-panahy eo amin’ny fiainantsika dia vokatry ny fampiasana ny Internet, ny kilalao atao amin’ny solosaina, ny fandaharana misy amin’ny fahitalavitra sy ny sarimihetsika izay maneho sary ny toetra fototry ho an’ny zanak’olombelona. Koa satria miaina anaty tontolo toy izany isika dia mila mampitombo ny tanjatsika ara-panahy.
Miresaka momba ny hanoanany sy ny fitomaniany isan’andro sy alina i Enôsa ho fitarainana amin’ny fanahiny [jereo ny Enôsa 1:4 ]. Naniry mafy ny sakafom-panahy izay namaly ny hetaheta avy tamin’ny fahamarinana ara-panahy izy. Araka ny nolazain’ny Mpamonjy an’izao tontolo izao an’ilay vehivavy teo amin’ny fantsakana tao Samaria hoe: “Fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ary ho fiainana mandrakizay” [ Jaona 4:14 ].
(James E. Faust, “Sakafom-panahy,” Ensign na Liahona, Nôv. 2006, 55)