Seminera
Lioka 5:1–11


Lioka 5:1–11

Fanarahana ny Tompo sy fanatanterahana ny tanjontsika masina

Sary
Christ standing on a seashore. He is beckoning to two men who stand near Him. The two men are holding a fishing net over a small fire. Fishing boats and fishermen are visible in the background. The painting depicts Christ calling some of His Apostles or disciples.

Rehefa nahazo tamin’ny fomba mahagaga “hazandrano be dia be” i Simona Petera, i Andrea, sy i Jakoba ary i Jaona taorian’ny nanasan’ny Mpamonjy azy ireo mba handatsaka ny haraton’izy ireo (Lioka 5:4, 6), dia tsinjon’izy ireo kely ny zavatra azon’izy ireo tontosaina niaraka tamin’ny fanampian’ny Mpamonjy. Dia nisafidy ny handao ny zava-drehetra ireo mpanarato ireo mba hanaraka an’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia natao mba hanampiana anao hahatsapa faniriana hanaraka an’i Jesoa Kristy mba hahafahany manampy anao hahavita zavatra betsaka mihoatra lavitra noho izay azonao atao raha tsy misy Azy.

Ampianaro ny mpianatra mba “[hampihatra ny soratra masina] amin’ny tena[n’izy ireo]” (1 Nefia 19:24). Ny fampiharana ny soratra masina amin’ny tenantsika dia midika ho fampitahana azy ireo amin’ny fiainantsika manokana. Amporisiho ny mpianatra hanontany hoe: “Inona ireo toe-javatra eo amin’ny fiainako izay mitovy amin’ireo toe-javatra ao amin’ity andinin-tsoratra masina ity?” na “Inona no mampitovy ahy amin’ireo olona izay ianarantsika ao anatin’ny soratra masina?” Rehefa mahita fitoviana eo amin’ny zavatra niainany manokana sy ireo trangan-javatra nianarany ao amin’ny soratra masina ny mpianatra dia ho afaka hamantatra bebe kokoa ireo Fotopampianarana sy fitsipika izy ireo ka hampihatra izany eo amin’ny fiainany.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hivavaka mba hahafantarany ny tanjon’ Andriamanitra eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ireo mpianatra izay nahazo tsodranon’ny patriarika dia afaka mamaky izany ary mitady izay nambaran’ Andriamanitra momba ny tanjom-pisian’ny fiainan’izy ireo. Ny hafa dia mety hahazo tombontsoa amin’ny firesahana amin’ny ray aman-dreniny na ny fitadiavana hevitra ao amin’ny soratra masina.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny fitsipika fototra amin’ity lesona ity dia mitovy amin’ny fitsipika iray izay hamafisina ao amin’ny rindran-damina ho an’ny Matio 4; Lioka 4–5 ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023. Azonao atao ny miainga avy amin’ny zavatra mety efa noresahan’ireo mpianatra tany an-trano ary manasa ny mpianatra hizara amin’ny fianakaviany ny zavatra nianarany tao amin’ny seminera.Misy hevitra hafa momba ny lesona hita ao amin’ny fizarana “Sahanasa fandalinana fanampiny” ao amin’ny lesona.

Fanatrarana tanjona lehibe kokoa

Makà iray minitra hieritreretana ireo olona sasany izay nahavita zavatra lehibe satria nanampy azy ireo hahatakatra ny tanjon’izy ireo Andriamanitra.

Manehoa sarin’olona izay notononin’ny mpianatra avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana na avy amin’ny soratra masina. Azo aseho ihany koa ny sary maromaro mba hampahatsiahivana ny mpianatra ireo olona ireo. Ny mpianatra dia mety hieritreritra olona toa an’i Rebeka (jereo ny Genesisy 24:60), Maria (jereo ny Lioka 1:28–31), Simona Petera (jereo ny Matio 4:18–19 ; Lioka 5:10), na Joseph Smith (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:33).

  • Nahoana no mety ho zava-dehibe amin’ny olona iray ny mahatakatra ny tanjony lehibe indrindra?

  • Inona avy ireo fahasamihafana tsikaritrao teo amin’ny fiainan’ny olona izay mahatakatra ny tanjon’ Andriamanitra ho azy ireo sy ireo izay tsy mahatakatra izany?

