Seminera
2 Petera 1


2 Petera 1

Tonga tahaka an’i Jesoa Kristy

Sary
I Kristy miaraka amin’ny ankizy kely.

Nanoratra ho an’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy izay natanjaka tamin’ny finoany i Petera. Rehefa nadiva hifarana ny fiainany dia naniry ny hanampy ireo Olomasina ireo i Petera mba hanampiana azy ireo hahatsiaro ireo fitahiana lehibe nampanantenaina ny mahatoky. Namporisika ny Olomasina izy mba hampivelatra ireo toetran’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanao dingana mba ho tonga kokoa tahaka an’i Jesoa Kristy.

Manampy ny mpianatra hahatakatra ny toetran’ny Mpamonjy. Rehefa mianatra momba ny Mpamonjy ny mpianatra dia ampio izy ireo hianatra hihoatra izay zavatra nolazainy sy nataony ka hianatra hoe iza Izy. Ny fomba iray hanaovana izany dia ny fifantohana amin’ireo toetrany.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra handinika hoe inona no toetra ankafiziny indrindra momba an’i Jesoa Kristy ary nahoana.

Sahanasa fianarana azo atao

Zava-bita tsikelikely

  • Inona no tanjona manan-danja tianao hotratrarina?

  • Inona no ataonao amin’izao fotoana izao mba hanatanterahana izany tanjona izany?

Ny Loholona Scott D. Whiting ao amin’ny Fitopololahy dia nizara lesona iray nianarany sy ny vadiny nandritra ny zavatra niainan’izy ireo tamin’ny fihanihana ny Vohitra Fuji tany Japana. Ny lesona nianarany dia mety hanampy anao hanatratra ny tanjonao.Azonao atao ny mijery ny horonan-tsary “Ho tonga tahaka Azy,” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny mari-potoana 2:35 hatramin’ny 3:09, na vakio ity fanambarana manaraka ity:

Sary
Ny tendrombohitra Fuji, any Japon, mijoalajoala ao an-damosina ao anatin’ny takarivan’ny faramparan’ny fararano. Hita eny amin’ny ilany andrefan’ny tehezan-tendrombohitra rakotry ny ranomandry ireo sombin’ny tara-masoandro farany. Hita eo aloha ny Farihy Kawaguchi miaraka amin’ny tanànan’i Fujikawaguchiko izay miorina eo afovoan’ilay farihy sy tendrombohitra. Nandrakotra ilay tanàna sy ireo hazo teo amin’ny manodidina ny ranomandry maivana.
Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Scott D Whiting. Nalaina tamin’ny martsa 2017.

Taona vitsivitsy lasa izay no nijoroanay mivady teo amin’ny fiantombohan’ny lalana kely mananika ny tendrombohitra farany avo any Japana, dia ny Vohitra Fuji. Rehefa nanomboka ny fiakaranay izahay dia niandrandra ny tendrony izay tena lavitra ka nanontany tena raha toa ka ho tonga eny.

Raha nandroso izahay dia nanomboka nahatsapa harerahana sy fanaintainana teo amin’ny hozatra ary ny vokatry ny haavo. Raha ny ara-tsaina dia lasa zava-dehibe taminay ny tsy mifantoka afa-tsy amin’ny dingana manaraka. Niteny izahay hoe: “Mety tsy ho tonga haingana eny an-tampony aho, saingy azoko atao ity dingana manaraka ity izao ankehitriny izao.” Rehefa nandeha ny fotoana dia lasa azo tratrarina ihany ilay zavatra nahasadaikatra—dingana iray isaky ny mandeha.

(Scott D. Whiting, “Ho tonga tahaka Azy,” Liahona, nôv. 2020, 12)

  • Ity ohatra ity dia azo ampiharina amin’ny fanatrarana tanjona maro samihafa. Inona no afaka manampy antsika hahatakatra ny tanjona mba ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy?

