Seminera
Hebreo 7–13


Hebreo 7–13

Topimaso ankapobeny

Nanamafy ny maha-zava-dehibe ny finoana an’i Jesoa Kristy tao amin’ny tapany faharoa amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo i Paoly. Notanisainy ireo ohatra maro ao amin’ny soratra masina milaza ireo olona nanao asa tamim-pinoana an’i Kristy ary nahazo fitahiana. Nampianatra momba ny toetoetran’ Andriamanitra ihany koa izy, nilaza an’ny Tompo ho “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy” (Hebreo 11:6) sy “Rain’ny fanahy” (Hebreo 12:9). Namporisika antsika izy mba “tsy hanao ho zavatra kely … ny famaizan’i Jehovah, … fa izay tian’i Jehovah no faizany” (Hebreo 12:5–6).

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome ireo mpampianatra hevitra momba ny zavatra mety ilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay:

Hebreo 11, Fizarana 1

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahatakatra ny atao hoe finoana an’i Jesoa Kristy sy ny maha zava-dehibe izany amin’ny fiainan’izy ireo manokana.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hameno ny fehezan-teny hoe “Ary ny finoana no ________” ary mba ho vonona hizara ny valinteniny ao an-dakilasy. 

  • Votoatin-kevitra haseho: Miomàna hampiseho ireo loharano sy fanontaniana ho an’ny sahanasa fandalinan’ny mpianatra any amin’ny faran’ny lesona.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Ampiasao ny tabilao virtoaly amin’ny rindrambaiko visio-conférence mba ahafahan’ny mpianatra manoratra ny famaritan’izy ireo ny atao hoe finoana ho hitan’ny iray kilasy na hanoratana famaritana tokana ho an’ny iray kilasy. Amporisiho mandritra ny lesona ny mpianatra hanitsy ny famaritana nataony na ny famaritana izay nosoratany miaraka.

Hebreo 11, Fizarana 2

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampitombo ny faniriany hiaina amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy hamantatra ireo fitahiana omen’ Andriamanitra azy ireo noho ny finoany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny fomba nitahian’ Andriamanitra azy ireo na ny olona iray fantany noho ny fiasan’izy ireo tamim-pinoana. Amporisiho izy ireo mba hiomana hizara ny zavatra niainany amin’ny iray kilasy.

  • Sary: Miomàna hampiseho ireo sarin’ny olona ao amin’ny soratra masina na avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana izay naneho finoana an’i Jesoa Kristy.

  • Horonan-tsary:Pure and Simple Faith” (5:21)

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Diniho ny fanendrena mpianatra handalina andininy samihafa ao amin’ny Hebreo 11 momba ny ohatry ny finoana. Avy eo dia afaka apetraka ao amin’ireo efitra mizarazara miaraka amin’ireo mpianatra hafa izay nandalina andinin-tsoratra masina samihafa ireo mpianatra, ary afaka mizara ny zavatra nianarany tamin’ireo andininy nianarany ireo izy rehetra.

Hebreo 12

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hianatra ny fomba ahafahan’ny fanekena amim-panetrentena ny fanitsiana avy amin’ny Ray any An-danitra manampy azy ireo hanana fiadanana sy mba ho tonga tahaka Azy kokoa.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ireo fotoana izay nanehoan’izy ireo fankasitrahana noho ny fanitsiana izay natao taminy, na avy amin’ Andriamanitra izany na avy amin’ny olon-kafa.

  • Sary: Miomàna hampiseho ny sarin’ny mpihazakazaka iray toa reraka ary ny fifaninanana hazakazaka iray.

  • Horonan-tsary: Ny sitrapon’ Andriamanitra” (3:01)

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hanombohana ny fampianarana dia hevero ny manao fitsapan-kevitra an-jotra ary manasà mpianatra hizara tsy mitonona anarana ireo fomba hahatsapan’izy ireo fa tahaka ny hazakazaka lavitr’ezaka ny fiainan’izy ireo amin’izao fotoana izao.

Hebreo 12:9

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao mba hanampiana ny mpianatra hahafantatra kokoa ny Ray any An-danitra sy hahatakatra ny mety ho fiantraikany tsara amin’ny fahalalan’izy ireo sy ny fifandraisany Aminy eo amin’ny fiainany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hamaky ny tononkira “Zanaky ny Ray aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, lah. 2) ary hieritreritra ny fiantraikan’ity fahalalana ny maha izy azy ireo ity eo amin’ny fiainany.

  • Horonan-tsary:A Regal Identity” (7:13; jereo manomboka amin’ny minitra faha 1:22 ka hatramin’ny 3:25)

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny mizara ny fahatsapanao manokana rehetra sy ireo hevi-baovao anananao mikasika ilay fanoharana nozarain’ny Rahavavy Clayton izay nampidirina tany am-piandohan’ity lesona ity. Mijoroa ho vavolombelona momba ny fiantraikan’ny fahafantarana an’ Andriamanitra sy ny fifandraisantsika masina amin’ Andriamanitra amin’ny toetrantsika sy ny fitondrantenantsika.

Fifehezana Fotopampianarana: Hebreo 12:9

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Hebreo 12:9 , sy manazava ny fotopampianarana, ary mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy eo amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ireo toe-javatra atrehan’ireo zatovo ka mety manampy azy ireo ny mahatakatra na mahatsiaro fa zanaky ny Ray any An-danitra izy ireo.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny mametraka ireo mpianatra ao amin’ireo efitra mizarazara ahafahan’izy ireo miasa tsiroaroa na anaty vondrona kely mba hiarahany mikahondoha momba ny fomba vitsivitsy ahafahany mameno ny banga amin’ny sahanasa fampiharana tranga. Avelao ny mpianatra hizara amin’ny iray kilasy ny tranga noeritreretin’izy ireo.

Hamoaka printy