Seminera
Famerenana Fifehezana Fotopampianarana 23


Famerenana Fifehezana Fotopampianarana 23

Takaro ary hazavao

Sary
Zatovovavy iray iray mandalina ny soratra masina.

Anisan’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampy anao hahatakatra ireo fampianaran’ny Mpamonjy izay voarakitra ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ary ny hahafahanao manazava izany amin’ny fomba fiteninao manokana. Ity lesona ity dia hanome fahafahana anao hampitombo ny fahatakaranao sy hanazava ireo fahamarinana hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 13 ao amin’ny tapany faharoa amin’ny Testamenta Vaovao.

Mamporisika ny fandalinana tsy tapaka sy ny famerenana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Mitaky fandalinana sy fampiharana ny fitadidiana, ny fahatakarana, ny fanazavana ary ny fampiharana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Mampianara lesona momba ny fifehezana fotopampianarana iray isan-kerinandro, ary amporisiho ireo mpianatra hamerina hijery tsy tapaka ny zavatra nianarany. Tsarovy fa ny fampiharana ny fifehezana fotopampianarana dia loharano iray manan-danja izay afaka manampy ireo mpianatra hanohy handalina ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hamerina hijery fohifohy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miisa 13 ao amin’ny tapany faharoa amin’ny Testamenta Vaovao ary hisafidy iray izay tiany ho takatra bebe kokoa avy eo.

Sahanasa fianarana azo atao

Azo ampianarina eo amin’ny toeran’ity lesona famerenana ity ny lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiray. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na ny mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra mba hahazoana antoka fa hampianarina avokoa ireo lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny fotoana ampianarana ny seminera.

Mametraka fanontaniana

  • Oviana ianao no nahatsiaro ho feno fankasitrahana fa nametraka fanontaniana tamin’olona iray? (Ohatra, mety hoe nianatra zavatra tamin’ny fametrahana fanontaniana ianao, na nahazo torohevitra sarobidy rehefa avy nitady hevitra tamin’ny namana na ray aman-dreny.)

Mizara traikefa manokana mba hanampiana ireo mpianatra hieritreritra ny zavatra niainany manokana.

  • Inona avy ireo antony vitsivitsy maha zava-dehibe ny fametrahana fanontaniana rehefa mianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

Ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nilaza hoe: “Ny fametrahana sy famaliana fanontaniana dia ivon’ny fianarana sy fampianarana rehetra” (“The Lord Will Multiply the Harvest” [evening with a General Authority, Feb. 6, 1998], 5–6, in Teaching Seminary: Preservice Readings [2004], 98).

Ny fametrahana fanontaniana mikasika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia afaka manampy antsika hahatakatra bebe kokoa izany ary hanasa bebe kokoa ny fanampian’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika.

Asehoy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 13 rehetra na asehoy amin’ny mpianatra ny toerana ahafahan’izy ireo mahita izany. Raha tianao, dia ampiasao ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 24 rehetra ao amin’ny Testamenta Vaovao ho an’ity famerenana ity, na mifidiana vitsivitsy fotsiny, arakaraka ny zavatra ilain’ny mpianatra.

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao: 1 Korintiana–Apokalypsy

1 Korintiana 6:19–20

“Tempolin’ny Fanahy Masina ny vatanao.”

1 Korintiana 11:11

“Kanefa ao amin’ny Tompo, tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.”

1 Korintiana 15:20–22

“Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.”

1 Korintiana 15:40–42

Amin’ny Fitsanganana amin’ny maty, dia misy ambaratongam-boninahitra telo.

Efesiana 1:10

“Amin’ny fotoampitantanan’ny fahafenoam-pahasoavana no hanangonany indray ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy.”

Efesiana 2:19–20

Ny Fiangonana dia “natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apôstôly sy ny mpaminany, ary Jesoa Kristy no fehizoro indrindra.”

2 Tesaloniana 2:1–3

“Ny [fiavian’i Kristy] … [dia] tsy ho avy […] raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana.”

2 Timoty 3:15–17

“Ny soratra masina … izay mampahendry anareo ho amin’ny famonjena.”

Hebreo 12:9

Ny Ray any An-danitra dia “Rain’ny fanahintsika.”

Jakoba 1:5–6

“Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra.”

Jakoba 2:17–18

“Ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.”

1 Petera 4:6

“Fa noho izao no [ni]toriana ny filazantsara tamin’ireo izay maty.”