Ity lesona ity dia hifantoka amin’ny fomba nanampian’i Jesoa Kristy an’i Simona Petera (izay fantatra ihany koa amin’ny hoe Petera) hahita fa nanana tanjona lehibe kokoa ho azy Izy. Rehefa mandalina ianao dia tadiavo ny porofon’ilay fitsipika milaza hoe rehefa misafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy isika dia afaka manampy antsika hahatakatra sy hanatratra tanjona lehibe kokoa ho an’ny fiainantsika Izy.

Azonao atao ny manoratra ity fitsipika ity eny amin’ny solaitrabe mba hanampiana ny mpianatra hahatadidy izany rehefa mitady porofo manamarina an’ity fitsipika ity mandritra ny lesona izy ireo.

Niantso an’i Simona Petera hanaraka Azy i Jesoa Kristy

Taorian’ny nanatanterahan’ny Mpamonjy fahagagana maro tany Jodia, anisan’izany ny fanasitranana ny rafozambavin’i Simona Petera (jereo ny Lioka 4:38–39), dia nankany amoron’ny farihin’i Genesareta (anarana iray hafa fiantsoana ny Ranomasin’i Galilia) Izy. Niakatra teo ambonin’ny sambo fanjonoan’i Simona Petera Izy dia nipetraka mba hampianatra ny olona marobe teny amoron-drano (jereo ny Lioka 5:1–3). Rehefa avy nampianatra i Jesoa dia nanolotra fanasana ho an’i Simona Petera Izy.

Raha miara-mamaky ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ny mpianatra rehetra dia asao izy ireo hiato isaky ny avy mamaky andininy iray na roa ary ampio izy ireo haka sary an-tsaina hoe i Simona Petera izy ireo. Asao izy ireo mba hilaza ny zavatra ianarany.

Vakio ny Lioka 5:4–11 . Rehefa mamaky izany ianao dia andramo alaina sary an-tsaina fa ianao no Simona Petera, izay mpanjono za-draharaha.

  • Inona avy ireo antsipirian-javatra tsapanao fa manan-danja ao anatin’io tantara io? Nahoana?

  • Inona araka ny eritreritrao no mety ho neritreretin’i Petera na tsapany?

Makà fotoana kely hitadiavana ny porofo rehetra ao amin’ity tantara momba an’i Jesoa Kristy nanampy an’i Petera ity mba hahatakaran’i Petera fa nanana tanjona lehibe kokoa ho azy ny Tompo.

  • Inona no mety lasa fantatr’i Petera momba ny tenany avy amin’ity zavatra niainany niaraka tamin’ny Mpamonjy ity?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tian’ny Tompo hitarina ny fahitantsika hoe iza isika ary inona no azontsika atao?

Fampitahana ny zavatra niainan’i Simona Petera amin’ny antsika

Afaka mianatra lalina kokoa avy amin’ity tantara ity isika rehefa mampitaha ny zavatra niainan’i Simona Petera amin’ny zavatra mety efa iainantsika. Ity fahaizana mandalina soratra masina ity ilay noresahin’i Nefia ao amin’ny Bokin’i Môrmôna rehefa nilaza izy fa “efa nampihari[ny taminy] ny tenin’ny soratra masina rehetra” ( 1 Nefia 19:23). Ny fampiharana ny soratra masina amin’ny toe-javatra iainantsika manokana dia afaka manampy antsika ho “[resy] lahatra tanteraka … mba hinoana ny Tompo Mpanavotra [antsika]” ary afaka ny “ho tombontsoa[ntsika] sy ho fianarana ho [antsika]” ( 1 Nefia 19:23).Makà fotoana kely hampitahana ny zavatra niainanao amin’ny zavatra niainan’i Petera amin’ny fanaovana izao manaraka izao:Zarao roa ny pejy iray ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina mba hahafahanao mitanisa ny mombamomba ny zavatra niainan’i Petera eo amin’ny ilany iray ary mba hahafahanao mijery ny toe-javatra misy anao eo amin’ny ilany iray hafa. Raha ilaina dia jereo ny soratra masina sy izay mety ho fitaovana azo ampiasaina momba ny soratra masina (ohatra hoe ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “ Petera ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org) mba hanampy anao hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto.

Omeo ireto fampahalalana manaraka ireto ao amin’ny taratasy zaraina iray ny mpianatra, na asehoy eny anoloana izany. Hevero ny hiara-hiasa mba hamaliana ireo fanontaniana momba an’i Petera. Azonao atao avy eo ny mangataka ny mpianatra hisaintsaina mangina ary hanoratra momba ny zavatra niainany manokana.

