Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Jaona 3:5


Fifehezana fotopampianarana: Jaona 3:5

Ateraky ny rano sy ny Fanahy mba hidirana ny fanjakan’ Andriamanitra

Sary
An eight year old girl and a priesthood holder standing together dressed in white baptismal clothing. The man is holding the girl’s arms in position for baptism. The image was photographed against a white background.

Tamin’ny lesona teo aloha ianao dia nianatra mikasika ny tenin’ny Mpamonjy tamin’i Nikodemosy momba ny fahaterahana indray ara-panahy amin’ny alalan’ny ordonansin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana. Ao amin’ity lesona ity dia afaka mizatra mampihatra ireo fitsipika mikasika ny fahazoana fahalalana ara-panahy ianao amin’ny alalan’ny fampiasana ilay fotopampianarana hoe tsy maintsy ateraky ny rano sy ny Fanahy isika mba hidirana ny fanjakan’ Andriamanitra.

Fanisiana marika ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Asao ny mpianatra hanisy marika ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka amin’ireo marika hafa efa nataony mba hahafahany mitadidy sy mahita ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny fomba mora kokoa. Ireo mpianatra mampiasa ny application Bibliothèque de l’Évangile dia afaka mamorona ihany koa marika fanamariham-pejy ho an’ireo andinin-tsoratra masina ireo.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hivonona hizara ao an-dakilasy ny zavatra izay ho ampianariny ao amin’ny kilasy iray ao amin’ny Kilonga mikasika ny Jaona 3:5 .

Sahanasa fianarana azo atao

Tadidio sy hazavao

Ity lesona ity dia natao mba ho ampianarina ny mpianatra aorian’ny lesona momba Jaona 3:1-8, izay lesona miresaka ny sahan-kevitr’io andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana io. Raha toa ity lesona fifehezana fotopampianarana ity ka ilaina ahemotra amin’ny herinandro hafa mba hampifanarahana izany amin’ny fandaharam-potoana any an-tsekoly, dia ataovy izay hampianarana ihany koa ny lesona miresaka ny sahan-kevitra mifanaraka amin’izany mandritra ilay herinandro.Ity sahanasa manaraka ity dia natao hanampiana ny mpianatra hanazava amin’ny tenin’izy ireo manokana ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Jaona 3:5 hoe tsy maintsy ateraky ny rano sy ny Fanahy isika mba hidirana ny fanjakan’ Andriamanitra. Ataovy izay hakana antoka fa manana fotoana hanazavana ity fotopampianarana ity amin’ny namana na vondron’olona vitsivitsy ny mpianatra tsirairay. Henoy tsara ny valintenin’izy ireo, ary amporisiho izy ireo hametra-panontaniana raha manana. Avereno jerena araka izay ilaina ny votoatin’ny lesona momba ny Jaona 3:1-8.Entano ireo mpianatra hampiasa ny sahanasa fanomanana ho an’ny mpianatra mba hanampy azy ireo amin’ny famaliana fanontaniana mandritra ity ampahan’ny lesona ity.

Alaivo sary an-tsaina fa nasaina ianao hampianatra kilasy iray ao amin’ny Kilonga mikasika io fahamarinana ao amin’ny Jaona 3:5 io hoe: tsy maintsy ateraky ny rano sy ny Fanahy isika mba hidirana ny fanjakan’ Andriamanitra.

  • Ahoana no hanazavanao ny hevitr’io fotopampianarana io amin’ilay kilasin’ny Kilonga? Ampidiro ao ny eritreritrao mikasika ny anjara asan’ny Mpamonjy ao amin’io dingana io, araka izay ampianarina ao amin’ny Almà 7:14 .

Ity fampiharana manaraka ity dia afaka manampy anao hitadidy ilay andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy hanao tsianjery ireo andian-teny manan-danja ara-tsoratra masina mandrafitra izany. Afaka manao sahanasa mitovy amin’izany ao amin’ny application Fifehezana fotopampianarana ianao raha manana fahafahana hampiasa izany.Soraty amin’ny pensilihazo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny hoe: “ Jaona 3:5 : Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’ Andriamanitra izy.” Avereno tenenina mafy na avereno ao an-tsainao imbetsaka ny ilay fehezan-teny.Misafidiana teny telo na efatra dia fafao ny litera rehetra ankoatry ny litera voalohany ao amin’ny tsirairay avy amin’ireo teny ireo. Avereno imbetsaka indray ilay fehezan-teny.Avereno ity fampiharana ity ary aza mijanona raha tsy ny litera voalohany amin’ny teny tsirairay sisa no tavela, araka izay aseho eto: “J____ 3:_R_____ m_____ o_____ t_ a_____ n_ r____ s__ n_ F_____, d__ t_ m_____ m____ a___ f______ A______ i_.”Avereno imbetsaka ity fehezan-teny ity ary amin’ny fampiasana ireo litera voalohany, dia andramo atao tsianjery ilay izy avy eo.

