Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra
Tadiavo ireo fanehoana an’ohatra izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.


“Tadiavo ireo fanehoana an’ohatra izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Mifantoha amin’i Jesoa Kristy (2023)

“Tadiavo ireo fanehoana an’ohatra izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Mifantoha amin’i Jesoa Kristy

Mifatoha amin’i Jesoa Kristy: Mampianara momba an’i Jesoa Kristy na inona na inona ampianarinao

Tadiavo ireo fanehoana an’ohatra izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.

Fahaiza-manao

Mametraha fanontaniana izay manampy ny mpianatra hianatra momba an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ireo fanehoana an’ohatra ao amin’ny soratra masina.

Sary
ankizilahy mizara ny fanasan’ny Tompo

Mamaritra

Voalaza ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, fa “-Ny zava-drehetra,- hoy ny nambaran’ny Tompo, -dia nohariana sy natao mba ho vavolombelona manambara ahy- (Mosesy 6:63; jereo koa ny 2 Nefia 11:4). Afaka [manampy ny mpianatra] isika, sady mieritreritra izany fahamarinana izany ihany, mba hianatra hahita ireo tandindona maro be ao amin’ny soratra masina izay mijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy. … Afaka mahita zavatra mifandrindra amin’ny fiainan’ny Mpamonjy aza isika eo amin’ny fiainan’ireo mpaminany ary eo amin’ny fiainan’ireo lehilahy sy vehivavy mahatoky ao amin’ny soratra masina. Ny fitadiavana ireo tandindona dia manambara fahamarinana momba ny Mpamonjy any amin’ireo toerana izay mety tsy tsikaritrao raha tsy noho izany” (pejy 7). Afaka manampy ny mpianatra isika hianatra hahita an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana izay manampy azy ireo hieritreritra ny fomba hampianaran’ireo olona, toerana, trangan-javatra, na zavatra ao amin’ny soratra masina antsika momba Azy, na hijoroan’izany ho vavolombelona, na hifandraisan’izany, na hampahatsiahivan’izany antsika momba Azy. Azo apetraka aloha na aorian’ny hanasanao ny mpianatra hamaky soratra masina ireo fanontaniana ireo. Mety hahitana ireto manaraka ireto ny ohatra amin’ireo karazam-panontaniana ireo.

  • Inona avy ireo toetoetran’i Jesoa Kristy hitanao ao amin’ny ?

  • Ahoana no mety hifandraisan’ireo zavatra ao amin’ireo andininy ireo amin’i Jesoa Kristy?

  • Ahoana no ijoroan’io tantara io ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy?

  • Inona ireo tandindona momba an’i Jesoa Kristy hitanao ao amin’io tantara io?

Ireo lamina hakan-tahaka sy fanazaran-tena etsy ambany dia ohatra ankapobeny. Hahomby kokoa ny fanofanana raha toa ka mifandray amin’ireo lesona manaraka izay horesadresahina ao amin’ny fandaharam-pampianarana ny lamina hakan-tahaka sy ny fanazaran-tena.

Lamina hakan-tahaka

Rehefa mitarika ny fotoam-pianarana handalina ny Jaona 10 ny mpampianatra dia mametraka ireto fanontaniana ireto izy:

  • Inona avy ireo toetoetran’i Jesoa Kristy hitanareo ao amin’ny hoe “vavahady” izay resahina ao amin’ny andininy 2?

  • Ahoana no mety hifandraisan’ilay “mpiandry vavahady” ao amin’ny andininy 3 amin’i Jesoa Kristy?

  • Inona koa no tandindona hafa maneho an’i Jesoa Kristy hitanao ao amin’ny Jaona 10?

Fampiharana 1

  1. Inona avy ireo fanontaniana azonao apetraka ao amin’ny Asan’ny Apostoly 3:1–7 izay manampy ny mpianatra hahita an’i Jesoa Kristy ao amin’io tantara io?

  2. Rehefa mijery ireo andian’andinin-tsoratra masina asaina hatao manaraka ao amin’ny fandaharam-pampianarana ho an’ny roa herinandro ho avy ianao, dia inona avy no fanontaniana azonao apetraka izay hanampy ireo mpianatrao hahita an’i Jesoa Kristy?

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

  • Inona no hitanao fa maha manan-danja ny fanasana ny hafa hianatra hahita an’i Jesoa Kristy amin’ny zavatra rehetra?

  • Inona no fiantraikan’ny fahitana ny Mpamonjy tao amin’ny soratra masina teo amin’ny fiainanao?

