“Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao”
Araka ny voasoratra ao amin’ny Jaona 3, dia nampianatra an’i Nikodemosy momba ny sorompanavotany i Jesoa rehefa nilaza Izy fa “[tsy maintsy] hasandratra ny Zanak’olona: mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy” (Jaona 3:14–15). Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Rehefa manokana fotoana hianarana ny momba ny Mpamonjy sy ny sorompanavotany isika dia manjary voasarika hanao zavatra [iray] hafa izay ilaina mba hahafahana mahazo ny heriny: misafidy ny hanam-pinoana Azy sy hanaraka Azy isika” (“Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2017, 40). Ity lesona ity dia hanome anao fahafahana hanamafy ny finoanao an’i Jesoa Kristy rehefa mianatra bebe kokoa momba ny Sorompanavotany ianao.
Sahanasa fianarana azo atao
Inona no atao hoe Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?
Jereo ireo sarin’i Jesoa tao Getsemane sy teo ambonin’ny hazofijaliana ary eritrereto izay fantatrao momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.
Fenoy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fehezan-teny manaraka ireto.
Nandefa an’i Jesoa Kristy tety an-tany ny Ray any An-danitra hanao sorona fanavotana antsika mba …
Isan’ireo zavatra niainan’i Jesoa tao Getsemane ny …
Maty teo ambonin’ny hazofijaliana i Jesoa satria …
Raha tsy nijaly tao Getsemane sy maty teo ambonin’ny hazofijaliana i Jesoa dia …
Ao amin’ity lesona ity ianao dia hianatra bebe kokoa momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fitiavana nasehon’ny Ray any An-danitra rehefa nandefa ny Zanany teto amin’izao tontolo izao Izy. Rehefa mandalina ianao dia henoy tsara ny bitsiky ny Fanahy Masina izay afaka manampy anao hankasitraka bebe kokoa ny sorona nataon’i Jesoa Kristy ho anao sy hampitombo ny finoanao Azy.
Inona ireo fahatsapana na hevi-baovao nanananao rehefa nandalina momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany ianao?
Rehefa avy nahavita nameno ilay taratasy zaraina ny mpianatra dia asao izy ireo hizara ny valinteniny amin’ilay fanontaniana farany amin’ny iray kilasy na ao anatina vondrona kely. Mety hahasoa ihany koa ny fanomezana ny mpianatra fahafahana hametraka izay mety ho fanontaniana ananany rehefa nandalina ny zavatra hita tao amin’ilay taratasy zaraina izy ireo.
Maneho ny fitiavan’ny Ray amin’ny fomba ahoana ny nandefasany ny Zanany?
Isan’ireo fahamarinana nantitranterin’ny Mpamonjy rehefa nampianatra an’i Nikodemosy momba ny Sorompanavotany Izy (jereo ny Jaona 3:14–17) ny hoe Tena tia ny zanany tokoa ny Ray any An-danitra ka nandefa ny Zanany Lahitokana mba hanao sorona fanavotana ho antsika.
Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra mikasika ny fomba hisehoan’ny fitiavan’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy:
Sary
Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.
Tsy misy porofo lehibe mihoatra noho izay voalazan’ny Apôstôly Jaona izay manamarina ny hery tsy manam-petra sy ny maha-tonga lafatra ny fitiavan’ Andriamanitra, izay milaza hoe: “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanani-lahy Tokana” ( Jaona 3:16). Nanoratra ny Apôstôly iray hafa fa Andriamanitra dia “tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy” ( Romana 8:32). Eritrereto ny alahelo tsy maintsy tsapan’ny Raintsika any An-danitra rehefa nandefa ny Zanakalahiny hizaka fijaliana tsy takatry ny saina noho ny fahotantsika. Izany no porofo lehibe maneho ny fitiavany antsika tsirairay avy!
(Dallin H. Oaks, “Fitiavana sy lalàna,” Liahona, nôv. 2009, 26)
Inona no zavatra nianaranao avy tamin’io teny nambara io?
Sary
Christ hanging on a cross at Calvary. Two thieves, also hanging on crosses are at the left and right of Christ. Numerous observers, including Mary, the mother of Christ, Mary Magdalene, other mourners and Roman soldiers are gathered around the crosses. Thunder clouds are gathering in the sky.
Omeo fotoana ny mpianatra hanoratany ny eritreriny na ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ny diary fandalinany soratra masina. Rehefa avy nahavita nanoratra izy ireo dia afaka mizara amin’ny iray kilasy izay nosoratany ny mpianatra vitsivitsy manolo-tena hanao izany.
Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho
Ahoana no ahafahako mahazo ny hery nomen’i Jesoa Kristy ahy amin’ny alalan’ny Sorompanavotany?
Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra izao manaraka izao momba ny fanasana ny herin’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainantsika:
Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018
Isika Olomasin’ny andro farany dia miantso izany iraka nampanaovina Azy izany hoe ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy, izay nahatonga ny fitsanganana amin’ny maty ho tena misy ho an’ny rehetra ary nanome fahafahana an’ireo rehetra izay mibebaka amin’ny fahotany sy mandray ka mitandrina ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana lehibe mba hahazo ny fiainana mandrakizay. …
… Ireo fanekempihavanana ataontsika dia mamatotra antsika Aminy ary manome antsika ny herin’ Andriamanitra. Amin’ny maha-mpianatra mahatoky antsika dia mibebaka sy atao batisa tahaka Azy isika. Manao sy mitandrina karazana fanekempihavanana maro isika mba handrosoana mandritra ny diantsika. …
Ny lehilahy sy ny vehivavy mitandrina ny fanekempihavanana dia mitady fomba hihazonana ny tenan’izy ireo tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao mba tsy hisy na inona na inona hanakana ny fahafahan’izy ireo hahazo ny herin’ny Mpamonjy.
Ahoana no ahafantarako fa miasa eo amin’ny fiainako i Jesoa Kristy sy ny heriny?
Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:
Sary
Official Portrait of President Henry B. Eyring taken March 2018.
Raha nahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina ianao androany dia azonao raisina ho toy ny porofo izany fa miasa eo amin’ny fiainanao ny Sorompanavotan’ [i Jesoa Kristy]. Noho izany antony izany sy ny maro hafa, dia hanao izay mety ianao mba hijanonanao amin’ireo toerana sy hanaovanao ireo asa izay manasa ny bitsiky ny Fanahy Masina.
(Henry B. Eyring, “Gifts of the Spirit for Hard Times,” Ensign, June 2007, 23)
Aiza no ahafahako mianatra kokoa momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?
Azonao atao ny mampitombo ny fahatakaranao momba ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany amin’ny alalan’ny fampiasana ny fanampiana amin’ny fandalinana ny soratra masina toy ny fijerena ny “ Sorompanavotana ” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Ireo fanampiana amin’ny fandalinana soratra masina ireo dia ahitana hevitra tena manan-danja, soratra masina, lahateny, horonan-tsary ary loharanom-pitaovana hafa izay mampianatra momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.
Sahanasa fianarana fanampiny
Manomàna lesona ampianarin’ny misiônera
Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe misiônera izy ireo ary mila miomana hampianatra olona iray momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Asao ny mpianatra handalina ilay fizarana mitondra ny lohateny hoe “Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy” ao amin’ny pejy 51–52 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny asa fanompoan’ny misiônera (2019). Asao ny mpianatra hanomana votoatin-desona 5 ka hatramin’ny 10 minitra arakaraka ny zavatra nianarany avy tamin’io loharanom-pitaovana io.Rehefa nahavita nanomana ny votoatin-desony ireo mpianatra dia zarao ny kilasy ary asao ny mpianatra hifandimby hampianatra ny lesony amin’ny mpiara-mianatra aminy na amin’ny vondrona kely. Raha tsy izany, dia afaka mizara ny leson’izy ireo amin’ny iray kilasy ny mpianatra vitsivitsy izay manolo-tena.
Ahoana no ahafahan’ny finoako an’i Jesoa Kristy mamela Azy hanova ny fiainako?
Asao ny mpianatra hamorona bokikely natao manokana mba hanampiana ny olona hahatakatra ny lanjan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manasa ny mpianatra handalina ny “Ny Sorompanavotana sy ilay dia eto an-tany,” nataon’i Elder David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo (Liahona, apr. 2012, 40–47) mba hanampiana azy ireo hanomana ity sahanasa ity. Afaka mampiasa ampahany avy amin’ny lahatsoratry ny Loholona Bednar ny mpianatra mba hamoronana lohateny sy votoatin-dahatsoratra ho an’ny bokikeliny.
Afaka manasitrana ireo izay mitodika any Aminy i Jesoa Kristy
Asehoy ireto sary manaraka ireto ho an’ity sahanasa fianarana ity.
Sary
Christ hanging on a cross at Calvary. Two thieves, also hanging on crosses are at the left and right of Christ. Numerous observers, including Mary, the mother of Christ, Mary Magdalene, other mourners and Roman soldiers are gathered around the crosses. Thunder clouds are gathering in the sky. The Old Testament prophet Moses pointing to a staff with a brass serpent attached to the top. The painting illustrates the event wherein Moses promised the Israelites that they would be saved from the fiery serpents if they looked at the brass serpent.
Araka ny voarakitra ao amin’ny Jaona 3:14–16 , dia nampitahain’i Jesoa Kristy tamin’ny fotoana nanandratan’i Mosesy ilay menarana varahina tany an’efitra ny fanomboana Azy tamin’ny hazo fijaliana izay efa ho avy. Asao ny mpianatra handalina ny Jaona 3:14–16 , 1 Nefia 17:40–41 , ary ny Almà 33:18–22 , ary hitady ny fomba ifandraisan’ity zava-nitranga nandritra ny andron’i Mosesy ity tamin’ny Fanomboana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.