Seminera
Hebreo 12


Hebreo 12

“Fa izay tian’i Jehovah no faizany”

Sary
Young family in New Zealand playing and laughing with their children outside their home. They are playing basketball, holding the children and laughing and watching a small boy ride a trike.

Tamin’ny oviana ianao no nisy nanafay na nisy nanitsy farany? Ahoana no nasetrinao izany? Efa nisy fotoana ve ianao nankasitraka ny fanitsiana izay natao taminao? Nanoratra tamin’ireo Olomasina Hebreo i Paoly ary nanazava tamin’izy ireo fa matetika ny Raintsika any An-danitra no mampiseho ny fitiavany amin’ny alalan’ny fanitsiana antsika. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hianatra ny fomba ahafahan’ny fanekena amim-panetren-tena ny fanitsiana avy amin’ny Ray any An-danitra manampy anao hanana fiadanana sy mba ho tonga tahaka Azy bebe kokoa.

Mivavaha tsy tapaka ho an’ireo mpianatra. Fantatry ny Ray any An-danitra ny mpianatra tsirairay. Rehefa mivavaka Aminy ianao dia afaka manampy anao hamantatra ny zavatra izay tena ilain’ireo mpianatra Izy ary hanome anao aingam-panahy amin’ny fomba tsara entina hanomezana izany zavatra ilain’izy ireo izany. Henoy ireo fitaomam-panahy izay mety ho tonga mandritra ny lesona na eo am-piomananao hampianatra.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ireo fotoana izay nanehoan’izy ireo fankasitrahana noho ny fanitsiana izay natao taminy, na avy amin’ Andriamanitra izany na avy amin’ny olon-kafa.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny hazakazaky ny fiainana

Ny Hebreo 12:9 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay hohalalinina misimisy kokoa amin’ny lesona manaraka. Raha toa ka voafetra ny fotoam-pianarana ka lesona iray momba ny Hebreo 12 fotsiny ihany no azo ampianarina, dia hevero ny hitady fomba mahomby hahafahana mampianatra ireo lesona roa ireo miaraka.

Asehoy ireto sary manaraka ireto (na sary mitovitovy aminy).

Sary
Rio , Brazil - 9 September 2016; Jason Smyth of Ireland on his way to winning the Men's 100m
Sary
Athlete Track or Running Track with nice scenic

Alohan’ny hamalian’ireo mpianatra ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinany , dia hevero ny hanasa azy ireo hifanakalo hevitra, mandeha tsiroaroa na anaty vondrona kely, momba ny maha-toy ny hazakazaka ny fiainana.

Ataovy lisitra ao anatin’ny diary fandalinanao ireo fomba mahatonga ny fiainanao ety an-tany ho toy ny hazakazaka lavitr’ezaka. Ohatra, azonao atao ny mamaly ireto manaraka ireto:

  • Inona ny antony mahatonga anao hahatsiaro ho reraka na sasatra?

  • Inona avy ireo fomba tsara izay efa ataonao manoloana izany hazakazaka izany ary inona kosa ireo zavatra izay mbola tokony ho hatsaraina bebe kokoa?

  • Inona ilay toerana itodianao ka ihazakazahanao amin’izao fotoana izao? Nahoana izany no manintona anao?

  • Nahoana ianao no mety mila fanampiana amin’ny famitana ny hazakazaky ny fiainana?

“Hihazakazaka amin’ny -faharetana”

Ny Apôstôly Paoly dia nampitovy ny fiainantsika amin’ny fifaninanana mihazakazaka.Vakio ny Hebreo 12:1–2 , ary tadiavo ny zavatra izay nampianarin’i Paoly mikasika ny fomba ahafahantsika manao amim-pahombiazana ny hazakazaky ny fiainana. Marihina fa ny “ vavolombelona maro be toy ny […] rahona” izay resahina ao amin’ny andininy 1 dia manondro ireo ohatry ny finoana izay voarakitra ao amin’ny Hebreo 11 .

