Seminera
Jaona 4, Fizarana 1


Jaona 4, Fizarana 1

Ilay vehivavy teo am-pantsakana

Sary
Jesus sitting at the well with a Samaritan woman. John 4:13-14. A wellspring is a continually flowing well. We can only realize it’s saving benefits if we come and drink deeply of its waters. The living water that Jesus spoke of is available to all if we will but drink

Nony teny andalana hankany Galilia i Jesoa dia nampianatra ilay vehivavy Samaritana teo an-davadrano Izy momba ilay “Rano velona” izay atolony. Fantatr’ilay vehivavy fa i Jesoa no Kristy. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahafantatra ny ilànao ny Mpamonjy sy hahatsapanao ny fitiavany anao.

Mametraha fanontaniana fanaraha-maso. Ny fametrahana fanontaniana fanaraha-maso dia mamela ireo mpianatra mba hizara ny zavatra nianarany, sy handalina ny fahatakaran’izy ireo ny fahamarinan’ny filazantsara, ary hisaintsaina ny fomba ifandraisan’ireo fahamarinana ireo amin’ny fiainan’izy ireo. Mitandrema sao hanenjika mandinika lisitra ana fanontaniana fanaraha-maso be dia be. Mazana dia tsara kokoa ny mametraka fanontaniana vitsivitsy ary manome fotoana ireo mpianatra mba hamaly amim-pandinihana.

Fiomanan’ny mpianatra: Tariho ireo mpianatra ho amin’ilay sahanasa ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy, Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ho an’ny Jaona 2–4 izay manentana azy ireo hitady zavatra fampiasa andavanandro ao an-tranon’izy ireo izay azo ampiasaina mba hampianarana ireo fahamarinana ara-panahy. Asao ireo mpianatra mba hitondra zavatra izay hitany ao am-pianarana, raha azo atao, ary hanomana sy hanazava ireo fahamarinana ara-panahy izay azo ampianarina amin’alalan’ny fampiasana azy.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Mianatra momba an’i Jesoa Kristy

Raha mitondra fitaovana avy ao amin’ilay sahanasa fanomanana ireo mpianatra, dia entano izy ireo hizara izany mialoha ny hijerena ireto sary manaraka ireto.

Mandritra ny fianaranao ny soratra masina, dia mety fantatrao fa tena matetika ny Mpamonjy no mampianatra fahamarinana ara-panahy amin’ny alalan’ny fampiasana zavatra niainana sy zavatra izay nahazatra ny olona. Jereo ireto sary manaraka ireto, ka diniho ny fahamarinana ara-panahy izay azontsika hianarana mikasika ny Mpamonjy rehefa ampitahaina amin’ny rano Izy.

Sary
Jesus kneels beside Martha who is grieving. Outtakes include Jesus standing with a crowd standing behind him, and just photos of Martha.
Sary
8 of 9 Glass being filled with water
  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao ny rano no misy ifandraisany amin’i Jesoa Kristy sy mampianatra anao momba Azy?

Raha ilaina dia hevero ny hametraka ireo fanontaniana izay mety hanampy ireo mpianatra hanao fampitahana ny rano sy i Jesoa Kristy, tahaka ny hoe “Nahoana izy roa ireo no samy ilaina?” “Impiry isika no mila azy ireo?” “Inona no hetaheta lehibe indrindra nanananao? Oviana ianao no tena nila an’i Jesoa Kristy?”

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto mba hieritreretana ny filanao an’i Jesoa Kristy.

  • Mahatsapa ve ianao fa mila an’i Jesoa Kristy tahaka ny fahatsapanao fa mila rano eo amin’ny fiainanao? Nahoana, na nahoana no tsia?

Ato amin’ity lesona ity ianao dia hianatra tantara iray mikasika ny nanampian’ny Mpamonjy vehivavy iray mba hahatakatra fa ny filany ara-panahy ny Mpamonjy dia lehibe kokoa noho ny filan’ny vatana ny rano izay ndeha halainy. Eo am-pandalinanao dia mahaiza mihaino ny bitsiky ny Fanahy izay manampy anao hanaiky ny filanao ny Mpamonjy sy ny faniriany ny handraisanao ireo fitahiana izay Izy irery ihany no afaka manolotra izany.

