Seminera
Jakoba 3


Jakoba 3

Ny teny lazaintsika

Zatovovavy anankitelo mitsiky sy miara-mihomehy.

Ny teny izay lazaintsika dia manana hery. Afaka mieritreritra zavatra niainana teo amin’ny fiainanao ve ianao izay nahatsapanao ny herin’ny teny, na amin’ny tsara na amin’ny ratsy? Nampianatra ny maha zava-dehibe ny fifehezana ny teny izay lazaintsika i Jakoba tao amin’ny epistiliny. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanombantombana ny teny lazainao sy ny fiantraikan’ny teninao amin’ny ezaka ataonao mba hitovy kokoa amin’ny Mpamonjy.

Mampivelatra ny fahaizana mifanakalo hevitra momba ireo finoana ao amin’ny filazantsara amin’ny hafa. Omeo fahafahana hanazava ny filazantsara amin’ny alalan’ny fampiasany ny teniny manokana ny mpianatra ary hijoro ho vavolombelona mikasika ny zavatra izay fantany sy tsapany. Hanampy ny filazantsara hilentika lalina ao am-pon’izy ireo izany.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hijery ny fiantraikan’ny fiteny ampiasaintsika amintsika sy ny hafa. Angataho izy ireo mba ho tonga vonona hizara izay zavatra hitany.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny herin’ny teny

Jereo ireo sary etsy ambany ary alaivo sary an-tsaina ny resadresaka mety ho ataon’ireo olona ireo. Eritrereto ny fiantraikan’ny teny henontsika sy ampiasaintsika.

Hevero ny hampiseho sary anankiroa maneho karazana resaka samihafa. Ohatra, ny sary iray dia mety ho an’ny olona roa mifamaly ary ny iray hafa amin’ny olona roa mifampahery amin’ny teniny, toy izao manaraka izao:

Mifamaly amin’ny zanany lahy izay zatovo ny reny iray eo am-pijoroan’izy ireo ao an-dakozia.
Azo inoana fa mandalina sy mifampiresaka ny zatovovavy iray sy ny reniny amin’ny alalan’ny fampiasana tablette sy soratra masina.
  • Inona no zavatra farany tsaroanao izay nolazain’ny olona iray taminao izay na nanampy na nandratra anao?

  • Inona no zavatra farany nolazainao tamin’ny olona iray izay nampatanjaka na nampahery azy ireo?

Hevero ny hanasa ireo mpianatra hizara ny valin-teniny raha toa ka mazoto izy ireo ary raha mety amin’ny efitrano fianarana izany.

Eritrereto raha ohatra ka nisy zavatra nolazainao vao haingana izay mety nisy fiantraikany ratsy tamin’ny olona iray. Rehefa mandalina ny fampianaran’i Jakoba ianao dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka manampy anao hahatakatra kokoa ny herin’ny teny. Diniho tsara ireo fahatsapana sy eritreritra ary fitarihana izay manosika anao hiteny bebe kokoa tahaka ny Mpamonjy.

Ny lela dia toy ny …

Nohamafisin’i Jakoba ny herin’ny teny henontsika sy lazaintsika ary nampitaha ny lela tamin’ny zavatra maro samihafa izy. Vakio ny Jakoba 3:2–12, ary tadiavo hoe nampitahain’i Jakoba tamin’inona ihany koa izany. Manaova sary tsotsotra amin’ny fampitahana iray na roa nataon’i Jakoba ao amin’ny diary fandalinanao, saintsaino ny fomba mety hampitovy ny sary ataonao amin’ny fiteninao.

Asao ireo mpianatra mba hiasa handeha tsiroaroa na anaty vondrona kely vitsivitsy rehefa mandinika ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto. Na azo atao koa, omeo ny lisitr’ireto fampitahana manaraka ireto ny mpianatra ary asao izy ireo handalina ny vitsivitsy amin’izy ireo, dia misaintsaina ny fomba mety hampitovy ny tenintsika amin’ireo zavatra voatanisa.

Vakio ity lisitra manaraka ity mba hahitana raha toa ka nahita fampitahana mitovy ianao.

  • Lamboridy. Jakoba 3:2–3, 5.Ny lamboridy (jereo ny andininy 3) dia karazana takela-by kely izay apetaka eo amin’ny vavan-tsoavaly mifandray amin’ny tady fitarihana ny soavaly, izay manome fahafahana ilay mpitondra soavaly hitarika ilay soavaly.

