Seminera
1–2 Petera


1–2 Petera

Topimaso

Tao amin’ny epistiliny voalohany, i Petera, izay lehiben’ny Apôstôly, dia nifantoka tamin’ny fomba nataon’ny Olomasina mba hampatanjaka azy ireo manoloana ireo fitsapana goavana izay niainany fony izy teo am-pelatanan’ny Romana. Namporisika ireo Olomasina izy mba ho vonona mandrakariva hijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana ary nampahatsiahy azy ireo ny lova masina izay ananany (jereo ny 1 Petera 2:9; 3:15). Nampianatra izy fa i Jesoa Kristy dia nitory ny filazantsara tany amin’ny tontolon’ny fanahy taorian’ny nahafatesany, ka nahatonga ireo fitahian’ny filazantsara ho azon’ireo zanaky ny Ray any An-danitra rehetra.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

1 Petera 1–5

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny tanjon’ Andriamanitra amin’ny famelana azy ireo hiaina fitsapana ary afaka manamafy orina ny fahavononany hiaritra fitsapana amim-pahatokiana.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hieritreritra ny fomba mety hamalian’izy ireo ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana isika no miatrika fitsapana, fahasahiranana ary ny tsy rariny eo amin’ny fiainana?

  • Sary: Sary memy anankiray

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Rehefa avy mampiseho sarina memy anankiray dia asao ny mpianatra tsirairay mba hanao sarina memy ary hanoratra fitsapana iray manokana ao anatiny. Avy eo dia azon’ireo mpianatra soratana ao ambadiky ny taratasy hoe ahoana no hanamafisan’ny fitsapana orina ny finoan’izy ireo manokana an’i Jesoa Kristy. Asao ireo mpianatra izay vonona mba hampiakatra ny sariny eo amin’ny fakan-tsary ary hizara ny eritreriny amin’ny iray kilasy. Ataovy azo antoka ny mampitandrina ny mpianatra tsy hizara zavatra manokana loatra.

1 Petera 2–3

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny maha zava-dehibe ny maha-ohatra mahatoky an’i Jesoa Kristy ary manome fahafahana azy ireo hanao fampiharana amin’ny famaliana ny hafa momba ny finoany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hifanakalo hevitra miaraka amin’ny fianakaviany momba ireo fotoana izay nanasàna azy na nanasàna olona hafa izay fantany hanazava ny finoany an’i Jesoa Kristy. Asao izy ireo mba hieritreritra raha toa ka hafa ny mety ho valin-teniny, ary ho vonona hizara ny eritreriny.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Any amin’ny faran’ny lesona dia zarao amin’ny mpianatra ireo fanontaniana, na asao izy ireo mba hieritreritra fanontaniana iray momba ny Fiangonana na ny finoany izay efa avy napetraka taminy. Omeo fotoana izy ireo hieritreretana ny fomba mety hamaliany izany, ary asaivo mifandimby mizara ny valiny izy ireo avy eo. Raha toa ka tsy sahy miresaka eo anoloan’ny fakan-tsary ny mpianatra dia afaka mandefa ny valin-teniny amin’ny alalan’ny fampiasana ny chat.

1 Petera 3:18–22; 4:1–6

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hikaroka fomba hanampiana ny Mpamonjy amin’ny asa fanavotana ny maty izay ataony.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Mba hahafahana miditra amin’ireo zavatra sasany ao amin’ny FamilySearch.org na ny application Arbre familial an’ny FamilySearch, dia mila miditra amin’ny alalan’ny solonanarana sy ny tenimiafina amin’ny Kaontiny ao amin’ny Fiangonana izay mifandray amin’ny ny laharan’ny maha-mpikambana azy ireo mpianatra. Raha toa ka tsy manana na tsy mahafantatra ny solonanarana sy ny tenimiafina ny mpianatra dia asao izy ireo mba hamorona na hamerina hijery izany ao amin’ny account.ChurchofJesusChrist.org na hamorona ny kaonty ao amin’ny FamilySearch.org. Mangataha fanampiana amin’ny manam-pahaizana manokana momba ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny paroasy na sampana na mpandrindra ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara raha ilaina izany.

  • Loharanom-pahalalana: Raha azo tao dia solosaina na fitaovana finday azo ampiasàna internet mba hahafahan’ireo mpianatra, izay tsy manana fitaovana elektrônika, maka fotoana kely mikaroka ny FamilySearch.org na ny application FamilySearch Tree

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Raha toa ka afaka mampiasa ny Ôrdônansy vonona ao amin’ny FamilySearch.org ireo mpianatra dia asao izy ireo mba hampiasa izany hitadiavana havana iray izay azony hanaovana asa any amin’ny tempoly. Hevero ny hametraka daty izay hahafahan’ny iray kilasy mivory tsy ara-potoana any amin’ny tempoly mba hanaovana batisa sy handraisana ho mpikambana, isoloana tena, ireo anarana izay hita.

Fifehezana fotopampianarana: 1 Petera 4:6

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ao amin’ny 1 Petera 4:6 . Hanome azy ireo fahafahana hampihatra ny fotopampianarana izay ampianarina ao amin’io andinin-tsoratra masina io sy ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny toe-javatra tena misy ihany koa izany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina sy hiomana hizara ny zavatra tsapany rehefa nanatanteraka batisa sy fandraisana ho mpikambana tao amin’ny tempoly izy ireo na nanao asan’ny tantaram-pianakaviana hafa ho an’ireo razambeny izay efa nodimandry.

  • Fitaovana ilaina: Taratasy iray sy fitaovana fanoratana ho an’ny mpianatra tsirairay

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Azo omena ireo mpianatra ny iray amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ary afaka miasa tsiroaroa na anatin’ny vondrona kely anatina salles de discussions izy ireo mba hiresaka momba ny fomba ahafahany mampiasa io fitsipika io mba hanampiana an’i Jason. Rehefa tapitra ny fifanakalozan-kevitra momba ny fitsipika izay azony dia afaka manao tatitra amin’ny iray kilasy izy ireo.

2 Petera 1

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hanao dingana mba ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra handinika hoe inona no toetra ankafiziny indrindra momba an’i Jesoa Kristy ary nahoana.

  • Horonan-tsary:Ho tonga tahaka Azy” (10:21; jereo manomboka avy amin’ny marim-potoana faha 2:34 ka hatramin’ny 3:09)

  • Fanoritana tsipika: Kisary misy tendrombohitra mba hanoratana teny eo amboniny na manodidina azy rehefa mandeha ny lesona

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hampiasa ny solaitrabe [tableau blanc] mba hanaovana ny sarin’ny tendrombohitra sy ny hanoratana ny lisitr’ireo toetra tahaka ny an’i Kristy ho an’ny iray kilasy. Azo asaina ihany koa ny mpianatra mba hanao ny sariny sy ny lisitrany manokana ao amin’ny diary fandalinany soratra masina ary afaka manasa mpianatra vitsivitsy avy eo haneho ny asa izay nataony. Ny fotoana tena mampety indrindra ny fanasana ireo mpianatra hizara ny asany dia rehefa mangataka azy ireo hanazava ny fomba nanehoany ny foto-kevitry ny fahazotoana ao amin’ny kisariny ianao.

Hamoaka printy