  • Inona no zavatra nisongadina taminao tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

  • Manampy antsika hanao ny hazakazaky ny fiainana amin’ny fomba ahoana ny fanarahana ny torohevitr’i Paoly?

Nomarihin’i Paoly ao amin’ny andininy 2 fa naharitra ny fanomboana azy ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fifantohana tamin’ny “fifaliana napetraka teo anoloany” ( Hebreo 12:2). Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanazava hoe:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Inona ilay fifaliana izay napetraka teo anoloany? Azo antoka fa izany dia nahitana ny fifaliana avy amin’ny fanadiovana, fanasitranana, ary fampatanjahana antsika; ny fifaliana avy amin’ny fanefana ny fahotan’ny olona rehetra izay mibebaka; ny fifaliana avy amin’ny fanaovana izay hahafahantsika sy ianao mandeha mody—madio sy mendrika—mba hiaina miaraka amin’ireo Ray aman-drenintsika any an-danitra sy ireo fianakaviantsika.

(Russell M. Nelson, “Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2016, 83)

  • Mampianatra inona mikasika ny zavatra tsapan’ny Mpamonjy momba anaony fifantohany nandritra ny Fanomboana Azy?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahalalana io zavatra momba an’i Jesoa Kristy io manampy anao hiaina fifaliana na dia ao anatin’ny fotoan-tsarotra aza?

  • Inona avy ireo fifaliana sasany azonao ifantohana mandritra ny fotoan-tsarotra izay lalovanao eo amin’ny fiainana?

Maharitra ny famaizana avy amin’ny Tompo

Mieritrereta fotoana iray izay nanitsin’olona anao sy ny fihetsika nasehonao nanoloana izany fanitsiana izany.

  • Inona avy ireo antony sasantsasany izay nahatonga ny olona hanitsy anao?

  • Inona indraindray no maha-sarotra ny hoe ahitsin’ny hafa?

  • Tamin’ny oviana ianao no mba nankasitraka ny fanitsiana sasany izay natao taminao? Nahoana?

Hevero ny hampiseho ity andinin-tsoratra masina manaraka ity sy hizara ireo mpianatra ao anaty vondrona kely mba handalina izany ka hifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana izay mifandray aminy. Manasà olona iray avy amin’ny vondrona tsirairay mba hizara valiny vitsivitsy izay tsapan’izy ireo fa tena nanampy azy ireo manokana na nitondra hevi-baovao ho azy ireo.

Vakio ny Hebreo 12:5–7, 9–11 , ary tadiavo ny zavatra izay nampianarin’i Paoly momba ny famaizana na fanitsiana.

Raha toa ka manana fanontaniana mikasika ny teny hoe zazasary ao amin’ny Hebreo 12:8 ireo mpianatra, dia hazavao fa izany dia milaza ireo zaza teraka ivelan’ny fanambadiana, izay tsy noheverina ho mpandova ara-dalàna tamin’ny andron’i Paoly.

  • Inona ny zavatra izay ampianarin’ireo andininy ireo momba ny tanjon’ny Ray any An-danitra amin’ny famaizany antsika?

Avereno jerena indray ny Hebreo 12:10–11 , ary tadiavo ny fomba ahafahanao mameno ity fahamarinana manaraka ity:

Raha manaiky ny famaizana avy amin’ny Ray any An-danitra isika …

Asao ireo mpianatra mba hizara ny eritreriny. Raha ilaina, dia ampio izy ireo mba hahitany fahamarinana iray izay mitovy amin’ity manaraka ity amin’ny alalan’ny fanondroana ilay andian-teny hoe “mba handraisantsika ny fahamasinany” izay hita ao amin’ny andininy 10 sy ny hoe “mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy” ao amin’ny andininy 11 .

Ity misy fomba iray izay ahafahanao mameno ilay fahamarinana: Raha manaiky ny famaizana avy amin’ny Ray any An-danitra isika, dia ho tonga tahaka Azy bebe kokoa ary hanana ny fiadanana avy amin’ny fandalàna ny fahamarinana.

Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome izao hevi-baovao manaraka izao momba ny famaizana izay azontsika avy amin’ny Tompo:

Sary
Portrait of Elder D. Todd Christofferson. Photographed in March 2020.

Misy tanjona telo farafahakeliny ny famaizana avy amin’ Andriamanitra: (1) handresena lahatra antsika fa mila mibebaka isika, (2) hanadiovana sy hanamasinana antsika, ary (3) hamerenana antsika amin’ny lalam-piainana izay fantatr’ Andriamanitra fa tsara kokoa ho antsika. …

… Raha manaiky izany isika, dia hiseho amin’ny endriny maro sy avy amin’ny loharanon-javatra maro ny fanitsiana izay ilaina. Mety hitranga mandritra ny vavaka izay ataontsika izany rehefa miresaka ao an-tsaina sy ao am-pontsika Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2]. Mety hitranga amin’ny alalan’ny valim-bavaka izany izay miteny hoe: “Tsia,” na mifanohitra amin’izay nantenaintsika. Mety hitranga mandritra ny fandalinantsika ny soratra masina ny famaizana ary ampahatsiahivina amintsikarehefa misy lesoka na tsy fankatoavana, tsy firaharahiana fotsiny ny tokony hatao.

(D. Todd Christofferson, “Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko,” Liahona, mey 2011, 98, 100)

  • Araka ny nambaran’ny Loholona Christofferson dia inona avy ireo fomba izay mety hamaizan’ny Ray any An-danitra antsika na hanitsiany antsika?

  • Mitondra fiadanana sy manampy anao ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra bebe kokoa amin’ny fomba ahoana ny fanekena ny famaizana avy Aminy?

  • Inona avy ireo zavatra niainanao ka nanampian’ny famaizan’ny Ray any An-danitra anao hahita fiadanana na ho tonga tahaka Azy bebe kokoa?

  • Inona no fiantraikan’izany zavatra niainanao izany tamin’ireo zavatra izay tsapanao momba Azy?

Hevero ny hizara ohatra iray momba ny atao hoe faizin’ Andriamanitra mba hanampiana ireo mpianatra hieritreritra ireo zavatra izay iainany manokana. Tandremo sao dia mizara zavatra mahakasika loatra ny tena manokana na tsiambaratelo ao amin’ny valin-teninao.

Omeo fotoana ampy tsara ireo mpianatra mba hahafahany hisaintsaina sy hamita ity sahanasa manaraka ity, ary amporisiho izy ireo mba hanao zavatra mifanaraka amin’ny fahatsapana izay voarain’izy ireo.

Saintsaino ireo zavatra nianaranao sy tsapanao androany ka afaka manampy anao eo amin’ny fiainanao. Raketo an-tsoratra ny eritreritrao sy ny fahatsapanao, anisan’izany ireo fihetsika rehetra izay kasainao hatao mifototra amin’ireo zavatra nianaranao sy tsapanao ireo.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Dia ahoana raha toa aho ka mahatsapa fa voasongon’ny hafa eo amin’ny hazakazaky ny fiainana?

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa:

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Tsy mifaninana izany isika samy isika mba hahitana izay manan-karena indrindra na manan-talenta indrindra na tsara tarehy indrindra na koa aza hoe izay voatahy be indrindra. Ny fifaninanana izay tena ataontsika dia ny fifaninanana hanohitra ny fahotana.

(Jeffrey R. Holland, “Ireo mpiasa ao amin’ny tanimboaloboka,” Liahona, mey 2012, 31)

Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ny famaizana ataon’ny Ray any An-danitra ho maneho ny fitiavany antsika?

Ny soratra masina dia mampiseho tanjona kendrena maromaro amin’ny famaizan’ny Tompo. Nampianatra antsika i Paoly ao amin’ny Hebreo 12:10 fa ny Tompo dia manitsy antsika mba “hahasoa, mba handraisantsika ny fahamasinany.” Ny fanitsiana izay nataony dia “mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy” ( Hebreo 12:11). Ny fanitsiana izay ataon’ny Tompo dia mety hiseho amin’ny endriny maro, ka manampy mandrakariva amin’ny fampianarana ny tsirairay izany ary manome ihany koa ny fanitsiana izay ilaina. Ny famaizana dia manampy ny olona hahatsiaro ny Tompo, hibebaka, handray famelan-keloka sy fanafahana, hianatra fankatoavana ary ho voadio tahaka ny volamena (jereo ny Helamàna 12:3 ; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:27 ; 95:1 ; 105:6 ; Joba 23:10).

Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niteny momba ny famaizan’ny Tompo:

Sary
Portrait of Elder D. Todd Christofferson. Photographed in March 2020.

Ny fanitsiana dia zava-dehibe raha toa ka te-hampifanaraka ny fiainantsika “[amin’]ny lehilahy lehibe [izany hoe,] mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoana n’i Kristy” ( Efesiana 4:13). Hoy i Paoly raha niresaka momba ny fanitsiana na famaizana araka ny fomban’ Andriamanitra: “Fa izay tian’i Jehovah no faiziny” ( Hebreo 12:6). Na dia sarotra aza matetika ny miaritra, dia tena tokony ho faly isika fa mbola raisin’ Andriamanitra ho zava-tsarobidy ka andaniany ny fotoany ary mbola ahitsiny.

(D. Todd Christofferson, “Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko,” Liahona, mey 2011, 97–98)

Sahanasa fianarana fanampiny

Hebreo 12:1. “Vavolombelona maro be […] toy ny rahona”

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny zavatra tian’i Paoly holazaina amin’ilay andian-teny hoe “vavolombelona maro be […] toy ny rahona”,” dia mety hanampy ny manamarika fa ny hoe rahona dia milaza “vahoaka betsaka, vahoaka vory maro” (James Strong, The New Strong’s Expanded Exhaustive Concordance of the Bible [2010], ao amin’ny fizarana rakibolana Grika, fidirana 3509).

Asao ireo mpianatra mba hanao ny lisitra ireo zavatra izay heveriny ho vavolombelona manambara fa tena marina tokoa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Azony atomboka amin’ireo olona izay mbola velona izany ary avy eo tohizany amin’ireo olona izay efa nodimandry. Hevero ny hanasa mpianatra vitsivitsy mba hizara ny fomba izay mety hankaherezan’ireo “vavolombelona maro be […] toy ny rahona” azy ireo eo am-pivoaran’izy ireo eo amin’ny fiainany.

Hebreo 12:5–7, 9–11. Ahoana ny fomba handraisana ny fanitsiana

Raha toa ka tokony handray soa avy amin’ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny fomba handraisana ny fanitsiana ireo mpianatra dia afaka mamaky ny Hebreo 12:5–7, 9–11 izy ireo, mba hitady ny torohevitra izay naroson’i Paoly momba ny amin’ny tokony handraisantsika ny fanitsiana avy amin’ny Tompo. Hevero ny hanasa ireo mpianatra mba hieritreritra hoe inona no fahatakarana fanampiny azon’izy ireo avy amin’ireto teny na andian-teny manaraka ireto, : “aza atao ho zavatra kely… aza reraka” ( andininy 5), “famaizana no anton’ny iaretanareo” ( andininy 7), fanajana sy ny fanekena ( andininy 9), ary ny fizarana amin’ny famaizana na ny fanarahana ny famaizana (jereo ny andininy 11).

Asao ireo mpianatra mba hamantatra ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izay takina raha te handray ny fanitsiana avy amin’ Andriamanitra amin’ireo fomba ireo isika. Azon’izy ireo atao ny misafidy toetra iray tahaka ny an’i Kristy izay tian’izy ireo hovelarina sy hamoronana drafitra mba hanaovana izany.

Hamoaka printy