  • Ny familiana. Jakoba 3:4–5. Ny familiana (jereo ny andininy 4) dia mifehy ny familian-tsambo, izay mitarika na mampihodina ny sambo.

  • Ny afo. Jakoba 3:5–6. “Ny antontan-kazo” dia maneho ala (jereo ny andininy 5).

  • Biby tsy voafehy. Jakoba 3:7–8.

  • Poizina. Jakoba 3:8.

  • Loharano sy aviavy. Jakoba 3:10–12.

  • Ahoana no fomba ahafahan’ireo fampitahana ireo manampy antsika hahatakatra kokoa ny herin’ireo teny henontsika sy lazaintsika?

  • Inona no fampitahana hafa azonao ampiana mba hamaritana ny fiantraikan’ny teny lazaintsika?

Nizara izao manaraka izao ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo rehefa niresaka momba ireo fampianarana mahery vaika izay nataon’i Jakoba:

Sary ôfisialin’ny Loholona Jeffrey R. Holland. Nalaina tamin’ny Janoary 2018.

Mazava ho azy fa tsy nilaza akory i Jakoba fa hoe ratsy foana ny lelantsika, na ny zavatra rehetra izay lazaintsika dia “feno poizina mahafaty.” Saingy nilaza mazava izy fa misy zavatra lazaintsika sasantsasany farafaharatsiny izay mety hanimba, na ho poizina mihitsy aza—ary fanambarana mampitahotra ihany izany ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany iray! Ilay feo izay mijoro ho vavolombelona lalina, sy manolotra vavaka amin-kafanam-po ary mihira ny hiran’i Ziona dia mety izay manakiana, mitsikera, manala baraka sy manompa ary mandratra sy manimba ny fanahin’ny tena sy ny an’ny hafa rehefa manao izany. …

… Enga anie isika mba hiezaka ny ho lehilahy sy vehivavy “lavorary” farafaharatsiny amin’ity fomba iray ity amin’izao fotoana izao—mba tsy hanafintohina amin’ny teny, na raha lazaina amin’ny fomba tsaratsara kokoa, dia mba hiteny amin’ny fiteny vaovao, ny fitenin’ny anjely. Ny teny izay lazaintsika toa ireo asa ataontsika dia tokony ho feno finoana sy fanantenana ary fiantrana, andraikitra telo manan-danja iantsorohan’ny Kristianina izay tena ilaina mafy eto amin’izao tontolo izao ankehitriny. Ny fampiasana teny toy izany, eo ambany fitarihan’ny Fanahy, dia afaka mamafa ny ranomaso, manasitrana ny fo, mampivoatra ny fiainana, mampiverina ny fanantenana ary mampibahana ny fahatokian-tena.

(Jeffrey R. Holland, “Ny lelan’ Anjely,” Ensign na Liahona, Mey 2007, 16, 18)

  • Inona no zavatra izay nianaranao avy tamin’ny fampitahana nataon’i Jakoba sy ny fanambarana izay nataon’ny Loholona Holland?

Ny fahamarinana iray azontsika ianarana dia ny hoe ireo mpanara-dia an’ Andriamanitra dia miezaka mampiasa ny fiteniny ho amin’ny tanjona marina, fa tsy hanaparitaka ny ratsy.

Saintsaino vetivety ny fomba nahitanao ny fiteny ampiasaina amin’ny tsara sy ny ratsy amin’ireto toe-javatra manaraka ireto:

  • amin’ny hafatra an-tsoratra na tamba-jotran-tserasera

  • any am-piangonana ny alahady

  • any an-tsekoly miaraka amin’ny namanao

  • amin’ny ekipa na amin’ny klioba

  • ao an-trano miaraka amin’ny fianakavianao

  • Inona no zavatra niainanao izay maneho ny fiantraikan’ny teny mahery eo amin’ny olona, na ho amin’ny tsara na ho amin’ny ratsy?

I Jesoa Kristy dia “lehilahy tonga lafatra” (Jakoba 3:2) ary ohatra ho antsika amin’ny zava-drehetra, anisan’izany ny teny nolazainy. Rehefa mahatsiaro ny zavatra fantatrao momba Azy ianao dia alaivo sary an-tsaina ny fomba mety hampiasan’ny Mpamonjy ny teniny raha toa ka tao anatin’ireo toe-javatra voatanisa teo aloha Izy.

  • Inona no fahasamihafana izay mety ho tsikaritrao eo amin’ny fomba eritreretinao fa hampiasain’ny Mpamonjy ny teny sy ny zavatra hitanao sy renao matetika any amin’ireo sehatra ireo ankehitriny?