Fampitahana ny zavatra niainan’i Petera amin’ny fiainantsika manokana

Ahoana no mety namaritan’i Petera ny tenany talohan’ny nihaonany tamin’i Jesoa?

Ahoana no hamaritako ny tenako?

Vonona ny hanaraka an’i Jesoa Kristy i Petera ary nandao ny asa fivelomany tamin’ny naha-mpanarato azy (jereo ny Lioka 5:11). Mety ho hafa toy ny ahoana raha ny fijerinao azy ny fiainan’i Petera raha tsy nifidy ny hanaraka ny Mpamonjy izy?

Inona no mety angatahina amiko mba ho afoiko hanarahana an’i Jesoa Kristy?

Inona no mety ho fiantraikan’izany amin’ny fiainako raha misafidy ny tsy hanaraka an’i Jesoa Kristy aho?

Ahoana no nahatanterahan’i Petera ny tanjona lehibe kokoa nananan’ny Tompo ho azy teo amin’ny fiainany?

Eritrereto ireo soratra masina, ny drafitry ny famonjena, ireo tsodranon’ny fisoronana, ary raha efa manana ianao dia ny tsodranon’ny patriarika nomena anao.

Inona no fantatro momba ny tanjona lehibe kokoa nomanin’ny Tompo ho ahy?

Inona no fanontaniana ananako momba ny tanjoko?

Sary
Handout on Likening Peter’s Experience
  • Nanampy anao hahafantatra na hino kokoa an’i Jesoa Kristy tamin’ny fomba ahoana ny fampiharana ny soratra masina tamin’ny tenanao?

  • Inona no porofo hitanao manamarina fa afaka manatratra tanjona lehibe kokoa ho an’ny fiainantsika isika rehefa misafidy hanaraka an’i Jesoa Kristy?

  • Oviana ianao no nahatsikaritra olona voataona hanao ny tsara noho ny fahatakarany ny tanjon’izy ireo?

  • Inona no ho ataonao noho ny zavatra tsapanao na nianaranao androany?

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Lioka 5:8 . Nahoana i Petera no niantso ny tenany hoe “olo-meloka”?

Rehefa nihaona voalohany tamin’ny Mpamonjy i Petera ary nanatri-maso ny heriny mahagaga, dia fantatr’i Petera fa “olo-meloka” izy ka tena nila ny hery manavotry ny Mpamonjy ( Lioka 5:8). Ny tenin’i Petera dia maneho fa rehefa manakaiky an’ Andriamanitra isika dia lasa mahatsapa ny maha-olo-meloka antsika sy ny tsy fahamendrehantsika ary maniry hahazo ny fanampiany mba ho tonga tahaka Azy kokoa.

(Boky Torolalana ho an’ny Mpianatra :Testamenta Vaovao [2018], ChurchofJesusChrist.org)

Inona no azon’ny Tompo atao amintsika rehefa manaraka Azy isika?

Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) hoe:

Sary
Photograph of President Ezra Taft Benson. He is seated in a leather chair in front of a fireplace. His hands are clasped in front of him and he is wearing a large turquoise ring on one finger. Official portrait. 1986

[Ireo] izay mampitodika ny fiainany amin’ Andriamanitra dia hahita fa Izy dia afaka manao zavatra bebe kokoa avy amin’ny fiainan’izy ireo mihoatra izay azon’izy ireo atao. Ho ataony lalim-paka ny fifalian’izy ireo, hitariny ny fomba fijery sy ny fahatakaran’izy ireo, ho ataony mailaka ny fisainan’izy ireo, hohatanjahany ny hozatr’izy ireo, hampahereziny ny fanahin’izy ireo, hampitomboany ny fitahiana azon’izy ireo, hampitomboany ny fotoana hahafahan’izy ireo manao zavatra, hampitoniany ny fanahiny, homeny namana,ary handrotsahany fiadanana. Na iza na iza hamoy ny ainy amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra dia hahazo ny fiainana mandrakizay.

