Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra
Antitrantero ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy


“Antitrantero ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra (2022)

“Antitrantero ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra

Mifantoha amin’i Jesoa Kristy

Antitrantero ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy

Fahaiza-manao: Ampio ny mpianatra hampifandray ny zavatra ianaran’izy ireo amin’ny fomba anehoan’i Kristy ilay fitsipika.

Mamaritra

Ny fanampiana ny mpianatra hametraka an’i Jesoa Kristy ho ivon’ny fianaran’izy ireo dia hanampy azy ireo hanana traikefa an’ny tena manokana sy misy fiantraikany kokoa. Fomba iray ahafahantsika manao izany ny fanampiana ny mpianatra hampifandray ny zavatra ianarany amin’ny fiainana sy ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy. Azonao atao izany amin’ny alalan’ny fampiasana fanontaniana mampifandray mandritra ny lesona iray. Ireo lesona ireo dia manampy ny mpianatra hampifandray ny fiainana sy ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy amin’ny

  • antsipirian-javatra amin’ny tantara iray ao amin’ny soratra masina,

  • fitsipika ao amin’ny soratra masina, ary

  • zavatra iainany eo amin’ny fiainany manokana.

Lamina hakan-tahaka

Ireto misy ohatra vitsivitsy amin’ny fomba ahafahanao manampy ny mpianatra hampifandray ny fiainana sy ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy:

  • Rehefa avy mamaky tantara iray ao amin’ny soratra masina sy miresadresaka ny antsipirian-javatra ao anatin’izany dia afaka manontany ianao hoe: “Inona ato amin’ity tantara ity no mampahatsiahy anareo ny fiainana sy ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy?”

  • Rehefa avy namantatra fitsipika iray dia afaka manontany ianao hoe: “Aiza ao amin’ny soratra masina no anehoan’i Jesoa io fitsipika io?”

  • Rehefa avy namakafaka fitsipika iray dia afaka manontany ianao hoe: “Oviana ianareo no nahita an’i Jesoa naneho an’io fitsipika io teo amin’ny fiainanareo na ho anareo?”

  • Rehefa mifanakalo hevitra momba ny fanazaran-tena fitsipika iray dia afaka manontany ianao hoe: “Inona avy amin’ny ohatra nasehon’i Jesoa no manampy anareo hiaina feno kokoa io fitsipika io?”

  • Afaka manontany koa ianao hoe: “Ahoana no hanampian’ny fiainana io fitsipika io anareo hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy ary ho lasa tahaka Azy kokoa?”

Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.

Manazatra tena

Ampiasao ny iray na ny maromaro amin’ireto fanazaran-tena manaraka ireto mba hanatsarana ny fahaizanao manampy ny mpianatra hampifandray ny tenany amin’ny fiainana sy ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy:

  • Diniho ilay fitsipika hoe: “Raha mankatò isika, na dia eo aza ny fitsapana, dia hanampy antsika Andriamanitra.” Mandritra ny fanomananao dia manaova fanazaran-tena mampifandray io fitsipika io amin’ny ohatra iray na roa momba ny fiainan’i Jesoa ao amin’ny soratra masina.

  • Jereo ny drafitry ny lesona iray vao hatao. Misafidiana fitsipika iray ka manaova drafitra hanampiana ny mpianatra hamantatra izany. Manaova fanazaran-tena manoratra fanontaniana tsotra miisa roa na telo mba hanampiana ny mpianatra hampifandray izany fitsipika izany amin’ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy.

  • Mitadiava toerana ao anatina drafitra ho ana lesona iray manaraka izay hifantohanao amin’ny fanazaran-tena. Manaova fanazaran-tena manoratra fanasana roa na telo izay manampy ny mpianatra handinika ny fomba ahafahan’ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy manampy azy ireo hampihatra fitsipika iray.

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

Saintsaino ny zavatra nianaranao avy amin’io zavatra niainana io. Azonao atao tsara ny manoratra ny sasany amin’ireo eritreritra ireo ao amina diary fandalinana iray. Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nataoko teo aloha mba hampifandraisana ny zavatra ianaran’ny mpianatra ao amin’ny soratra masina amin’ny fiainana sy ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy?

  • Inona no nianarako avy amin’io zavatra niainana io izay afaka manatsara ny fahaizako manampy ny mpianatra hanao ireo fampifandraisana amin’i Jesoa Kristy ireo?

  • Inona no hataoko hivoarako hatrany?

Mampiditra fahalalana

Ampidiro ny zavatra nanaovanao fanazaran-tena mba hanampiana ny mpianatra hampifandray ny zavatra ianarany amin’i Jesoa Kristy ary antitrantero ny ohatra nasehony. Mandritra ny herinandro manaraka dia misafidiana fitsipika iray ao amin’ny lesona tsirairay izay ho ampiasainao hanampiana ireo mpianatra hampifandray ny zavatra ianarany amin’i Jesoa Kristy sy ny ohatra nasehony.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Hamoaka printy