Seminera
Matio 4:1–11, Tapany 1


Matio 4:1–11, Tapany 1

Nanohitra ireo fakam-panahin’i Satana i Jesoa Kristy

Sary
Christ standing on a rocky ledge as He rebukes Satan who appears below Him. The painting depicts the event wherein Satan tried to tempt Christ after Christ’s forty day fast in the wilderness. Christ is commanding Satan to depart from His presence.

Taorian’ny nanaovana batisa ny Mpamonjy dia nandeha tany an’efitra Izy mba hiaraka amin’ Andriamanitra (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 4:1 [ao amin’ny tovana misy ny Dikantenin’i Joseph Smith ]). Nalain’i Satana fanahy Izy, saingy nahatohitra ireo fakam-panahy. Ao amin’ity lesona ity ianao dia afaka ny hahita ireo fitsipika izay hanampy anao hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny fanoherana ny fakam-panahy izay ataon’i Satana.

Famakiana ireo andinin-tsoratra masina. Maro ireo fomba azo hamakiana andinin-tsoratra masina mandritra ny fotoam-pianarana, anisan’izany ny famakiana iarahan’ny daholobe, ny famakiana mafy ao anatina vondrona kely, na ny famakian-teny mangina ataon’ireo mpianatra ho an’ny tenany manokana. Diniho ny zavatra ilain’ireo mpianatrao sy ny fahaiza-manao ananany, ary fidio ny fomba famakian-teny mifanaraka amin’ny zavatra ilain’ny mpianatra rehetra. Ohatra hoe raha misy mpianatra vitsivitsy manana olana amin’ny famakian-teny dia mety hanampy ny fanasana ireo mpianatra mahay mamaky teny tsara mba hamaky teny eny anoloana. Ny famakian-teny isam-bondrona kely na miaraka amin’ny namana ihany koa dia mety hanampy azy ireo hampitombo ny fahavitrihana ao an-dakilasy.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hieritreritra ireo fakam-panahy izay atrehany amin’izao sy ny fomba azon’ny Mpamonjy hanampiana azy ireo hanohitra izany.

Sahanasa fianarana azo atao

Samy miatrika fakam-panahy avokoa isika rehetra

Aza mandany fotoana be loatra amin’ilay ampahany fanombohana ny lesona. Ampio ireo mpianatra hifantoka kokoa amin’ny maha-zava-dehibe ny fanoherana ny fakam-panahy fa tsy amin’ireo fakam-panahy.Misy sahanasa hafa azo atao mba hanombohana ny fotoam-pianarana ao amin’ny fizarana “sahanasa fianarana fanampiny” ato amin’ity lesona ity.

Manaova sary tsotra vita amin’ny tsipitsipika maneho olona anankiray mitovy taona aminareo ao amin’ny diary fandalinanareo na amin’ny sombin-taratasy iray. Soraty eo akaikin’ilay sary ny fakam-panahy roa na telo mety atrehan’io olona io.

  • Nahoana io olona io no mety hanaiky ho azon’ireo fakam-panahy ireo?

  • Mety ho tsara kokoa toy ny ahoana ny fiainan’izy ireo raha toa ka afaka manohitra ireo fakam-panahy ireo izy ireo?

  • Inona avy ireo fitahiana efa azonareo rehefa nahatohitra fakam-panahy ianareo?

Eo am-pandalinanareo androany dia saintsaino ireo fakam-panahy atrehanareo. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina eo am-pitadiavanao ny zavatra azonao ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Mpamonjy momba ny fomba hanoherana ireo fakam-panahy ireo sy ireo izay mbola ho avy.

Niatrika sy nahatohitra fakam-panahy i Jesoa Kristy

Mampianatra ny soratra masina fa niatrika fakam-panahy isan-karazany ny Mpamonjy “saingy tsy nilefitra tamin’ireny” ( Fotompampianarana sy Fanekempihavanana 20:22 ; jereo ihany koa ny Môzià 15:5 ; Almà 7:11).