Ilay vehivavy teo an-davadrano

Raha niala tany Jodia i Jesoa ho any Galilia dia tsy maintsy mamakivaky an’i Samaria (jereo ny Jaona 4:3–4). Mety hanampy ny mamantatra ireo toerana ireo amin’ny fampiasana ny sarintany 1, “ Sarintanin’ny Tany Masina ,” izay hita ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Nandritra ny fotoan’andron’ny Mpamonjy, ireo Jiosy izay nanao ny dia mampitohy an’i Jodia sy Galilia dia nanalavi-dalana mba tsy handalovana ao Samaria noho ny fifankahalana nisy teo amin’ny Jiosy sy ny Samaritana. Azo inoana fa reraka sy nangetaheta noho ny dia nataony i Jesoa rehefa nipetraka teo am-pantsakana tamin’ny andro mafana (jereo ny Jaona 4:6). Raha teo Izy, dia nisy vehivavy Samaritana anankiray tonga hantsaka rano.

Hevero ny hampiseho ny sarin’ilay vehivavy teo am-patsakana any am-piandohan’ny lesona. Mety efa avy naheno io tantara io tamin’ny ampahany ireo mpianatra ao anatin’ny fandalinan’izy ireo ny Filazantsara Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Omeo fotoana izy ireo hizara ny zavatra nianarany mialoha ny hampianarana ity votoatin-kevitra manaraka ity.

Halalino ireo fampianarana nomen’i Jesoa an’ilay vehivavy Samaritana ao amin’ny Jaona 4:5–14 , ary tadiavo ny zavatra izay nianaranao mikasika ny Mpamonjy.

Sary
8 of 9 Glass being filled with water
  • Ahoana no hamaritanao ireo fihetsik’ilay vehivavy manoloana ny Mpamonjy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? Nahoana araka ny eritreritrao izy no nanao izany fihetsika izany?

  • Inona araka ny eritreritrao no nampianarin’i Jesoa rehefa nilaza Izy fa afaka manome rano velona an’ilay vehivavy?

Raha ilaina, dia hazavao fa ny rano velona dia maneho an’i Jesoa Kristy sy ny Filazantsarany. Ity lohahevitra mahakasika ny rano velona ity dia hohalalinina bebe kokoa amin’ny lesona manaraka.

Vakio ny Jaona 4:15–26 , ka tadiavo ny fitiavana sy famindrampo izay nasehon’i Jesoa an’ilay vehivavy rehefa nitohy ny resak’izy ireo. Saintsaino ny fampianaran’ny Mpamonjy izay mifandraika aminao.

Sary
8 of 9 Glass being filled with water
  • Tamin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no nanampian’ny Mpamonjy an’ilay vehivavy mba hahatakatra ny filany ilay rano velona izay natolony?

Mety afaka manampy ny filazana fa fantatry ny Mpamonjy ny fahotan’ilay vehivavy kanefa dia tsy nanambany azy akory Izy noho ny amin’izany. Nanampy azy hahatakatra ny tena fitsaohana marina ihany koa Izy sy hahatakatra hoe izay rehetra mitsaoka an’ Andriamanitra ao anatin’ny fanahy sy ny fahamarinana dia ekeny, na inona na inona ny fiaviany na ny kolontsainy.

  • Inona ny zavatra azonao ianarana avy amin’ny fanirian’ny Mpamonjy hanampy ity vehivavy ity na dia eo aza ny tsy fahatomombanana izay nisy teo aminy?

  • Ahoana no fomba hanampian’io tantara io antsika hahatakatra fa ny Mpamonjy dia mahatsapa ny momba antsika tsirairay—hatrami’ireo tsy fahatomombanantsika?

Vakio ny Jaona 4:28–30 , mba hahitanao ny fomba namalian’ilay vehivavy Samaritana taorian’ny nitenenan’i Jesoa azy fa Izy no Mesia.Ampitahao amin’ny fihetsika voalohany nasetrin’ilay vehivavy an’i Jesoa tany am-piandohan’ny resaka nifanaovan’izy ireo ny zavatra izay vao novakianao.

  • Inona tamin’ny fifaneraserany tamin’i Jesoa araka ny eritreritrao no nahatonga azy hiova?

  • Nampiova na nisy fiantraikany tamin’ny fomba fieritreretanao tamin’ny fomba ahoana i Jesoa Kristy?

  • Inona no safidy horaisinao anio mba hanampy anao hanakaiky an’i Jesoa Kristy bebe kokoa?

