Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Jakoba 1:5–6


Fifehezana fotopampianarana: Jakoba 1:5–6

“Mangataha amin’ Andriamanitra”

Sary
I Joseph Smith Zanany tao amin’ilay Ala Kely Masina (ao Manchester, New York) nandritra ny nandraisany ny Fahitana Voalohany. I Joseph Smith aseho an-tsary teo am-pandohalihana teo anatrehan’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy. Naseho an-tsary samy manao akanjo lava fotsy Andriamanitra Ray sy i Kristy. Mampahafantatra an’i Kristy amin’i Joseph ny Ray: Misy hazo ao ambadika. (Joseph Smith - Tantara 1:15–20)

Tao amin’ny lesona teo aloha, “Jakoba 1,” dia nianatra ianao fa manome antsika fahendrena Andriamanitra raha mangataka Aminy amim-pinoana isika. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izay ao amin’ny Jakoba 1:5–6, dia hanazava ny fotopampianarana, sy hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy eo amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Mitodika any amin’ Andriamanitra mba hahazoana valiny. Amporisiho izy ireo hisaintsaina ity teny nambaran’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, “Mendrika valin-teny ara-panahy avy amin’ Andriamanitra ireo fanontaniana ara-panahy” (“Joseph Smith,” Liahona, nôv. 2014, 28). Ampianaro ny mpianatra hitodika amin’ Andriamanitra mba hahazoana fahendrena rehefa manana fanontaniana izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hamaky ny Joseph Smith—Tantara 1:10–14, ary hitady ny fomba nampiharan’i Joseph Smith ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy teo amin’ny fiainany.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity dia natao hampianarina ao aorian’ny “Jakoba 1 izay lesona miresaka momba ny sahan-kevitra manodidina ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Jakoba 1:5–6. Raha ohatra ka ilaina ny hamindrana ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa dia ataovy azo antoka fa lesona miresaka momba ny sahan-kevitra manodidina izany ihany koa no ampianarina amin’io herinandro io.

Tadidio ary hazavao

Ampio ireo mpianatra hitadidy sy hanazava ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Jakoba 1:5–6. Ireto sahanasa manaraka ireto dia soso-kevitra amin’ny fanatanterahana izany tanjona izany.

Alaivo sary an-tsaina hoe sahirana ny namana iray handray fanapahan-kevitra lehibe eo amin’ny fiainany. Fantatrao fa io namana io dia tsy nobeazina tao amin’ny finoana fa afaka miresaka mivantana amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka isika.

Tsarovy fa tao amin’ny lesona teo aloha dia nandalina ity fahamarinana manaraka ity ianao tao amin’ny Jakoba 1:5–6: Hanome antsika fahendrena Andriamanitra raha mangataka Aminy amim-pinoana isika.

  • Ahoana no ahafahanao mampiasa ny Jakoba 1:5–6 hanazavana ny fifandraisana izay anasan’ny Ray any an-danitra antsika mba hananantsika Aminy? (Mety hanampy ny mampiditra ohatra amin’ireo fanontaniana mety hapetraky ny olona iray na fahendrena izay mety hokatsahin’izy ireo amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka, ary koa ireo zavatra niainana manokana na ohatra ao amin’ny soratra masina.)

Rehefa avy nanome fotoana ny mpianatra hisaintsainana ny fomba hamaliany ireo fanontaniana teo aloha dia asao izy ireo hizara ny valin-teniny amin’ny namany mba ahafahan’ny rehetra manana fahafahana haneho amin’ny feo mafy ny valin-teniny. Henoy ny valin-tenin’ireo mpianatra, ary, avereno jerena izay fitaovana rehetra tao amin’ny lesona teo aloha mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra tsara kokoa ity andinin-tsoratra masina ity raha ilaina.

Azonao aseho ilay sary hita tany am-panombohana ny lesona rehefa mamita ity sahanasa manaraka ity ny mpianatra.

Ny fahafahanao mahita sy manazava ity andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity dia afaka manampy anao rehefa mizara ny filazantsara amin’ny hafa mandritra ny fiainanao ianao. Mba hanampiana anao hitadidy ity andinin-tsoratra masina ity dia jereo ny sarin’ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith any am-piandohan’ny lesona no sady avereno imbetsaka araka izay vitanao ao anatin’ny iray minitra ity andian-teny manan-danja manaraka ity: “Raha misy aminareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra” (Jakoba 1:5–6).

Mba hanampiana ireo mpianatra hanolo-tena kokoa ny hitadidy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina sy ireo andinin-tsoratra masina dia azonao atao ny miato imbetsaka mandritra ny lesona mba hampisehoana ny sarin’ny Fahitana Voalohany ary hanasana ireo mpianatra hamerina ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina sy ny toko sy andininy.

Fizàrana mampihatra

Sary
I Joseph Smith tovolahy mipetraka eo amin’ny seza iray mamaky ny baiboly.

Hevero ny hampiseho ity sary ity na sarin’i Joseph Smith izay mitovy amin’izany mandritra ity ampahan’ny lesona manaraka ity.

I Joseph Smith dia iray amin’ireo ohatra maro ao amin’ny soratra masina momba ny olona izay nahazo fitahiana tamin’ny fanarahana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Ho an’ity fizàrana mampihatra manaraka ity dia handalina ohatra iray momba ny fomba nampiharany ireo fitsipika ireo teo amin’ny fiainany ianao. Mialoha ny hanombohanao izany, dia makà fotoana fohy hamerenana mijery ireo fitsipika ao amin’ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny “Fahazoana fahalalana ara-panahy izay hita ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022).