Ny fiteny henontsika sy ampiasaintsika

Tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny dia nampianatra antsika ny zavatra tokony holazaina sy tsy tokony holazaina ny Tompo.

Sary famantarana ny taratasy zaraina fandokoana

Raha toa ka mandray soa avy amin’ity fanaovana tombana ny tenany manaraka ity ny mpianatra dia omeo azy ireo ity taratasy zaraina manaraka ity. Azon’ny mpianatra atao ny manombantombana ny fiteniny amin’ny ankapobeny na amin’ny lafiny manokana eo amin’ny fiainany, toy ny ao an-tokantrano, ny fiangonana, sy ny sisa.

Saintsaino ny fifaneraseranao (amin’ny endriny rehetra: hafatra an-tsoratra, tamba-jotran-tserasera ara-tsôsialy, firesaka mivantana amin’ny hafa, sy ny sisa) rehefa mamaky ireto filazana 10 manaraka izay nalaina avy tao amin’ny Jeunes, soyez forts ([kiboky, 2011], 20–21) ireto ianao. Tombano amin’ny fampiasana maridrefy 1 ka hatramin’ny 5 ny fomba firesakao, ka ny 1 dia midika hoe “Mila fanampiana betsaka aho” ary ny 5 dia midika hoe “Tena mety tsara ny ataoko.”

1. Miezaka mampiasa fiteny madio sy fitenin’olona maranin-tsaina aho.

2. Miezaka mampiasa fiteny mampahery, sy mamporisika, ary midera ny hafa aho.

3. Miresaka amin-katsaram-panahy ary amim-pahatsarana momba ny hafa aho.

4.Tsy manevateva na manambany ny hafa aho, na dia amin’ny vazivazy aza.

5. Mifady izay karazana fosafosa rehetra sy mifady miresaka ao anatin’ny fahatezerana aho.

6. Rehefa alaim-panahy hiteny zavatra masiaka na mandratra aho, dia tsy lazaiko izany.

7. Mampiasa amim-panajana sy amim-pahamendrehana mandrakariva ny anaran’ Andriamanitra sy Jesoa Kristy aho.

8. Miresaka amin’ny Ray any An-danitra am-panajana sy am-panetrentena aho.

9.Tsy mampiasa fiteny na fihetsika manaratsy, na vetaveta, na tsy misy dikany aho.

10. Tsy mitantara vazivazy na tantara momba ny fitondran-tena maloto aho.

New Testament Seminary Teacher Manaul - 2023

Eritrereto ny fiteny nofidianao hampiasaina, ary saintsaino izay azonao atao tsara kokoa.

  • Inona avy no zavatra iray na roa izay afaka manampy anao hisafidy amim-pitandremana kokoa ireo teny lazainao sy renao?

  • Amin’ny toe-javatra inona no tena tianao hatsaraina ny tenanao?

  • Inona no paikady mety hanampy?

  • Ahoana no fomba hanampian’izany anao ho lasa hitovy kokoa amin’ny Mpamonjy?

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Amin’ny fomba ahoana ny tenintsika no mampiseho hoe iza isika?

Nampianatra izao manaraka izao ny Loholona Robert S. Wood tao amin’ny Fitopololahy:

Sary ôfisialy faran’ny Loholona Robert S. Wood tao amin’ny Kôlejy Faharoan’ny Fitopololahy, 1999. Nantsoina ho filohan’ny tempolin’i Boston Massachusetts, 2009. Nisaorana tao amin’ny Kôlejy Faharoan’ny Fitopololahy tamin’ny 3 ôktôbra 2009 nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

Ny teny lazaintsika sy ny fihetsika asehontsika ety ivelany dia manambara zavatra foana, satria izy ireny no maneho ny maha-isika antsika ary misy fiantraikany eo amin’ny hoe lasa olona toy ny ahoana isika. …

Ny zavatra lazaintsika sy ny fomba fanehoantsika ny tenantsika dia tsy hoe mamitaka fotsiny ilay olona ao anatintsika ao fa mamolavola ihany koa izany olona izany sy ireo olona manodidina antsika ary ny fiarahamonina iray manontolo amin’ny farany. Mandray anjara na amin’ny fanamaizinana ny hazavana na ny fandroahana ny haizina isika tsirairay isan’andro. Nantsoina mba hanasa ilay hazavana sy mba ho fahazavana isika ary mba hanamasina ny tenantsika sy hanazava ny saina amam-panahin’ny hafa. …

