Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra
Ampio ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindrampony eo amin’ny fiainan’izy ireo.


“Ampio ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindrampony eo amin’ny fiainan’izy ireo,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Mifantoha amin’i Jesoa Kristy (2023)

“Ampio ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindrampony eo amin’ny fiainan’izy ireo,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Mifantoha amin’i Jesoa Kristy

Ampio ny mpianatra hanatona an’i Jesoa Kristy

Ampio ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindrampony eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Fahaiza-manao

Mametraha fanontaniana mifantoka amin’ny fampifandraisana ny herin’ny Tompo sy ny famindrampony ary ny fitarihany amin’ireo fahamarinana ampianarina.

Mamaritra

Misy ny hery tonga rehefa mampifandray ny ezaka ataontsika hiaina ny fitsipiky ny filazantsara amin’i Jesoa Kristy Mpamonjintsika isika. Makà fotoana mandritra ny fiomananao mba hisaintsainana hoe manampy anao hahafantatra sy hahatakatra inona momba an’i Jesoa Kristy ireo fitsipiky ny filazantsara ao amin’ilay ampahan-tsoratra masina. Aorian’izany dia mamoròna am-pitandremana tsara fanontaniana izay manasa ny mpianatra hieritreritra ny zavatra azon’izy ireo ianarana momba ny fitiavany sy ny heriny ary ny famindrampony avy amin’ireo fahamarinana nampianarina. Ankoatra ny anampian’izany ny mpianatra hahatakatra ny fotopampianarana, ireo karazam-panontaniana ireo dia afaka ihany koa manampy azy ireo hahatakatra ny fomba anampian’ny fiainana izany fotopampianarana izany azy ireo hahatsapa ny fitiavany, ny heriny ary ny fampindrampony, ary koa ho tonga tahaka Azy kokoa. Ireo karazam-panontaniana ireo dia afaka ihany koa manampy ny mpianatra hisaintsaina ny fomba hanampian’i Jesoa Kristy azy ireo hiaina izany fotopampianarana izany.

Lamina hakan-tahaka

Aleo kokoa tsy manontany hoe …

  • Nahoana no zava-dehibe ny miaina ny lalàn’ny fahafolonkarena?

  • Nahoana isika no tokony hibebaka isan’andro?

Fa miezaha kosa hanontany hoe …

  • Nampianatra inona anao momba ny Rainao any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny fiainana ny lalàn’ny fahafolonkarena?

  • Inona no nianaranao momba ny famindrampon’ny Mpamonjy avy amin’ny fibebahana isan’andro?

Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.

Manazatra tena

Manaova fanazaran-tena amin’ny alalan’ny fanovana ireto fanontaniana ireto mba hanampian’izany ny mpianatra hampifandray ny fitiavana sy ny hery ary ny famindrampon’ny Mpamonjy amin’ireo fahamarinana ampianarina.

Aleo kokoa tsy manontany hoe …

  • Nahoana no manan-danja ny mandalina ny soratra masina isan’andro?

  • Inona no hery azo avy amin’ny fankanesana any amin’ny tempoly?

Fa miezaha kosa hanontany hoe …

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

  • Ahoana no nianaranao ka nahatakaranao fa lasa manan-danja kokoa ireo fitsipika ara-potopampianarana rehefa ampifandraisinao amin’ny fitiavana sy ny hery ary ny famindrampon’ny Tompo izany?

  • Ahoana no hanampian’izany ny mpianatsika hahatakatra sy hiantehitra kokoa amin’ny fampianarana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Mampiditra fahalalana

Jereo ny drafitry ny lesona hataonao manaraka. Manokàna 10 minitra hijerena ireo fanontaniana mba hanampiana ny mpianatra hampifandray ny fitiavana sy ny hery ary ny famindrampon’ny Tompo amin’ny fahamarinana ampianarina.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

  • Chad H Webb, “Miresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy isika” (Fampitana ny fivoriam-piofanana fanao isan-taona ho an’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara, ny 12 jona 2018), broadcasts.ChurchofJesusChrist.org

  • Chad H Webb, “Fahaiza-miombom-pihetseham-po” (Fampitana ny fivoriam-piofanana fanao isan-taona ho an’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara, 26 jan. 2021), broadcasts.ChurchofJesusChrist.org

Fahaiza-manao

Manomeza fanasana izay hanampy ny mpianatra hahafantatra ny fitiavana sy ny hery ary ny famindrampon’ny Tompo ao anatin’ny zavatra iainan’izy ireo manokana.

