Seminera
Jaona 2


Jaona 2

Nanova ny rano ho divay i Jesoa

Jesus talking to Mary at a wedding feast.

Nanova ny rano ho divay nandritra ny lanonam-panambadiana iray i Jesoa ao amin’ny fahagagana voarakitra an-tsoratra voalohany izay nataony nandritra ny asa fanompoany teto an-tany. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hampitombo ny finoanao an’i Jesoa Kristy rehefa mandalina ity fahagagana ity sy mamantatra ireo fahamarinana momba ny herin’ny Mpamonjy sy ny toetrany ianao.

Fametrahana fanontaniana hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny soratra masina. Ny fanontaniana izay manampy ny mpianatra handinika ny soratra masina dia afaka manampy azy ireo hahatakatra lalindalina kokoa ny fahamarinana ampianarina. Mitadiava fahafahana hametrahana fanontaniana izay hanampy ny mpianatra hieritreritra lalina momba ireo teny na andian-teny manan-danja sy handinika ny fomba ifandraisan’ny andinin-tsoratra masina iray nomena amin’izy ireo.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina fa nangatahina izy ireo hanao lahateny momba ny herin’i Jesoa Kristy mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Angataho izy ireo mba hivonona hizara ao an-dakilasy tantara iray na roa avy ao amin’ny soratra masina ka azon’izy ireo ampiasaina hanehoana ny heriny.

Sahanasa fianarana azo atao

Iza no atokisanao?

Mitondrà zavatra misy sakafo matsiro any an-dakilasy dia atolory ny mpianatra iray izay vonona hanolo-tena hihinana izany ilay izy alohan’ny hahalalany hoe inona ilay sakafo. Misafidiana ankizy iray izay manolo-tena. Alohan’ny hampisehoana ilay sakafo an’ilay mpianatra dia anontanio azy ny antony atokisany anao ka mahatonga azy hanaiky ilay sakafo alohan’ny hahalalany hoe inona ilay izy.

  • Azo heverina ve izany hoe tena matoky olona izany ka dia manolo-tena hanao izay zavatra rehetra mety angatahiny aminao?

  • Inona no mety hoe fantatrao momba an’io olona io ka mahatonga anao vonona hanolo-tena toy izany?

Saintsaino vetivety raha tsapanao fa mahalala tsara ny Mpamonjy ianao ka matoky Azy amin’izay rehetra angatahiny aminao. Rehefa mandalina ny Jaona 2 ianao dia tadiavo ny porofon’ny heriny sy ny toetrany izay afaka mampitombo ny fitokisanao Aminy sy ny fahavononanao hankatò izay rehetra angatahiny aminao.

Ny fahagagana voarakitra voalohany tamin’ny asa fanompoan’i Jesoa

Ny fahagagana voarakitra voalohany nandritra ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany dia hita ao amin’ny Jaona 2 . Alohan’ny handinihanao ity tantara ity dia mety hanampy anao ny mahafantatra fa mazana no mihatsara kalitao ny divay arakaraka ny fahanterany ary mety hahamenatra ireo mpanao ny fanasana amin’ny lanonam-panambadiana izany tsy fahampian’ny divay izany.

2:26

Vakio miadana sy amim-pandinihana ny Jaona 2:1–11 dia hevero ny hanisy marika izay rehetra manan-danja aminao. Rehefa mandalina ianao dia afaka misaintsaina ny valin’ny fanontaniana toy ireto: Inona araka ny eritreritrao no fantatr’i Maria momba ny Zanany? Inona araka ny eritreritrao no nianaran’ireo mpanompo momba an’i Jesoa?

Asao ny mpianatra hizarazara ho vondrona kely dia hamaky ny Jaona 2:1–11 . Amporisiho izy ireo hiato matetika mba hiresadresaka ao anatin’ny vondrona misy azy ireo fahamarinana nianarany mikasika an’i Jesoa Kristy.

