Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra
Ianaro avy amin’ny ezakao manokana ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy.


“Ianaro avy amin’ny ezaka atanao manokana ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ampianaro ny fotopampianarana (2023)

“Ianaro avy amin’ny ezaka ataonao manokana ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ampianaro ny fotopampianarana

Fitsipiky ny fampianarana tahaka ny an’i Kristy: Ampianaro ny fotopampianarana

Ianaro avy amin’ny ezaka ataonao manokana ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy.

Fahaiza-manao

Mamoròna fanontaniana mampikaroka tsy mitaky valiny eny na tsia izay manampy ny mpianatra hamantatra fotopampianarana sy fitsipika avy amin’ny ezaka ataony fa aza mitarika ny mpianatra hanome valin-teny voafaritra mazava.

Mamaritra

Ny fanontaniana mampikaroka tsy mitaky valiny raikitra dia manasa ny mpianatra hahita sy hahatakatra avy amin’ny ezaka ataony ireo fahamarinana ao amin’ny soratra masina fa tsy mitarika azy ireo ho amina valin-teny efa voafaritra mialoha. Io fomba io dia afaka manao izay hampanan-danja kokoa ny fandalinan’ny mpianatra iray soratra masina ary afaka manome fahafahana ny Tompo hampianatra sy hanome hevitra azy ireo mivantana. Ireo fanontaniana ireo dia (1) ahitana fanasana ho an’ny mpianatra handinika ny zavatra manan-danja manokana amin’izy ireo, (2) hanafoana ny filan’ny mpianatra mitady zavatra voafaritra mazava izay efa ao an-tsain’ny mpampianatra, ary (3) afaka mamela ny mpianatra hisaintsaina ny fomba ahafahana mampihatra eo amin’ny fiainany manokana ireo fahamarinana hita sy takatra. Ireo fanontaniana ireo dia azo ampiasaina rehefa manasa ny mpianatra hitady andinin-tsoratra masina hitadiavana fahamarinana sy rehefa mikatsaka fahatakarana fanampiny momba ireo fahamarinana hitan’izy ireo.

Ireo lamina hakan-tahaka sy fanazaran-tena etsy ambany dia ohatra ankapobeny. Hahomby kokoa ny fanofanana raha toa ka mifandray amin’ireo lesona manaraka izay horesadresahina ao amin’ny fandaharam-pampianarana ny lamina hakan-tahaka sy ny fanazaran-tena.

Lamina hakan-tahaka

Ireto misy ohatra vitsivitsy ana fomba azonao hanampianao ny mpianatra hamantatra sy hahatakatra fahamarinana avy amin’ny ezaka ataony amin’ny alalan’ny fanontaniana mampikaroka izay tsy mitaky valin-teny raikitra.

  • Aza manasa hoe: “Mitadiava andinin-tsoratra masina ahitana ny Mpamonjy mampianatra antsika ny maha-zava-dehibe ny fankatoavana,” fa manontania kosa hoe: “Inona no fitsipika misongadina aminao ao amin’ireo andininy ireo?”

  • Aza miteny hoe “Ao amin’ireo andininy ireo i Jesoa dia nanamafy ny ilantsika manana finoana Azy,” fa manontania kosa hoe: “Inona avy ireo fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo fampianarana sy ohatra nasehon’i Jesoa ao amin’ireo andininy ireo?”

  • Ho solon’ny fanontaniana hoe: “Hitanao ve ny fomba hampahatsiahivan’ny Tompo antsika mba hivavaka mandrakariva ao amin’io andininy io?” dia azonao atao ny manontany hoe: “Inona no hafatra momba ny vavaka ezahin’ny Tompo hanampiana anao mba ho takatrao avy amin’io andininy io?”

Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.

Manazatra tena

Ampiasao ny iray na ny maromaro amin’ireto fanazaran-tena manaraka ireto mba hanatsarana ny fahaizanao manampy ny mpianatra hahita sy hahatakatra ireo fahamarinana avy amin’ny ezaka ataony:

  • Jereo ny Môrônia 10:32–33. Manaova fanazaran-tena mitady fitsipika mihoatra ny iray mba hahitana ny fomba mety hahitan’ny mpianatra karazana fitsipika avy amin’ireo andininy ireo. Manorata fanontaniana iray izay hamela ny mpianatra hahita fitsipika maro.

  • Diniho ny ampahan-tsoratra masina iray izay omaninao mba hohalalinina miaraka amin’ny mpianatra ao anatina lesona iray vao hatao. Aza manao drafitra hanasa ny mpianatra hamaky ireo andininy ireo dia hitady fitsipika voafaritra mazava izay efa hitanao, fa manaova fanazaran-tena manoratra fanontaniana mampikaroka tsy mitaky valin-teny eny na tsia miisa roa ka hatramin’ny telo mba hanampiana azy ireo hahita fitsipika avy amin’ny ezaka ataony.

  • Jereo ny drafitry ny lesona iray vao hatao. Misafidiana fitsipika mety ho hitan’ny mpianatra avy amin’ireo andininy izay halalinina. Manaova fanazaran-tena manoratra fanontaniana tsotra miisa roa na telo mba hanampiana azy ireo hahatakatra bebe kokoa io fitsipika io amin’ny fomba izay tsy mitondra azy ireo ho amina valin-teny efa voafaritra mialoha.

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

Saintsaino ny zavatra nianaranao avy amin’io zavatra niainana io. Azonao atao tsara ny manoratra ny sasany amin’ireo eritreritra ireo ao amina diary fandalinana iray. Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nataoko teo aloha mba hanampiana ny mpianatra hianatra amin’ny alalan’ireo fanontaniana mampikaroka tsy mitaky valin-teny raikitra?

