Seminera
1 Petera 2–3


1 Petera 2–3

“Taranaka voafidy ianareo”

Sary
Andian-jatovovavy mipetraka eo ivelany ary miresadresaka.

Efa nisy nanontany ve ianao hoe nahoana ianao no mino ireo fahamarinana sasany ao amin’ny filazantsara? Namporisika ny Olomasina mba ho vonona mandrakariva hijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana ary nampahatsiahy azy ireo ny lova masina izay ananany ny Apôstôly Petera (jereo ny 1 Petera 2:9; 3:15). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny maha-ohatra mahatoky an’i Jesoa Kristy sy manome fahafahana anao hanao fanazaran-tena hamaly ny hafa momba ny finoanao.

Manampy ny mpianatra hanazava ny fahamarinan’ny filazantsara. Ny Olomasin’ny Andro Farany dia nangatahana mba hanazava ny zavatra inoan’izy ireo mandritra ny androm-piainany. Manomàna fotoana ahafahan’ny mpianatra manao fanazaran-tena mifanazava ny fahamarinan’ny filazantsara ao an-dakilasy. Izany dia afaka ny ho toerana azo antoka ho an’ny mpianatra mba hanaovana fanazaran-tena amin’ny firesahana momba ny filazantsara.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hiresaka amin’ny fianakaviany ny momba ireo fotoana izay nangatahana azy ireo na olona anankiray izay fantany hanazava ireo zavatra inoany momba an’i Jesoa Kristy sy ny finoany an’i Jesoa Kristy. Asao izy ireo mba hieritreritra raha toa ka tokony ho hafa ny valinteniny, ary ho vonona hizara ny eritreriny.

Sahanasa fianarana azo atao

Teny izay mamariparitra ny mpanara-dia an’i Jesoa Kristy

Hevero ny hanomboka amin’ny fifanakalozan’ny mpianatra hevitra momba ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto. Asao izy ireo handinika ny antony ilàn’ny Tompo ny Olomasiny mba hiavaka amin’ny olon-kafa.

  • Efa nisy nahatsikaritra ve fa hafa ny fomba fanaovanao zavatra satria mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ianao?

  • Inona no zavatra niainanao momba izany?

  • Inona no tsapanao momba ny maha samihafa anao amin’ny olona maro hafa eto amin’izao tontolo izao?

Rehefa manao fandalinana ianao anio, dia saintsaino ny antony sy ny fomba tian’ny Tompo hampisongadina sy hampiavaka an’ireo mpanara-dia Azy.

Olona miavaka

Vakio ny 1 Petera 2:9, ary tadiavo ny fomba namariparitan’i Petera ny atao hoe Olomasina tamin’ny androny.

  • Inona no zavatra manaitra anao?

  • Inona no ambaran’ireo teny ireo mikasika ny zavatra tsapan’ny Ray any An-danitra momba anao?

Ankehitriny, ny teny hoe miavaka dia matetika midika hoe “hafa” na “misongadina.” Na dia irin’ny Tompo mafy mba tsy hitovy amin’izao tontolo izao aza ny mpanara-dia Azy, tamin’ny andron’i Petera ny hoe miavaka dia mety nanana dikany hafa.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Russell M. Nelson nalaina tamin’ny janoary 2018

Ao amin’ny Testamenta Taloha, ny teny hebreo izay niavian’ny dikan’ny hoe miavaka dia ny hoe segullah, izay midika hoe “fananana sarobidy,” na “harena sarobidy.” Ao amin’ny Testamenta Vaovao, ny teny grika izay niavian’ny dikan’ny hoe miavaka dia ny hoe peripoiesis, izay midika hoe “fananana,” na “fahazoana.”

Hitantsika amin’izany fa ny teny ao amin’ny soratra masina hoe miavaka dia midika hoe “harena sarobidy”, “natao” na “nosafidian’ Andriamanitra.” Ho antsika, ny maha-mpanompon’ny Tompo antsika miavaka dia dera faran’ny avo.

