Seminera
Jakoba


Jakoba

Topimaso ankapobeny

Inona no azonao atao raha sendra miatrika fanontaniana saro-baliana anankiray ianao? Manan-danja toy ny ahoana ny fanaovana asa araka ny finoana? Tian’ny Tompo hiresaka sy hampiasa ny teninao amin’ny fomba ahoana ianao? Ao amin’ny lesona ho an’ity herinandro ity, dia handalina ny tenin’ny Apôstôly Jakoba ianao, izay manampy hamaly ireo fanontaniana ireo sy ny hafa koa.

Miomàna hampianatra

Ireto fampahalalana manaraka ireto dia manoro hevitra ireo mpampianatra momba izay mety ilain’izy ireo omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Soso-kevitra ho an’ireo mpampianatra an-jotra

Fizaran’ny mpianatra ny efijeriny eo amin’ny visio-conférence. Betsaka ireo fitaovana amin’ny visio-conférence izay azon’ny mpianatra ampiasaina mba hahafahany mizara ny efijeriny. Hevero ny hanasa ireo mpianatra mba hanomana famelabelarana fohy ary hizara izany min’ny hafa eo amin’ny efijery, alohan’ny fotoam-pianarana. Safidy anankiray hafa ihany koa ny fampiasana ny solatraibe amin’ireo fitaovan’ny visio-conférence ary manasa mpianatra mba handray anjara hanoratra na hanao sary eo amin’ilay solaitrabe.

Jakoba 1

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanamafy ny fijoroana ho vavolombelon’ireo mpianatra momba ny Ray any An-danitra izay hanome fahendrena azy ireo ho valin’ny vavaka izay ataon’izy ireo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hamaky ny Jakoba 1:5–6 sy hieritreritra ireo lafin-javatra eo amin’ny fiainan’izy ireo izay ilana fahendrena na fitarihana avy amin’ Andriamanitra.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hanasa ny ray aman-drenin’ny mpianatra iray na roa andro mialoha mba hanatrika ny fotoam-pianarana ary hizara zavatra niainan’izy ireo anankiray mikasika ny fahazoana fahendrena avy amin’ Andriamanitra ho valin’ny vavaka nataon’izy ireo. Ireo ray aman-dreny ireo ihany koa dia afaka mandefa rakitsary iray momba ireo zavatra niainan’izy ireo izay afaka haseho mandritra ny fotoam-pianarana.

Fifehezana fotopampianarana: Jakoba 1:5–6

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Jakoba 1:5–6 , hanazava ny fotopampianarana, ary hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy eo amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hamaky ny Joseph Smith—Tantara 1:10–14 , ary hitady ny fomba nampiharan’i Joseph Smith ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy teo amin’ny fiainany.

  • Sary haseho: Sarin’ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Raha tokony hasaina hamaky ny Joseph Smith—Tantara 1:8, 11–17 , ireo mpianatra, dia asehoy ny horonan-tsary “The Restoration” (19:12; jereo manomboka amin’ny mari-potoana faha 2:53 ka hatramin’ny 15:28), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Atsaharo imbetsaka amin’ny fotoana maha mety azy ilay horonan-tsary mba hahafahan’ny mpianatra mizara ny zavatra izay tsikaritr’izy ireo fa nataon’i Joseph Smith mba hanehoana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ao anatina vondrona kely maromaro. Rehefa avy nijery ilay horonan-tsary, dia asao ireo mpianatra hizara ny zavatra izay hitany amin’ny iray kilasy.

Jakoba 2

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hamela ny mpianatra mba handinika ny fomba ahafahan’izy ireo mampihatra kokoa finoana an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanaovana asa mifono fahamarinana.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra olona akaiky azy ireo anankiray izay manana finoana matanjaka an’i Jesoa Kristy. Raha azo atao dia asao ireo mpianatra hametraka fanontaniana toy izao manaraka izao amin’ilay olona: “Ahoana no fiantraikan’ny finoanao an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fihetsikao sy ny fitondrantenanao? Inona no zavatra izay ataonao amin’ny fomba hafa noho ny finoanao an’i Jesoa Kristy?” Asao izy ireo mba ho vonona hizara ohatra.