  • Inona no nianarako tamin’io zavatra niainana io izay afaka manatsara ny fahaizako mametraka fanontaniana mampikaroka tsy mitaky valin-teny raikitra?

  • Inona no hataoko mba hivoarako hatrany?

Mampiditra fahalalana

  • Rehefa manomana ny lesonao ianao amin’ity herinandro ity dia mamoròna fanontaniana mampikaroka tsy mitaky valin-teny eny na tsia izay manampy ny mpianatra hamantatra avy amin’ny ezaka ataony ny fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara ary tsy mitarika ny mpianatra hanome valin-teny voafaritra mazava. Soraty izany dia andramo apetraka amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana na mpiara-miasa na ataovy samirery. Misafidiana iray izay hapetraka ao an-dakilasy dia ampiasao ao anatin’ny lesonao izany.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

  • Chad H Webb, “Tsy hoe efa tonga amin’izao dingana lavitra izao isika vao hijanona,”(Fampitana ny fivoriam-piofanana fanao isan-taona an’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara, 9 jona 2020), broadcasts.ChurchofJesusChrist.org

  • Ampio ny mpianatra hahita fahamarinana ao amin’ny soratra masina,” ao amin’ny “Ampianaro ny fotopampianarana,” Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy (2016), 21

Fahaiza-manao

Fakafakao ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany mba hahazoana fahatakarana misimisy kokoa.

Sary
lehilahy miasa eo amin’ny latabatra

Mamaritra

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:21, ny Tompo dia manampy antsika ahita ny maha-zava-dehibe ny mianatra ny fotopampianarana avy amin’ny ezaka ataontsika manokana : “Aza mikatsaka ny hitory ny teniko, fa katsaho aloha ny hahazo ny teniko, ary amin’ izay dia hovahana ny lelanao; amin’ izay raha irinao, dia hanana ny Fanahiko sy ny teniko ianao, eny, ny herin’ Andriamanitra ho fandresen-dahatra ny olona.” Ny fikatsahana misimisy kokoa ny hianatra fotopampianarana na fitsipika marina dia azo atao amin’ny alalan’ny fikarohana amim-pahamalinana sy ny fandalinana ny zavatra nolazain’ny Tompo momba izany ao amin’ny soratra masina sy amin’ny alalan’ireo mpaminany. Rehefa avy mamantatra fotopampianarana na fitsipika iray izay tianao ho takatra kokoa, dia azonao atao ny:

  1. Manoratra ao amin’ny fitaovam-pikarohana ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile ilay fitsipika na ireo teny manan-danja.

  2. Misafidy ny Écritures na ny Conférence générale ao amin’ny “Résultats des filtres” (en ligne) na ny “Collections” (application).

  3. Misafidy zavatra avy amin’ny loharanom-pitaovana isan-karazany mba hampitomboana ny fianarana sy ny fahatakarana izany fotopampianarana na fitsipika izany.

Ireo lamina hakan-tahaka sy fanazaran-tena etsy ambany dia ohatra ankapobeny. Hahomby kokoa ny fanofanana raha toa ka mifandray amin’ireo lesona manaraka izay horesadresahina ao amin’ny fandaharam-pampianarana ny lamina hakan-tahaka sy ny fanazaran-tena.

Lamina hakan-tahaka

Eo am-panomanan-dRahalahy Latu lesona momba ny fahariana dia namaritra ity fotopampianarana manaraka ity ao amin’ny fandaharam-pampianarana izy hoe: “Teo ambany fitarihan’ny Ray any An-danitra no naharian’i Jesoa Kristy tontolo tsy hita.” Te hahafantatra misimisy kokoa momba an’i Jesoa Kristy mamorona tontolo tsy hita isa izy ka noho izany dia:

  • Mampiditra ilay fotopampianarana ao amin’ny fitaovam-pikarohana ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile izy.

  • Misafidy ny “Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.”

  • Mandalina ny iray amin’ireo lahateny izay manan-danja aminy.

Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.

Manazatra tena

Manomana lesona ianao ary ny fanambarana ho an’ny tena manokana no tena ifantohan’izany. Mba hahatakarana kokoa io fitsipika io dia:

  1. Manorata hoe “fanambarana ho an’ny tena manokana” ao amin’ny fitaovam-pikarohana ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.

  2. Safidio ny Écritures na ny Conférence générale ao amin’ny “Résultats des filtres” (en ligne) na ny “Collections” (application).

  3. Misafidiana loharanom-pitaovana mba hampitomboana ny fianaranao sy ny fahatakaranao ny fanambarana ho an’ny tena manokana.

Ataovy indray izany izao ho an’ny fotopampianarana na fitsipika iray ao anatin’ny lesona hatao manaraka.

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

  • Rehefa avy nampihatra io fahaiza-manao io ianao dia inona no ianaranao mikasika io dingana arahina amin’ny fandalinana ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany io mba hahazoana fahatakarana lalindalina kokoa?

  • Ahoana no mety haha-tombontsoa io dingana io amin’ny maha-mpampianatra anao?

Mampiditra fahalalana

  • Mandritra ny fanomananao ny lesona ho an’ny herinandro manaraka dia misafidiana fitsipika na fotopampianarana iray izay azonao hampitomboana ny fahatakaranao amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany. Makà fotoana hanoratana ireo zavatra tsapanao sy ireo zavatra ianaranao.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Hamoaka printy