Seminera
Fifehezana fotopampianarana: 1 Petera 4:6


Fifehezana fotopampianarana: 1 Petera 4:6

“Fa noho izao no nitoriana ny filazantsara tamin’izay maty aza”

Sary
I Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty mitory amin’ireo fanahy ao amin’ny tontolon’ny fanahy.

Tamin’ny fandalinanao ny 1 Petera 4 dia nianatra ianao fa nanangana ny asa fitoriana ny filazantsara tany amin’ny tontolon’ny fanahy ny Mpamonjy mba hahafahan’ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra hanana fahafahana hahazo famonjena. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny 1 Petera 4:6. Afaka manampy anao hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’io andinin-tsoratra masina io ihany koa izany. Rehefa avy eo dia hanana fahafahana hampihatra izany fotopampianarana izany sy ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny rafi-tantara tena misy ianao.

Mampianatra ny mpianatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Hahomby kokoa ny fifehezana fotopampianarana raha mahafantatra sy mahatakatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ny mpianatra. Ampio ny mpianatra hahatakatra sy hamerina tsy tapaka ireo fitsipika ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina sy hiomana hizara ny zavatra tsapany rehefa nanatanteraka batisa sy fandraisana ho mpikambana tao amin’ny tempoly izy ireo na nanao asa momba ny tantaram-pianakaviana hafa ho an’ireo razambeny izay efa nodimandry.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity dia natao hampianarina aorian’ny lesona “1 Petera 3:18–22; 4:1–6 izay lesona miresaka momba ny sahan-kevitra manodidina ny andinin-tsoratra fifehezana fotopampianarana 1 Petera 4:6. Raha ilaina ny mamindra ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa, dia alaivo antoka fa lesona miresaka momba ny sahan-kevitra manodidina izany ihany koa no ampianarina amin’io herinandro io.

Tadidio ary hazavao

Asao ny mpianatra iray hanao sary eny amin’ny solaitrabe ny kisary tsotra momba ny drafitry ny famonjena. Avy eo dia apetraho ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanombanana ny fahatakaran’ny mpianatra ilay drafitra sy ny fomba hampianarana ny filazantsara. Mba hampandraisana anjara ireo mpianatra izay tsy mazoto miteny matetika dia azo atao toy ny andiam-panontaniana ireto fanontaniana manaraka ireto ary horesahina miaraka amin’ny iray kilasy avy eo.

  • Nampianarina ny filazantsara tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Inona no nitranga tamin’ireo izay nanaiky ny filazantsara tamin’ny alalan’ny fisafidianana ny drafitr’ Andriamanitra? Inona no nitranga tamin’ireo izay nandà izany?

  • Ahoana no ampianarana ny filazantsara eto an-tany?

Ampiasao ireto fanontaniana roa manaraka ireto hanampiana ny mpianatra hahita ilay andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja amin’ny soratra masina.

  • Inona no mitranga ho an’ireo izay tsy nanana fahafahana mihitsy hianatra momba an’i Jesoa Kristy na nandray ny ôrdônansin’ny fisoronana nahazoana alalana teo amin’ny fiainany?

  • Aiza no ahafahantsika mamaky momba izany ao amin’ny Testamenta Vaovao?

Eritrereto ny fampiasana ity sahanasa fitadidiana manaraka ity:

Omeo tapa-taratasy ny mpianatra tsirairay ary asao ny mpianatra hanoratra ilay andinin-tsoratra masina feno sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina eny amin’ny tampon’ilay taratasy: “1 Petera 4:6Notorina koa ny filazantsara tamin’ny maty.-” Omeo torolalana izy ireo mba hamoritra ny tampon’ilay taratasy mba handrakotra ny zavatra nosoratany ary avy eo hanoratra indray ilay andinin-tsoratra masina sy andian-teny, ka esoriny ny teny sy isa telo na efatra izay safidiny. Asaivo mifanakalo ny taratasiny amin’ny olona eo akaikiny ny mpianatra.

Asaivo mamantatra ireo teny sy isa nesorina ao amin’ny taratasiny vaovao ny mpianatra. Avy eo dia omeo torolalana izy ireo mba hamoritra ilay taratasy mba hanarona ny zavatra nosoratany ary hanoratra indray ilay andinin-tsoratra masina sy andian-teny, ary amin’ity indray mitoraka ity dia esorina ny teny na isa enina ka hatramin’ny valo. Angataho izy ireo mba hamerina ilay taratasy any amin’ny tompony ary avy eo hamantatra ireo teny tsy hita eo amin’ny taratasiny tany am-boalohany, aforeto amin’ny farany ilay taratasy ary soraty araka izay tadidy ilay andinin-tsoratra masina sy andian-teny.

Fizàrana mampihatra

Tao amin’ny lesona teo aloha, dia nianatra ity fahamarinana manaraka ity ianao tao amin’ny 1 Petera 4:6 : Toriana amin’ny maty ny filazantsara mba hananany fahafahana mitovy amin’ireo izay mandre ny filazantsara mandritra ny fiainana an-tany.