Rehefa miresaka sy manao zavatra isika dia tokony hanontany tena raha toa ny tenintsika sy ny fihetsika asehontsika ka natao mba hanasana ny herin’ny lanitra ho tonga eo amin’ny fiainantsika sy hanasana ny rehetra hanatona an’i Kristy. Tsy maintsy hajaintsika ireo zavatra masina. Ilaintsika esorina ao amin’ireo resaka ataontsika ny resaka vetaveta, mamoafady, mifono herisetra sy fampitahorana sy fanompana ary lainga. Nanoratra ny Apôstôly Petera hoe: “Fa araka ny fahamasinan’ Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa hianareo amin’ny fitondrantena rehetra” [1 Petera 1:15]. Tsy amin’ny fomba fiteny ihany no tiana holazaina eto, fa ny fitondrantenantsika manontolo ihany koa.

(Robert S. Wood, “The Tongue of Angels,” Ensign, Nôv. 1999, 83–84)

Ahoana no fomba ahafahantsika manova tsara ny fiteny ampiasaintsika sy rentsika?

Ilay horonan-tsary “No Cussing Club” (4:56), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, dia mampiseho ny ezaka nataon’ny zatovolahy iray mba hanampiana ny hafa hiala amin’ny fiteny ratsy.

4:56

No Cussing Club

One boy’s crusade to encourage clean language has far-reaching effects.

Sahanasa fianarana fanampiny

Fampidirana ny lesona amin’ny fomba hafa

Hevero ny hizara amin’ireo mpianatrao ny ohatra momba ny Mpamonjy niresaka tamin’ny hafa tao anatina toe-javatra isan-karazany, toy ny ao amin’ny Jaona 8:1–11 ; Marka 9:14–27 ary Lioka 23:32–34. Mariho fa ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Lioka 23:34 (ao amin’ny Lioka 23:35, Tovana, Fanampiana ho an’ny soratra masina) dia manazava fa i Jesoa Kristy dia mangataka amin’ny Ray mba hamela ireo izay nanombo Azy tamin’ny hazo fijaliana, izany hoe ireo miaramila Romanina. Asao izy ireo hizara ny zavatra niavaka tamin’izy ireo mikasika ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy na tsy nolazain’ny Mpamonjy tamin’ireo toe-javatra ireo. Avy eo dia asao ny mpianatra handinika ny fiteny ampiasainy sy reny tamin’ny hafa ary ny fiantraikan’izany.

Fanasana azo atao

Azonao atao ny manampy ny mpianatra hampihatra ny fitsipik’ity lesona ity amin’ny alalan’ny fanomezana fanamby azy ireo mba handeha 24 ora tsy hiteny zavatra ratsy. Amporisiho izy ireo hanoratra ao amin’ny diary fandalinany ny fiantraikan’io fanamby io teo amin’izy ireo sy ny olona nifaneraserany.

Fampianarana fanampiny avy amin’i Jakoba

Mba hanampiana ireo mpianatra handalina bebe kokoa ny fampianaran’i Jakoba dia asehoy ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto (aza aseho ny fanazavana ao anaty fononteny). Asao ireo mpianatra hikaroka amin’ireo andininy vitsivitsy ireo ary hiomana hizara ny zavatra nianarany sy ny fomba ampiharana izany ankehitriny. Avy eo ireo mpianatra dia afaka misafidy andinin-tsoratra masina iray hohalalinina amin’ny antsipiriany bebe kokoa ary manomana lesona na lahateny iray maharitra telo ka hatramin’ny dimy minitra momba izany lohahevitra izany. Raha ampy ny fotoana dia azonao atao ny manasa mpianatra iray na roa hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nomaniny.

Jakoba 1:12–16 (Sambatra isika noho ny fanoherana ny fakam-panahy.)

Jakoba 1:27 (Ny fivavahana madio dia miahy ny hafa sy madio ara-panahy.)

Jakoba 2:8–9 (Tiava ny hafa tahaka ny tenanao.)

Jakoba 4:6–10 (Manetre tena, tohero i Satana, ary manatona an’ Andriamanitra.)

Jakoba 4:17 (Raha mahalala ny hanao ny tsara isika nefa misafidy ny tsy hanao izany, dia manota.)

Jakoba 5:14–15 (Azo sitranina amin’ny alalan’ny vavaka na amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana sy fanosorana diloilo amin’ny anaran’i Kristy ny marary.)