(Russell M. Nelson, “Children of the Covenant,” Ensign, May 1995, 34)

  • Inona no tsapanao noho ny fahafantaranao fa mihevitra anao ho toy ny harena miavaka sy sarobidy Andriamanitra?

Vakio ny 1 Petera 2:9–12, ka tadiavo ireo hevi-baovao mikasika ny fomba hahafahanao miavaka amin’izao tontolo izao.

  • Inona no hitanao?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 12, ahoana no ahafahantsika mitaona ny hafa?

Ny fahamarinana iray azontsika tsoahina avy amin’ireo andininy ireo dia ny hoe Andriamanitra dia miantso ny Olomasiny mba hiavaka amin’izao tontolo izao mba hahafahan’ny hafa mahita ny ohatra asehony sy manome voninahitra an’ Andriamanitra.

Saintsaino mangina ireto fanambarana manaraka ireto ary omeo isa 1 ka hatramin’ny 5 ny tenanao, ka ny 5 dia midika fa manaiky tanteraka ianao.

1. Mora manaiky ny hafa fa izaho dia mpanara-dia an’i Jesoa Kristy.

2. Amin’ny maha-mpanara-dia ny Mpamonjy ahy dia tsy mampaninona ahy raha tsy mitovy amin’izao tontolo izao aho.

Ireto fanontaniana manaraka ireto dia azo ifanakalozana hevitra miaraka amin’ny iray kilasy na amin’ny mpianatra ao anatin’ny vondrona kely.

  • Nahoana no sarotra indraindray ny miavaka amin’ireo manodidina anao?

  • Inona avy ireo zavatra sasany azontsika atao mba hanampiana antsika hahatsapa ho mahazo aina kokoa amin’ny hoe miavaka sy hafa amin’izao tontolo izao?

  • Inona avy ireo ohatra sasany avy amin’ny fiainanao na avy amin’ny soratra masina izay mampiseho ny fomba nanampian’ny fahasamihafana amin’izao tontolo izao ny hafa mba hanatona kokoa an’ Andriamanitra?

Raha misy, dia jereo ilay horonan-tsary hoe “Unto All the World: Despoina’s Story” (3:12) na ny “Something Different About Us: Example” (2:51), izay azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, mba hahitana ny fomba nanampian’ny tanora iray ny hafa mba hanatona kokoa an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fahasamihafany amin’izao tontolo izao.

Aoka ho vonona mandrakariva

Nandritra ny fotoan’ny fanenjehana mafy sy ny apôstazia no nanoratan’i Petera ny epistiliny. Sarotra ny maha-Kristianina tamin’izany fotoana izany, tahaka ny maha sarotra ny maha-mpanara-dia an’i Jesoa Kristy ankehitriny. Na izany aza, dia afaka manampy ny hafa isika hahatsapa fifaliana amin’ny fiainana ny filazantsara rehefa vonona ny hizara ny zavatra izay fantatsika sy tsapantsika isika. Ampiasao ireto fanambarana roa manaraka ireto, dia tombano ny fiomananao hizara ny finoanao amin’ny hafa. Mampiasà maridrefy 1 hatramin’ny 5 mitovy amin’ny teo aloha.

1. Te hizara ny finoako an’i Jesoa Kristy sy ny fijoroana ho vavolombelona ananako amin’ny hafa aho.

2. Matoky ny fahafahako manazava ny finoako sy mamaly ireo fanontaniana momba ny filazantsaran’ny Mpamonjy aho.

Vakio ny 1 Petera 3:14–15, ary tadiavo ny torohevitra izay nomen’i Petera mikasika ny fizarana ny finoantsika amin’ny hafa.

Raha tokony hametraka ny fanontaniana manaraka ianao, dia azonao heverina ny hanasa ireo mpianatra mba haka sary an-tsaina hafatra fohy iray izay azony ampiasaina raha toa ka hamorona sary maneho hafatra na t-shirt mifototra amin’ny hafatra avy ao amin’ny 1 Petera 3:14–15izy ireo.

  • Ahoana no hamintinanao ny fampianaran’i Petera amin’ny teninao manokana?

