Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Jaona 3:16


Fifehezana fotopampianarana: Jaona 3:16

Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy

Sary
Jesus Christ kneeling as He prays and atones in the Garden of Gethsemane. Christ is depicted wearing red and blue robes. He has His hands clasped and is resting them on a large rock. A small stream of light coming through the darkened and cloudy background shines on the face of Christ. Light emanates around Christ’s head.

Tamin’ny lesona teo aloha ianao dia nianatra mahakasika ny fitiavana lalina nasehon’ny Ray any An-danitra antsika tamin’ny alalan’ny nandefasany ny Zanany ho Mpamonjy sy Mpanavotra. Ity lesona ity dia hanome fahafahana anao hampitombo ny fahaizanao mifehy ity fotopampianarana ity amin’alalan’ny fanaovana tsianjery ireo andalan-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ara-tsoratra masina, sy amin’ny alalan’ny fanazavana ilay fotopampianarana ary ny fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

Fiomanan’ny mpianatra: Entano ireo mpianatra mba hisaintsaina ny fomba hampianarany olona momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany toy ny hoe misiônera amin’ny fotoana feno izy ireo.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona ity dia natao hampianarina aorian’ny lesona ara-potokevitr’ity fifehezana fotopampianarana ity (“Jaona 3:14–17”). Raha ilaina ny fanemorana ity lesona mahakasika ny fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa mba hampirindra ny fandaharam-pianarana, dia alaivo antoka fa ny lesona momba ny “Jaona 3:14–17” no ampianarinao ho an’io andinin-tsoratra masina io mandritra io herinandro io.

Tadidio sy hazavao

Mialoha ny fotoam-pianarana, dia soraty ary ataovy mikorontana eny amin’ny solaitrabe ireo teny ao amin’ny andian-teny manan-danja ara-tsoratra masina izay hita ao amin’ny Jaona 3:16 tahaka izao endrika mikorontana manaraka izao. Asaivo alamin’ny mpianatra ao amin’ny diary fandalinany ilay andinin-tsoratra masina, na mangataha mpianatra iray izay nanolo-tena ho eny amin’ny solaitrabe ary handahatra ireo teny amin’ny filaharany marina miaraka amin’ireo toko sy andininy marina. Raha ilaina, dia entano ny iray kilasy mba hanampy anao.

Ity manaraka ity dia ny andalan-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ara-tsoratra masina ho an’ny Jaona 3:16 izay mbola mikorontana. Alamino ireo teny ka soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny andalan-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ara-tsoratra masina marina.

Tokana toy no izao nitiavan’ ny 16 Fa izao nomeny Zanani-lahy Jaona tontolo Andriamanitra izao 3

Rehefa avy nandamina ireo andian-teny ireo ianao, dia makà fotoana hanaovana tsianjery ilay andalan-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ara-tsoratra masina.

Omeo fahafahana ireo mpianatra hanazavana ny fotopampianarana izay ampianarina ao amin’ilay fifehezana fotopampianarana. Ity manaraka ity dia ohatra amin’ny fomba fanaovana izany.

Eritrereto vetivety hoe misiônera amin’ny fotoanana feno ianao. Nasaina mpifankatia tsara fanahy iray izay tsy mbola naheno mihitsy ny momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ho ao an-tokantranony ianao. Raha miainga amin’ny zavatra nianaranao tamin’ny lesona teo aloha mikasika ny fitiavan’ Andriamanitra tamin’ny fandefasany ny Zanany dia inona ny zavatra mba azonao zaraina amin’ireo mpifankatia ireo?

Hevero ny hanasa ireo mpianatra mba hilalao an-tsehatra ity rafi-tantara ity miaraka amin’ny namany, na miangavia mpianatra vitsivitsy hilalao izany manoloana ny iray kilasy.

Fizàrana mampihatra

Makà fotoana hijerevana ireo foto-kevitra ao amin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy mahakasika ity sahanasa manaraka ity.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanambarana ireto ary angataho ireo mpianatra hanatona ka hanoratra sy hameno ireo teny tsy eo.

Fenoy ny banga amin’ireto andian-teny manaraka ireto.

Manao asa amim-p____.

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo f________ amin’ny fomba fijery m______ ny m__________.

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana n_______’ A________.

Amin’ireo fitsipika tsirairay ireo, dia manasà mpianatra iray izay mazoto mba hanome fanazavana 30 segondra ny dikan’ilay fitsipika.

Hevero ity rafi-tantara manaraka ity.

