Mifantoha amin’i Jesoa Kristy Mampianara momba an’i Jesoa Kristy na inona na inona ampianarinao. Antitrantero ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy Ampio ny mpianatra hampifandray ny zavatra ianaran’izy ireo amin’ny fomba anehoan’i Kristy ilay fitsipika.Antitrantero ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy Mampiasà sary sy horonan-tsary momba an’i Jesoa Kristy mba hanehoana fitsipiky ny filazantsara iray.Antitrantero ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy Ampianaro ny momba ireo anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy sy ireo anjara asany ary ireo toetra ananany. Mamoròna fanontaniana mampikaroka mba hanampiana ny mpianatra hamantatra ny anjara asan’i Jesoa Kristy, ireo anarana fiantsoana Azy, ireo fanehoana Azy an’ohatra, ireo toetra nananany, ary ireo toetoetrany.Ampianaro ny momba ireo anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy sy ireo anjara asany ary ireo toetra nananany. Mametraha fanontaniana izay mamela ny mpianatra hamantatra ireo anjara asa afaka tanan’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainan’izy ireo.Ampianaro ny momba ireo anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy sy ireo anjara asany ary ireo toetra nananany. Tadiavo ireo fanehoana an’ohatra izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Mametraha fanontaniana izay manampy ny mpianatra hianatra momba an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ireo fanehoana an’ohatra ao amin’ny soratra masina. Ampio ireo mpianatra hanana traikefa amin’ny fampiasana retsi-pamantarana amin’ireo zavatra ao amin’ny soratra masina izay maneho an’i Jesoa Kristy. Ampio ny mpianatra hanatona an’i Jesoa Kristy Ampio ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindrampony eo amin’ny fiainan’izy ireo. Mametraha fanontaniana mifantoka amin’ny fampifandraisana ny herin’ny Tompo sy ny famindrampony ary ny fitarihany amin’ireo fahamarinana ampianarina.Ampio ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindrampony eo amin’ny fiainan’izy ireo. Manomeza fanasana izay hanampy ny mpianatra hahafantatra ny fitiavana sy ny hery ary ny famindrampon’ny Tompo ao anatin’ny zavatra iainan’izy ireo manokana.Ampio ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindrampony eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ampio ny mpianatra hanamafy orina ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Teny nambara izay manampy ny mpianatra hahafantatra sy hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Mametraha fanontaniana izay manampy ireo mpianatra hahita ohatra amin’ny fitiavan’ny Ray any An-danitra ao amin’ilay andinin-tsoratra masina. Ampio ny mpianatra hiezaka an-tsitrapo ny hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy. Diniho ireo toetra tahaka ny an’i Kristy ananan’ireo mpianatra ary zarao ny zavatra tsikaritrao mba hitaomana azy ireo hanohy hitovy Aminy. Asao ny mpianatra hitady ireo fomba hanarahana ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana.