Seminera
Hebreo 12:9


Hebreo 12:9

Andriamanitra no Rain’ny fanahintsika

Sary
Gilbert Temple Dedication - Father & Son

Nahoana isika araka ny hevitrao no miresaka be momba ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika? Ahoana no mety ho fiantraikan’ity fahalalana ity eo amin’ny fiainanao? Rehefa nampahatsiahy ireo Olomasina Hebreo momba ny fanitsiana izay mety ho azony avy amin’ny rain’izy ireo tety an-tany i Paoly dia nampianatra momba ny Ray any An-danitra izy, dia ny “Rain’ny fanahy” ( Hebreo 12:9). Ity lesona ity dia natao mba hanampiana anao hahafantatra bebe kokoa ny Ray any An-danitra sy hahatakatra ny f fiantraikany tsara entin’ny fahalalanao Azy sy ny fifandraisanao Aminy eo amin’ny fiainanao.

Mahita ny maha-andriamanitra ny mpianatra tsirairay sy ny tanjon’izy ireo. Miezaha mijery ireo mpianatra tahaka ny ahitan’ Andriamanitra azy ireo. Rehefa mahatsapa fa atokisana sy voatohana ireo mpianatra dia harisika izy ireo hanatratra ny olona tokony hahatongavany sy zavatra vitany amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy azy ireo.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hamaky ny tononkiran’ny “Zanaky ny Ray aho,” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah.113) ary mba hieritreritra ny fiantraikan’io fahalalana ny maha-izy azy ireo io eo amin’ny fiainany.

Sahanasa fianarana azo atao

Lesona mahagaga avy tamin’ny liona tao amin’ny valan-javaboary iray

Tao anatin’ny fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ireo tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony, ny Rahavavy Kathy Clayton, vadin’ny Loholona L. Whitney Clayton ao amin’ny Fitopololahy, dia nizara ny zavatra izay niainany tamin’ny fitsidihana nataony tao amin’ny valan-javaboary iray tany Arzantina izay nahafahany niditra tao anaty vala sy nifanerasera tamin’ny bibidia toy ny liona. Rehefa nanontany ny Rahavavy Clayton fa nahoana ny biby mampidi-doza no navela hifandray akaiky toy izany amin’ny olombelona, dia nianatra zavatra nanaitra azy izy.

Sary
Kathy Ann Kipp Clayton, wife of Elder L. Whitney Clayton who is a General Authority Seventy. This is taken in 2019.

[Ny mpanazatra biby] dia nisarika ny saiko tamin’ireo alika kely maromaro izay nonina tao anatin’ireo vala fitoeram-biby ireo ihany. Nilaza tamiko izy ireo fa anisany zavatra izay nataon’izy ireo ny fiompiana liona miaraka amin’ireo alika ireo tsy tapaka eo ankilany. Tamin’ny liona mbola kely, dia mbola lehibe kokoa ireo zanak’alika ireo noho ny zanaka liona. Nieritreritra ny alika fa izy ireo no mifehy azy ireo, ka nanenjika ny liona tsy nisy indrafo ary nanaikitra ny voditongony izy ireo. Lasa zatra nitangorona teny anjorom-pefy teny ireo zanaka liona ary nampiseho fihetsika fahatahorana mafy an’ireo alika kely masiaka ireo.

Rehefa nitombo ireo liona, dia nanohy nitangorona teny anjorom-pefy teny foana izy ireo ary natahotra ireo alika kely. Tsipa-tanana iray fotsiny ihany avy amin’ireo liona dia efa afaka mampitika mora foana ireo alika hiala tao anaty vala, saingy tsy nahita ny tenany araka ny tena maha-izy azy akory ireo liona. Tsy nahafantatra ny maha-mpanjaka azy izy ireo. Tsy nahita izay hatao ary voafetran’ny hevi-diso momba ny zavatra izay mety ho vitany izy ireo. Noheveriny fa kely sy malemy izy ireo, ka navelany hifehy sy hampihorohoro azy ireo tanteraka, ny alika manorisory sy mafy loha.