Rehefa tara fodiana in-droa nisesy tao an-trano i Sarai, dia sarotra taminy ny niresaka tamin’ny ray aman-dreniny. Fantany fa ho sarotra amin’ny ray aman-dreniny ny hino azy. Fantany ihany koa fa nanao safidy izay vao mainka hahatonga ny ray aman-dreniny tsy hatoky azy izy raha fantatr’izy ireo izany. Nahatsiaro ho meloka i Sarai, kanefa toa metimety kokoa ny tsy firaharahiana ireo olana ireo amin’izao. Ankoatra izany, dia hitany fa sarotra kokoa ny manao sy mahatsapa zavatra ara-panahy, izay nahatonga azy hieritreritra fa na tsy misy ny Ray any An-danitra na nandao azy noho ireo safidy izay nataony ireo. Tamin’izany, dia tsy nahafantatra izay tokony hatao sy izay hitodihana i Sarai.”

  • Inona no nahatonga izany ho toe-javatra sarotra tamin’i Sarai?

  • Raha teo amin’ny toeran’i Sarai ianao, dia inona no fanontaniana na olana lehibe indrindra izay mety ho nanananao?

Hevero ny fomba ahafahan’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ireo manampy an’i Sarai amin’ilay zavatra iainany. Raha ilaina izany, dia makà fotoana hijerena ny andiam-pehezanteny 5–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny Fifehezana fotopampianarana (2022) mba hianarana bebe kokoa ireo foto-kevitra ireo.

Manao asa amim-pinoana

Anjaranao ny manapa-kevitra raha tsara kokoa ny manao ity sahanasa ity miaraka amin’ny namana, na anaty vondron’olona vitsivitsy, na miaraka amin’ny iray kilasy.

  • Inona ny zavatra azon’i Sarai atao mba hanaovana asa amim-pinoana manoloana io toe-javatra io?

  • Inona ny zavatra azonao lazaina mba hanampiana azy raha toa ka mahatsapa izy fa sarotra loatra ny manao asa am-pinoana?

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

Efa tsapan’i Sarai fa simba ny fifandraisany amin’ny ray aman-dreniny sy Andriamanitra noho ireo safidy izay nataony. Toa vao mainka hanasaro-javatra ny firesahana malalaka amin’ny ray aman-dreniny sy Andriamanitra.

  • Amin’ny fomba ahoana no tsy mam-pety na tsy maha-feno ny fomba fijerin’i Sarai?

  • Inona no fantatrao momba ny Ray any An-danitra, na i Jesoa Kristy, na ny drafitry ny famonjena izay mety ilaina ho tsaroan’i Sarai?

  • Raha toa ka ianao no reny na rain’i Sarai, dia inona araka ny eritreritrao no mety ho fahatsapana anananao aminy? Inona no ho tianao ho takatr’ilay ny zanakao vavy sahirana mahakasika izany fahatsapanao izany?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

Makà minitra vitsivitsy hitadiavana andinin-tsoratra masina na fanambarana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay mety hanampy an’i Sarai. Raha ilaina, dia hevero ny hampiasa loharanom-pitaovana toy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina na ny Gospel Topics mba hanampy anao (jereo ny ChurchofJesusChrist.org). Mety hitondra tombontsoa ihany koa ny fampiasana ireo soratra masina izay efa nianaranao tao amin’ny lesona teo aloha, tahaka ny Jaona 3:14–17 na ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–11 .

Raha ilaina, dia ampio ireo mpianatra hamantatra ireo andinin-tsoratra masina izay mifandray amin’io rafi-tantara io. Mety hitondra tombontsoa ny fampisehoana ny lisitr’ireo andinin-tsoratra masina tao anatin’ilay taratasy zaraina tao amin’ny lesona teo aloha.

Rehefa vitan’ireo mpianatra izany, dia manasà mpianatra izay mazoto hanao izany mba hizara ny zavatra hitany. Hevero ny hampiasa ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanatsarana ny fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy.

  • Inona no nianaranao momba an’i Jesoa Kristy tamin’ny fandalinana nataonao ka mety hanampy an’i Sarai?

  • Milazà andian-teny roa farafahakeliny tamin’ny fandalinana nataonao ka mety hanampy an’i Sarai? Nahoana?

Hevero ny hanasa ireo mpianatra mba hizara ny zavatra nianarany tao amin’ity lesona ity ka mety hanampy azy ireo eo amin’ny fiainany manokana. Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fahamarinana izay nifanakalozana hevitra.

Famerenana

Ity sahanasa famerenana manaraka ity dia tokony hampiasaina mandritra ny lesona manaraka.

Ny andian-teny manan-danja ara-tsoratra masina ao amin’ny Jaona 3:16 dia manao hoe “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanani-lahy Tokana.”Ampio ireo mpianatra mba hamerina hijery io andalan-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ara-tsoratra masina io amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo hamerina izany miaraka amin’iray kilasy. Rehefa avy mamerimberina izany, dia tokony hamerina ilay andalan-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ara-tsoratra masina tamin’ny fifehezana fotopampianarana hafa izay nianarany ihany koa ireo mpianatra.

Hamoaka printy