  • Ahoana no anomezan’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany fanantenana anao?

Hevero ny hanasa ny mpianatra mba hizara ny zavatra izay niainany avy amin’ny sahanasa Fanomanana ny mpianatra.

  • Ahoana no ahafahan’ny fahavononana sy fanekena hiresaka momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany mitahy ny hafa?

Fomba anankiray mahomby mba ho “vonona mandrakariva” (1 Petera 3:15) ny fampiharana tsotra izao ny fomba mety hamalianao fanontaniana sy fanamarihana momba ny fitondrantenanao, ny finoanao, na ny Fiangonana mihitsy.

Ho an’ity sahanasa manaraka ity, dia hevero ny hanao lisitry ny maromaro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe na amporisiho ny mpianatra hieritreritra fanontaniana hafa izay mety hapetraka amin’izy ireo. Azo zaraina tsiroaroa ny mpianatra ka asaina mifandimby mamaly.

Hevero ny hizara ny torohevitry ny Filoha Russell M. Nelson momba ny fomba mahomby azo hamaliana ny fanontaniana toy izany, izay hita ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho”, alohan’ny hanasana ireo mpianatra mba hilalao an-tsehatra.

Dingana 1: Misafidiana roa farafahakeliny amin’izay mahaliana anao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na manorata fanontaniana izay vao avy napetraka taminao vao haingana momba ny finoanao.

  • Nandre olona aho nilaza fa “mamonjy i Jesoa.” Midika inona izany?

  • Nahoana no manohitra ny fisotroana kafe sy dite ny Fiangonanao?

  • Nahoana ianao no mifoha maraina be handeha any amin’ny kilasin’ny seminera?

  • Nahoana i Jesoa Kristy no miraharaha izay karazana fiteny ampiasaintsika? Mampiova inona izany?

  • Nahoana isika no tokony hitandrina ny andro Sabata ho masina? Tsy andro toy ny rehetra ihany ve ny alahady?

Dingana 2: Eritrereto ny fomba mety hamalianao ireo fanontaniana izay nofidianao, dia mamoròna valiny ho an’ny tsirairay avy amin’ireo. Ampidiro amin’izany ny eritreritrao mikasika ny fiantraikan’ny finoanao sy ny fanantenanao an’i Jesoa Kristy amin’ny valinteninao.

Dingana 3: Soraty ny antony ahatsapanao fa zava-dehibe ny manasongadina sy miresaka amin’ny hafa momba ny finoanao an’i Jesoa Kristy. Raha tsy matoky tena ianao, dia diniho amim-bavaka ny fomba hanomananao ny tenanao hanao izany.

Rehefa vita ny an’ny mpianatra, dia manasà mpianatra mazoto vitsivitsy hizara ny eritreriny nandritra ilay sahanasa. Mety hahasoa ihany koa ny manasa mpianatra vitsivitsy izay vonona hizara ny fijoroana ho vavolombelona momba “ny fanantenana izay ao anatin’[izy ireo]” (1 Petera 3:15) mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Farano amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba ireo fahamarinana nifanakalozana hevitra ny lesona.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

1 Petera 2:9. Inona no ifandraisan’ny fampianaran’i Petera amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana amin’izao fotoampitantanana misy antsika izao?

Ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) dia nizara ny fomba ifandraisan’ny fampianaran’i Petera amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana amin’izao fotoampitantanana misy antsika izao. Jereo ny “A Chosen Generation,” azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny mari-potoana 13:47–17:37.

Rahavavy Becky Craven ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany dia nampianatra hoe:

Sary
Rahavavy Rebecca L. Craven, mpanolotsaina faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany. Sary ôfisialy ôktôbra 2018.