Ampiasao ity toe-javatra manaraka ity mba hampiharana ity fahamarinana ity sy ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

Rafi-tantara: Fizarana 1

Alaivo sary an-tsaina hoe manana namana iray antsoina hoe Jason izay mihaona amin’ireo misiônera ianao. Mangataka ny hiaraka aminao any amin’ny seminera i Jason mba hianatra bebe kokoa momba ny filazantsara. Amin’ny andro voalohany ao amin’ny seminera, ny mpampianatra anao dia mangataka ny iray kilasy hamerina hijery miaraka amin’ny namany ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Nitodika tany aminao i Jason ary nanontany hoe: “Inona avy ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy?”

  • Ahoana no hampahafantaranao ireto fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy manaraka ireto? (Avereno jerena ireo andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana “Fazahoana fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022) raha mila fanampiana ianao amin’ny famaliana io fanontaniana io.)

Rafi-tantara: Fizarana 2

Taty aoriana tamin’io herinandro io dia nihaona tao an-tranonao i Jason sy ireo misiônera. Manampy ireo misiônera ianao hampianatra momba ireo fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsara voalohany, anisan’izany ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny batisa asitrika ho famelana ny fahotana. Mampiasa ny Jaona 3:5 ny misiônera mba hampianarana fa ilaina ny batisa amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana mba ho voavonjy ao amin’ny fanjakan’ny lanitra. Nieritreritra an’izany nandritra ny fotoana fohy i Jason, dia toa nalahelo kely. Nanontany ny iray tamin’ireo misiônera ny antony mampalahelo azy, ka namaly i Jason hoe: “Tsy mbola natao batisa mihitsy ny dadabeko, kanefa lehilahy tena tsara izy izay nilaza foana fa te hiaina fiainana tsara mba hahafahany mankany an-danitra. Afaka hankany ve izy?” Manao vavaka mangina ianao, mangataka amin’ny Ray any An-danitra ny fomba ahafahanao manampy an’i Jason. Tonga ao an-tsainao ny hevitra hampiasa ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny 1 Petera 4:6.

Miankina amin’ny haben’ny kilasy sy ny fotoana, dia azon’ireo mpianatra atao ny mampiasa ny valintenin’izy ireo mba hilalaovana an-tsehatra ny fampianarana an’i Jason. Raha tsy izany dia azo omena ny iray amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ireo mpianatra ary avy eo dia mifanakalo hevitra amin’ny namana iray na ao anatin’ny vondrona kely ny fomba ahafahan’io fitsipika io manampy an’i Jason. Rehefa vita ny fifanakalozan-kevitra dia afaka manao tatitra amin’ny iray kilasy izy ireo na apetraka ao anatin’ny vondrona misy olona telo mba hizara ny eritreriny amin’ireo mpiara-mianatra izay nandalina ireo fitsipika roa hafa.

Manaova drafitra amin’ny fomba ahafahanao mampiasa ireo fitsipika telo amin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny 1 Petera 4:6 mba hanampiana an’i Jason hahita ny valin’ny fanontaniany sy hahatsapana fiadanana momba ny dadabeny. Rehefa vita ny drafitra dia manomàna valiny ho an’i Jason. Eritrereto izay fanontaniana apetrakao mba hanampiana azy hahita sy hahatsapa ny fahamarinan’ny fotopampianarana. Ataovy azo antoka ny hampiditra ireo fitsipika telo momba ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny 1 Petera 4:6 ao amin’ny valinteninao.

Raha ilaina dia azonao atao ny mampiasa ny sasany na ny rehetra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto mba hitarihana anao.

  • Ahoana no ahafahanao manampy an’i Jason hanana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay? Inona no holazainao an’i Jason momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izay afaka manome fiadanana azy momba ny dadabeny?

  • Ankoatra ny 1 Petera 4:6, inona avy ireo loharanom-pahalalana voafidin’ Andriamanitra hafa azonao zaraina amin’i Jason mba hanampiana azy hahatsapa fanantenana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy? Ahoana no hampiasanao ireo andinin-tsoratra masina ireo mba hanampiana an’i Jason hahita ilay fahamarinana?

  • Inona no mety ho endriky ny fanaovana asa amim-pinoana eo amin’ny toe-javatra misy an’i Jason? Inona ny zavatra mety hasainao ataony?

  • Inona no zavatra niainanao tamin’ny fanaovana asa atao any amin’ny tempoly na ny tantaram-pianakaviana ho an’ny razambenao izay azonao zaraina amin’i Jason?

  • Inona no hijoroanao ho vavolombelona mba hanampiana ny namanao?

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana

Ampio ny mpianatra hamerina hijery ilay andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ara-tsoratra masina amin’ny 1 Petera 4:6 amin’ny lesona manaraka. Fomba iray hanaovana izany ity manaraka ity:

Soraty ny litera 1, P, 4:6, F, N, I, N, N, N, F, T, M, A eo amin’ny tsanganana iray eo amin’ny solaitrabe. Asao ireo mpianatra hamantatra ireo teny ao amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina avy amin’ireo litera voalohany ireo. Rehefa fantatra daholo ny teny rehetra dia avereno miaraka amin’ny iray kilasy ilay andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja.

Hamoaka printy