Makà fotoana kely hisaintsainana ny zavatra nataonao sy ataonao mba ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy.

  • Inona no sarotra amin’ny fiezahana hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy?

  • Inona no nanampy anao handroso mba ho tonga kokoa tahaka an’i Jesoa Kristy?

Tsarovy fa zava-dehibe ny mijery ny fivoaranao amin’ny fahatongavanao kokoa tahaka an’i Jesoa Kristy ho toy ny dingana miandalana sy tsikelikely. Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia tadiavo ny zavatra azonao atao amin’ny alalan’ny fanampian’ny Mpamonjy mba hanaovana ny dingana manaraka.

Toetra araka an’ Andriamanitra

Tao anatin’ny taratasy iray ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana izay efa nanam-pinoana an’i Jesoa Kristy, dia naneho ny faniriany hahazo ireo fitahiana avy amin’ny fahafantarana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny toetran’izy ireo araka an’ Andriamanitra ny Apôstôly Petera.

Vakio ny 2 Petera 1:2–4, ary tadiavo ireo fitahiana izay mety ho tonga amintsika amin’ny alalan’izany fahalalana izany.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “miombona amin’ny fomban’ Andriamanitra”? (2 Petera 1:4).

Manana toetra araka an’ Andriamanitra isika tsirairay satria isika dia “fanahy zanakalahy na zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org). Afaka manampy antsika hamboly sy hanatsara ireo toetra tahaka ny an’i Kristy i Jesoa Kristy rehefa miezaka manaraka ny ohatra tonga lafatra nasehony sy miantehitra Aminy mba hanampy antsika hiova isika.

Azonao atao ny manao kisarisarina tendrombohitra tsotra iray eny amin’ny solaitrabe.

Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao ny sarin’ny Vohitra Fuji na tendrombohitra hafa tianao. Soraty eo amin’ny tendrombohitrao ny toetran’i Jesoa Kristy vitsivitsy.

Azonao asaina ny mpianatra vitsivitsy hanao lisitra ireo toetra tahaka ny an’i Kristy eo amin’ny sarin’ny tendrombohitra eny amin’ny solaitrabe. Azo asaina mieritreritra ny fiomanany ho an’ny fotoam-pianarany ny mpianatra eo am-pamantarany ireo toetran’ny Mpamonjy.

  • Inona amin’ireo toetran’i Jesoa Kristy no tena tianao? Nahoana?

Vakio ny 2 Petera 1:5–7, ka tadiavo ireo toetran’i Kristy notanisain’i Petera. Ampio ireo toetra nosoratanao teo amin’ny tendrombohitrao ao amin’ny diarinao ireo toetra ireo.

Makà fotoana hieritreretana ny mety ho tian’i Petera holazaina amin’ilay andian-teny hoe “manaova izay zotom-po rehetra” (andininy 5).

  • Ahoana no mety hanehoanao izany ao amin’ny kisarinao?

Hevero ny haneho an-tsary ny maha-zava-dehibe ny fahazotoana eo amin’ilay kisary eny amin’ny solaitrabe amin’ny alalan’ny fanaovana sary zana-tsipìka miakatra ny tendrombohitra, izay mifandray amin’ny teny hoe fahazotoana (jereo ny kisary feno ao amin’ny lesona any aoriandriana any mba hahitana ohatra iray amin’ny fomba ahafahana manao izany).

Vakio ny 2 Petera 1:8–11, ary tadiavo izay nolazain’i Petera tamin’ny Olomasina fa hitranga raha mamboly ireo toetra ireo izy ireo.

  • Inona no fahamarinana nianaranao avy amin’io andinin-tsoratra masina io?

Mety hilaza fahamarinana samihafa ny mpianatra, anisan’izany izao manaraka izao: Rehefa mamboly ireo toetra masina aho dia afaka mahafantatra an’i Jesoa Kristy sy mandray ny fampanantenana ny amin’ny fiainana mandrakizay.