Hevero ny mizara ireo mpianatra ho vondrona telo, ka ny vondrona tsirairay dia mifantoka amin’ny fitsipika samy hafa momba ny fahazoana fahalalana ara-panahy mandritra ny ambin’ny lesona. Raha ilaina, dia asao ny vondrona tsirairay mba hamerina hijery ireo andiam-pehezan-teny mifandray amin’ny fitsipiky ny filazantsara ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana.

  • Eritrereto ny zavatra efa fantatrao momba ny zavatra niainan’i Joseph Smith. Inona no fanontaniana nananan’i Joseph? (Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:8–10.)

  • Nahoana no zava-dehibe ho antsika ny mikatsaka valiny avy amin’ Andriamanitra ho an’ireo fanontaniantsika manokana tahaka ny nataon’i Joseph Smith?

Eritrereto izay fanontaniana anananao na fahendrena tadiavinao. Rehefa mamita ity sahanasa manaraka ity ianao dia eritrereto ny fomba ahafahan’ny ohatra nasehon’i Joseph amin’ny fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy manampy anao amin’ny toe-javatra izay mitaky fahendrena avy amin’ Andriamanitra.

Azo atao ihany koa, ity fizàrana amin’ny fampiharana ity dia azo ampifanarahana amin’ny fanontaniana ananan’ny mpianatra na ny fahendrena tadiaviny.

Asao ny vondrona tsirairay hiara-handalina ireto andininy manaraka ireto. Omeo fotoana ampy izy ireo hiresahana momba ny zavatra hitany ao anatin’ny vondrona misy azy, ao anatin’izany ny zavatra nianarany tamin’ny asa fanomanana ny mpianatra. Avy eo dia asao ny vondrona tsirairay mba hanao tatitra amin’ny iray kilasy mikasika ny fomba nahitany an’i Joseph nampihatra ilay fitsipika nifantohan’izy ireo.

Halalino ny Joseph Smith—Tantara 1:8, 11–17, ary asio marika ny andian-teny tsirairay izay mampiseho ny fomba nanarahan’i Joseph ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy tamin’izy mbola zatovo. Na dia mety efa mahazatra anao aza ny tantarany dia tadiavo ny antsipiriany ao amin’ireo andininy ireo izay manambara ny fanirian’i Joseph sy ny toe-tsainy ary ny finoany mihoatra noho izay mety ho tsikaritrao teo aloha.

  • Inona no ohatra hitanao momba an’i Joseph nanao zavatra tamim-pinoana, nihazona fomba fijery mibanjina ny mandrakizay, ary nampiasa loharano notendren’ Andriamanitra?

Ireto fanontaniana manaraka ireto dia natao hanampiana ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny fomba nampiharan’i Joseph ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy, sy ny fomba ahafahan’ireo fitsipika ireo hitondra soa eo amin’ny fiainan’izy ireo, ary hitodika amin’ Andriamanitra mba hianarana ny fahamarinana. Safidio ireo fanontaniana izay sahaza indrindra ho an’ny mpianatra.

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana izay nofinidin’ Andriamanitra

  • Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe tamin’i Joseph Smith ny nikatsaka mivantana ny valin’ireo fanontaniany tamin’ Andriamanitra?

  • Inona no ninoan’i Joseph fa hitranga raha tsy manatona an’ Andriamanitra izy mba hitady valiny? (Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:13.)

  • Ankoatra ny vavaka, ahoana koa no ahafahanao mikatsaka valiny avy amin’ Andriamanitra?

Fakafakao ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Inona araka ny hevitrao no fantatr’i Joseph momba an’ Andriamanitra ka nanome azy fahatokiana mba hangataka valiny mivantana Aminy?

  • Rehefa tsy tonga haingana ny valin’ireo fanontanianao dia amin’ny fomba ahoana no manampy ny fahatakarana ny fomba hanambaran’ny Ray any An-danitra ny fahamarinana amin’ireo zanany?

  • Nahoana i Satana no te hanakana an’i Joseph—sy anao—tsy hivavaka amin’ Andriamanitra mba hahazoana valiny?

Manao asa amim-pinoana

  • Ahoana no nanehoan’i Joseph Smith ny “[mangataka] amin’ny finoana, tsy miahanahana” (Jakoba 1:6), na dia niezaka nisakana azy tsy hivavaka aza i Satana? (Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:15–16.)

  • Ahoana no ahafahan’ny ohatra nasehon’i Joseph manampy anao amin’ny fanontanianao sy ny ahiahinao? Manaova drafitra manokana momba ny fomba hiasanao am-pinoana.

Mijoroa ho vavolombelona momba ny Raintsika any An-danitra be fitiavana, izay vonona ny hanome antsika fahendrena raha toa ka mangataka Aminy amim-pinoana isika. Hevero ny mizara zavatra niainanao manokana izay maneho ny fitarihany feno fitiavana rehefa avy nikatsaka Azy tamim-pinoana ianao.

Famerenana fifehezana fotopampianarana

Mandritra ny lesona iray ho avy dia mandania tsy mihoatra ny telo ka hatramin’ny dimy minitra hamerenana ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Jakoba 1:5–6. Fomba iray hanaovana izany dia ny mihazona ilay sary izay nampiasaina tamin’ity lesona ity rehefa nitadidy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ny mpianatra. Jereo raha mbola afaka mahatadidy ilay andian-teny ireo mpianatra. Omeo fotoana izy ireo handinihana izany ary avereno andramana indray raha ilaina.

Ny fomba iray hafa dia ny manangana ny sarin’ny Fahitana Voalohany ary manasa ireo mpianatra hamerina indroa na intelo ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina any am-piandohan’ireo lesona manaraka.

Hamoaka printy