Ny Loholona Robert C.Gay ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy dia nizara fahamarinana izay azontsika ianarana mikasika ity tantara ity.

Sary
Former Official Portrait of Elder Robert C. Gay. Photographed in March 2017. Replaced February 2021.

Isan’ireo soratra masina tiako indrindra ny Jaona 4:4 , izay mivaky toy izao: “Ary tsy maintsy mamaky an’i Samaria Izy.”

Fa nahoana no tiako izany soratra masina izany? Satria tsy nila nandeha tany Samaria i Jesoa. Nankahala ny Samaritana ny Jiosy tamin’ny androny ary nandeha tamin’ny lalana iray manodidina an’i Samaria. Saingy nisafidy ny handeha tany i Jesoa mba hanambara voalohany tamin’izao tontolo izao fa Izy no ilay Mesia nampanantenaina. Tsy hoe nisafidy vondron’olona nailiky ny fiarahamonina fotsiny Izy mba hizarana io hafatra io, fa nisafidy ihany koa vehivavy iray, tsy hoe izay vehivavy sendra Azy teny fa vehivavy janga iray, olona noheverin’ny fiarahamonina fa tena ratsy indrindra tamin’izany fotoana izany. Inoako fa nanao izany i Jesoa mba hahatakarantsika tsirairay avy mandrakariva fa ny fitiavany dia lehibe lavitra noho ny tahotsika, ny ratrantsika, ny fiankinan-dohantsika, ny ahiahintsika, ny fakam-panahy mahazo antsika, ny fahotantsika, ny fianakaviantsika rava, ny harerahan-tsaina sy ny tebitebintsika, ny aretina mitaiza antsika, ny fahantrantsika, ny fanararaotana mahazo antsika, ny fahakiviantsika, ary ny fanirerintsika. Tiany ho fantatry ny rehetra fa tsy misy na inona na inona ary koa na iza na iza tsy azony sitranina sy homena fifaliana maharitra.

Ampy ny fahasoavany. Izy irery ihany no nidina tambanin’ny zavatra rehetra. Ny herin’ny Sorompanavotany no hery handresena izay mety ho enta-mavesatra eo amin’ny fiainantsika. Ilay hafatra nentin’ilay vehivavy teo am-pantsakana dia hoe fantany ny toe-javatra misy antsika eo amin’ny fiainana ary afaka mandeha miaraka Aminy mandrakariva isika na iza isika na iza. Hoy Izy tamin’ilay vehivavy sy amintsika tsirairay avy, hoe: “Fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa [hahazo] loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay” [ Jaona 4:14 ].

(Robert C. Gay, “Mitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy,” Liahona, nôv. 2018, 99)

Asao ireo mpianatra mba hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany. Mety hahasoa ny mifanakalo hevitra momba ny valintenin’ireo mpianatra rehefa vita ny azy ireo.

  • Inona ny zavatra nianaranao na tsapanao momba an’i Jesoa Kristy nandritra ity lesona ity?

  • Inona no tsapanao fa tokony hataonao vokatry ny fandalinanao androany?

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Jaona 4:4 . Nahoana no manan-danja ny fandalovan’i Jesoa tany Samaria?

Sary
Map 11 - The Holy Land in New Testament Times

Nandeha manodidina an’i Samaria ny Jiosy tamin’ny ankapobeny fa tsy nandalo tao mihitsy noho ny fifankahalana izay nisy teo amin’ny Jiosy sy ny Samaritana. Nisy fifandrafiana lehibe teo amin’ny Jiosy sy ny Samaritana “noho ny Samaritana efa niala tamin’ny finoana Isiraelita.” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina “ Samaritana ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Na dia teo aza izany, dia nomarihin’i Jaona fa “tsy maintsy mamaky an’ i Samaria” i Jesoa Kristy ( Jaona 4:4), izay manasongadina mazava tsara ny fikasan’ny Mpamonjy hanao ny asa hataony any.

Jaona 4:24 . Fanahy ve Andriamanitra?

Mety tsy hazava amin’ny sasany ny tian’i Jesoa holazaina ao amin’ny Jaona 4:24 ny hoe Andriamanitra dia fanahy. Ny dikantenin’i Joseph Smith ho an’io andinin-tsoratra masina io dia mitondra fanazavana manan-danja: “Fa ho an’ny [tena mpino] no efa nampanantenain’ Andriamanitra ny Fanahiny” (Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 4:26 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ]). Ny fanambarana moderina koa dia mampianatra fa Andriamanitra dia manana vatana nofo sy taolana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22–23 ; jereo ihany koa ny Genesisy 5:1–3 ; Hebreo 1:1–3).