Sary
I Jesoa Kristy manasitrana lehilahy iray

Mamaritra

Afaka manampy ny mpianatra ianao mba hanatona an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo hahafantatra ny fitiavana sy ny hery ary ny famindrampon’ny Tompo ao anatin’ny zavatra iainan’izy ireo manokana. Rehefa mahita soratra masina hamaritana ny fitiavany, na ny heriny, na ny famindram-pony ianao dia:

  • Manomeza toky fa efa nahatsapa ny fitiavana na ny hery na ny famindrampon’i Kristy teo amin’ny fiainany ny mpianatra.

  • Omeo fotoana ny mpianatra hitadidiana ireo fotoana izay nahatsapan’izy ireo ny fitiavana, na ny hery, na ny famindrampon’ny Mpamonjy tamin’ny zavatra niainan’izy ireo manokana (afaka ny ho totoana taloha na amin’izao fotoana ireo fotoana ireo).

  • Manontania raha misy vonona hizara zavatra niainana.

Rehefa lasa mahay kokoa mamantatra ny anjara asan’i Kristy ao amin’ny zavatra iainan’izy ireo manokana ny mpianatra, dia hahatsapa ho akaiky Azy izy ireo ary hohatanjahana ny fifandraisan’izy ireo Aminy.

Lamina hakan-tahaka

Inty misy ohatra amin’izay mety ho endrik’izany:

  • Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61:1 dia mamaritra an’i Jesoa Kristy ho “ilay manana ny hery rehetra.” Mba hanampiana ny mpianatra hamantatra ny heriny ao amin’ny zavatra iainan’izy ireo, dia azonao atao ny miteny hoe: “Mino aho fa efa niaina zavatra izay nahatsapanareo ny herin’ny Mpamonjy teo amin’ny fiainanareo ny tsirairay avy aminareo. Atokany ireo telo minitra manaraka mba hanoratana momba ny fotoana iray nahatsapanareo ny heriny.” Rehefa nahavita ny fanoratana nataon’izy ireo ny ankamaroan’ny mpianatra, dia azonao anontaniana izy ireo hoe: “Raha tsy tia mahakasika ny tena manokana loatra, dia misy ve aminareo vonona hizara ny zavatra niainany amin’ny iray kilasy?”

Manazatra tena

Andramo ny iray na ny mihoatra izany amin’ireto manaraka ireto:

  • Ny Lioka 5 dia ahitana ohatra maro amin’ny herin’ny Mpamonjy mba hanasitrana. Vakio ny Lioka 5:12–17. Manaova fanazaran-tena manoratra fanasana iray na roa izay hanampy ny mpianatra hisaintsaina ny fotoana izay nahatsapan’izy ireo ny hery manasitran’i Kristy tahaka izany.

  • Mankanesa ao amin’ny lesonao manaraka ao amin’ny fandaharam-pampianarana. Mitadiava toerana ao amin’ireo andian’andinin-tsoratra masina izay ahafahanao manao fanazarana manoratra fanasana iray na roa mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra fotoana nahatsapan’izy ireo manokana ny fitiavana, na ny hery, na ny famindrampon’ny Tompo.

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

  • Inona no fanasana omenao amin’izao mba hanampiana ny mpianatra hahafantatra ny fitiavana sy ny hery ary ny famindrampon’i Kristy eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana?

  • Ahoana no ahafahanao mitadidy ny hanome ireo karazana fanasana ireo amin’ny fotoana manaraka iarahanao amin’ny mpianatra?

  • Noho ny zavatra efa niainanao avy amin’ny fitiavana sy ny hery ary ny famindrampon’i Kristy, dia ahoana no hitaoman’izany anao hanohy na angamba hampitombo ny ezaka ataonao mba hanampy ny mpianatrao hahita Azy ihany koa eo amin’ny fiainan’izy ireo?

Mampiditra fahalalana

Misafidiana andian’andinin-tsoratra masina iray izay mampiseho ny famindrampo, na ny fitiavana, na ny herin’i Kristy. Mamoròna amim-pitandremana tsara fanasana iray ao amin’ny drafitry ny lesona mba hanampiana ny mpianatra hahita ny Mpamonjy ao amin’ny zavatra iainany manokana.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Hamoaka printy