Seminera
1–3 Jaona; Joda


1–3 Jaona; Joda

Topimaso

Ny Apôstôly Jaona dia nanoratra momba ny fitiavan’ Andriamanitra ny Olomasina sy ny fomba nanehoany izany fitiavana izany tamin’ny alalan’ny asa famonjena nataon’i Jesoa Kristy. Nampianariny fa ny fitiavantsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia afaka mandrisika antsika hitandrina ny didiny. Nampianatra ihany koa izy fa ny fitiavan’ Andriamanitra antsika dia afaka manentana antsika hitia ny hafa.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

1 Jaona 1–5

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra azy ireo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra ho vonona hizara fomba maromaro izay ahafahan’izy ireo mameno araka ny tokony ho izy ity fehezan-teny manaraka ity: “Andriamanitra dia …”

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hanomboka ny lesona amin’ny fanasana ireo mpianatra mba hameno ilay fehezan-teny hoe “Andriamanitra dia …” amin’ny fomba maro araka izay azony atao. Afaka mamaly am-bava na manoratra ny valin-teniny ao amin’ny chat ny mpianatra, na koa azo ampiasaina ny solaitrabe (tableau blanc) hanehoana ilay fehezan-teny hoe “Andriamanitra dia …” mba hahafahan’ny mpianatra mizara ny valinteniny. Azo ampiasaina ihany koa ny rindrambaiko fanaovana fanadihadiana an-jotra mba hakàna ny valin-tenin’ny mpianatra.

1 Jaona 2–4; 2 Jaona

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra mba hahatakatra ny fomba ahafahan’izy ireo maneho fitiavana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fitandremana ny didy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hisaintsaina izay zavatra tsapany momba ny fitandremana ny didy. Azon’izy ireo atao koa ny manontany olona izay fantany hoe inona no manosika azy ireo hitandrina ny didy.

  • Sary haseho: Sarin’olona anankiray mamihina an’i Jesoa Kristy

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Rehefa mametraka ireo fanontaniana manaraka ny fehezan-teny milaza fitsipika ao amin’ny lesona, dia hevero ny hanasa ny mpianatra mba handefa ny valin-teniny amin’ny alalan’ny fandefasana lahatsoratra ao amin’ny tamba-jotran-tserasera. Azon’izy ireo atao ny manoratra ny valin-teniny amin’ny tranokalan’ny tamba-jotran-tseraseara ary mizara ny efijeriny amin’ny iray kilasy. Na azon’izy ireo atao ihany koa ny manao ny sarin’ireo faribolana sy kisary amin’ny tambajotran-tserasera ao anatin’ny taratasy anakiray, mameno ny valinteniny ary mampiseho ny taratasiny amin’ny mpianatra.

1 Jaona 2–4

tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra sy hampihatra ny didy izay mamporisika ny hitia ny hafa tahaka ny itiavan’izy ireo an’ Andriamanitra.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba ho vonona hizara ireo zavatra niainany izay nanehoan’izy ireo fitiavana ny hafa na nanehoan’ny hafa fitiavana azy ireo sy ny fiantraikan’izany.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hanasa mpianatra anankiray na roa mba hitondra namana iray na olona iray ao amin’ny fianakaviany izay heveriny fa ohatra tsara azo alain-tahaka amin’ny fitiavana ny hafa mandritra ilay visio-conférence. Rehefa hitan’ny iray kilasy ilay fahamarinana ao amin’ny 1 Jaona 4:21 , dia afaka mampahafantatra ny vahininy sy miresaka momba ny fomba anehoan’ireo vahininy ireo ny fitiavana ny hafa ny mpianatra.

Famerenana Fifehezana Fotopampianarana 23

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanome fahafahana ireo mpianatra mba hampitombo ny fahatakarany sy hanazava ireo fahamarinana hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 13 ao amin’ny tapany faharoa amin’ny Testamenta Vaovao.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hamerina hijery fohifohy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 13 ao amin’ny tapany faharoa amin’ny Testamenta Vaovao ary hisafidy iray izay tiany ho takatra bebe kokoa avy eo.

  • Votoatin-javatra haseho: Ny tabilao misy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 13

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Taratasy iray tsy misy na inona na inona sy fitaovana fanoratana ho an’ny mpianatra tsirairay

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hanao modely ny sahanasa ao amin’ny lesona amin’ny alalan’ny fampisehoana ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana eo amin’ny efijery ary asao ireo mpianatra mba hampiasa fitaovana fanaovana fanamarihana mba hanaovana ao anaty faribolana ireo andian-teny izay ananan’izy ireo fanontaniana na tsy azony. Avy eo dia angataho ny mpianatra hizara izay mety ho mampanahy azy manokana na ny fanontaniany ananany. Afaka mametraka fanontaniana amin’ny ankapobeny momba ilay andininy na ireo andininy amin’ny alalan’ny fampiasana ny chat ihany koa ny mpianatra.

Tombano ny fianaranao 11

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hanombana ny tanjona napetrany sy ny fivoarana azon’izy ireo manokana nandritra ny fandalinany ny Testamenta Vaovao.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny zavatra izay nianarany momba an’i Jesoa Kristy sy ireo fomba tsapany ho nahatonga azy tahaka an’i Kristy bebe kokoa.

  • Sary haseho: Sarina tendrombohitra (avy tao amin’ny lesona 2 Petera 1 tamin’ny voalohany); sary maromaro mampiseho an’i Jesoa Kristy mampianatra amin’ny toerana samihafa; sarin’i Joseph Smith fony izy zatovo

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Mandritra ny sahanasa eo ambanin’ny lohateny hoe “Mampianatra tahaka an’i Kristy,” dia asao ny mpianatra mba hanoratra ao amin’ny chat ny fanontaniana iray mety hananan’ny olona iray mikasika ny iray amin’ireo fitsipika telo ao amin’ny filazantsara (jereo ny dingana b amin’ny sahanasa). Avy eo dia asao ny mpianatra mba hamaky ny fanontaniana rehetra voatanisa ary hifidy iray na roa izay tiany horesahina amin’izany fanontaniana izany.

Hamoaka printy