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra, dia asao ireo vondrona hizara ny hevitra hitany amin’ny iray kilasy.

  • Inona avy ireo fahamarinana nianaranao momba ny herin’ny Mpamonjy sy ny toetrany?

  • Afaka mieritreritra toe-javatra ve ianao izay ahafahana manampy olona iray amin’izao fotoana izao noho ny fahalalana ireo fahamarinana ireo?

  • Nitahy ny fiainanao tamin’ny fomba ahoana ny fahalalana ireo fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy ireo?

Fantaro hoe fahamarinana inona tamin’ireo izay hita no mety hanampy indrindra ireo mpianatra ka ilana handaniana fotoana bebe kokoa ny fandalinana azy. Itysahanasa fianarana manaraka ity dia tsy mifantoka afa-tsy amin’ny iray amin’ireo fahamarinana manan-danja maro izay azon’ny mpianatra fantarina avy amin’ity andinin-tsoratra masina ity.

“Ataovy izay asainy ataonareo”

Toy ny amin’ny tranga maro ao amin’ny Testamenta Vaovao, ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Jaona 2:4 dia mbola manampy antsika hatrany hahazo hevi-baovao fanampiny momba ny Mpamonjy. Milaza izany fa nanontany an’i Maria i Jesoa ny amin’izay zavatra tiany hataony ho azy dia hataony izany, satria tsy mbola tonga ny fotoany .

  • Inona no ampianarin’izany anao momba ny fifandraisan’ny Mpamonjy amin’ny reniny?

Asio marika ny zavatra nolazain’i Maria tamin’ireo mpanompo, araka ny voasoratra ao amin’ny andininy 5 .

  • Mampianatra inona anareo momba ny finoan’i Maria an’i Jesoa ny toromarika nomeny an’ireo mpanompo?

Ny loholona L. Whitney Clayton ao amin’ny Fitopololahy dia nanazava zavatra vitsivitsy izay fantatr’i Maria momba an’i Jesoa ka nanamafy ny finoany Azy.

12:46
Official Portrait of Elder L. Whitney Clayton. Photographed March 2017.

Nahafantatra [an’i Jesoa Kristy] bebe kokoa mihoatra ny olona hafa rehetra teto an-tany [i Maria]. Fantany ny fahamarinan’ny fahaterahany mahagaga. Fantany fa tsy mba nanota Izy ary Izy dia “tsy mba niteny toy ireo olona hafa sady tsy hay nampianarina; fa tsy nila olona nampianatra Azy izy” [ Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 3:25 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina )]. Fantatr’i Maria ny fahafahana miavaka nananany mba hamahana olana; anisan’izany ny olana iray manokana toy ny famatsiana divay ho an’ny lanonana fampakaram-bady iray. Nanana fitokisana tsy voahozongozona taminy sy tamin’ny heriny masina izy. Ny toromarika tsotra sady mivantana nomeny ny mpanompo dia tsy misy arakaraka sy tsy misy hevitra ambadika: “Ataovy izay asainy ataonareo.”

(L. Whitney Clayton, “Ataovy izay asainy ataonareo,” Liahona, mey 2017, 97)

  • Inona no zavatra fantatr’i Maria momba an’i Jesoa izay zava-dehibe tokony ho fantatsika momba Azy?

Alaivo sary an-tsaina hoe iray amin’ireo mpanompo nandre ny toromarik’i Maria ianao. Vakio indray ny Jaona 2:6–8 ka tadiavo izay nasain’i Jesoa nataon’ireo mpanompo. Alohan’ny hamakiana izany dia mety hanampy ny mahafantatra fa “ireo siny ireo dia tsy nampiasaina mba hitehirizana rano fisotro fa nampiasaina kosa hanaovana ny fombafomban’ny fanadiovana” (L. Whitney Clayton, “Ataovy izay asainy ataonareo,” 97).