Eritrereto izay azonao ampiana ao amin’ny kisarinao noho ny zavatra ianaranao. Azonao atao ny manampy anarana fiantsoana eo ambonin’ny tendrombohitrao izay mamintina ny fahamarinana manan-danja iray nianaranao momba ny fahafantarana an’i Jesoa Kristy.

Sary
Kisarin’ny tendrombohitr’ireo toetra masina
  • Inona no azontsika atao mba hambolena ireo toetra tahaka ny an’i Kristy?

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no manampy antsika hahafantatra an’i Jesoa Kristy sy ho tonga tahaka Azy kokoa ny fambolena ireo toetra masina?

Mamboly ireo toetra tahaka ny an’i Kristy

Ny dia amin’ny fambolena ireo toetra tahaka ny an’i Kristy dia afaka manomboka amin’ny dingana tsotra voalohan’ny fisafidianana toetra iray sy ny fianarana bebe kokoa momba izany. Atombohy anio izany dia izany amin’ny alalan’ny fisafidianana ny iray amin’ireo toetra voatanisa ao amin’ny 2 Petera 1:5–7 sy voasoratra eo amin’ny kisarin’ny tendrombohitrao.

Fomba iray ahafahanao mianatra kokoa momba ilay toetra nofidinao ny fampiasana ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, na ny fikarohana ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile mba hahitana soratra masina na teny nambara mifandray amin’izany toetra izany.

Mandraisa an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao, ary asio marika ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina novakinao.

Omeo fotoana ampy ny mpianatra hamitana io sahanasa io. Ampio izy ireo mba ho afaka hampiasa ny loharanom-pitaovana tiany hampiasaina amin’ny endriny nomerika, na omeo tahadikan’ny fitaovana ianarana izy ireo.

Mba hahazoana hevitra fanampiny mikasika ny fomba hanampiana ireo mpianatra handalina sy hamboly ireo toetra tahaka ny an’i Kristy dia jereo ny fizarana “Fanamarihana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho ” ao amin’ny lesona.

Azonao ampiasaina ireto fanontaniana manaraka ireto na izy rehetra mba hanomezana fahafahana ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany.

  • Inona no toetra tianao hifantohana?

  • Inona no nianaranao momba an’i Jesoa Kristy sy io toetra io avy amin’ny fandalinanao?

  • Amin’ny fomba ahoana no hoe mety hanatsara ny fiainanao ny fambolena io toetra tahaka ny an’i Kristy io?

  • Inona no ezaka vonona hoataonao mba hahatongavana kokoa tahaka ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fampivelarana io toetra io?

Mijoroa ho vavolombelona momba ny fanirian’ny Mpamonjy sy ny fahafahany manampy antsika ho tonga tahaka Azy. Azo omena fahafahana ny mpianatra amin’ny lesona ho avy mba hanao tatitra momba ny fivoaran’izy ireo amin’ny fambolena ireo toetra tahaka ny an’i Kristy nosafidiany iasana.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Inona no mila ataoko mba hananako toetra tahaka ny an’i Kristy?

Nanazava ny Loholona Scott D. Whiting ao amin’ny Fitopololahy hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Scott D Whiting. Nalaina tamin’ny martsa 2017.

Mba hahitana fivoarana tena marina dia mila manao ezaka tsy tapaka ianao. Mitovy amin’ny fianihana tendrombohitra iray izay mitaky fiomanana mialoha ny fianihana ary fitozoana sy faharetana mandritra ny fianihana, ity fiezahana ho tonga tahaka Azy ity ihany koa dia mitaky fiezahana marina sy fahafoizan-tena. Ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, izay hiezahantsika ho tonga tahaka ny Tompontsika dia nitaky hatrany ny ezaka tsara indrindra vitantsika. …

Fantatro fa ny fahatongavana ho tahaka Azy amin’ny alalan’ny fanampiana masina sy tanjaka avy Aminy dia azo tratrarina tsikelikely. Raha tsy izany dia tsy ho nanome antsika izany didy izany Izy [jereo ny 1 Nefia 3:7].