(Kathy Kipp Clayton, “A Regal Identity” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony, 13 septambra 2015], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)

  • Inona no fampitahana ara-panahy azontsika atao amin’ny zavatra izay niainan’ny Rahavavy Clayton?

  • Ahoana ny fomba mety hahatonga antsika ho toy ny liona ao amin’io valan-javaboary io indraindray?

Andriamanitra no “Rain’ny fanahy”

Raha niresaka tamin’ireo Hebreo momba ny fomba hamaliana ny famaizana na ny fanitsiana, avy amin’ Andriamanitra i Paoly (jereo ny Hebreo 12:6–8) dia nampianatra fahamarinana manan-danja iray momba ny fifandraisantsika amin’ny Ray any An-danitra. Rehefa mandalina ianao anio, dia henoy tsara ny bitsiky ny Fanahy izay afaka manampy anao hahatakatra tsara kokoa io fahamarinana io.

Vakio ny Hebreo 12:9 , ary hevero ny hanisy marika ireo teny na andian-teny izay mampianatra momba ny fifandraisantsika amin’ny Ray any An-danitra. Tadidio fa ny teny hoe “manaiky” dia entina ilazana ny fanekena na fitaoman’ny olona iray.

Amin’ity andinin-tsoratra masina ity dia nianatra isika fa Andriamanitra no Rain’ny fanahintsika.

  • Inona no fiantraikan’ny fahafantarana io fahamarinana io amin’ny fomba fahitanao ny tenanao manokana sy ny hafa?

Ny Loholona Tad R. Callister ao amin’ny Fitopololahy dia nizara ohatra iray mikasika ny fiantraikan’ny fahatsiarovana ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika:

Sary
Brother Tad R. Callister, Sunday school General President. Official Portrait 2018.

Tamin’ny fivoriam-piofanana vao tsy ela ho an’ny Manampahefana Ambony dia nisy fanontaniana nipetraka hoe: “Ahoana ny fomba hanampiantsika ireo izay manana olana amin’ny pôrnôgrafia?”

Nitsangana ny Loholona Russell M. Nelson ary namaly hoe: “Ampianaro azy ireo ny maha-izy azy sy ny tanjony.”

Nanakoako tao an-tsaiko izany valin-teny izany, tsy amin’ny maha-valin’io fanontaniana manokana io fotsiny ihany fa amin’ny maha-valiny mifanaraka amin’ny ankamaroan’ireo fanamby izay atrehantsika eo amin’ny fiainana.

(Tad R. Callister, “Our Identity and Our Destiny” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Brigham Young University, Aug. 14, 2012], 1, speeches.byu.edu)

  • Ahoana ny fomba ahafahan’ny fahatakarana ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika manampy antsika amin’ireo fanamby izay atrehintsika?

  • Inona avy ireo fitaoman’izao tontolo izao izay mety hanelingelina antsika tsy hahatsiaro ny maha-andriamanitra antsika?

  • Inona ny zavatra afaka manampy antsika mba hahatsiaro sy hanome voninahitra ny maha-andriamanitra antsika?

Fahalalana marina momba ny Ray any An-danitra

Saintsaino vetivety ny fahatakaranao manokana ny Ray any An-danitra sy ny fifandraisanao Aminy. Eritrereto ireo fitahiana izay efa avy niainanao sy mbola hiainana amin’ny ho avy satria zanany ianao. Eritrereto hoe inona ny zavatra izay mety hampiavaka ny fiainanao raha toa ka mahafantatra Azy bebe kokoa sy mahatsapa ho akaiky Azy kokoa ianao.