  • Sary haseho: Hevero ny hanao sary na hampiseho sary afo eny amin’ny solaitrabe.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Asao ireo mpianatra mba hanoratra ny valinteniny momba ny ohatry ny finoana ao anatin’ny taratasy roa, araka izay voalaza ao amin’ny lesona. Aorian’izany, raha tokony hanasa ireo mpianatra hifindra toerana ao amin’ilay efitrano, dia ataovy ao anaty vondrona kely mandeha tsiroaroa na zarao ho vondrona kely maromaro izy ireo. Asaivo mitazona taratasy iray amin’ny tanany tsirairay ireo mpianatra. Ny mpianatra dia afaka misafidy ny tanana havanana na havian’ny mpianatra iray hafa mba hahenoany ny valintenin’izy ireo ao anatin’ny vondrona kely misy azy. Azon’ny mpianatra atao ny mamerina ity sahanasa ity any amin’ny vondrona kely iray hafa miaraka amina vondrona mpianatra vaovao.

Fifehezana fotopampianarana: Jakoba 2:17–18

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Jakoba 2:17–18 , hanazava ny fotopampianarana, ary hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy eo amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra ny fitsipiky ny filazantsara izay inoany fa mety hanahirana azy ireo ny fanatanterahana azy. Angataho ny mpianatra mba hisaintsaina hoe inona no mety manakana azy ireo tsy hanaraka izany fitsipika izany.

  • Fitaovanana ho an’ny mpianatra: Taratasy sy hety.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Ho an’ny ampahany amin’ny fizàrana mampihatra ao amin’ny lesona dia hevero ny hanasa ireo mpianatra hisafidy rafi-tantara iray hiarahana mifanakalo hevitra. Manasà mpianatra anankiray mba hizara ny fomba hampiasan’izy ireo ny iray amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hanampiana ilay olona ao anatin’ilay tantara namboarina. Manasà mpianatra iray hafa mba hizara hevitra fanampiny mikasika izany fitsipika izany. Raha toa ka manana olana amin’ny fampiharana ny iray amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ny mpianatra dia azonao atao ny mametraka ny sasany amin’ireo fanontaniana fanampiny voatanisa eo ambanin’ireo lohateny aorian’ilay tantara namboarina any amin’ny faran’ny lesona ao amin’ilay chat, ary asao ireo mpianatra mba hizara izay eritreretiny.

Jakoba 3

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra mba hanombantombana ny teny lazainy sy ny fiantraikan’ny teniny eo amin’ny ezaka ataony mba ho lasa kokoa tahaka ny Mpamonjy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hijery ny fiantraikan’ny fiteny ampiasaintsika amintsika sy ny hafa. Angataho izy ireo mba ho tonga vonona hizara izay zavatra hitany.

  • Sary haseho: Hevero ny hampiseho sarin’olona manao fifanakalozan-kevitra samihafa.

  • Taratasy zaraina: Manomàna dika mitovy ampy amin’ny taratasy zaraina ho an’ny mpianatra rehetra.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Miankina amin’ny fomba hikarohan’ny mpianatra ny Jakoba 3:2–12 izay fampitahana ataon’i Jakoba, ny solaitra nomerika anankiray dia afaka manampy ireo mpianatra handray anjara sy hifampianatra. Ohatra, raha asaina mitady tandindona ao amin’ny Jakoba 3:2–12 , ireo mpianatra dia afaka manoratra na milalao an-tsehatra ireo tandindona izay nampiasain’i Jakoba, eo amina solaitra nomerika iray, rehefa hitany izany. Raha toa ka zaraina amin’ny mpianatra ireo tandindona alohan’ny handalinany ireo andininy nomena azy ireo, dia azon’izy ireo atao ny mitanisa, eo amin’ilay solaitra nomerika, izay mampitovy ny lela amin’ireo singa tsirairay ao amin’ny fampitahana izay nataon’i Jakoba.

Hamoaka printy