(Ezra Taft Benson, “Jesus Christ—Gifts and Expectations,” Ensign, Des. 1988, 4)

Sahanasa fianarana fanampiny

Asao ny mpianatra hieritreritra ny maha-zava-dehibe ny fahatakarana hoe iza izy ireo ary afaka ny ho lasa toy ny ahoana izy ireo rehefa manaraka an’i Jesoa Kristy Mpamonjy. Mety hahazo tombontsoa ihany koa ireo mpianatra avy amin’ny fieritreretana ireo sakana mety hatrehin’izy ireo amin’ny fanatrarana ny tanjony lehibe indrindra azon’izy ireo ahatongavana. Angataho ny mpianatra handinika ny zavatra ho ataon’izy ireo mba handresena ireo sakana ireo ary hanaraka ny Mpamonjy amim-pinoana.

Nandao ny haratony i Petera mba hanaraka ny Mpamonjy

Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ireo fananana manan-danja eo amin’ny fiainany. Avy eo dia ampio ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny maha-zava-dehibe ny fisafidianana hanaraka an’i Jesoa Kristy mihoatra ny zavatra hafa rehetra.Vakio ny Matio 4:18–22 dia ifanakalozy hevitra ny mety ho dikan’izao manaraka izao ho an’i Petera sy ireo mpanarato hafa: “nandao ny harato[ny] niaraka tamin’izay” ( andininy 20) izy ireo mba hanaraka an’i Jesoa Kristy.Ampiasao ity teny manaraka avy amin’ny Loholona Joseph B. Wirthlin (1917–2008) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra hoe inona ny zavatra mety hisakana antsika tsy hanaiky ny fanasana hanaraka an’i Jesoa Kristy:

Sary
Photograph of President Ezra Taft Benson. He is seated in a leather chair in front of a fireplace. His hands are clasped in front of him and he is wearing a large turquoise ring on one finger. Official portrait. 1986

Azontsika atao ny mamaritra ny harato hoe izay zavatra rehetra misarika antsika na misakana antsika tsy hanaraka an’ilay antson’i Jesoa Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra velona.Ny harato ato amin’ity sahan-kevitra ity dia mety ho ny asantsika, ny fialambolintsika, ny fahafinaretantsika ary ambonin’ny zavatra rehetra, ny fakam-panahy sy ny fahotantsika. Raha fintinina, ny harato dia mety ho izay zavatra manosika antsika hanalavitra ny fifandraisantsika amin’ny Raintsika any An-danitra na amin’ny Fiangonany izay naverina tamin’ny laoniny.Mamela ahy hanome ohatra miseho amin’izao fotoana izao ho anareo. Afaka ny ho fitaovana tena manampy sy ilaina ny solosaina. Kanefa rehefa avelantsika handanyny fotoantsika amin’ny zavatra tsy misy dikany, tsy mahasoa ary indraindray manimba izany dia lasa harato mamandrika antsika.

(Joseph B. Wirthlin, “Follow Me,” Ensign, May 2002, 15)

Ampio ny mpianatra hamantatra ireo fitahiana avy amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fangatahana azy ireo hisaintsaina sy hifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Inona no ianarantsika momba ny Mpamonjy avy amin’ny fanasany antsika hanaraka Azy?

  • Inona no fitahiana efa azonareo rehefa nisafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy ianareo?

Mahazo fitahiana isika rehefa mankatò ny didin’ny Tompo, na dia tsy azontsika tanteraka aza ny antony hanaovany izany

Angataho ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny fahasarotan’ny fanarahana torolalana nefa tsy mahatakatra tanteraka ny antony hanaovana izany. Azo asaina avy eo ny mpianatra mba hamaky ny Lioka 5:1–11 , ka hitady ny zavatra nasain’ny Tompo nataon’i Petera sy ny fomba namaliany izany.Afaka mamantatra sy mifanakalo hevitra momba ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Raha manao izay angatahan’ny Tompo isika na dia tsy takatsika aza ny antony hanomezany ireo didiny dia afaka mitahy antsika mihoatra izay neritreretintsika Izy.Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny fotoana nahitany ny fiasan’ity fitsipika ity teo amin’ny fiainany na teo amin’ny fiainan’ny hafa.Misy ohatra hafa amin’ny fankatoavana ny Tompo nefa tsy nahatakatra ny antony nanomezany ny didiny ao amin’ny teny navalin’i Nefia an’ilay didy mba hanao takelaka roa samy hafa (jereo ny 1 Nefia 9:5–6) sy ny nampidiran’i Môrmôna ireo takelaka ireo ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (jereo Ny Tenin’i Môrmôna 1:6–7).

Hamoaka printy