Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Jakoba 2:17–18


Fifehezana fotopampianarana: Jakoba 2:17–18

“ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy”

Sary
zatovolahy anankiroa mizara ny Bokin’i Môrmôna

Tao amin’ny lesona teo aloha dia nianaranao ny fanehoantsika finoana an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny asan’ny fahamarinana ataontsika. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja izay hita ao amin’ny Jakoba 2:17–18, hanazava ny fotopampianarana, sy hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy eo amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Mampita amin’ny mpianatra fa sarobidy sy tena ilaina ny fandraisany anjara. Mitadiava fomba hanampiana ny mpianatra tsirairay hahatsapany ny maha-sarobidy sy ny fanekena azy ireo ary ny fitahiana ny iray kilasy amin’ny alalan’ny fandraisan’izy ireo anjara. Aza adino ny misaotra ny mpianatra noho ny fandraisany anjara ary ampahafantaro azy ireo fa mankasitraka ny fahavononany handray anjara ianao.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hieritreritra ny fitsipiky ny filazantsara izay inoany saingy mety hanahirana azy ireo ny fanatanterahana azy. Angataho ny mpianatra mba hisaintsaina hoe inona no mety manakana azy ireo tsy handray andraikitra eo anatrehan’izany fitsipika izany.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity dia natao mba hampianarina aorian’ny lesona momba ny “Jakoba 2,” izay lesona miresaka momba ny sahan-kevitra manodidina ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Jakoba 2:17–18. Raha ohatra ka ilaina ny hamindrana ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa dia ataovy azo antoka fa lesona miresaka momba ny sahan-kevitra manodidina izany ihany koa no ampianarina amin’io herinandro io.

Ianaro tsianjery sy hazavao

Ampio ireo mpianatra hitadidy sy hanazava ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja izay hita ao amin’ny Jakoba 2:17–18. Fomba iray hanaovana izany ity sahanasa manaraka ity.

Soraty amin’ny taratasy misy elanelana kely isaky ny teny tsirairay ny Jakoba 2:17–18 hoe: ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy. Tonony mafy ilay andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ilay soratra masina. Hetezo tsirairay ny teny sy ny isa tsirairay, akorontano ary avereno amin’ny filaharany indray. Tonony indray ilay soratra masina sy ny toko sy andininy. Avereno ilay dingana mandra-pahavitanao ny manonona ilay andinin-tsoratra masina sy ilay andian-teny manan-danja tsy mila ny fanampian’ilay taratasy.

Raha tsara kokoa ho an’ny kilasinao dia manapaha taratasy maromaro alohan’ny fotoam-pianarana ary ataovy ao anaty valopy ny taratasy tsirairay mba ho ampiasain’ny mpianatra samirery, na anaty vondrona na tsiroaroa.

Rehefa mamaky ny Jakoba 2:17–18 ianao, dia tsarovy avy amin’ny lesona teo aloha ilay fitsipika hoe ny finoana marina an’i Jesoa Kristy dia mitaky asan’ny fahamarinana.

  • Ahoana no fomba hanazavanao io fahamarinana io mba handrisihana ny hafa hanao asa araka ny finoany?

Fizàrana mampihatra

Diniho ireto fitsipika telo momba ny fahazoana fahalalana ara-panahy ireto. Avy eo dia manorata fehezan-teny iray ho an’ny fitsipika tsirairay izay mamintina ny heviny amin’ny teninao manokana. Raha ilaina, avereno jerena ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022).

  1. Manao asa amim-pinoana.

  2. Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

  3. Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.

Mety ho sarotra ny manao asa mifanaraka amin’ny finoantsika. Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe: “Ny zavatra fantatsika matetika dia tsy hita taratra amin’ny zavatra ataontsika” (“Mazoto sy mikarakara bebe kokoa ao an-tokantrano,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 17). Eo am-pamakianao ireto rafi-tantara manaraka ireto dia eritrereto ny antony mety tsy hanaovantsika foana asa momba ny fitsipiky ny filazantsara izay fantatsika.

  • Te hamaky ny soratra masiny isan’andro ny zatovovavy iray. Tsy ao aminy ny faharisihana indraindray rehefa tsy mahazo na tsy mahita ny hevitry ny zavatra vakiny izy.

  • Nandoa fahafolonkarena tamim-pahatokiana ny zatovovavy iray fony izy mbola kely. Ankehitriny raha izy efa lehibe ka manana asa matotra, ny habetsaky ny fahafolonkarena andrasana aminy dia mihoatra noho izay efa nomeny ary sarotra kokoa ny mandoa izany.

  • Nianatra momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany nandritra ny taona maro ny zatovolahy iray. Mino izy fa nijaly noho ny fahotan’ny olombelona i Jesoa ary ho voavela ny helony. Niaina fibebahana manan-danja izy teo aloha. Tsapany anefa fa efa fotoana lava izay no lasa nefa tsy nieritreritra ny hibebaka izy.