Taorian’ny batisany no nitrangan’ny traikefa iray, rehefa nandeha tany an’efitra Izy mba hiaraka amin’ Andriamanitra (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 4:1 ). Rehefa avy nifandray akaiky tamin’ Andriamanitra nandritra ny 40 andro i Jesoa, dia tonga naka fanahy azy i Satana (jereo ny Matio 4:2 ). Rehefa mandalina io zava-niseho teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy io isika dia afaka mianatra avy amin’ireo ohatra izay nasehony mba hanoherana ireo fakam-panahy izay atrehantsika.

Mahakasika io tantara io, ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manolotra fanovana sy fanazavana izay afaka manampy antsika hahatakatra mazava kokoa ny soratra masina. (Mety ho tianao angamba ny hijery ny fampahalalana izay hita ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith ao amin’ny lesona “Fandalinana soratra masina”.)

Rehefa mampiasa ny Dikantenin’i Joseph Smith ianao ato amin’ity sahanasa manaraka ity, dia jereo ny fomba hampitomboan’ny fampiasana izany ny fahatakaranao ireo soratra masina. Mifantoha tsara amin’ny fitaoman’ny Fanahy Masina ary raiso an-tsoratra izay bitsika voarainao.

Vakio tsara ny Matio 4:1–11 , miaraka amin’ireo fanovana nomena ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith. Mitadiava fomba azo hamenoana ity fehezan-teny ity: Afaka manampy antsika hanohitra ny fakam-panahy ny __________________.

Azonao ampiasaina ity tabilao manaraka ity mba hanampy anao.

Ataovy sary eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity dia fenoy amin’ny alalan’ny valintenin’ny mpianatra izany.

Ny zavatra nakan’i Satana fanahy an’i Jesoa mba hataony

Ny fomba namalian’i Jesoa ilay fakam-panahy

Matio 4:1–4

Matio 4:5–7

Matio 4:8–11

Raha toa ka tsy manana fitaovana hijerena ny Dikantenin’i Joseph Smith ny mpianatra dia asehoy eny amin’ny solaitrabe na amin’ny peta-drindrina ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ireo andininy ireo. (Ireo andinin-tsoratra masina ireo dia omena ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho” ato amin’ity lesona ity.)

Omeo fotoana ny mpianatra handalinana tsara ny Matio 4:1–11 . Azonao atao ny miara-miasa amin’ireo mpianatra tsirairay mba hanampiana azy ireo hahita ireo zavatra izay mety hanampy azy ireo hamantatra ireo fitsipika.

Mety hahita fitsipika maro ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny mpianatra, anisan’izany ireto manaraka ireto:

Ny fanamafisana ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra dia afaka manampy antsika hanohitra fakam-panahy (jereo ny Dikantenin’’i Joseph Smith, Matio 4:1, 5, 8 [ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith—Tovana ]).

Ny fifadian-kanina amim-pahazotoana dia afaka manampy antsika hanohitra ny fakam-panahy (jereo ny Matio 4:2 ; Matio 4:3–4).

Ny fanaisorana ireo fitaoman-dratsy amin’ny fiainantsika dia afaka manampy antsika hanohitra ny fakam-panahy (jereo ny Matio 4:10).

Ny fahatakarana ny tena maha-isika antsika dia manampy antsika hanohitra fakam-panahy (jereo ny Matio 4:3–10).

Ny fitadidiana sy ny fampiharana ireo fahamarinana avy ao amin’ny soratra masina dia afaka manampy antsika hanohitra ny fakam-panahy (jereo ny Matio 4:1–10). Marihina fa hiompana amin’ity fahamarinana ity ny lesona manaraka.

  • Inona avy ireo fitsipika hitanareo avy amin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy?

  • Ahoana no ahafahan’ireo fitsipika ireo manampy anareo handray ny herin’ny Mpamonjy mba hanampy anareo sy ny hafa hanohitra fakam-panahy?

  • Mety hanatsara ny fandalinanareo sy hanampy anareo hahafantatra ny Mpamonjy kokoa amin’ny fomba ahoana ny fampiasana ny Dikantenin’i Joseph Smith amin’ny fandalinana soratra masina izay ataonareo manokana?

Jereo ilay sary noforoninareo tany am-piandohan’ny lesona sy ireo fitsipika izay hitanareo avy amin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 4:1–11 .