Apokalypsy 20:12

“Ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky … araka ny asany.”

Sary
Fifehezana fotopampianarana

Ataovy miaraka amin’ny kilasy ity sahanasa manaraka ity amin’ny fampiasana ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana, dia asao ny mpianatra hamerina ilay sahanasa amin’ny fampiasana ny andinin-tsoratra masina samihafa fifehezana fotopampianarana izay nofidin’izy ireo. Afaka miasa ao anaty vondrona, tsiroaroa, na tsirairay ny mpianatra, arakaraka ny zavatra ilain’ny kilasy.

Mba hahitana ohatra iray amin’ny sahanasa atao mitovy amin’izany, dia jereo alohan’ny fotoam-pianarana ny horonan-tsary “2.7 Analyzing a Passage” (8.11), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Misafidiana iray amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 13 izay tianao ho takatra bebe kokoa. Vakio tsara izany. Fakafakao ireo teny sy andian-teny ao amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana, ka mariho ny zavatra azonao momba ilay andinin-tsoratra masina ary ny fanontaniana mety apetrakao na mety apetraky ny olon-kafa momba ilay andinin-tsoratra masina. Ohatra, ny zavatra mety hanontanianao momba ny Efesiana 2:19–20 dia ny hoe “Inona no atao hoe vato fehizoro ary nahoana i Jesoa Kristy no ampitahaina amin’izany?” Na mety hanontany tena ianao hoe inona no dikan’ilay teny hoe “fihemorana” ao amin’ny 2 Tesaloniana 2:1–3.

Manorata fanontaniana betsaka araka izay azonao atao.

Azon’ireo mpianatra atao ny manoratra ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay nofidiny ao anatin’ny diary fandalinany na amin’ny taratasy kely iray ary avy eo dia manoratra ny fanontaniany manodidina izany.

Rehefa avy nanoratra fanontaniana betsaka araka izay azonao atao ianao dia mifidiana fanontaniana vitsivitsy izay heverinao fa manan-danja indrindra ho takarina, ary valio amin’ny fampiasana fitaovana fandalinana soratra masina izay misy izany. Ireo fitaovana ireo dia ahitana ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, ny fanamarihana eny ambanin’ny pejy, ny application Médiathèque de l’Évangile, na ireo lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Azonao atao ihany koa ny misafidy ny hampiasa ny fomba fandalinana soratra masina izay nianaranao tamin’ity taona ity, toy ny famakiana ireo andininy manodidina na ny fiezahana hahatakatra ny sahan-kevitry ny soratra masina. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valinteninao.

Tsarovy fa tsy ny fanontaniana rehetra dia mety ho voavaly mora foana ary mety mitaky fotoana bebe kokoa ary fandalinana sy fisaintsainana ombam-bavaka.

Mba handraisan’izy ireo anjara bebe kokoa sy hamorona karazan-javatra maro kokoa dia angataho izy ireo hanoratra ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay nofidiny sy ny fanontanian’izy ireo amin’ny taratasy hafa misy ny anarany. Avy eo dia asao ny mpianatra hifanakalo ny taratasiny amin’ny mpianatra hafa. Ho solon’izany dia asao ny mpianatra hampita ny taratasiny eny aloha mba hahafahan’ireo taratasy ho voasokajy sy ho voazara amin’ny mpianatra hafa amin’ny fomba kisendrasendra.

Omeo fotoana ny mpianatra mba hampiasa ireo fitaovana sy fomba fiasa misy amin’ny fandalinana soratra masina mba hitadiavana ny valin’ireo fanontaniana ao amin’ireo taratasy voarain’izy ireo sy hirakitra ireo valiny ireo eo amin’ny taratasy. Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia asao ireo mpianatra hamerina ireo taratasy ireo amin’ireo mpianatra izay manana ny anarany eo amin’ny taratasy.

Asao ny mpianatra maromaro hizara ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana nofidiny, ny sasany amin’ireo fanontaniana nosoratany, ary ny valiny hitan’izy ireo na ireo mpiara-mianatra aminy. Azonao atao ihany koa ny manontany azy ireo hoe inona no manampy azy ireo hahatakatra ny momba ny Mpamonjy na ny filazantsarany tamin’ny alalan’ilay andinin-tsoratra masina.

Raha ampy ny fotoana (na amin’ny andro hafa), dia asao ny mpianatra hamerina ilay sahanasa amin’ny fampiasana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana hafa.

Hamoaka printy