  • Inona no mety ho neritreretinao na tsapanao rehefa nitondra kaopy teny amin’ny mpitarika ny fanasana ianao?

  • Inona avy ireo torolalana nomen’i Jesoa Kristy ankehitriny ka mitaky ny hitokianao Aminy mba hankatoavanao izany?

Diniho ireo fomba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fahafahan’izy ireo matoky an’i Jesoa Kristy sy hanao izay angatahiny amin’izy ireo. Ohatra, asao ny mpianatra hizara ny zavatra niainan’izy ireo tamin’ny fankatoavana ny tenin’ny Mpamonjy, mizarà tantara iray avy amin’ny lahateny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, na ataovy ity sahanasa manaraka ity.

Ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Jaona 2:11, dia tsy fantatsika fotsiny ihany fa nanambara ny voninahitry ny Mpamonjy ity fahagagana ity fa lasa mafy orina tao Aminy ihany koa ny finoan’ireo mpianany. Tsy mampiova fo olona ny fahagagana, fa ny finoan’ireo izay mino an’i Jesoa Kristy kosa dia lasa mafy orina noho ireo fahagagana.

Makà minitra vitsy hitadiavana olona hafa ao amin’ny soratra masina na ianaran-javatra avy amin’izy ireo, izay nanana finoana lehibe an’i Jesoa Kristy, tahaka an’i Maria. Tadiavo ireo antony nisafidianan’ny tsirairay avy tamin’izy ireo hatoky sy hankatò izay rehetra nolazain’i Jesoa. Ohatra amin’izany i Nefia ( 2 Nefia 4:34–35), Jakôba ( Jakôba 4:10), ary ny rahalahin’i Jareda ( Etera 3:9–12).

Omeo fotoana ny mpianatra hanoratany ireo hevitra hitany ao amin’ny diary fandalinany soratra masina. Ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka mitarika azy ireo eo am-panoratany. Rehefa mahavita izany ny mpianatra dia asao izay manolo-tena mba hizara ny ampahany amin’ny zavatra nosoratany.

  • Inona no fantatrao momba an’i Jesoa Kristy ka mitaona anao hankato “izay asainy atao[nao]”? ( Jaona 2:5).

  • Nahoana ny olona iray no afaka matoky an’i Jesoa Kristy na dia tsy mitombina tanteraka aminy aza ny zavatra lazainy?

  • Inona no azonao atao mba hahafantaranao bebe kokoa an’i Jesoa Kristy ka hitomboan’ny finoanao Azy?

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Moa ve nifanohitra tamin’ny didy nandritra ny fotoanandron’ny Baiboly ny fisotroana divay?

Maro ireo firesahana mikasika ny faharatsian’ny fahamamoana sy ny zava-pisotro mahery ao amin’ny Baiboly (ohatra, jereo ny Ohabolana 23:20–21 ; Isaia 5:11–12 ; Efesiana 5:18). Tsy mandrara manokana ny fisotroana toaka ireo andininy ireo, kanefa manameloka ny fihinanan-kanina be loatra sy ny fimamoana. Amin’izao androntsika izao dia nampahafantatra ny Tenin’ny Fahendrena ny Tompo, izay mandrara ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:4–7 ]. Tsy tokony hitsara ny olona tany amin’ny fotoampitantanana teo aloha amin’ireo didy nomen’ny Tompo amin’izao androntsika izao isika.

(Testamenta Vaovao: Boky torolalana ho an’ny mpianatra [2018], ChurchofJesusChrist.org)

Nahoana i Jesoa no niantso ny reniny hoe“Ravehivavy”?

Nanazava ny Loholona James E. Talmage (1862–1933) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Portrait of James E. Talmage.