Fizàrana mampihatra

Asehoy eo amin’ny solaitrabe ity sahanasa manaraka ity. Omeo fotoana ny mpianatra hanazava fohy ireo fitsipika mikasika ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Ataovy izay ahazoanao antoka fa fantatry ny mpianatra tsara ireo fitsipika ireo alohan’ny hanohizana.

Alaivo sary an-tsaina hoe manana namana atao hoe Meghan ianao izay mpikambana ao amin’ny Fiangonana, fa tsy mpikambana kosa nefa ny reniny. Mino an’i Jesoa Kristy sy ny Baiboly ny reniny saingy tsy mpikambana amina fiangonana na aiza na aiza. Nanontany anao i Meghan hoe, “Tsy afaka mankany an-danitra ve ny reniko raha tsy vita batisa kanefa manao ny tsara eo amin’ny fiainana?”

  • Inona avy no mety antony mahatonga an’i Meghan hametraka io fanontaniana io?

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahatakatra ireo antony hametrahany an’io fanontaniana io alohan’ny hiezahana manampy azy hahazo ny valin’izany?

Mba hanampiana an’i Meghan hahita ny valin’ny fanontaniany mikasika ny maha-zava-dehibe ny batisa, dia afaka mampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy ianao.

Diniho izay fomba mety indrindra hanaovan’ny mpianatra ity sahanasa manaraka ity, hoe ataon’ny mpianatra tsirairay manokana ve, sa miaraka amina namana, sa ao anatina vondrona kely maromaro. Fantaro ny halehiben’ny fahavitrihana sy ny fifantohan’izy ireo, ary safidio ny fomba mifanaraka indrindra amin’ny zavatra ilain’izy ireo.

Manao asa amim-pinoana

Vakio ny andiam-pehezan-teny 5–7 ao amin’ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Tsipiho ny teny na andian-teny izay mety hanampy raha ampiharina ato anatin’ity trangan-javatra ity.

  • Inona avy ireo teny na andian-teny notsipihinao? Ahoana no ahafahanao mampihatra azy ireo ao anatin’ity trangan-javatra ity?

Mety hanampy ihany koa ny fametrahana fanontaniana fanaraha-maso fanampiny, tahaka ny hoe “Inona no zavatra manokana ho asainao ataon’i Meghan mba hanaovany asa amim-pinoana?”

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

Vakio ny andiam-pehezan-teny 8–10 ao amin’io fizarana io ihany ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana. Tsipiho ny teny na andian-teny izay mety hanampy raha ampiharina ato anatin’ity trangan-javatra ity.

  • Inona avy ireo teny na andian-teny notsipihinao? Ahoana no ahafahanao mampihatra azy ireo ao anatin’ity trangan-javatra ity?

Raha ilaina, dia mametraha fanontaniana fanampiny, tahaka ny hoe “Inona no anjara asan’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ao amin’ny drafitry ny famonjena?”

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

Vakio ny andiam-pehezan-teny 11–12 ao amin’io fizarana io ihany ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra amin’ny fifehezana fotopampianarana. Tsipiho ny teny na andian-teny izay mety hanampy raha ampiharina ato anatin’ity trangan-javatra ity.

  • Inona avy ireo teny na andian-teny notsipihinao? Ahoana no ahafahanao mampihatra azy ireo ao anatin’ity trangan-javatra ity?

Raha manampy ny mpianatra izany, dia mametraha fanontaniana fanaraha-maso, tahaka ny hoe “Ahoana no mety ampiasanao ilay fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Jaona 3:5 mba hanampiana an’i Meghan?” na “Inona no loharanom-pahalalana fanampiny nofidin’ Andriamanitra ka azonao atoro an’i Meghan? Ahoana no hanampian’ireo loharanom-pahalalana ireo azy?”Asao ny mpianatra hanazava ny fomba hampiasany ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy mba hanampiana an’i Meghan hahatakatra kokoa ny maha-zava-dehibe ny batisa. Asao ny mpianatra hiaraka tsiroaroa hilalao an-tsehatra ity trangan-javatra ity, ary mifandimby milalao ny toeran’i Meghan ireo mpianatra. Raha ilaina dia ampio ny mpianatra hanazava ny fotopampianarana sy hampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy.

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana

Amin’ny fotoam-pianarana manaraka dia avereno jerena ilay andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ara-tsoratra masina amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra hamerina ilay sahanasa momba ny litera voalohany izay noresahina tao amin’ity lesona ity.

Hamoaka printy