Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra
Ampio ny mpianatra hinia hiezaka ny hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy


“Ampio ny mpianatra hinia hiezaka ny hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Mifantoha amin’i Jesoa Kristy (2023)

“Ampio ny mpianatra hinia hiezaka ny hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Mifantoha amin’i Jesoa Kristy

Ampio ny mpianatra hanatona an’i Jesoa Kristy

Ampio ny mpianatra hinia hiezaka ny hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy.

Fahaiza-manao

Diniho ireo toetra tahaka ny an’i Kristy ananan’ny mpianatra ary zarao ny zavatra tsikaritrao mba hitaomana azy ireo hanohy hitovy Aminy.

Sary
I Kristy mampionona vehivavy

Mamaritra

Ny fankasitrahana ireo asa na toetra tahaka ny an’i Kristy ataon’ny hafa sy ananany sy ny fizarana izany fankasitrahana izany amin’izy ireo dia manasa ny Fanahy Masina hijoro ho vavolombelona ny amin’ny Ray sy ny Zanaka ary mitaona antsika hanohy hiaina tahaka Azy Ireo. Mandritra ny fotoam-pianarana dia diniho ny mpianatra ary manontania tena hoe: “Inona no toetoetra na toetran’i Jesoa Kristy hitako ao amin’ity olona ity?” Zarao ny zavatra tsikaritrao mba hanampy azy ireo hahafantatra fa hitanao izy ireo miezaka ny ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa.

Lamina hakan-tahaka

  • Rehefa hitan’ny mpampianatra fa nihazona ny varavarana hivoha mba hidiran’ny mpianatra i Julio, dia nanontany tena mangina izy hoe: “Inona no toetoetra na toetran’i Jesoa Kristy hitako ao amin’ity olona ity?” Dia mizara izao manaraka izao izy avy eo: “Julio a! Misaotra anao nihazona ny varavarana hivoha ho an’ireo mpianatra rehetra ireo. Mampahatsiahy ahy ny fomba nitadiavan’ny Mpamonjy fomba hanompoana sy hitahiana ny hafa ianao.”

  • Nahazo vaovao momba ny fahafatesan’olona ao amin’ny fianakaviany i Kai, dia nijery an’i Kalani nampionona azy ny mpampianatra. Manontany tena ilay mpampianatra hoe: “Inona no toetoetra na toetran’i Jesoa Kristy hitako ao amin’i Kalani?” Avy eo ilay mpampianatra dia miteny aminy hoe: “Kalani a! Rehefa nahita anao niresaka tamin’i Kai sy nanampy azy aho androany, dia nampahatsiahy ahy ny fomba nanokanan’i Jesoa Kristy fotoana hiarahana tamin’ny hafa tsirairay aho. Misaotra anao nanao ny zavatra izay ho nataony.”

Manazatra tena

  1. Misafidiana mpianatra iray ao amin’ny kilasinao dia manontania hoe: “Inona no toetoetra na toetran’i Jesoa Kristy hitako ao amin’io olona io?” Omano ny zavatra holazainao amin’ilay mpianatra dia zarao aminy avy eo ilay toetoetra na toetra.

  2. Misafidiana mpianatra iray hafa dia manontania hoe: “Inona no toetoetra na toetran’i Jesoa Kristy hitako ao amin’io olona io?” Omano ny zavatra holazainao amin’ilay mpianatra dia zarao aminy avy eo ilay toetoetra na toetra.

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

  • Rehefa mandinika ireo toetra tahaka ny an’i Kristy ananan’ny mpianatra sy mizara ny hevitrao amin’izy ireo ianao dia ahoana no hanasan’izany ny mpianatra hanohy hinia hiezaka ny ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy?

Mampiditra fahalalana

  • Atombohy amin’ny fisafidianana mpianatra iray na roa isan’andro. Diniho ary zarao amin’izy ireo ny fomba hahitanao azy ireo mihalasa kokoa tahaka an’i Kristy. Tohizo izany mandra-pahatonga izany ho toy ny zavatra mandeha ho azy.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Hamoaka printy