Seminera
Fifehezana Fotopampianarana: Hebreo 12:9


Fifehezana Fotopampianarana: Hebreo 12:9

Ny Ray any An-danitra dia “Rain’ny fanahy”

Sary
A young man reading scriptures.

Nandritra ny fandalinanao ny Hebreo 12:9, dia nianatra momba ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra ianao, izay “Rain’ny fanahintsika”, sy ny mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny fiainanao. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Hebreo 12:9, hanazava ny fotopampianarana, sy hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy eo amin’ireo toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Mahatakatra, mampihatra ary mitadidy. Rehefa mahatakatra aloha ny mpianatra ary avy eo mianatra ny fomba hampiharana izany fahatakarana izany eo amin’ny fiainany dia lasa mora kokoa ho azy ireo ny mitadidy ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Ary mbola manan-danja kokoa noho izany, mety hisy fiantraikany maharitra kokoa ny fotopampianarana sy ny fitsipika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny toe-javatra atrehany ka mety hanampy azy ireo amin’izany ny mahatakatra na mitadidy fa zanaky ny Ray any An-danitra izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity dia natao hampianarina aorian’ny lesona momba ny “Hebreo 12:9,” izay mifandray amin’ny lesona ara-tsahan-kevitra momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Hebreo 12:9 . Raha ilaina ny mamindra ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa, dia alaivo antoka fa lesona miresaka sahan-kevitra mifandray amin’izany ihany koa no ampianarina amin’io herinandro io.

Hazavao dia tadidio

Ampio ireo mpianatra hanao fanazarana manazava ilay fotopampianarana amin’ny teniny manokana. Fomba iray hanaovana izany ity manaraka ity. Ity sahanasa atao ity dia azo amboarina amin’ny alalan’ny fanasana ireo mpianatra hilalao an-tsehatra ilay toe-javatra ary hanao izany tsiroaroa, na anaty vondrona kely, na miaraka amin’ny iray kilasy.

Tamin’ny lesona teo aloha dia nianatra ianao fa Andriamanitra no Rain’ny fanahintsika. Alaivo sary an-tsaina hoe miresaka amin’ny namanao iray ianao izay manontany hoe iza izy ireo. Ampiasao ny Hebreo 12:9 hanampiana azy ireo. Rehefa mamaly ireo fanontanian’izy ireo ianao na mamaly ny olan’izy ireo dia hevero ny mampiditra izao manaraka izao:

  • Ny dikan’ny maha zanak’ Andriamanitra antsika ary ny maha-zava-dehibe ny fahafantarana izany

  • Ny mety ho fiantraikan’ny fahatakarana na ny tsy fahatakarana io fahamarinana io amin’ny maha-isika antsika sy ny lanjan’ny tenantsika manokana

  • Ireo fomba iezahan’izao tontolo izao mitaona ny fahalalantsika momba ny hoe iza isika sy ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra, ary ny antony ilantsika manohitra ireo fitaomana ireo

Ampio ny mpianatra hitadidy ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Hebreo 12:9 , “Ny Ray any an-danitra dia -Rain’ny fanahy-.“ Ny fomba iray hanaovana izany dia ny fanehoana ireo litera voalohany amin’ny teny tsirairay ao amin’ny andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina: H 12:9, N R a A d “R n f.”

Asao ireo mpianatra hamerina imbetsaka ny andininy sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina amin’ny alalan’ny fampiasana ireo litera voalohany ho fanoroana hevitra. Aorian’ny famerimberenana vitsivitsy dia fafao ny litera voalohany sasany ary jereo raha mbola afaka mamerina izany tsara ireo mpianatra. Avy eo, fafao ny litera rehetra ary avereno tononina miaraka amin’ny iray kilasy ilay andinin-tsoratra masina sy ilay andian-teny manan-danja.

Fizàrana mampihatra

Ampio ny mpianatra hamerina hijery ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Fomba iray hanaovana izany ity sahanasa manaraka ity. Asehoy ireto teny manan-danja manaraka ireto ary apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto.

Mba hanampiana anao hamerina hijery ireo fitsipika telo amin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy dia diniho ireto teny manan-danja manaraka ireto:

  • Finoana

  • Fomba fijery

  • Loharanon-kevitra

Valio ireto fanontaniana manaraka ireto. Raha ilaina dia avereno jerena ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana “Fahazoana fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022).

  • Ahoana no ifandraisan’ny tsirairay amin’ireo teny ireo amin’ireo fitsipika telo amin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy?

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahatakatra sy mampihatra ireo fitsipika ireo?

Asao ny mpianatra hiomana hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Hebreo 12:9 . Ny fomba iray hanaovana izany dia amin’ny alalan’ny fampisehoana ity fehezan-teny manaraka ity miaraka amin’ireo teny banga ao aminy eo amin’ny solaitrabe ary mameno ireo singa tsy feno miaraka amin’ny iray kilasy. Raha tsy izany, diniho ny fampiasana ny rafi-tantara nomena ho ohatra aorian’ny fampisehoana ilay fehezan-teny.