  • Inona no fitsipika tsapanareo fa mety hanampy indrindra io olona izay nataonareo sary io? Nahoana?

  • Inona no nianaranareo momba an’i Jesoa Kristy ka azonareo zaraina amin’io olona? Ahoana no hanampian’izany azy ireo?

Afaka mamonjy antsika ao anatin’ireo fakam-panahy mahazo antsika ny Mpamonjy

Asao ny mpianatra amin’ity ampahan-desona ity mba hitadidy ny zavatra neritreretiny sy ny zavatra tsapany avy amin’ilay sahanasa Fiomanan’ny mpianatra.

Eritrereto ireo fakam-panahy izay atrehanao. Indraindray isika dia mety mahatsiaro ho meloka na mpanota satria mahatsapa ho azon’ny fakam-panahy. Kanefa zava-dehibe ny mahafantatra fa ny fahatsapana ho alaim-panahy sy ny fakam-panahy fotsiny amin’izao dia tsy fahotana—fa ny fanaovana ilay zavatra no fahotana. Koa satria nalaim-panahy ihany koa ny Mpamonjy kanefa dia nitoetra ho tsy nanam-pahotana Izy, dia fantatsika fa afaka mamonjy antsika Izy (manampy, na manohana) rehefa alaim-panahy isika (jereo ny Hebreo 2:18 ; 4:15–16).Ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampahatsiahy antsika hoe:

Sary
Elder Ulisses Soares, Quorum of the Twelve Apostles official portrait.

Ho an’ireo izay latsaka ao anatin’ny fakam-panahy, na inona na inona antony, ary manohy manao asa tsy am-pahamarinana, dia manome toky anareo aho fa misy ny lalana miverina, misy ny fanantenana ao amin’i Kristy.

(Ulisses Soares, “Katsaho i Kristy amin’ny eritreritra rehetra,” Liahona, nôv. 2020, 84)

  • Inona no foto-kevitra manampy indrindra izay nianaranao momba ny Mpamonjy tato amin’ity lesona ity? Nahoana no manampy anareo ilay izy?

  • Aza tantaraina ireo fakam-panahy mahazo anao manokana, fa mba lazao hoe inona ny zavatra tsapanao fa tokony hataonao mba hahafahanao miantehitra feno kokoa amin’ny Mpamonjy mba hanampy anao hanohitra fakam-panahy?

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 4:1–2, 5–6, 8–9, 11. Inona no fanitsiana nataon’i Joseph Smith tao amin’ny Matio 4:1–11 tao amin’ny fandikan-teny nentanim-panahy izay nataony?

[Ireo teny izay nosoratana amin’ny soramandry dia maneho ireo fanitsiana nentanim-panahy nataon’i Joseph Smith.]

1 Dia notarihin’ny Fanahy i Jesoa hankany an’efitra, mba hiaraka amin’ Andriamanitra.

2 [Ary rehefa nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina Izy, sy niresaka tamin’ Andriamanitra, dia noana Izy, ary tavela mba ho alain’ny devoly fanahy]

5 Dia nentina hankao amin’ny tanàna masina i Jesoa, ary nampitoetra Azy teo an-tampon’ny tempoly ny Fanahy.

6 Dia nanatona Azy ny devoly ary nanao hoe: Raha Zanak’ Andriamanitra Ianao dia mianjerà any ambany any, fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao; ary eny an-tanany no hitondran’ireo anao fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao.

8 Ary Tao, amin’ny Fanahy indray i Jesoa, ary izany dia nitondra Azy ho any amin’ny tendrombohitra avo izaitsizy tokoa ka nampiseho Azy ny fanjakana rehetra eto amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny.

9 Ary tonga teo aminy indray ny devoly ka nanao hoe: Ireo zavatra rehetra ireo dia homeko anao miankohoka eto anoloako ianao ary midera ahy.

11 Ary ankehitriny dia nahalala i Jesoa fa efa naiditra an-tranomaizina i Jaona, ka nirahiny ireo anjely, ary indro, tonga ireo ka nanompo azy.

Nahoana no zava-dehibe amin’ny fanoherana fakam-panahy ny fitandremako ny eritreritro?