Ilay anarana fiantsoana hoe “ravehivavy”, raha ampiasain’ny zanakalahy iray hiantsoana ny reniny dia mety ho toy ny mandratra ny sofintsika ny mihaino azy, na koa tsy manaja. Saingy fanehoana hatsaram-panahy ny fampiasana izany tamin’izany. … Tamin’ilay zava-nitranga mampihoron-koditra farany izay niseho tao anatin’ny fiainany teto an-tany, raha nihantona teo amin’ny hazofijaliana tao anatin’ny fijaliana teo am-pialana aina i Kristy, dia niondrika nijery an’i Maria reniny izay nitomany Izy, ary nandidy azy mba hikarakara an’i Jaona ilay apôstôly malalany tamin’ireto teny ireto: “Ravehivavy, indro ny zanakao!” [ Jaona 19:26 ]. Azo heverina ve hoe tamin’io fotoana farany io dia nomban’ny fiontanam-po hafa ankoatra ny fanajana sy ny hatsaram-panahy ary ny fitiavana ny zavatra tsapan’ny Mpamonjy ho an’ilay reniny izay efa hisaraka taminy noho ny fahafatesana?

(James E. Talmage, Jesus the Christ[1916], 144–45).

Jaona 2:6.

Inona ilay vata famarana?

Ny iray vata dia teo ho eo amin’ny 34 litatra teo, ka ireo siny enina izany dia azo nasiana rano teo amin’ny 380 sy 600 litatra teo.

Jaona 2:5.

Nahoana no zava-dehibe ny fanaovana “izay asain’ [Andriamanitra] ataonareo”?

Nampianatra ny Loholona L. Whitney Clayton ao amin’ny Fitopololahy hoe:

Official Portrait of Elder L. Whitney Clayton. Photographed March 2017.

Rehefa manapa-kevitra ny hanao “izay asain’ [Andriamanitra] ataontsika” isika dia manolo-tena amin-kitsim-po ny hampifanaraka ny fomba fiainantsika andavanandro amin’ny sitrapon’ Andriamanitra. Ny asa fanehoam-pinoana tahaka izany, toy ny fandalinana ny soratra masina isan’andro, sy ny fifadian-kanina matetika, ary ny vavaka atao an-tsitrapo dia hanome tanjaka ara-panahy bebe kokoa antsika mba hiatrehana ireo fitakian’ny fiainana an-tany. Rehefa mandeha ny fotoana dia hitondra vokany mahagaga ireo fahazarana tsotra momba ny finoana ireo. Ireo asa ireo dia manova ny finoantsika niainga tamin’ny kely ho lasa lehibe kokoa hitondra tsara eo amin’ny fiainantsika. …

… Rehefa matoky sy manaraka Azy isika dia miova ny fiainantsika, toy ny rano lasa divay. Tonga olona hafa mihoatra sy tsara kokoa noho izay mety ho nahatongavantsika isika. Matokia ny Tompo, ary “ataovy izay asainy ataonareo.”

(L. Whitney Clayton, “Ataovy izay asainy ataonareo,” Liahona, Mey 2017, 97–99)

Sahanasa fianarana fanampiny

Afaka manova ahy i Jesoa Kristy

Nanao fahagagana i Jesoa tamin’ny fanovana ny rano ho divay. Afaka manao fahagagana toy izany eo amin’ny fiainantsika manokana ihany koa Izy, manova antsika amin’izao toetsika izao mba ho tonga amin’ilay tokony hahatongavantsika. Asao ny mpianatra hijery ny mety ifandraisan’ny fiainany manokana amin’ilay rano ao amin’ity fahagagana ity. Mety hanampy ny mpianatra ny mieritreritra ilay karazana siny izay nampiasaina hanaovana ilay fahagagana sy ny zavatra nataon’ireo mpanompo ihany koa mba hanatanterahana ilay fahagagana. Ampio ireo mpianatra hitazona ny fifantohany amin’ny Mpamonjy ary hahatakatra fa satria manana hery amin’ny zava-drehetra Izy, dia afaka mitondra marina tokoa fiovana mahagaga eo amin’ny fiainantsika.