_______________________(Anarana) dia tanora iray izay ______________________________________________________________ (toe-javatra na fifandirana). Izany no mahatonga azy hahatsapa ________________________________________________________________. Mikasika ny fifandraisany amin’ Andriamanitra dia mieritreritra izy fa___________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________.

Ohatra, mety ho toy izao ny rafi-tantara iray efa vita:

I Leslie dia zatovo iray tena mahay amin’ireo zavatra hafa atao ivelan’ny ny fianarana ary mpitarika eo anivon’ireo tanora mitovy aminy. Mahafaly azy izany. Mikasika ny fifandraisany amin’ Andriamanitra dia mieritreritra izy fa efa mandeha tsara ny fiainany ka tsy tena hitany fa ilaina ny fifantohana be loatra Aminy.

Hevero ny ampiseho ireo fanontaniana hita eo ambanin’ireto fitsipika momba ny fahazoana fahalalana ara-panahy tsirairay manaraka ireto. Azon’ireo mpianatra atao ny mifanakalo hevitra momba izany miaraka amin’ny iray kilasy, na tsiroaroa, na ao anaty vondrona kely.

Fakafakao ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Ahoana araka ny eritreritrao no fomba ahitan’ny Ray any An-danitra an’io olona io? Nahoana no zava-dehibe ho an’io olona io ny mahafantatra ny fomba fijerin’ny Ray any An-danitra azy?

  • Ahoana no mety ho fiantraikan’ny fahatakarana tsara kokoa ny toetra masina ananan’izy ireo amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra azy ireo amin’izao toe-javatra izao?

Mikatsaha fahatakarana misimisy kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana izay nofinidin’ Andriamanitra

  • Inona no nianaranao tamin’ny fandalinanao ny Hebreo 12:9 izay mety hanampy ao anatin’izany toe-javatra izany?

  • Inona avy ireo loharano hafa azon’ilay olona ao amin’ilay rafi-tantara noforoninao halalinina samirery mba hahitana hevi-baovao fanampiny?

Omeo fotoana ny mpianatra hitadiavana sy hikarohana ary hizarana ny sasany amin’ireo loharano fanampiny voalaza ao amin’ilay fanontaniana etsy ambony. Raha mila fanampiana izy ireo dia hevero ny mampiseho azy ireo ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” any amin’ny faran’ny lesona teo aloha, “Hebreo 12:9.”

Manao asa amim-pinoana

  • Inona no zavatra niainana, na an’ny tena manokana izany na hafa izay tonga ao an-tsainao rehefa mieritreritra ny hanao asa amim-pinoana ianao? Ahoana no ahafahanao mampiasa an’ireo mba hanampiana ilay olona amin’ilay rafi-tantara noforoninao?

  • Inona no torohevitra mety omenao ilay olona ao anatin’ny rafi-tantara noforoninao mba hanampiana azy hanao asa amim-pinoana?

Hevero ny mamarana izany amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny toetra masina ananantsika amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika na manasa ireo mpianatra hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany. Mety hahasoa koa ny mamela ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany sy tsapany amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana. Ohatra, “Nahoana araka ny hevitrao no andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ny Hebreo 12:9 ?” “Inona no nianaranao avy amin’ny fandalinanao io andalana io nefa tsy fantatrao teo aloha?” na “Ahoana no fomba ampiharanao manokana io andalana io eo amin’ny fiainanao?”

Famerenana fifehezana fotopampianarana

Ity sahanasa famerenana manaraka ity dia tokony hampiasaina amin’ny lesona izay hampianarina tsy ho ela aorian’ity iray ity.

Mba hanampiana ny mpianatra hitadidy sy hahatakatra ny Hebreo 12:9 sy ny andian-teny manan-danja ao aminy dia tonony ilay andinin-tsoratra masina ary asao ireo mpianatra hamerina ilay andian-teny hoe “Ny Ray any An-danitra dia -Rain’ny fanahy-.” Avy eo dia avereno ilay andian-teny ary asao ny mpianatra hanonona ilay andinin-tsoratra masina. Mety hahasoa ihany koa ny mampiditra andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao ao anatin’ity famerenana ity.

Sahanasa fianarana fanampiny

Rafi-tantara hafa

Ho solon’ny fangatahana ny mpianatra hameno ilay fehezan-teny nomena tany am-piandohan’ny lesona, dia azonao atao ny mampiseho rafi-tantara tsotra vitsivitsy, toy ity manaraka ity, ary avelao ny mpianatra hisafidy iray hovaliany.

  • Tsy dia mifankahazo amin’ny ray aman-dreniny i Susie. Rehefa mieritreritra fa zanak’ Andriamanitra izy dia manontany tena raha toa ka tsy faly amin’ny safidiny Izy ary te hilaza aminy izay tokony hataony.

  • Mandany fotoana be i Amari amin’ny fanarahana ny fironana misy eo amin’izao tontolo izao. Indraindray izy dia manao fihetsika mifanohitra amin’ny didin’ Andriamanitra ary manontany tena hoe nahoana izy no tsy mahatsapa fifaliana bebe kokoa eo amin’ny fiainany.

Hamoaka printy