Ny rahalahy Brian K. Ashton, izay tao amin’ny Fiadidian’ny Sekoly Alahady maneran-tany teo aloha, dia nanantitrantitra ny fiantraikan’ny fahatakarana marina momba ny Ray any An-danitra sy ny fifandraisantsika Aminy:

Sary
Brother Brian K. Ashton - Sunday school General Presidency Second Counselor. Official Portrait 2018.

Ny fananana “fahatakarana marina momba ny toetran’ny [Ray any An-danitra] sy ny fahatanterahany ary ny toetoetrany” dia manan-danja indrindra eo amin’ny fampiharana ny finoana ampy ahazoana ny fisandratana [Lectures on Faith (1985), 38]. Ny fahatakarana marina ny toetoetran’ny Ray any An-danitra dia afaka manova ny fomba fijerintsika ny tenantsika sy ny hafa ary manampy antsika hahatakatra ny fitiavana lehiben’ Andriamanitra ho an’ireo zanany sy ny faniriany mafy hanampy antsika ho tonga tahaka Azy. Ny fomba fijery tsy marina momba ny maha-Izy Azy dia mety hahatonga antsika hahatsiaro ho toy ny tsy hahavita mihitsy hiverina eo anatrehany.

(Brian K. Ashton, “Ilay Ray,” Liahona, nôv. 2018, 93–94)

Fomba iray ahafahantsika mahazo fahatakarana marina momba ny Raintsika any An-danitra ny fandalinana soratra masina momba Azy.

Makà minitra vitsivitsy mba hamakina sy hisaintsainana soratra masina vitsivitsy izay mampianatra ny toetoetran’ Andriamanitra. Azonao atao ny mampiasa ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto Tanisao ao anatin’ny diary fandalinanao ny zavatra izay ampianarin’ireo soratra masina ireo anao momba ny toetra sy ny maha-Izy Azy ny Ray any An-danitra ary ny fifandraisanao Aminy.

Nomery 23:19

Salamo 103:8

Asan’ny Apostoly 10:34–35

Asan’ny Apostoly 17:28

Jakoba 1:17

1 Nefia 9:6

Mosesy 7:30, 35

  • Inona no fahamarinana nianaranao momba an’ Andriamanitra ka manan-danja indrindra aminao? Nahoana no zava-dehibe izy ireo?

  • Inona no mety ho fiantraikan’ny zavatra izay nianaranao amin’ny fahatsapanao ny maha-izy anao sy ny olona mety hahatongavanao?

  • Inona ny zavatra tsapanao fa nitaoman’ny Fanahy anao mba hataonao avy amin’ny zavatra izay nianaranao sy tsapanao androany?

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Manampy ahy amin’ny fomba ahoana ny fahafantarako fa zanak’ Andriamanitra aho?

Nampianatra toy izao ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

Diniho ny herin’ny hevitra ampianarina ao amin’ilay hira mamintsika hoe “Zanaky ny Ray aho” [Fihirana sy hiran’ny ankizy,, lah. 113]. … Isan’ireo fanontaniana lehibe eo amin’ny fiainana ny hoe: “Iza moa Aho?” Izaho dia zanak’ Andriamanitra izay manana firazanana ara-panahy avy amin’ny ray aman-dreny any an-danitra. Ny fananantsika izany ray aman-dreny izany no mamaritra ny hery anaty ananantsika izay maharitra mandrakizay. Izany hevitra mafonja izany dia manatsara ny fijerintsika ny tenantsika. Izany dia afaka mampatanjaka antsika tsirairay mba hanao safidy araka ny fahamarinana sy hikatsaka ny tsara indrindra ao anatintsika.

(Dallin H. Oaks, “Powerful Ideas,” Ensign, Nov. 1995, 25)

Nahoana isika no tsy miresaka betsaka momba ny Renintsika any An-danitra?

“Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia mampianatra fa ny olombelona rehetra, na lahy na vavy, dia zanaka fanahy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra, izay ahitana Ray sy Reny any An-danitra. …

“Tahaka ny maro amin’ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara, ny fahalalana ananantsika amin’izao fotoana izao momba ny Reny any An-danitra dia voafetra. Na izany aza, dia nomena fahalalana ampy isika mba hankafizantsika ny fahamasinan’io fotopampianarana io sy hahatakarantsika ny lamina masina napetraka ho antsika amin’ny maha-zanaky ny ray aman-dreny any an-danitra antsika” (Lahatsoratra ara-pilazantsara, “aMother in Heaven,” ChurchofJesusChrist.org).

Amin’ny fomba ahoana no ampianaran’ny fiainan’i Jesoa Kristy ny amin’ny toetoetran’ny Ray any An-danitra?

Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Tamin’ny zavatra rehetra izay nolazainy sy nataony, tafiditra ao anatin’izany ary indrindra indrindra tao anatin’ny sorona nampahory mba ho fanavotana izay nataony dia nasehony antsika hoe iza sy toy ny ahoana moa Andriamanitra Raintsika Mandrakizay, ny fahafoizan-tenany tanteraka ho an’ireo zanany tsy vakivolo sy firenena rehetra. Nezahin’i Jesoa nampahafantarina antsika sy tamin’ny fomba izay mahakasika ny tenantsika manokana ny tena toetran’ny Rainy, izay Raintsika any An-danitra. …

Ka rehefa namahana ny noana, nanasitrana ny marary, niteny mafy ny fihatsaram-belatsihy, ary niangavy ny olona mba hino i Jesoa Kristy—dia izay ilay Kristy maneho amintsika ny fomban’ny Ray, Izy izay “mamindra fo sy miantra, tsy mora sosotra, mahari-po ary heniky ny hatsarana” [Lectures on Faith (1985), 42]. Tamin’ny fiainany ary indrindra tamin’ny fahafatesany, no nanambaran’i Kristy fa: “Ity no fangoraham-pon’ Andriamanitra izay asehoko ho anareo, sy ho Ahy manokana ihany koa.” Amin’ny fanehoan’ilay Zanaka tonga lafatra ny fiahian’ilay Ray tonga lafatra, amin’ny fiaretan’Izy Ireo fijaliana sy ny alahelo hiombonany noho ny fahotana sy ny ratram-pon’ny maro amintsika, dia hitantsika ny tena hevitr’ ilay fanambarana hoe: “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’ izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao” [ Jaona 3:16–17].

(Jeffrey R. Holland, “La grandeur de Dieu,” Ensign na Liahona, nov. 2003, 70, 72)

Sahanasa fianarana fanampiny

Fomba hafa azo hanombohana ny lesona

Hevero ny hampiseho sary iray ahitana ray aman-dreny sy ny zanany ary asao ireo mpianatra mba hisaintsaina ny maha-zava-dehibe ny fifandraisan’ny ray aman-dreny amin’ny zanaka. Mametraha fanontaniana toy ny hoe “Toy ny ahoana ny karazana fitaomana ananan’ny ray na reny iray eo amin’ny fiainan’ny ankizy?” ary “Inona no akony nentin’ireo ray aman-dreninao tamin’ny maha-anao amin’izao sy amin’ny olona izay hahatongavanao?” Amporisiho ireo mpianatra mba hisaintsaina ny fifandraisany amin’ Andriamanitra sy ny fahatakarany an’ Andriamanitra ary mba hieritreritra hoe amin’ny ahoana ny fahafantarana kokoa no hampisy fiantraikany tsara eo amin’ny fiainan’izy ireo. Fanamarihana: Raha misafidy ny hanao ity sahanasa ity ianao dia mila mitandrina fa mety ho hisy sasany amin’ireo mpianatra tsy manana fifandraisana tsara amin’ny ray aman-dreniny. Ho azy ireo dia mety hanampy ny fametrahana fanontaniana ray toy ny hoe: “Hery mitaona toy ny ahoana no tianao hanan-kery eo amin’ny fiainan’ireo zanakao?”

Hamoaka printy