Misafidiana iray amin’ireo tranga etsy ambony ireo, na mieritrereta fitsipiky ny filazantsara hafa izay inoanao nefa anananao olana ny fanaovana asa momba izany. Soraty ny fomba ahafahanao na ilay olona eo amin’ny tranga nofidinao mampiasa ireo fitsipika telo amin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hiatrehana ilay tranga.

Raha mila fanampiana ianao amin’ny fampiharana ireo fitsipika ireo amin’ilay tranga nofidinao, dia valio ny sasany na izy rehetra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

Fitsipika 1: Manao asa amim-pinoana

  • Tamin’ny lasa, inona no fitsipiky ny filazantsara izay nanaovanao asa tamim-pinoana?

  • Inona no nianaranao momba an’i Jesoa Kristy avy amin’izany zavatra niainana izany ka mety hanampy anao amin’io tranga io?

Fitsipika 2: Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Araka ny hevitrao, ahoana no fahitan’ny Ray any An-danitra io toe-javatra io? Amin’ny fomba ahoana no ahafahany manampy?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hitondra fitahiana amin’ny ankehitriny sy ny mandrakizay ny fanaovana asa momba izany fitsipika izany?

Fitsipika 3: Mikatsaha fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  • Ahoana no mety hanampian’ny Jakoba 2:17–18 amin’ity toe-javatra ity? Inona avy ireo andinin-tsoratra masina na lahateny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany hafa izay afaka manampy anao hahatakatra kokoa sy hahatsapa faharisihana hiaina io fitsipika io? (Ohatra, jereo ny Almà 32:27–28.)

  • Matetika no manampy ny mifanakalo hevitra momba ireo olana ireo amin’ny namana azo itokisana, na olona ao amin’ny fianakaviana, na mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Iza no mety tian’ny Tompo hifanakalozanao hevitra momba izany toe-javatra izany?

Miezaha mamorona tontolo iray izay hahatsapan’ny mpianatra ho milamina mba hiresahana momba ny eritreriny sy ny ahiahiny. Asao ny mpianatra maromaro hizara fomba iray na maromaro hampiasan’izy ireo ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hanampiana amin’ny toe-javatra misy azy ireo nefa sady tsy mizara zavatra mahakasika loatra ny tenany manokana. Raha ilaina dia mametraha fanontaniana ho fanaraha-maso toy ny hoe “Nahoana no hanampy izany fitsipika izany?” sy ny hoe “Misy olona hafa ve ao an-dakilasy manana hevi-baovao na traikefa mety hanampy amin’ity toe-javatra ity?”

Makà fotoana kely hisaintsainana ny zavatra nianaranao tamin’ny alalan’ity lesona ity. Raha toa ianao ka nahita fahamarinana ao amin’ny filazantsara izay sarotra aminao manokana ny mampihatra azy dia diniho amim-kitsimpo raha mikasa ny handray andraikitra eo anatrehan’izany ianao amin’izao fotoana izao. Raha tsy mikasa ny handray andraikitra eo anatrehan’izany ianao amin’izao fotoana izao dia eritrereto ireo sakana izay manakana ny lalanao sy ny fomba hanampian’ny Tompo anao.

Mety hahasoa ny fiaraha-midinika amin’ny iray kilasy ireo fanontaniana ao amin’ny andiam-pehezan-teny etsy ambony. Mijoroa ho vavolombelona momba ny fahavononan’ny Tompo hanampy sy ireo fitahiana izay tonga rehefa manao asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy isika.

Famerenana fifehezana fotopampianarana

Mandritra ny lesona ho avy dia ampio ny mpianatra hanao famerenana io andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana io sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Zarao ho tsiroaroa ny mpianatra ary asaivo jeren’izy ireo vetivety ilay andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja: “Jakoba 2:17–18, Ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.” Dia asao izy ireo hifandimbindimby hanonona teny na isa indray mandeha isaky ny mandeha. Ohatra, mety hiteny ny mpianatra iray hoe: “Jakoba,” ary hiteny hoe “roa” ny mpianatra faharoa ary toy izany hatrany hatrany. Mifandimbindimby hatrany izy ireo mandra-panononany ny andinin-tsoratra masina rehetra sy ny andian-teny manan-danja. Avy eo izy ireo dia afaka mifamadika hoe iza no miteny ilay teny voalohany ary mamerina ilay asa fampiharana.

Sahanasa fianarana fanampiny 

Ho fanampin’ireo fanontaniana roa manaraka ny “Fitsipika 3: Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra,” dia asao ireo mpianatra haka minitra vitsivitsy hikarohana lohahevitra ao amin’ny Gospel Library ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org (toy ny fandalinana soratra masina, fahafolonkarena, na fibebahana) mifandray amin’ny rafi-tantara nosafidiany hovaliana. Afaka mampiasa ny zavatra nianarany ny mpianatra hamaliana ny rafi-tantara nosafidiany.

Hamoaka printy