Ny loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namaritra fomba iray azontsika hanarahana ny ohatry ny Mpamonjy mba hanoherana ny fakam-panahy. Jereo ny “Mikatsaka an’i Kristy amin’ny eritreritra rehetra” manomboka eo amin’ny minitra faha-10:56 ka hatramin’ny faha-12:37 (izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org), na vakio ity teny nambara manaraka ity.

Sary
Elder Ulisses Soares, Quorum of the Twelve Apostles official portrait.

Rehefa niomana hanatanteraka ny iraka masina nampanaovina azy teto an-tany i Jesoa Kristy Mpamonjy dia naneho ohatra ny amin’ny fanoherana tsy tapaka izay rehetra mandresy lahatra antsika tsy hahatontosa ny tanjontsika mandrakizay. Rehefa niharan’ny fanafihana tsy nahomby nataon’ny fahavalo, izay niezaka nanelingelina azy tsy hifantoka amin’ny iraka nampanaovina Azy ny Mpamonjy dia nandroaka tamin’ny fomba hentitra ny devoly nanao hoe: “Mandehana hianao, ry Satana. … Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy.”

Azonareo sary an-tsaina ve ry rahalahiko sy anabaviko ny zavatra hitranga rehefa mahazo tanjaka sy herimpo avy amin’ny Mpamonjy isika ka hiteny amin’ireo eritreritra tsy mendrika hoe “Tsia” sy hoe “Mandehana hianao” amin’ny fotoana voalohany hahatongavan’izany ao an-tsaintsika? Inona no ho vokatr’izany amin’ny fanirian’ny fontsika? Hihazona antsika ho akaiky ny Mpamonjy sy hamela ny fitaomana tsy tapaky ny Fanahy Masina ho eo amin’ny fiainantsika amin’ny fomba ahoana ny zavatra ataontsika vokatr’izany? Fantatro fa rehefa manaraka ny ohatr’i Jesoa isika dia hisoroka loza maro sy toetra tsy tsara izay mety hiteraka olana sy fifandirana eo amin’ny fianakaviana, fihetsehampo sy fironana ratsy, fanaovana zavatra tsy rariny sy manararaotra, fanandevozan’ny fiankinan-doha ratsy, ary izay zavatra hafa rehetra mifanohitra amin’ny didin’ny Tompo.

(Ulisses Soares, “Mikatsaka an’i Kristy amin’ny eritreritra rehetra,” Liahona, nôv. 2020, 84– 85)

Nahoana aho no haniry ny hahatohitra fakam-panahy?

Ahoana no ahafahan’ny soratra masina manampy ahy handresy ireo fakam-panahy?

Nanazava ny Loholona Kelly R. Johnson ao amin’ny Fitopololahy hoe:

Nitombo hery sy afaka nanohitra ireo fakam-panahin’i Satana ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fiomanana. Rehefa manaraka ny ohatry ny Mpamonjy isika ary miomana amin’ny alalan’ny fandalinana ny tenin’ Andriamanitra sy mampiorim-paka ny finoantsika, dia afaka ihany koa mahazo sy mampiasa ny herin’ Andriamanitra mba hanoherana ny fakam-panahy.

(Kelly R. Johnson, “Hery Maharitra,” Liahona, nôv. 2020, 113)

Sahanasa fianarana fanampiny

Safidy azo atao hanombohana ny lesona

Ny “efitrano fandosirana” dia fialam-boly ampiasaina mba hampanaovana fanamby ny olona hitady fomba handosirana toe-javatra manokana iray. Mety hanampy ny mpianatra ny fijerena ny Matio 4:1–11 mba ho drafitra hanampy azy ireo “handositra ny fakam-panahy” (jereo ny 1 Korintianina 10:13). Manomeza zavatra azo tsapain-tanana atao famantarana izay mifandray amin’ny Matio 4:1–11 , ary asao ny mpianatra hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy mba handosirana ny fakam-panahy. Ohatra hoe, azo omena valopy fasiana fanatitra amin’ny fifadian-kanina ireo mpianatra mba hanehoana ny fifadian-kanina na andiana soratra masina mba hanehoana ny fianarana ny tenin’ Andriamanitra ao amin’ny soratra masina.

Hamoaka printy