Seminera
Jaona 2–4


Jaona 2–4

Topimaso

Tamin’ny fomba mahagaga no nanovan’i Jesoa Kristy ny rano ho lasa divay tao amin’ny fetin’ny fampakaram-bady iray. Nampianatra mpitarika Jiosy iray antsoina hoe Nikodemosy Izy momba ny fahaterahana indray sy ny fitiavana nasehon’ny Ray any An-danitra tamin’ny alàlan’ny fandefasana ny Zanany mba hanonitra ny fahotantsika. Avy eo i Jesoa dia nampianatra vehivavy Samaritana iray momba ny rano velona atolony ireo izay mino Azy.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manolotra hevitra ho an’ireo mpampianatra momba ny zavatra mety ilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Jaona 2

Tanjon’ny lesona:Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hampitombo ny finoany an’i Jesoa Kristy sy hamantatra ireo fahamarinana momba ny herin’ny Mpamonjy sy ny toetrany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe nangatahina hanao lahateny mandritra ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo izy ireo momba ny herin’i Jesoa Kristy. Angataho izy ireo mba ho tonga any am-pianarana vonona hizara tantara iray na roa avy ao amin’ny soratra masina ka azon’izy ireo ampiasaina hanehoana ny heriny.

  • Fitaovana: Mitondrà sakafo any am-pianarana ampiasaina amin’ny fiandohan’ny lesona.

  • Sosokevitra momba ny fampifanarahana amin’ny lesona ny zava-misy en ligne: Rehefa avy nandalina ny fanovan’i Jesoa ny rano ho lasa divay ny mpianatra dia diniho ny fampidirana ireo hevitra hita ao amin’ny fizaran’ny lesona “Sahanasa fandalinana fanampiny” ao amin’ny fizarana “Afaka manova ahy i Jesoa Kristy.” Ireo hevitra ireo dia afaka manampy ny mpianatra hahita fa afaka manova ny fiainantsika sy ny toetrantsika i Jesoa Kristy tahaka ny nanovany ny rano ho lasa divay.

Jaona 3:14–17

Tanjon’ny lesona:Ity lesona ity dia hanome fahafahana ny mpianatra hanamafy orina ny finoany an’i Jesoa Kristy rehefa mianatra bebe kokoa momba ny Sorompanavotany izy ireo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitady andalan-tsoratra masina na fanambarana avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany izay mampianatra azy ireo zavatra manan-danja momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

  • Sosokevitra mikasika ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Azo zaraina amin’ny efitra breakout rooms ny mpianatra hizarany sy hiadiany hevitra amin’ny vondrona kely momba ny fanontaniana farany ao amin’ny taratasy zaraina.

Fifehezana fotopampianarana: Jaona 3:16

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanome fahafahana ny mpianatra hanatsara ny fifehezany ny fotopampianaran’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanaovana tsianjery ny andalan-tsoratra masina Jaona 3:16 sy ireo andian-teny manan-danja ara-tsoratra masina ao amin’izany, sy amin’ny alalan’ny fanazavana ny fotopampianaran’ny soratra masina, ary ny fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny fomba hampianaran’izy ireo olona momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany toy ny hoe misiônera amin’ny fotoana feno izy ireo.

  • Sahanasa famerenana: Aza hadinoina ny mampihatra ny sahanasa famerenana amin’ny faran’ny lesona manaraka izay hampianarina fotoana fohy aorian’ity iray ity.

  • Sosokevitra mikasika ny fampianarana amin’alalan’ny visioconférence: Asao ny mpianatra hampiasa ny chat mba handefasana ireo andinin-tsoratra masina na fanambarana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana hitany fa mety hanampy amin’ilay rafi-tantara nomena. Omeo minitra vitsivitsy ny mpianatra hamakiana ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina na fanambarana nalefa tao amin’ilay chat, ary avy eo dia asao izy ireo hanome hevitra momba izay zavatra niavaka tamin’izy ireo.

Jaona 4, Fizarana 1

Tanjon’ny lesona:Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny filan’izy ireo ny Mpamonjy sy hahatsapa ny fitiavany azy ireo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Tariho ireo mpianatra ho amin’ilayy sahanasa ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy, Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ho an’ny Jaona 2–4 izay manentana azy ireo hitady zavatra fampiasa andavanandro ao an-tranon’izy ireo izay azo ampiasaina mba hampianarana ireo fahamarinana ara-panahy. Asao ireo mpianatra mba hitondra zavatra izay hitany ao am-pianarana, raha azo atao, ary hanomana sy hanazava ireo fahamarinana ara-panahy izay azo ampianarina amin’alalan’ny fampiasana izany.

  • Sosokevitra mikasika ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Asao ny mpianatra hitady fitaovana ao an-tranony izay azony ampiasaina hampianarana fahamarinana ara-panahy.

Jaona 4, Fizarana 2

Tanjon’ny lesona:Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa momba ny rano velona izay natolotry ny Mpamonjy: hoe inona izany, inona no antony ilan’izy ireo izany, ary ahoana no fomba ahafahan’izy ireo mandray izany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hanao fampitahana ireo fotoana nahatsapan’izy ireo fahabangana ara-panahy sy fotoana nahatsapany fahafam-po ara-panahy. Inona no tsy itovizan’izy ireo?

  • Taratasy zaraina: “Rano velona”

  • Sosokevitra mikasika ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Omeo torolàlana ny mpianatra amin’ny famoronana lahateny mialoha ny fotoam-pianarana ary manasà mpilatsaka an-tsitrapo vitsivitsy hizara ny lahateniny amin’ny fiandohan’ny lesona.

Hamoaka printy