Ampianaro ny fotopampianarana Ianaro avy amin’ny ezaka ataonao manokana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Mamoròna fanontaniana mampikaroka tsy mitaky valiny eny na tsia izay manampy ny mpianatra hamantatra fotopampianarana sy fitsipika avy amin’ny ezaka ataony fa aza mitarika ny mpianatra hanome valin-teny voafaritra mazava.Ianaro avy amin’ny ezaka ataonao manokana ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy. Fakafakao ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany mba hahazoana fahatakarana misimisy kokoa.Ianaro avy amin’ny ezaka ataonao manokana ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy. Mampianara avy amin’ny soratra masina sy avy amin’ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany. Manomàna fanasana izay manampy ny mpianatra hampifandray ireo fahamarinana hita ao amin’ny soratra masina amin’ny zavatra lazain’ireo mpaminany velona. Asehoy ny fitiavanao sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo mpaminany rehefa zaraina ao an-dakilasy ny tenin’izy ireo. Ampio ny mpianatra hitady sy hamantatra ary hahatakatra fahamarinana ao amin’ny soratra masina. Mamoròna fanombanan-tena ho an’ny mpianatra izay hanampy azy ireo hamantatra hoe hatraiza ny fahatakaran’izy ireo sy ny fahaizany amin’izao fotoana izao mikasika ny fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina.Ampio ny mpianatra hitady sy hamantatra ary hahatakatra fahamarinana ao amin’ny soratra masina. Hevero ireo fanontaniana amin’ny fitsapam-pahaizana mba hisafidianana amim-pahamalinana ireo haino vaky jery, tantaran’ny tena manokana, ary lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana.Ampio ny mpianatra hitady sy hamantatra ary hahatakatra fahamarinana ao amin’ny soratra masina. Mifantoha amin’ireo fahamarinana izay mitondra any amin’ny fiovampo sy manorina finoana an’i Jesoa Kristy. Mametraha fanontaniana izay manampy ny mpianatra hamantatra sy hilaza ireo fitsipika mitondra fiovampo.Mifantoha amin’ireo fahamarinana izay mitondra any amin’ny fiovampo sy manorina finoana an’i Jesoa Kristy. Valio amin’ny fomba izay misoroka ny fanombantombanana fahatany sy ny hevitry ny tena manokana tsy araka ny fotopampianarana ireo fanontaniana.Mifantoha amin’ireo fahamarinana izay mitondra any amin’ny fiovampo sy manorina finoana an’i Jesoa Kristy. Ampio ny mpianatra hahita zavatra mifandray amin’ny toe-javatra iainany ao amin’ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy. Manomàna fanasana sy fanehoan-kevitra izay manampy ny mpianatra hahita zavatra azony ampifandraisina amin’ny toe-javatra iainany manokana ao amin’ny andian’andinin-tsoratra masina iray. Manomboha sahanasa fianarana amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra hisaintsaina toe-javatra iainana iray manokana.