Tsy mampihena ny fitsipika arahantsika isika mba haneken’ny olona antsika, na hampahazoana aina ny olona hafa. Mpianatr’i Jesoa Kristy isika, ka noho izany dia mandray anjara mampisondrotra ny hafa isika, mampitraka azy ireo ho amin’ny toerana ambony sy masina kokoa izay hahafahan’izy ireo koa mijinja fitahiana lehibe kokoa. …

Afaka mahita mora foana ny endriny misoritra eo amin’ny tarehintsika ve ny hafa ary mahafantatra hoe misolo tena an’iza isika amin’ny fomba hitondrantsika amim-pitandremana ny fiainantsika?

Noho isika vahoakan’ny fanekempihavanana dia tsy natao hiharoharo amin’ny ambiny sisa amin’izao tontolo izao isika. Nantsoina hoe “olona miavaka” isika (1 Petera 2:9). Fandokafana tsara tokoa izany! Raha tsy mitsaha-mitombo ny faneken’ny fitaoman’izao tontolo izao ny faharatsiana, isika kosa dia tsy maintsy miezaka amin’ny fahazotoana rehetra hijanona amim-pahatokiana eo amin’ilay lalana izay mitondra antsika soa aman-tsara any amin’ny Mpamonjintsika, izay mampitombo ny elanelana misy eo amin’ny fiainantsika mifanaraka amin’ny fanekempihavanana sy ireo fitaoman’izao tontolo izao.

(Becky Craven, “Mitandrina tsara ampitahaina amin’ny hoe tsy miraharaha firy,” Liahona, Mey 2019, 10)

Ahoana no ahafahako miomana sy mamaly amim-pahombiazana rehefa anontaniana momba ny finoako aho?

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Russell M. Nelson nalaina tamin’ny janoary 2018

Amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesoa Kristy anareo dia afaka miaina mifanaraka amin’ny fampianarany ianareo tsirairay avy. Afaka manana “fo sy tanana madio” ianareo; afaka manana “ny endrik’ Andriamanitra ianareo izay voasokitra eo amin’ny [tarehinareo].” Ho hitan’ireo hafa ny asa soa ataonareo. Afaka hamiratra avy amin’ny masonareo ny fahazavan’ny Tompo. Ary miaraka amin’izany fahazavana izany dia tsara ho anareo ny miomana amin’ny fanontaniana. Ny Apôstôly Petera dia nanoro hevitra toy izany koa manao hoe, “Aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo” (1 Petera 3:15).

Aoka ny valinteninareo ho feno hatsaram-panahy sy hitondra fifaliana. Ary aoka ny valinteninareo hanan-danja ho an’izany olona izany. Tsarovy fa zanak’ Andriamanitra koa izany olona izany, ary Andriamanitra mihitsy no te-hanome izany olona izany ny fahafahana handray ny fiainana mandrakizay sy hiverina eo Anatrehany indray andro any. Mety ho ianao no hanokatra ny varavarana ho an’ny famonjeny sy ny fahatakarany ny fotopampianaran’i Kristy.

(Russell M. Nelson, “Be Thou an Example of the Believers,” Ensign or Liahona, Nov. 2010, 48)

Ahoana raha mahamenatra ahy ny mijoro amin’ny finoako?

Sahanasa fianarana fanampiny

1 Petera 2:5–8 . “Vato velona”

Hevero ny hampiseho vato kely vitsivitsy amin’ireo mpianatra. Anontanio ny mpianatra ny ifandraisan’ireo vato kely ireo amin’ny zavatra izay nampianarin’i Petera ao amin’ny 1 Petera 2:5–8. Asao izy ireo hamantatra hoe iza no heveriny fa “vato fehizoro” (jereo ny Efesiana 2:19–20) sy ireo fomba samihafa ahafahan’izy ireo maneho Azy amin’izao tontolo izao ho toy ny “vato velona” (1 Petera 2:5). Marihina fa ny teny hoe velona dia midika hoe mazoto na feno hery. Azo angatahina mba hifanakalo hevitra momba ny antony maha-zava-dehibe ny manorina ny fiainan’izy ireo eo amin’ny Mpamonjy ihany koa ireo mpianatra rehefa mikatsaka ny “ho vonona mandrakariva” (1 Petera 3:15) izy ireo mba hizara ny filazantsara amin’ny hafa.

Hamoaka printy