Nahoana no nisy fiantraikany tamin’ilay vehivavy teo am-patsakana ny firesahany tamin’i Jesoa Kristy?

Ny Filoha Bonnie H. Cordon, Filohan’ny Zatovovavy maneran-tany dia nampianatra hoe:

Sary
Former Official Portrait of Sister Bonnie H. Cordon, Photographed October 2016. Replaced October 2018.

Fantatr’i Kristy tamim-pamindram-po [ilay vehivavy teo am-patsakana] sy ny zavatra nilainy. Nihaona tamin’ilay vehivavy teo amin’ny toerana nisy azy Izy ary nanomboka niresaka momba ny zavatra nahazatra sy tsy zoviana taminy. Raha nijanona tamin’izay ny resak’izy ireo dia mety ho fihaonana tsara izany. Saingy tsy ho nitondra tamin’ny fankanesany tany an-tanàna izany mba hanambara hoe: “Handeha hizaha … : Izao angaha no Kristy?” [Jaona 4:29]. Lasa fantany tsikelikely tamin’ilay resadresaka i Jesoa Kristy ary na dia teo aza ny lasany, dia lasa ohatry ny loharanom-pahazavana ho an’ny hafa izy, nanazava ny lalana mba hahazoan’ny hafa mahita.

(Bonnie H. Cordon, “Mba hahazoany mahita,” Liahona, mey 2020, 79)

Sahanasa fianarana fanampiny

Nanova ny fomba fijeriny ilay vehivavy

Asao ireo mpianatra mba hanisy marika ireo teny izay nampiasain’ilay vehivavy Samaritana hilazana ny Mpamonjy ao amin’ny Jaona 4:9, 11, 19, 29 . Raha ireo teny ireo no jerena dia mifanakaloza hevitra momba ny fiovan’ny fahatakaran’ilay vehivavy Azy.

Jaona 4:34 . “Ny haniko dia manao ny sitrapon’izay naniraka Ahy”

Teo am-pividianana sakafo teny an-tanana ireo Apôstoly nandritra ny fotoana izay niresahan’ny Mpamonjy tamin’ilay vehivavy teo am-patsakana. Ary rehefa tafaverina izy ireo, dia nanolotra hena ho an’i Jesoa (jereo ny Jaona 4:31).Asao ireo mpianatra mba hamaky ny Jaona 4:32–34 , ary hitady ny zavatra izay nifantohan’ny Mpamonjy ankoatra ny nihinana. Ifanakalozy hevitra ny zavatra izay ampianarin’ireo andininy ireo momba an’i Jesoa Kristy, sy ny fitiavany ny zanaky ny Ray Any an-danitra rehetra, ary ny fifantohany amin’ny fanampiana antsika tsirairay mba handroso.

Jaona 4:35 . “Efa masaka sahady hojinjaina” ny eny an-tsaha

Ny ohatr’ilay vehivavy Samaritana ao amin’ny Jaona 4:28–29, 39–42 sy ireo teny nolazain’i Jesoa Kristy ao amin’ny Jaona 4:35 dia azo ampiasaina hitarihana fifanakalozan-kevitra mahakasika ny fizarana ny filazantsara.Hevero ny hampiseho sarina varimbazaha vonona hojinjaina sy hanazava fa rehefa azo jinjaina ny voa iray, dia matetika faritana amin’ny loko “fotsy”. Ireto fanontaniana manaraka ireto dia azo ampiasaina ao anatin’ilay fifanakalozan-kevitra:

  • Araka ny hevitrao, inona no nanosika ity vehivavy ity ho nazoto nizara ny fijoroana ho vavolombelona nananany tamin’ny hafa? Ahoana no ahafahanao manaraka ny ohatra izay nasehony?

  • Araka ny hevitrao, inona no nampianarin’ny Mpamonjy ny Apôstoliny rehefa nilaza Izy fa “efa masaka sahady hojinjaina” ny eny an-tsaha? ( Jaona 4:35).

  • Amin’ny fomba ahoana no ahazahoana milaza fa efa azo jinjaina ny eo amin’ny saha manodidina anao?

Hamoaka printy