(Scott D. Whiting, “Ho tonga tahaka Azy,” Liahona, nôv. 2020, 14)

Inona no mitranga rehefa miezaka ny hanana ireo toetra tahaka ny an’i Kristy aho?

Nanazava ny Loholona Robert D. Hales (1932–2017) ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2003

Ny toetran’ny Mpamonjy, araka ny fahitantsika azy, dia tsy soratra tokony arahina na lisitra tokony hohamarinina. Izy ireo dia toetra mifamatotra, mifanampy, izay mivoatra ao anatintsika amin’ny alalan’ny fifandraisany. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia tsy afaka mahazo toetran’i Kristy iray isika ka tsy hahazo sy haneho toetrany hafa koa. Rehefa mihamatanjaka ny toetra iray, dia mitombo koa ny maro hafa.

(Robert D. Hales, “Lasa mpianatr’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika,” Liahona, mey 2017, 46)

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona David A. Bednar, sary ôfisialin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. 2020.

Ny fanampiana avy amin’ny Mpamonjy dia misy foana mandritra ny dia eto an-tany iray manontolo—miainga eo amin’ny ratsy mankany amin’ny tsara ary tonga any amin’ny tsara kokoa, dia manova ilay tena toetrantsika.

(David A. Bednar, “The Atonement and the Journey of Mortality,” Ensign, Apr. 2012, 42; Liahona, Apr. 2012, 14)

Sahanasa fianarana fanampiny

“Toetra tahaka ny an’i Kristy”

Mampiasa lamina misy dingany valo

Ity lamina manaraka ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahafantatra an’i Kristy sy hamboly ireo toetrany. Azo asaina mamaky izany ny mpianatra ary mieritreritra ny fomba mety hanampian’ny dingana tsirairay azy ireo ho tonga kokoa tahaka an’i Jesoa Kristy.

  1. Eritrereto ny toetra tahaka ny an’i Kristy tianao hovolena.

  2. Manorata famaritana io toetra io.

  3. Mitadiava andinin-tsoratra masina vitsivitsy izay mampianatra momba io toetra io, ary alalino tsara izany.

  4. Rehefa mandalina ianao dia soraty izay fanontaniana tianao hahazoana valiny.

  5. Soraty ny fihetseham-ponao sy ny fahatsapanao.

  6. Mametraha tanjona izay hanampy anao hampihatra io toetra io eo amin’ny fiainanao.

  7. Mivavaha mba hahazo ny fanampian’ny Tompo.

  8. Tombano tsy tapaka ny fandrosoanao.

Hevero ny hampiseho ity lamina ity na hanome taratasy zaraina ho tehirizin’ ny mpianatra.

Fanenomana ireo toetra tahaka ny an’i Kristy ao amin’ny toetrantsika

Raha mety hahazo tombontsoa avy amin’ny lesona azo tsapain-tanana izay mampianatra mikasika ireo toetra tahaka ny an’i Kristy ireo mpianatra dia ampiasao ny fizarana hoe “Amin’ny alalan’ny herin’i Jesoa Kristy no ahafahako mampivelatra ny toetrako araka an’ Andriamanitra” ao amin’ny rindran-damina ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy “20–26 nôvambra. 1 sy 2 Petera: --[Miravoravoa] amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra-” (Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023). Ny lamba tenona na ny karipetra (na ilay sary omena ao amin’ny drafitra) dia azo ampiasaina mba hanehoana fa ny toetra tahaka ny an’i Kristy dia azo atao tenona ara-panahy eo amin’ny toetrantsika.

Omeo fahafahana ny mpianatra handalina ny ampahany amin’ny lahateny hoe “Lasa mpianatr’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika” izay nataon’ny Loholona Robert D. Hales (1932–2017) (Liahona, mey 2017, 46–48).

Hamoaka printy