Mampiditra fahalalana

  • Isaky ny manao lesona vaovao ianao dia diniho ireo fanehoana an’ohatra ny Mpamonjy hita ao amin’ny soratra masina ary mametraha fanontaniana mba hanampiana ny mpianatra hahita azy ireny.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Fahaiza-manao

Ampio ireo mpianatra hanana traikefa amin’ny fampiasana retsi-pamantarana amin’ireo zavatra ao amin’ny soratra masina izay maneho an’i Jesoa Kristy.

Sary
mofo sy rano amin’ny fanasan’ny Tompo

Mamaritra

Matetika ireo mpaminany sy apôstôly no mampiasa fanehoana an’ohatra mba hampianarana momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Ny Mpamonjy mihitsy no nampiditra tao amin’ny fampianarany ireo tandindona ary nanambara hoe: “Ny zavatra rehetra dia nohariana sy natao mba ho vavolombelona manambara Ahy” (Mosesy 6:63). Fomba iray ahafahan’ny mpampianatra manampy ny mpianatra hahatakatra kokoa ny asa nanirahana ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany amin’ny alalan’ireo tandindona ao amin’ny soratra masina ny famelana ny mpianatra hanana traikefa hampiasa retsi-pamantarana. Ny zavatra iainana hampiasana retsi-pamantarana dia ny zavatra atao rehefa asaina hikasika, hanimbolo, handre, hijery na hanandran-tsiro ny zavatra iray fanehoana an’ohatra mialoha, na mandritra, na aorian’ny famakiana andian-tsoratra masina iray ny mpianatra. Izany dia afaka mampitombo ny fahatakaran’ny mpianatra ny fanehoana an’ohatra sy ny zavatra azon’izany ampianarina momba ny Mpamonjy. Afaka manampy ny mpianatra hanana traikefa hampiasa retsi-pamantarana ny mpampianatra amin’ny alalan’ny:

  1. Fanehoana ilay zavatra avy ao amin’ilay andian-tsoratra masina izay tianao hananan’ny mpianatra traikefa.

  2. Filazana ny zavatra hataon’ny mpianatra amin’ilay zavatra.

  3. Fametrahana fanontaniana iray izay hanampy ny mpianatra hampifandray ilay fanehoana an’ohatra amin’ny Mpamonjy.

Ireo lamina hakan-tahaka sy fanazaran-tena etsy ambany dia ohatra ankapobeny. Hahomby kokoa ny fanofanana raha toa ka mifandray amin’ireo lesona manaraka izay horesadresahina ao amin’ny fandaharam-pampianarana ny lamina hakan-tahaka sy ny fanazaran-tena.

Lamina hakan-tahaka

  • Mampianatra ny Helamàna 5:12 Rahavavy Jones. Mitondra vato antonontonony izy mba ho ampitampitain’ny mpianatra eo amin’izy samy izy. Rehefa mitsapa ilay vato izy ireo dia milaza amin’ny mpianatra izy hoe: “Rehefa mihazona ilay vato ianareo dia saintsaino ny antony nisafidianan’i Helamàna vato iray hampitahaina amin’ny Mpamonjy sy ny fototra tokony hanorenantsika.”

  • Manome kaopy kely misy rany ny mpianatra tsirairay Rahalahy Gonzalez ary manasa ny mpianatra handalina ny Jaona 4:10–14 eo am-pieritreretan’izy ireo ilay rano. Manontany ny mpianatra izy hoe: “Inona no fantatrareo momba ny rano izay mety hahatonga ny Mpamonjy hampiasa ilay hevitra hoe -rano velona- mba hampianarana momba ny anjara asany ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra?”

Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.

Manazatra tena

Ho an’ireto andian-tsoratra masina sy zavatra manaraka ireto dia soraty ny fomba hanehoanao ilay zavatra, ny zavatra tianao hataon’ny mpianatra amin’ilay zavatra, ary fanontaniana iray izay hanampy ny mpianatra hampifandray ilay zavatra amin’ny Mpamonjy:

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

  • Inona no ianaranao avy amin’ny fampiharana nataonao?

  • Inona no maha-samy hafa ny fanomezana ny mpianatra traikefa hampiasana retsi-pamantarana amin’ny zavatra entina maneho an’ohatra amin’ny firesahana fotsiny momba ilay fanehoana an’ohatra?

Mampiditra fahalalana

  • Rehefa manomana lesona ianao dia mitadiava fahafahana hanampy ny mpianatra hanana traikefa hampiasana retsi-pamantarana amin’ny zavatra iray izay maneho an’i Jesoa Kristy avy ao amin’ilay andian-tsoratra masina.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Hamoaka printy