Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra
Ampianaro ny momba ireo anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy sy ireo anjara asany ary ireo toetra nananany.


“Ampianaro ny momba ireo anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy sy ireo anjara asany ary ireo toetra ananany,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra (2022)

“Ampianaro ny momba ireo anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy sy ireo anjara asany ary ireo toetra ananany,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra

Mifantoha amin’i Jesoa Kristy

Ampianaro ny momba ireo anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy sy ireo anjara asany ary ireo toetra nananany.

Karohy ireo tandindona izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.

Fahaiza-manao: Mamoròna fanontaniana mampikaroka mba hanampiana ny mpianatra hamantatra ny anjara asan’i Jesoa Kristy, ireo anarana fiantsoana Azy, fanehoana Azy an’ohatra, ireo toetra nananany, ary ireo toetoetrany.

Mamaritra

Rehefa mikatsaka ny hanampy ny mpianatra isika mba hanao fikarohana momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ny soratra masina, dia afaka ny hahafantatra sy hitia Azy izy ireo. Fomba iray hamoronana fanontaniana mampikaroka iray izay manampy ny mpianatra hamantatra ny anjara asan’i Jesoa Kristy, ny anarana fiantsoana Azy, ny fanehoana Azy an’ohatra, ny toetra nananany, na ny toetoetrany ny fampidirana izao manaraka izao ao anatin’ny fanontanianao: (1) ilay andinin-tsoratra masina, (2) ny zavatra tianao hotadiavin’ny mpianatra (anjara asan’i Jesoa Kristy, ny anarana fiantsoana Azy, ny fanehoana Azy an’ohatra, ny toetra nananany, na ny toetoetrany), ary (3) ny fomba ahitan’ny mpianatra ireo zavatra ireo avy amin’ny ezaka ataony manokana. Tokony hapetraka ireo fanontaniana ireo alohan’ny hanasanao ny mpianatra hamaky ilay andinin-tsoratra masina mba hahatonga ny mpianatra ho vonona ny hamantatra ny zavatra azon’izy ireo ianarana momba an’i Jesoa Kristy.

Lamina hakan-tahaka

Diniho ireto fanontaniana manaraka ireto, dia jereo tsara ny fomba hampidiran’izany ny andinin-tsoratra masina, ny zavatra hotadiavin’ny mpianatra, ary ny fomba ahitan’ny mpianatra izany avy amin’ny ezaka ataony manokana:

  • Rehefa mamaky ilay tantaran’ny Samaritana tsara fanahy ao amin’ny Lioka 10:25–37 ianareo, dia inona no toetran’ Andriamanitra ananan’i Jesoa Kristy izay hitanareo?

  • Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–8 ianareo dia mitadiava anarana fiantsoana sy anjara asan’i Jesoa Kristy telo samy hafa izay toa mifanaraka tsara amin’izay ilainareo amin’izao fotoana izao eo amin’ny fiainanareo.

  • Rehefa mamaky ny Asan’ny Apostoly 3:1–7 ianareo dia inona no tsikaritrareo momba an’i Petera ka mampahatsiahy anareo an’i Jesoa Kristy?

Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.

Manazatra tena

Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto, dia manorata fanontaniana mampikaroka ho an’ny andian’andininy tsirairay izay manampy ny mpianatra hahita ny anjara asan’i Jesoa Kristy, ireo anarana fiantsoana Azy, fanehoana Azy an’ohatra, ireo toetra nananany, ary ireo toetoetrany.

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

  • Inona no zavatra nianaranao avy amin’io traikefa io mikasika ny fahatongavana ho mpampianatra tahaka an’i Kristy?

  • Ahoana no hanampian’izany ny mpianatsika sy ny fifanakalozan-kevitra ataontsika ao an-dakilasy mba hifantoka kokoa amin’i Jesoa Kristy?

Mampiditra fahalalana

Rehefa mampiasa ny zavatra nianaranao mandritra ny fanazaran-tena ianao dia eritrereto ireo toe-javatra iainana sy ireo zavatra ilain’ireo mpianatrao eo am-pandalinanao mba hanomanana ny lesonao amin’ity herinandro ity. Manorata fanontaniana mampikaroka iray miaraka amin’ny andinin-tsoratra masina iray ao amin’ny lesonao izay hanampy ny mpianatra hahita ny anjara asan’i Jesoa Kristy, ireo anarana fiantsoana Azy, fanehoana Azy an’ohatra, ireo toetra nananany, ary ireo toetoetrany mba hanampiana azy ireo hifantoka Aminy. Soraty ireo fanontaniana tonga ao an-tsainao ary raha manana fotoana ianao, dia manaova fanazaran-tena mametraka ireo fanontaniana ireo amin’olona alohan’ny hametrahanao izany ao an-dakilasy. Hanampy anao izany mba hanatsara ny fanontanianao alohan’ny hampiasanao izany amin’ny mpianatrao.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Hamoaka printy